“Ny Tempoly” sy ny “Filoha” Amin’izao Andro Izao
“[Ny filoha, NW ] dia hiara-miditra amin’ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.” — EZEKIELA 46:10.
1, 2. Fahamarinana fototra inona no manampy antsika hahazo ny ankamaroan’ny hevitra fonosin’ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly?
TSY nahazoazo loatra ny bokin’i Ezekiela ny raby sasany fahiny. Araka ny voalazan’ny Talmoda, dia nihevitra mihitsy ny hanaisotra ilay boky tsy ho anisan’ny Soratra Masina aza ny sasany tamin’izy ireo. Sahirana izaitsizy izy ireo nanazava ny hevitr’ilay fahitana momba ny tempoly, ka nambarany ho tsy takatry ny sain’olombelona izy io. Nahavery hevitra ny manam-pahaizana hafa momba ny Baiboly ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempolin’i Jehovah. Ahoana ny amintsika?
2 Hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio, dia nitahy ny vahoakany i Jehovah tamin’ny fanomezana tsela-pahazavana ara-panahy maro. Anisan’izany ny fahatakarana ny atao hoe tempolin’Andriamanitra ara-panahy, izany hoe ny fandaharana nataon’i Jehovah mahakasika ny fanompoam-pivavahana madio. Azo ampitahaina amin’ny tempoly izany fandaharana nataony izany.a Manampy antsika hahazo ny ankamaroan’ny hevitra fonosin’ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly, io fahamarinana fototra io. Andeha hodinihintsika akaiky kokoa ireo lafiny efatra mahaforona io fahitana io: ny tempoly, ny mpisorona, ny filoha, ary ilay tany. Inona no hevitr’ireo amin’izao andro izao?
Ny tempoly sy ianao
3. Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay valin-drihana avo sy ireo sary sokitra eo amin’ny rindrina, ao amin’ireo lalantsara fidirana mankany amin’ny tempoly?
3 Alao sary an-tsaina hoe eo am-pitsidihana an’io tempoly tao amin’ny fahitana io isika. Manatona isika ka miakatra zanatohatra fito mankamin’ny iray amin’ireo vavahady goavana. Azon-tahotra miharo fanajana isika rehefa manandratra ny masontsika, ao anatin’io lalantsara fidirana io. Any amin’ny 30 metatra mahery eo ambonintsika ny valindrihan’izy io! Ampahatsiahivina antsika, araka izany, fa ambony ireo fari-pitsipika hidirana ao amin’ny fandaharana nataon’i Jehovah mahakasika ny fanompoam-pivavahana. Manazava ireo sary sokitra hazo rofia eo amin’ny rindrina ny tara-pahazavana avy amin’ireo varavarankely. Ampiasain’ny Soratra Masina mba hampisehoana ny fahitsiana ny hazo rofia. (Salamo 92:12; Ezekiela 40:14, 16, 22). Ho an’ireo olona mahitsy ara-pitondran-tena sy ara-panahy io toerana masina io. Mifanaraka amin’izany, dia irintsika ny hitoetra ho mahitsy mba ho azon’i Jehovah ekena ny fanompoam-pivavahantsika. — Salamo 11:7.
4. Iza no tsy mahazo miditra ao amin’ny tempoly, ary mampianatra antsika inona izany?
4 Samy misy trano fiambenana telo avy, eo amin’ny andaniny roa amin’ilay lalantsara. Havelan’ireo mpiambina hiditra ao amin’ny tempoly ve isika? Milaza amin’i Ezekiela i Jehovah fa tsy mahazo miditra ao mihitsy izay vahiny “tsy mifora fo”. (Ezekiela 40:10; 44:9). Inona no hevitr’izany? Midika izany fa tsy misy afa-tsy ireo izay tia ny lalàn’Andriamanitra sy miaina mifanaraka amin’izany ihany no ekeny ho mpivavaka aminy. (Jeremia 4:4; Romana 2:29). Ny olona toy izany no raisiny an-tanan-droa ho ao amin’ny tabernakeliny ara-panahy, izany hoe ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana aminy. (Salamo 15:1-5). Nanohana ny lalàn’i Jehovah momba ny fitondran-tena sy nanazava miandalana azy ireny ny fandaminany eto an-tany, hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio tamin’ny 1919. Tsy ekena hifanerasera amin’ny vahoakany intsony ireo mandà an-tsitrapo tsy hankato. Amin’izao andro izao, dia mihazona ny fanompoam-pivavahantsika ho madio ny fandroahana ireo mpanao ratsy tsy mibebaka. Fanao miorina amin’ny Baiboly ny fandroahana toy izany. — 1 Korintiana 5:13.
5. a) Inona avy ireo fitoviana misy eo amin’ny fahitan’i Ezekiela sy ny fahitan’i Jaona voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 7:9-15? b) Sary mampiseho an’iza ireo foko 12 manolotra fanompoam-pivavahana ao amin’ny kianja ivelany, ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela?
5 Ilay lalantsara dia mitondra ho ao amin’ny kianja ivelany, izay toerana anoloran’ny vahoaka fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah sy iderany azy. Izany dia mampahatsiahy antsika ny fahitana azon’ny apostoly Jaona mahakasika ny “olona betsaka”, izay manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah “andro aman-alina eo amin’ny tempoliny”. Samy miresaka ny amin’ny hazo rofia ireo fahitana roa ireo. Ao amin’ny fahitan’i Ezekiela, dia mandravaka ny rindrin’ny lalantsara fidirana ny sarin’ny hazo rofia. Ao amin’ny fahitan’i Jaona kosa, dia mitana sampan-drofia eny an-tanany ireo mpivavaka, ka izany dia sary mampiseho ny fifaliany midera an’i Jehovah sy mandray an’i Jesosy ho Mpanjakany. (Apokalypsy 7:9-15). Sary mampiseho ny “ondry hafa” ireo foko 12-n’ny Isiraely, ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela. (Jaona 10:16; ampitahao amin’ny Lioka 22:28-30.) Anisan’ireo faly midera an’i Jehovah, amin’ny fanambarana ny Fanjakany, koa ve ianao?
6. Nokendrena hanaovana inona ireo efitra fisakafoana ao amin’ny kianja ivelany, ary mety hampahatsiahy inona an’ireo anisan’ny ondry hafa izany, mahakasika ny tombontsoa ananan’izy ireo?
6 Eo am-pitsidihantsika ny kianja ivelany no ahitantsika efitra fisakafoana 30, izay ihinanan’ny olona ny fanati-tsitrapo ataony. (Ezekiela 40:17). Tsy manao fanatitra biby ireo anisan’ny ondry hafa, amin’izao andro izao. Tsy mitondra tanam-polo mankany amin’ilay tempoly ara-panahy anefa izy ireo. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 23:15.) Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany [Jesosy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” (Hebreo 13:15, 16; Hosea 14:3). Tombontsoa lehibe ny manao fanatitra toy izany ho an’i Jehovah. — Ohabolana 3:9, 27.
7. Manome toky antsika ny amin’inona ny fandrefesana ny tempoly?
7 Mijery tsara i Ezekiela eo am-pandrefesan’ny anjely iray io tempoly tao amin’ny fahitana io. (Ezekiela 40:3). Mitovy amin’izany koa fa nilazana toy izao ny apostoly Jaona: “Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.” (Apokalypsy 11:1). Inona no hevitr’izany fandrefesana izany? Amin’ireo tarehin-javatra roa ireo, dia miharihary fa fanomezana antoka izany, eny, famantarana milaza fa tsy misy na inona na inona afaka misakana an’i Jehovah tsy hahatanteraka ny fikasany momba ny fanompoam-pivavahana madio. Afaka mahazo antoka toy izany koa isika amin’izao andro izao, fa tsy misy na inona na inona, eny fa na dia ny fanenjehana amin-kalozana ataon’ny fitondram-panjakana matanjaka aza, afa-misakana ny famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana madio.
8. Iza no miditra amin’ireo vavahady mitarika ho any amin’ny kianja anatiny, ary mampahatsiahy antsika inona ireo vavahady ireo?
8 Eo am-pamakivakiantsika ny kianja ivelany, dia azontsika atao ny mahita ireo vavahady telo mitarika ho ao amin’ny kianja anatiny; sady mifanandrify tsara amin’ireo vavahady ivelany ireo vavahady anatiny no mitovy habe aminy. (Ezekiela 40:6, 20, 23, 24, 27). Ireo mpisorona ihany no mahazo miditra ao amin’ny kianja anatiny. Mampahatsiahy antsika ireo vavahady anatiny ireo fa tsy maintsy manaraka ny fari-pitsipik’Andriamanitra sy ny lalàny ny voahosotra. Izany fari-pitsipika sy lalàna izany ihany koa anefa no mitarika ny Kristianina marina rehetra. Inona anefa no asa ataon’ny mpisorona, ary inona no hevitr’izany amin’izao andro izao?
Mpisorona mahatoky
9, 10. Ahoana no nanomezan’ilay “fanjakà-mpisorona” fampianarana ara-panahy, toy ny naseho ho tandindona tamin’ilay kilasin’ny mpisorona tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
9 Niasa mafy tao amin’ny tempoly ny mpisorona, tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma. Asa vatana mafy ny famonoana ireo biby natao sorona sy ny fanolorana izany teo amin’ny alitara ary ny fanompoana ireo mpisorona hafa sy ny vahoaka. Nanana asa lehibe hafa natao anefa izy ireo. Nandidy toy izao i Jehovah, mahakasika ny mpisorona: “Hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian’ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian’ny tsy madio sy ny madio.” — Ezekiela 44:23; Malakia 2:7.
10 Ankasitrahanao ve ny asa mafy sy ny fanompoana amim-panetren-tena ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana madio, ataon’ireo voahosotra amin’ny fitambarany, amin’ny maha “fanjakà-mpisorona” azy? (1 Petera 2:9). Sahala amin’ireo mpisorona levita fahiny, dia mitari-dalana eo amin’ny fanomezana fampianarana ara-panahy izy ireo, ka manampy ny olona hahatakatra izay madio sy azo ekena eo imason’Andriamanitra, sy izay tsy toy izany. (Matio 24:45). Nanampy olona an-tapitrisany maro mba hihavana tamin’Andriamanitra izany fampianarana izany, izay nomena tamin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly sy ireo fivoriana kristianina sy fivoriambe. — 2 Korintiana 5:20.
11. a) Ahoana no nanantitranteran’ny fahitan’i Ezekiela ny maha zava-dehibe ny fahadiovan’ny mpisorona? b) Ahoana no nanadiovana ara-panahy ny voahosotra, amin’izao andro farany izao?
11 Tsy vitan’ny mampianatra ny hafa mba hadio fotsiny anefa ny zavatra tsy maintsy ataon’ny mpisorona; tsy maintsy madio koa izy ireo. Hitan’i Ezekiela mialoha àry ny fanadiovana natao teo amin’ny mpisoron’ny Isiraely. (Ezekiela 44:10-16). Mitovy amin’izany koa fa, tamin’ny 1918, araka ny asehon’ny tantara, dia nipetraka “handrendrika” tao amin’ny tempoliny ara-panahy i Jehovah, ka nandinika ny kilasin’ny mpisorona voahosotra. (Malakia 3:1-5). Ireo hita fa nadio ara-panahy, na nibebaka tamin’ny fanompoan-tsampy nataony teo aloha, dia navela hihazona hatrany ny tombontsoam-panompoany tao amin’ny tempolin’i Jehovah ara-panahy. Na izany aza, tahaka ny olon-kafa rehetra, dia mety hisy voahosotra sasantsasany ihany hanjary haloto ara-panahy sy ara-pitondran-tena. (Ezekiela 44:22, 25-27). Tsy maintsy mikely aina izy ireo mba hitoetra “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. — Jakoba 1:27; ampitahao amin’ny Marka 7:20-23.
12. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny asan’ny voahosotra?
12 Azon’ny tsirairay amintsika atao ny manontany tena hoe: ‘Moa ve aho mankasitraka ny ohatra navelan’ny voahosotra tao anatin’ireo taona maro nanompoany tamim-pahatokiana? Moa ve aho manahaka ny finoany?’ Tsara ny hitadidian’ireo anisan’ny olona betsaka fa tsy hiaraka amin’izy ireo eto an-tany foana akory ny voahosotra. Nilaza toy izao mahakasika ireo mpisorona tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela i Jehovah: “Tsy homenareo zara-tany eo amin’ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.” (Ezekiela 44:28). Toy izany koa fa tsy manana toerana maharitra mandrakizay eto an-tany ny voahosotra. Manana lova any an-danitra izy ireo, ary raisin’ireo anisan’ny olona betsaka ho tombontsoa ny manohana sy mampahery ny voahosotra raha mbola eto an-tany izy ireny. — Matio 25:34-40; 1 Petera 1:3, 4.
Iza moa ilay filoha?
13, 14. a) Nahoana no tsy maintsy ho anisan’ny ondry hafa ilay filoha? b) Sary mampiseho an’iza ilay filoha?
13 Izao dia mipetraka ny fanontaniana iray tena mahaliana. Mampiseho an’iza àry ilay filoha? Koa satria sady resahina ho toy ny olona iray izy io no resahina ho toy ny antokon’olona, dia azontsika heverina fa mampiseho kilasin-dehilahy izy io. (Ezekiela 44:3; 45:8, 9). Iza anefa? Azo antoka fa tsy ny voahosotra. Tao amin’ilay fahitana, dia miara-miasa akaiky amin’ireo mpisorona izy, saingy tsy anisan’izy ireo. Tsy mba tahaka ny kilasin’ny mpisorona izy io fa omena lova ao amin’ilay tany, ka noho izany dia manana hoavy eto an-tany, fa tsy any an-danitra. (Ezekiela 48:21). Hoy koa ny Ezekiela 46:10: “Ny [filoha, NW ] dia hiara-miditra [ao amin’ny kianja ivelan’ny tempoly] amin’ireo [foko tsy mpisorona], ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.” Tsy miditra ao amin’ilay kianja anatiny izy fa manolotra fanompoam-pivavahana ao amin’ny kianja ivelany, ka miditra sy mivoaka ny tempoly miaraka amin’ny vahoaka. Tsy isalasalana fa mametraka ilay filoha ho anisan’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa ireo anton-javatra ireo.
14 Mazava fa manana andraikitra eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ilay filoha. Mipetraka eo amin’ny fidirana mitafon’ny Vavahady Atsinanana, ao anatin’ny kianja ivelany, izy. (Ezekiela 44:2, 3). Izany dia manondro toeram-piandraiketana mitovy amin’ny an’ireo loholon’ny Isiraely izay nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna mba hamoaka didim-pitsarana. (Rota 4:1-12; Ohabolana 22:22). Iza eo amin’ny ondry hafa no mitana toeram-piandraiketana amin’izao andro izao? Ireo loholona manana fanantenana ny ho eto an-tany, izay voatendrin’ny fanahy masina. (Asan’ny Apostoly 20:28). Omanina àry ankehitriny ny kilasin’ilay filoha, satria hitantan-draharaha ao amin’ny tontolo vaovao izy ireo, any aoriana.
15. a) Amin’ny ahoana ny fahitan’i Ezekiela no manazava ny fifandraisana misy eo amin’ireo loholona anisan’ny olona betsaka sy ny kilasin’ny mpisorona voahosotra? b) Nitari-dalana teo amin’ny lafiny inona ireo loholona voahosotra, eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany?
15 Inona anefa amin’izao andro izao no fifandraisana misy eo amin’ny kilasin’ny mpisorona voahosotra sy ny loholona anisan’ny olona betsaka toy izany, izay manompo eo amin’ny toeram-piandraiketana? Toa manondro ny fahitan’i Ezekiela fa ny anjara asan’ireo loholona anisan’ny olona betsaka dia ny manohana sy ny manaiky ny fahefan’ny voahosotra, raha mbola mitari-dalana eo amin’ny lafiny ara-panahy koa izy ireo. Ahoana izany? Tadidio fa nomena andraikitra hampianatra ny vahoaka ny zavatra ara-panahy ireo mpisorona tao amin’ilay fahitana. Nasaina nitsara ireo raharaha ara-pitsarana koa izy ireo. Ny Levita koa, fanampin’izany, dia notendrena ho “mpiadidy ny amin’ny fiandrasana” tao amin’ny vavahadin’ny tempoly. (Ezekiela 44:11, 23, 24). Mazava fa tokony hanaiky ny fanompoana sy ny fitarihana ara-panahy nataon’ny mpisorona, ilay filoha. Mety àry raha mitari-dalana eo amin’ny fanompoam-pivavahana madio ny voahosotra, amin’ny andro ankehitriny. Nofidina teo anivon’ireo voahosotra, ohatra, ny mpikambana amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa hatramin’ny am-polony taona maro izao ireny loholona voahosotra mahatoky ireny no manofana ny kilasin’ilay filoha izay tsy mitsaha-mitombo, ka manomana ireo mety ho tonga mpikambana amin’io kilasy io ho amin’ilay andro hanomezana fahefana feno azy ireo ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ho avy.
16. Amin’ny fomba ahoana no tsy maintsy anaovan’ireo loholona zavatra, araka ny Isaia 32:1, 2?
16 Karazana mpiandraikitra manao ahoana ireo mety ho tonga mpikambana ireo, izay tsara toerana mba hahazo andraikitra bebe kokoa amin’ny maha kilasin’ny filoha azy? Hoy ny faminaniana hita ao amin’ny Isaia 32:1, 2: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny. Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” Eo am-pahatanterahana io faminaniana io amin’izao andro izao, satria miezaka hiaro ny andian’ondry amin’ny “ranonoram-baratra” toy ny fanenjehana sy ny fahakiviana, ireo loholona kristianina, voahosotra sy ondry hafa. — Hebreo 13:7.
17. Ahoana no tokony hiheveran’ireo mpiandry kristianina ny tenany, ary ahoana no tokony hiheveran’ny andian’ondry azy ireny?
17 Ny teny hoe “mpanapaka” sy “filoha” izay mitovy hevitra amin’ny teny hebreo, dia tsy ampiasaina ho toy ny anaram-boninahitra natao hankalazana olona akory, fa natao hilazalazana kosa ny andraikitra iantsorohan’ireny lehilahy ireny, eo am-pikarakarany ny ondrin’Andriamanitra. Nampitandrina mafy toy izao i Jehovah: “Aoka izay, ry [filohan’ny, NW ] Isiraely! Ajanòny ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana”. (Ezekiela 45:9). Tsara ho an’ny loholona rehetra amin’izao andro izao ny mandray am-po izany torohevitra izany. (1 Petera 5:2, 3). Ny andian’ondry kosa dia manaiky fa “lehilahy natolotr[’i Jesosy] ho fanomezana”, ireny mpiandry ireny. (Efesiana 4:8, NW ). Voasoratra ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny fepetra takina amin’izy ireo. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9). Manaraka ny fitarihan’ny loholona, noho izany, ny Kristianina.
18. Inona avy, ankehitriny, no andraikitra sasany iantsorohan’ireo mety ho tonga kilasin’ilay filoha, ary inona no ho andraikiny amin’ny hoavy?
18 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nisy filoha sasany nanana fahefana betsaka, fa ny an’ny hafa kosa kely kokoa. Amin’izao andro izao, dia manana andraikitra maro samy hafa ireo loholona anisan’ny olona betsaka. Manompo ao amin’ny kongregasiona iray ny sasany; mikarakara kongregasiona maro amin’ny maha mpiandraikitra mpitety faritany azy ny hafa; ny hafa indray mikarakara tany iray manontolo amin’ny maha mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana azy; manampy mivantana ao amin’ireo komity samihafa mahaforona ny Fitambara-mpitantana kosa ny hafa. Ao amin’ny tontolo vaovao, dia hanendry “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra” i Jesosy mba hitari-dalana ireo mpivavaka amin’i Jehovah eto an-tany. (Salamo 45:16). Tsy isalasalana fa eo anivon’ireo loholona mahatoky amin’izao andro izao no hifantenan’i Jesosy ny maro amin’izy ireny. Koa satria asehon’ireny lehilahy ireny dieny izao fa mendrika ny tenany, dia maro aminy no hofidin’i Jesosy hanankinana tombontsoa lehibe lavitra amin’ny hoavy, rehefa hambarany ny anjara asan’ny kilasin’ilay filoha ao amin’ny tontolo vaovao.
Ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao
19. Inona no asehon’ilay tany tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
19 Milazalaza ny amin’ny tanin’ny Isiraely tafaverina amin’ny laoniny koa ny fahitan’i Ezekiela. Inona no asehon’io lafiny amin’ilay fahitana io? Nanambara mialoha ireo faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny fa ho tonga paradisa tahaka an’i Edena ny tanin’ny Isiraely. (Ezekiela 36:34, 35). Amin’izao andro izao, dia manana “tany” iray tafaverina amin’ny laoniny isika, ary tahaka an’i Edena koa izy io amin’ny heviny iray. Mitovy amin’izany koa fa miresaka matetika ny amin’ny paradisantsika ara-panahy isika. Nofaritan’ny Tilikambo Fiambenana ho ‘faritra iasan’ny’ vahoaka voafidin’Andriamanitra ilay ‘tanintsika’.b Na aiza na aiza misy ny mpanompon’i Jehovah iray, dia ao amin’io tany tafaverina amin’ny laoniny io izy raha mbola miezaka hanohana koa ny fanompoam-pivavahana marina, amin’ny fanarahana ny dian’i Kristy Jesosy. — 1 Petera 2:21.
20. Foto-pitsipika inona no azontsika ianarana avy amin’ilay “anjara masina voatokana” tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, ary ahoana no azontsika ampiharana an’io foto-pitsipika io?
20 Ahoana ny amin’ilay ampahan-tany antsoina hoe “anjara masina voatokana”? Izy io dia ny fandraisana anjara avy amin’ny vahoaka, ho fanohanana ny mpisorona sy ilay tanàna. Mitovy amin’izany koa fa tokony hanome ampahan-tany ho an’ilay filoha “ny vahoaka rehetra”. Inona no hevitr’izany amin’izao andro izao? Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe tokony hovesarana enta-mavesatra amin’ny fandoavana karama ho an’ny kilasin’ny mpitondra fivavahana ny vahoakan’Andriamanitra. (2 Tesaloniana 3:8). Ara-panahy kosa voalohany indrindra ny fanohanana omena ny loholona. Tafiditra amin’izany ny fitondrana fanampiana eo amin’ny asa tontosaina amin’izao fotoana izao, sy ny fanehoana toe-tsaina vonona ny hiara-miasa sy hankato. Na izany aza, dia atao “ho an’i Jehovah” izany fandraisana anjara izany, toy ny tamin’ny andron’i Ezekiela, fa tsy natao ho an’olona na iza na iza. — Ezekiela 45:1, 7, 16, izahay no manao sora-mandry.
21. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fizarana ilay tany tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?
21 Tsy ny filoha sy ny mpisorona ihany no mahazo toerana efa voatondro ao amin’io tany tafaverina amin’ny laoniny io. Ny fizarana ilay tany dia mampiseho fa manana lova azo antoka ny tsirairay amin’ny foko 12. (Ezekiela 47:13, 22, 23). Ireo anisan’ny olona betsaka àry dia tsy vitan’ny hoe manan-toerana ao amin’ilay paradisa ara-panahy amin’izao andro izao fotsiny, fa hahazo tany hanendrena koa rehefa handova toerana ao amin’ny faritra eto an-tany tantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
22. a) Sary mampiseho inona ilay tanàna tao amin’ny fahitan’i Ezekiela? b) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny hoe manana vavahady eo amin’ny lafiny rehetra ilay tanàna?
22 Farany, inona no asehon’ilay tanàna ao amin’ilay fahitana? Tsy tanàna any an-danitra izy io, satria eo anivon’ny tany “tsy masina” no misy azy. (Ezekiela 48:15-17). Tsy maintsy ho zavatra etỳ an-tany àry izy io. Fa inona moa no atao hoe tanàna? Moa ve izany tsy mahatonga hieritreritra olona mivondrona ho antokony iray ka mahaforona zavatra voalamina sy misy rafitra? Eny. Noho izany, dia toa sary mampiseho ny fitantanan-draharaha etỳ an-tany ilay tanàna, ary hitondra soa ho an’ireo rehetra hahaforona ny fitambaran’olona marina eto an-tany izy io. Hiasa amin’ny fomba feno izy io ao amin’ilay “tany vaovao” ho avy. (2 Petera 3:13). Misy vavahady ny lafiny rehetra amin’ilay tanàna, ka manana vavahady iray avy ny foko tsirairay. Mampiseho tsara zavatra misokatra tsy misy miafina ireny vavahady ireny. Tsy eo ambanin’ny fitantanan-draharaha miafina sy an-tsokosoko ny vahoakan’Andriamanitra, amin’izao andro izao. Tokony ho olona mora hatonina ireo rahalahy manana andraikitra; fantatry ny rehetra tsara ny foto-pitsipika mitarika azy ireo. Mamboly eo amin’ilay tany izay mamelona ilay tanàna ny olona avy amin’ny foko rehetra, ka izany dia mampahatsiahy antsika fa manohana ireo fandaharana ara-pitantanana atao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany ny ondry hafa, na dia amin-javatra ara-nofo aza. — Ezekiela 48:19, 30-34.
23. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
23 Ahoana anefa ny amin’ilay ony mikoriana avy ao amin’ny tempoly? Izay asehon’izy io amin’izao andro izao sy amin’ny hoavy no ho foto-kevitry ny lahatsoratra fahatelo sady farany amin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-64, fehintsoratra faha-22, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1995, pejy faha-20.
Hevitra ho Famerenana
◻ Sary mampiseho inona ilay tempoly hitan’i Ezekiela tamin’ny fahitana?
◻ Sary mampiseho an’iza ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly?
◻ Iza no kilasin’ilay filoha, ary inona no sasany amin’ny andraikiny?
◻ Inona ilay tany tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, ary amin’ny heviny ahoana izy io no nozaraina ho an’ny foko 12?
◻ Sary mampiseho inona ilay tanàna?
[Kisary/Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
Ny fizarana ny tany, araka ny nilazalazana azy tao amin’ny fahitan’i Ezekiela
IREO FOKO ROA AMBIN’NY FOLO
Ranomasina Lehibe
Ranomasin’i Galilia
Onin’i Jordana
Ranomasin-tsira
DANA
ASERA
NAFTALY
MANASE
EFRAIMA
ROBENA
JODA
NY FILOHA
BENJAMINA
SIMEONA
ISAKARA
ZEBOLONA
GADA
[Kisary]
FANALEHIBEAZANA NY ANJARA MASINA VOATOKANA
A. “Jehovah no ao” (Jehovah-Shammah); B. Tany mahavokatr’ilay tanàna
Ny Anjaran’ny Levita
Fitoerana Masin’i Jehovah
Ny Anjaran’ny Mpisorona
B A B