Falifaly Dieny Izao sy ho Mandrakizay
‘Mifalia sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany aho; fa indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana aho ary ny olony ho firavoravoana.’ — ISAIA 65:18.
1. Tamin’ny ahoana ny fanompoam-pivavahana marina no nahakasika olona manokana, nandritra ireo taonjato?
NANDRITRA ireo taonjato manontolo, dia vahoaka maro be tsy tambo isaina no nahita fifaliana tondraka teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. I Davida dia iray monja tamin’ireo falifaly tamin’ny fanompoam-pivavahana marina. Mitantara ny Baiboly fa, rehefa nentina niakatra tany Jerosalema ny fiaran’ny fanekena, “Davida sy ny taranak’i Isiraely rehetra [dia] nampakatra ny fiaran’i Jehovah tamin’ny hoby”. (2 Samoela 6:15). Tsy hoe zavatra nitranga tamin’ny lasa fotsiny akory ny fifaliana teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah toy izany. Afaka mandray anjara amin’izany ianao. Ary misy anjara fifaliana vaovao mihitsy aza izao afaka ny ho anao tsy ho ela!
2. Ankoatra ny fahatanterahana voalohan’ny Isaia toko faha-35 tamin’ireo Jiosy tafaverina, iza amin’izao andro izao no tafiditra ao amin’ilay fahatanterahany hafa?
2 Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nandinika ny fahatanterahana voalohan’ilay faminaniana mandrisika voarakitra ao amin’ny Isaia toko faha-35 isika. Afaka miantso azy io ara-drariny hoe faminaniana momba ny famerenana any amin’ny taniny isika, satria izany no voaporofo fa marina tamin’ireo Jiosy fahiny. Misy fahatanterahany mitovy amin’izany izy io amin’izao androntsika izao. Ahoana izany? Nanomboka tamin’ireo apostolin’i Jesosy sy ireo hafa tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., i Jehovah dia nifampiraharaha tamin’ny Isiraelita ara-panahy. Izy ireo dia olona voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra, ka tonga anisan’izay antsoin’ny apostoly Paoly hoe “ny Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16; Romana 8:15-17). Tsarovy koa fa, ao amin’ny 1 Petera 2:9, ireo Kristiana ireo dia antsoina hoe “taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. Manohy ny teniny toy izao i Petera amin’ny fampahafantarana ny zavatra nanendrena ny Isiraely ara-panahy: “Mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”.
Fahatanterahany iray amin’izao androntsika izao
3, 4. Inona no tarehin-javatra nisy fony nahita ny fahatanterahany amin’ny andro maoderina ny Isaia toko faha-34?
3 Nisy fotoana tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ tsy nampaharisika tamin’ny fomba tsy niovaova ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy teto an-tany, tamin’ny fanambarana izany hafatra izany. Tsy nifaly tamin’ny fomba feno tamin’ny fahazavana mahatalanjon’Andriamanitra izy ireo. Raha ny marina, dia tao anatin’ny haizina nikitroka izy ireo. Oviana izany? Ary inona no nataon’i Jehovah Andriamanitra momba izany?
4 Izany dia tamin’ny fotoan’ny Ady Lehibe Voalohany, taoriana kelin’ny niorenan’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914. Ireo firenena, nomban’ny fanohanan’ny klerjin’ireo fiangonana tany amin’ny tany maro samihafa, dia tezitra tamin’izy samy izy. (Apokalypsy 11:17, 18). Andriamanitra, mazava ho azy, dia nanohitra ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mpivadi-pinoana miaraka amin’ny kilasin’ny klerjiny nisandratra, tahaka ny nanoherany ny firenen’i Edoma niavonavona. Noho izany, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ilay nanana an’i Edoma ho tandindona, dia tsara toerana mba hahita ny fahatanterahan’ny Isaia toko faha-34 amin’ny andro maoderina. Io fahatanterahany amin’ny alalan’ny fanafoanana maharitra io, dia azo antoka sahala amin’ny naha-azo antoka ny fahatanterahany voalohany tamin’i Edoma fahiny. — Apokalypsy 18:4-8, 19-21.
5. Karazana fahatanterahany inona no hitan’ny Isaia toko faha-35 amin’izao androntsika izao?
5 Ahoana ny amin’ny faminanian’i Isaia ao amin’ny toko faha-35, izay manantitrantitra ny amin’ny fifaliana? Izany koa dia nahita fahatanterahany amin’izao androntsika izao. Ahoana izany? Tanteraka izy io tamin’ny famerenana ny Isiraely ara-panahy avy tamin’ny karazana fahababoana iray. Aoka hodinihintsika ireo zava-misy izay tena itrangan’ny tantara teokratika vao haingana, tao anatin’ny androm-piainan’ny olona maro mbola velona.
6. Nahoana no azo atao ny milaza fa tafiditra tao anatin’ny fahababoana ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy?
6 Nandritra ny fe-potoana fohy ihany tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy dia tsy nitoetra ho nadio tanteraka, ary tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Voapentimpentin’ny fahadisoana teo amin’ny foto-pampianarana ny sasany taminy, ary nanaiky lembenana tamin’ny tsy fiandaniany tamin’ny fomba mazava tamin’i Jehovah, rehefa nampiharana fanerena izy ireo mba hanohana ireo firenena niady. Nandritra ireo taona nisian’ny ady ireo, dia niharan’izao endri-panenjehana rehetra izao izy, ka ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nananany aza, dia voarara tany amin’ny toerana maro. Tamin’ny farany, ny sasany tamin’ireo rahalahy fanta-bahoaka indrindra, dia nomelohina ary natao an-tranomaizina noho ny fiampangana lainga azy ireo. Raha atao jery todika, dia tsy sarotra ny mahita fa amin’ny heviny sasany, ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy nanana fahafahana, fa tao amin’ny fahababoana kosa. (Ampitahao amin’ny Jaona 8:31, 32.) Tena tsy nanana fahitana ara-panahy izy ireo. (Efesiana 1:16-18). Hita ho toa moana izy ireo raha ny amin’ny fiderana an’Andriamanitra, ka izany dia nitondra ho amin’ny tsy fahavokarana teo amin’ny ara-panahy. (Isaia 32:3, 4; Romana 14:11; Filipiana 2:11). Hitanao ve hoe amin’ny ahoana izany no mifanitsy amin’ny tarehin-javatra nisy ireo Jiosy fahiny babo tany Babylona?
7, 8. Karazana famerenana tamin’ny laoniny inona no hitan’ny sisa amin’ny andro maoderina?
7 Moa ve anefa Andriamanitra hamela an’ireo mpanompony amin’ny andro maoderina ho ao anatin’io toe-javatra io? Tsia, fa tapa-kevitra izy ny hamerina azy ireo ho amin’ny toerany, nifanaraka tamin’izay nambaran’i Isaia mialoha. Araka izany, io faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-35 io ihany, dia mahita fahatanterahany miavaka amin’izao androntsika izao, amin’ny famerenana ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy ho amin’ny firoboroboana sy ny fahasalamana ao amin’ny paradisa ara-panahy iray. Ao amin’ny Hebreo 12:12, i Paoly dia nampihatra ny Isaia 35:3 amin’ny heviny ara-panoharana, manohana ny maha-araka ny marina ny fanaovantsika fampiharana eo amin’ny lafiny ara-panahy an’io tapany amin’ny faminanian’i Isaia io.
8 Taorian’ny fotoan’ny ady, ny sisa voahosotra amin’ny Isiraely ara-panahy, dia nivoaka avy tao amin’ny fahababoana, raha azo atao ny milaza izany. I Jehovah Andriamanitra dia nampiasa an’i Jesosy Kristy, ilay Kyrosy Lehibe, mba hanafaka azy ireo. Araka izany, io sisa io dia afaka nanao asa fanorenana indray, toy izay nataon’ny sisa tamin’ireo Jiosy fahiny izay niverina tany amin’ny taniny mba hanorina indray ny tempoly ara-bakiteny tao Jerosalema. Ankoatra izany, ireo Isiraelita ara-panahy amin’ny andro maoderina ireo, dia afaka nanomboka namboly sy namokatra paradisa ara-panahy maitso mavana iray, zaridainan’i Edena iray ara-panoharana.
9. Ahoana no nihariharian’ny zavatra sahala amin’izay voalazalaza ao amin’ny Isaia 35:1, 2, 5-7, amin’izao androntsika izao?
9 Amin’ny fanaovana ao an-tsaina izay voalaza etsy ambony, dia aoka hodinihintsika indray ny Isaia toko faha-35, ka hojerentsika aloha Isaia 35 ny andininy voalohany sy faharoa. Izay toa toy ny faritra karakaina, dia tena nanomboka marina namony sy nahavokatra toy ny lohasahan’i Sarôna fahiny. Avy eo, dia jereo ny Isaia 35 andininy faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Ny sisa, izay misy maromaro aminy mbola velona sy marisika amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia nanana ny masony nahazo hevi-javatra, nampahiratina. Izy ireo dia afaka nahita tsara kokoa ny hevitr’izay nitranga tamin’ny 1914 sy taorian’io. Izany koa dia nisy heriny teo amin’ny maro amintsika izay mahaforona ny “olona betsaka”, manompo ankehitriny miaraka amin’ny sisa. — Apokalypsy 7:9.
Anisan’ny fahatanterahany ve ianao?
10, 11. a) Ahoana no nahatafiditra anao tamin’ny fahatanterahan’ny Isaia 35:5-7? b) Ahoana no fiheveranao manokana an’ireny fiovana ireny?
10 Raiso ho ohatra ny tenanao. Talohan’ny nifandraisanao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, moa ve ianao namaky tsy tapaka ny Baiboly? Raha eny, nanao ahoana ny fahazoanao ny heviny? Fantatrao ankehitriny, ohatra, ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty. Angamba ianao afaka manondro amin’ny olona iray liana, andalan-teny mifanaraka amin’izay ilaina, ao amin’ny Genesisy toko faha-2, sy ny Mpitoriteny toko faha-9, ary ny Ezekiela toko faha-18, ary koa andinin-teny maro hafa. Eny, azo inoana fa azonao izay ampianarin’ny Baiboly momba ny foto-kevitra sy raharaha iadian-kevitra maro. Raha tsorina, dia misy heviny aminao ny Baiboly, ary afaka manazava zavatra betsaka ao anatiny amin’ny hafa ianao, araka ny tsy isalasalana fa efa nataonao.
11 Mety anefa ny hanontanian’ny tsirairay amintsika tena hoe ‘Ahoana no nianarako izay rehetra fantatro momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Talohan’ny niarahako nianatra tamin’ny vahoakan’i Jehovah, efa nahita an’ireo andalan-teny vao avy notononina rehetra ireo ve aho? Nahazo ny hevitr’izy ireny ve aho, ary tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra marina ve aho raha ny amin’ny maha-zava-dehibe azy ireny?’ Ny valiny amim-pahatsorana dia hoe tsia. Tsy misy na iza na iza tokony ho tafintohina amin’izany filazana izany, kanefa azo lazaina fa tamin’ny fotony, dia jamba ianao raha ny amin’ireny andininy ireny sy ny heviny. Sa tsy marina izany? Efa tao amin’ny Baiboly izy ireo, saingy tsy afaka nahita na nahazo ny heviny ianao. Ahoana àry no nampahiratra ny masonao teo amin’ny ara-panahy? Izany dia tamin’ny alalan’izay nataon’i Jehovah tamin’ny fanatanterahana ny Isaia 35:5 tamin’ny sisa voahosotra. Taorian’izay indray, dia nampahiratina ny masonao. Tsy ao anatin’ny haizina ara-panahy intsony ianao. Mahita ianao. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:17, 18.
12. a) Nahoana no afaka milaza isika fa tsy izao no fotoana ho an’ny fanasitranana ara-batana mahagaga? b) Tamin’ny ahoana ny toe-javatra nisy ny Rahalahy F. W. Franz no ohatra manazava ny fomba ahatanterahan’ny Isaia 35:5 amin’izao androntsika izao?
12 Ireo mpianatra mahira-tsaina ny Baiboly sy ny fomba fiasan’Andriamanitra nandritra ireo taonjato dia mahafantatra fa tsy izao no fotoana eo amin’ny tantara ho an’ny fanasitranana ara-batana mahagaga. (1 Korintiana 13:8-10). Koa tsy manantena ny hampahiratan’i Jesosy Kristy ny maso jamba àry isika mba hanaporofoana fa izy no Mesia, ilay Mpaminanin’Andriamanitra. (Jaona 9:1-7, 30-33). Tsy hahatonga ny marenina rehetra handre feo indray koa izy. Teo am-panatonany ny faha-100 taonany, i Frederick W. Franz, iray tamin’ireo voahosotra sady prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower teo aloha, dia pahina sy voatery nampiasa fihainoana. Nandritra ny taona maromaro dia tsy afaka namaky teny intsony izy; iza anefa no hihevitra azy ho jamba na marenina, araka ny heviny ao amin’ny Isaia 35:5? Ny fahitany ara-panahy natsilo dia fitahiana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra nanerana ny tany.
13. Fitsimbadihan’ny tarehin-javatra inona na famerenana tamin’ny laoniny inona no hitan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro maoderina izao?
13 Ary ahoana ny amin’ny lelanao? Ireo voahosotr’Andriamanitra dia nety ho moana nandritra ny fahababoan’izy ireo ara-panahy. Raha vao natsimbadik’i Jehovah anefa izany tarehin-javatra izany, dia nanomboka nihoby ny lelan’izy ireo noho izay fantatr’izy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina sy ireo fampanantenany ny amin’ny hoavy. Mety ho nanampy anao mba hampiteny ny lelanao koa izy ireo. Niresaka betsaka momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny hafa ve ianao tamin’ny lasa? Angamba nisy fotoana nieritreretanao hoe ‘Tiako ny mianatra, saingy tsy handeha hiresaka amin’ny olon-tsy fantatro na oviana na oviana aho’. Kanefa, tsy marina ve fa ‘mihoby’ ankehitriny “ny lelan’ny moana”? — Isaia 35:6.
14, 15. Ahoana no nandehanan’ny maro tamin’ny “Làlan’ny fahamasinana” amin’izao androntsika izao?
14 Ireo Jiosy fahiny izay nafahana avy tany Babylona dia nanao dia lavitra niverina ho any amin’ny tanindrazany. Inona no mifanitsy amin’izany amin’izao androntsika izao? Jereo ny Isaia 35:8 manao hoe: “Hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, izay atao hoe Làlan’ny fahamasinana; tsy mba handia izany ny tsy madio”.
15 Nanomboka tamin’ny fanafahana azy ireo tamin’ny fahababoana ara-panahy, ny sisa voahosotra, izay arahin’ny ondry hafa an-tapitrisany maro ankehitriny, dia niala avy tao amin’i Babylona Lehibe ho amin’ny lalambe iray ara-panoharana, dia lalan’ny fahamasinana madio iray izay mitarika ho amin’ny paradisa ara-panahy iray. Manao ny ezaka rehetra isika mba hahafeno fepetra ho an’io Lalan’ny Fahamasinana io sy hitoetra ao. Eritrereto ny tenanao. Moa ve ireo fari-pitsipika sy fotopoto-pitsipika ara-pitondran-tena tananao, tsy ambony lavitra ankehitriny, noho ny fony ianao tany amin’izao tontolo izao? Moa ve ianao tsy manao ezaka lehibe kokoa mba hampifanarahana ny fisainanao sy ny fitondran-tenanao amin’ireo an’Andriamanitra? — Romana 8:12, 13; Efesiana 4:22-24.
16. Toe-piainana inona avy no ifaliantsika rehefa mandeha eo amin’ny Lalan’ny Fahamasinana isika?
16 Eo am-panohizanao mandeha eo amin’io Lalan’ny Fahamasinana io, amin’ny fotony, dia afaka amin’ny tahotra olona oharina amin’ny biby ianao. Marina fa eo amin’itỳ tontolo itỳ, dia tsy maintsy mitandrina ny amin’ireo olona mpierina na feno fankahalana ianao, mba tsy hihinanany velona anao, amin’ny heviny ara-panoharana. Tena maro dia maro no masiaka eo amin’ny fomba ifampiraharahany amin’ny hafa. Fifanoheran-javatra amin’izany toy inona moa no hitanao eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra! Ao anatin’ny tontolo iainana voaro iray ianao ao. Mazava ho azy fa tsy tanteraka ireo Kristiana tahaka anao; indraindray ny iray dia manao fahadisoana na miteraka fanafintohinana. Fantatrao anefa fa ireo rahalahinao dia tsy minia handratra na hihinana velona anao. (Salamo 57:4; Ezekiela 22:25; Lioka 20:45-47; Asan’ny Apostoly 20:29; 2 Korintiana 11:19, 20; Galatiana 5:15). Maneho fiahiana anao kosa aza izy ireo; nanampy anao izy ireo; maniry hanompo miaraka aminao izy ireo.
17, 18. Amin’ny heviny ahoana moa no misy ny paradisa iray ankehitriny, ary inona no vokatr’izany eo amintsika?
17 Koa afaka mijery ny Isaia toko faha-35 àry isika amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny fahatanterahan’ny Isaia 35 andininy voalohany ka hatramin’ny faha-8 ankehitriny. Moa ve tsy mazava fa efa hitantsika izay antsoina ara-drariny hoe paradisa ara-panahy? Tsia, tsy tonga lafatra izy io — mbola tsy toy izany. Tena paradisa marina anefa izy io, satria, araka ny voalazan’ny Isaia 35 andininy faha-2, eto isika dia efa afaka ‘mahita ny voninahitr’i Jehovah sy ny famirapiratan’Andriamanitsika’. Ary inona no vokany? Manambara toy izao ny Isaia 35 andininy faha-10: “Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” Tena marina fa, ny nivoahantsika avy tao amin’ny fivavahan-diso sy ny fanarahantsika ny fanompoam-pivavahana marina eo ambanin’ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia mitondra fifaliana.
18 Tsy mitsaha-mitombo ny fifaliana mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana madio, sa tsy izany? Mahita olona vaovao liana manao fiovana sy manjary miorim-paka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ianao. Mahamarika tanora mihamatotra sy manao fandrosoana ara-panahy ao amin’ny kongregasiona ianao. Misy batisa, izay ahitanao olona fantatrao hatao batisa. Moa ve ireo tsy antony hifaliana, dia fifaliana tondraka amin’izao andro izao? Eny, fifaliana toy inona moa ny mahita olon-kafa manatevin-daharana antsika ao amin’ilay fahafahantsika ara-panahy sy ireo toe-piainana ao amin’ilay paradisantsika ara-panahy!
Fahatanterahany iray mbola ho avy!
19. Fanampoizan-javatra maha-be fanantenana inona no amenoan’ny Isaia toko faha-35 antsika?
19 Hatreto isika dia nandinika ny Isaia toko faha-35 mifandray amin’ny fahatanterahany voalohany tamin’ny fiverenan’ireo Jiosy ary amin’ny fahatanterahany ara-panahy mitohy amin’izao andro izao. Tsy izany anefa no farany. Mbola misy be lavitra. Izy io dia mifandray amin’ny fanomezan-tokin’ny Baiboly ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny ho avy, ny toe-piainana paradisa ara-bakiteny eto an-tany. — Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:4, 5.
20, 21. Nahoana no ara-dalàna no sady araka ny Soratra Masina ny inoana fa mbola hisy fahatanterahany hafa ny Isaia toko faha-35?
20 Tsy hifanaraka ny hoe sady hanome filazalazana velombelona ny amin’ny paradisa iray i Jehovah ary avy eo dia hametra ireo fahatanterahany ho amin’ny zavatra ara-panahy. Mazava ho azy fa izany akory tsy milaza hoe tsy tena zava-dehibe ireo fahatanterahany ara-panahy. Na dia hiorina aza ny paradisa ara-bakiteny iray, izy io dia tsy hanome fahafaham-po antsika raha eo anivon’ny toerana tsara tarehy sy biby malemy fanahy isika no hohodidinin’ny olona simba ara-panahy, dia olombelona manao zavatra toy ny biby dia. (Ampitahao amin’ny Titosy 1:12.) Eny, tsy maintsy mandeha aloha ny lafiny ara-panahy, satria izany no tena zava-dehibe.
21 Na dia izany aza, ilay Paradisa ho avy akory tsy hifarana amin’ireo lafiny ara-panahy ankafizintsika ankehitriny, sy vao mainka hankafizintsika bebe kokoa aza amin’ny hoavy. Manana antony tsara hanantenana fahatanterahana ara-bakitenin’ireo faminaniana toy ny Isaia toko faha-35 isika. Nahoana? Ao amin’ny Isaia toko faha-65, dia nanambara mialoha ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” i Isaia. Ny apostoly Petera dia nampihatra an’io andininy io rehefa nilazalaza izay hanaraka ny andron’i Jehovah. (Isaia 65:17, 18; 2 Petera 3:10-13). Nanondro i Petera fa tena hisy ireo lafin-javatra nolazalazain’i Isaia, rehefa ho tonga zavatra tena hisy ny “tany vaovao”. Anisan’izany ireo filazalazana mety ho fantatrao tsara — ny fanaovan-trano sy ny fitoerana ao; ny fanaovana tanim-boaloboka sy ny fihinanana ny vokatra aminy; ny fifaliana lalandava amin’ny asa tanan’ny tena; ny amboadia sy ny zanak’ondry miara-mitoetra; ary tsy misy fandratrana maneran-tany. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia fiainana lava be, fonenana azo antoka, sakafo tondraka, asa mahafa-po, sy fihavanana eo amin’ny samy biby ary eo amin’ny olona sy ny biby.
22, 23. Fototra inona no hiorenan’ny fifaliana amin’ny fahatanterahana ho avin’ny Isaia toko faha-35?
22 Moa ve tsy mahafeno fifaliana anao izany fahatsinjovan-javatra izany? Tokony ho izany, satria mba hiaina toy izany no namoronan’Andriamanitra antsika. (Genesisy 2:7-9). Koa inona no dikan’izany raha ny amin’ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-35 izay dinihintsika? Midika izany fa manana antony fanampiny isika mba hanaovana hiakam-pifaliana. Ny efitra sy ny tany karakaina ara-bakiteny dia hamony, ka hahatonga antsika ho faly. Avy eo, ny olona manana maso manga na maso volon-tsôkôla, na loko mahafinaritra hafa, nefa jamba ankehitriny, dia ho afaka hahita. Ireo Kristiana tahaka antsika izay marenina, na ny sasany amintsika izay lalodalovana dia ho afaka handre feo mazava tsara. Fifaliana toy inona moa ny mampiasa izany fahaizan-javatra izany mba handrenesana ny famakiana sy ny fanazavana ny Tenin’Andriamanitra, ary koa mba hihainoana ny tsio-drivotra any an’ala, sy ny kakakakan-jazakely, ary ny siokam-borona!
23 Izany dia hidika koa fa ny mandringa, anisan’izany ireo azon’ny aretin’ny vanin-taolana amin’izao fotoana izao, dia handehandeha tsy hisy fanaintainana. Ho fanamaivanana re izany! Amin’izay dia hitosaka hamakivaky ny tany karakaina ny renirano ara-bakiteny. Sady hahita ny fanonjan’ny rano isika no handre ny fiboiboikany. Ho afaka handeha eny isika ary hikasika ny ahi-maitso sy ny zozoro. Tena ho Paradisa tafaorina indray marina tokoa ilay izy. Ahoana ny amin’ny fifaliana hohodidinin’ny liona na biby hafa toy izany tsy hisy tahotra azy? Tsy voatery hanomboka hanao filazalazana ny amin’izany isika, satria isika rehetra dia efa nifaly sahady naka sary an-tsaina an’io tarehin-javatra io.
24. Nahoana ianao no afaka manaiky ilay fitenenana ao amin’ny Isaia 35:10?
24 Manome toky antsika toy izao i Isaia: “Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany”. Koa afaka manaiky àry isika fa manana antony hanaovana hiakam-pifaliana isika. Fifaliana noho izay efa ataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany sahady ao amin’ilay paradisa ara-panahy misy antsika, ary fifaliana noho izay azontsika antenaina ao amin’ilay Paradisa ara-bakiteny efa antomotra. Raha ny amin’ireo olona falifaly — raha ny amintsika — dia nanoratra toy izao i Isaia: “Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” — Isaia 35:10.
Nomarihinao Ve?
◻ Inona no fahatanterahana faharoan’ny Isaia toko faha-35?
◻ Inona no mifanitsy, eo amin’ny lafiny ara-panahy, amin’ireo fiovana mahagaga nambaran’i Isaia mialoha?
◻ Ahoana no nandraisanao anjara tamin’ny fahatanterahan’io faminaniana io?
◻ Nahoana no afaka milaza isika fa ny Isaia toko faha-35 dia mameno antsika amin’ny fanantenana tondraka raha ny amin’ny hoavy?
[Sary, pejy 15]
Ilay fonja tao amin’ny Raymond Street, tao Brooklyn, New York, izay nihazonana an’ireo rahalahy fito fanta-bahoaka, tamin’ny Jona 1918
[Sary, pejy 16]
Na dia pahina aza ny Rahalahy Franz tamin’ireo taona faramparany niainany, dia nahiratra hatrany kosa ny fahitany ara-panahy
[Sary, pejy 17]
Ny fitomboana sy ny fandrosoana ara-panahy dia antony hifaliana