Fizarana 3: Babylona mahery: Herim-panjakana Fahatelo
Tonga teo amin’ny tampon’ny heriny i Babylona fahiny tamin’ny andro nanjakan’i Nebokadnezara, nampita ny fivavahany tamin’izao tontolo izao ary resy tao anatin’ny indray alina. Ny fahalalana tsara kokoa an’io tanàna io dia manampy antsika hiaiky ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly sy hahatakatra fa tsy maintsy tanteraka ireo faminaniana mahagaga raketiny.
NITOMANDAVANA nanerinerina teo an-daniny roa amin’i Eofrata ilay Babylona nahery, any atsimon’i Mesopotamia. “Ravaky ny fanjakana” izy io, foibe ara-pivavahana, ara-barotra sy ara-tafika (Isaia 13:19). Nanana harena be izy, trano kanto sy zaridaina nalaza naneran-tany. Herim-panjakana tamin’ny androny izy io.
Na dia izany aza, dia nanoratra toy izao ara-tsindrimandrin’i Jehovah i Jeremia: “Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan’ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.” — Jeremia 51:37.
Iza no ho afaka nieritreritra fa indray andro any io tanàna mahery io dia ho foana. Kanefa, tokony ho 80 kilaometatra any atsimon’i Bagdad, any Iraka, i Babylona nirehareha aoka izany fahiny, dia toerana ho an’ny arkeolojia sisa. Ahoana no nahatongavany amin’izany?
Babylona, anankiray tamin’ireo tanàna tranainy indrindra teto amin’izao tontolo izao, dia naorin’ny zafiafin’i Noa, Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”. (Genesisy 10:8-10.) Ny vanim-potoana mahaliana antsika anefa dia tatỳ aoriana lavitra ny andron’i Nimroda, satria tatỳ aorian’ny fanapahan’i Egypta sy Asyria izay nifandimby nitana ny toeran’ny herim-panjakana.
Babylona tamin’ny andron’i Nebokadnezara
2 600 taona mahery izay, tamin’ny 632 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny Babyloniana sy ireo mpiray dina taminy dia nandrodana ny empiran’i Asyriaa. Nisolo toerana an’i Asyria i Babylona izay tonga ny Herim-panjakana Fahatelo teo amin’ny tantara araka ny Baiboly tamin’izany.
Nebokadnezara, izay niakatra teo amin’ny seza fiandrianan’io empira babyloniana vaovao io, dia tsy mpanafika fotsiny: mpanorina koa izy io. Izy no nahatonga hahavita ny tapany lehibe indrindra tamin’ny mandan’i Babylona sy ireo tranony lehibe. Raha ny marina, dia nisy fahitana biriky betsaka nitondra ny anarany. Io ilay Nebokadnezara resahin’ny Baiboly matetika tokoa ao amin’ny bokin’i Jeremia sy Daniela, ilay tantarainy izao teniny feno fieboeboana izao: “Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko?” — Daniela 4:27.
Babylona dia voahodidin’ny manda roa lehibe iraizotra, ka ny toerana nanelanelana ireo manda ireo dia nofenoina poti-javatra avy amin’ny faharavana; ny fitambaran’izany dia nahaforona manda 24 metatra ny hatevenany. Tany ivelan’io manda io dia nisy hady teo anelanelan’ny 20 sy 80 metatra ny sakany ary nasiana rindrina biriky ny atiny; sambo samy hafa habe no nivezivezy tao.
Ny arabe avy any avaratra dia niafara tao amin’ny vavahadin’i Isitara, 12 metatra ny haavony, ary nanohy azy ny arabe nalalaka indrindra tao an-tanàna, dia ny Lalana filaharana. Teo ankavanana ny lapan’i Nebokadnezara, nanarakaraka ny vavahadin’i Isitara. Ny efitranony nidadasika nisy ny seza fiandrianana dia 52 metatra ny halavany ary 17 metatra ny sakany; ny vavahady sy ny manda nankao dia noravahin’ny takela-biriky nohosorana varinesy, niloko narevaka, nisy sarin-diona, omby sy dragona. Azo atao ny mahita anankiray amin’ireny liona ireny ao Paris, ao amin’ny fitehirizana rakitry ny ela ao Louvre.
Ny fivavahana babyloniana
Ny anaran’io tanàna io amin’ny teny hebreo, Babela, dia “fanorokoroana” no dikany, fa ny hevitry ny anarany someriana sy akadiana kosa dia hoe “vavahadin’Andriamanitra”. Ireo heviny roa ireo dia mampifandray an’i Babylona amin’ny fivavahany. Ny manam-pahaizana manokana sasany dia mieritreritra fa ilay andriamanitra babyloniana atao hoe Mardoka, antsoina ao amin’ny Baiboly hoe Merodaka, dia angamba Nimroda nasandratra ho andriamanitra. Ny fivavahana babyloniana koa dia nisy fitambaran-telon’andriamanitra, ka ny anankiray taminy dia voaforon’i Sina, andriamanitra volana, Shamasa, andriamanitra masoandro, sy Isitara, andriamanibavin’ny fitiavana sy ny fahavokarana.
Nanapaka tao amin’ny fivavahan’ny Babyloniana ny fanandroana, ary ireo dia nanome anarana ny planeta fantany araka ny andriamaniny sy andriamanibaviny dimy lehibe indrindra. Manome izao fanazavana izao ny boky ara-tantara vao haingana iray: “Tondroinay amin’ny anarany romana ireny planeta ireny, nefa ny Romana nanaraka ny teny Babyloniana ary nandika izany tamin’ny mifanitsy aminy tany Roma fotsiny. Tamin’izany no nahatongavan’ny planeta Isitara, andriamanibavin’ny fitiavana, ho Vénus, ary ny an’i Mardoka andriamanitra, ho Jopiterab.” Ny anarana hoe “Kaldeana”, ampiasain’ny Babyloniana, dia nanjary saika nampitovina hevitra amin’ny hoe “mpanandro”.
Ny Baiboly dia milaza an’i Babylona ho “tany be sarin-javatra voasokitra” sy “sarin-javatra” maloto. (Jeremia 50:2, 38.) Na dia tao aza izany toetra nampiavaka izany, ny fiheverany ara-pivavahana dia nanamarika aoka izany ireo karazam-panompoam-pivavahana maneran-tany. Ao amin’ny Ny fivavahan’i Babylonia sy Asyria (anglisy), dia izao no ambaran’ny profesora Morris Jastrow: “Teo amin’izao tontolo izao fahizay, talohan’ny nahatongavan’ny kristianisma, dia niharan’ny herin’ny fivavahana babyloniana Egypta, Persia sy Grisia.” Tatỳ aoriana, dia maro tamin’ireo fampianaran-disony no nekena sy nampianarina tao amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana koa aza. Izany no antony anomezan’ny Baiboly ny anarana hoe “Babylona lehibe” ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. — Apokalypsy 17:3-5.
Naka an’i Jerosalema ny Babyloniana
Isaia dia velona tamin’ny andro nanapahan’i Asyria, Herim-panjakana Faharoa, izao tontolo izao fahizay. Nambaran’ilay mpaminany nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, fa horavana Jerosalema, tsy amin’ny alalan’ireo Asyriana mahery tamin’ny androny anefa, fa ho amin’ny alalan’ny Babyloniana (Isaia 39:6, 7). Tanteraka ve io faminaniana io?
Taonjato iray taorian’ny andron’i Isaia, dia nandresy an’i Asyria i Babylona noho ny fanampian’ireo mpirady dina taminy ary tonga herim-panjakana vaovao. Avy eo, tamin’ny 917 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, dia naka an-keriny an’i Joiakina izay nanjaka tany Jerosalema, ary nandefa azy ho babo tany Babylona, niaraka tamin’ny ‘lehilahy nahery hafa tamin’ny tany’. Notendren’i Nebokadnezara ho mpanjakan’ny Joda Matania ary “novany hoe Zedekia ny anarany”. — 2 Mpanjaka 24:11-17.
Manamarina izany fisehoan-javatra izany ireo rejisitra babyloniana hitan’ny arkeology. Araka izany, ny Tantara babyloniana voalahatra, natao tamin’ny takelaka tanimanga nitantarana zava-nitranga lehibe, dia mampiseho fa ny mpanjakan’i Babylona dia “nanao fahirano ny tanànan’ny Joda [izany hoe Jerosalema], ary (...) nandresy ny tanàna sy naka an-keriny ny mpanjakany. Napetrany teo amin’ny seza fiandrianany ny lehilahy iray nofidiny, nandray hetra be avy aminy izy ary nandefa (azy ireo) ho any Babylona”.
Eo aoriana kokoa, ny Baiboly dia manisy fitenenana ny amin’ny anjara hanina azon’i Joiakina nandritra ny fahababoany tany Babylona (2 Mpanjaka 25:27-30). Raha ny marina, ireo arkeology dia nahita teo amin’ny toerana nisy an’io tanàna io, tahirin-kevitry ny fitondrana iresahana ny amin’ny anjara hanina nomena an’i “Joiakina mpanjaka” sy ireo “zanaky ny mpanjakan’ny Joda”.
Na dia nifamatotra tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanekena aza ireo mponina tany Jerosalema, dia nikiry tsy nety nanaraka ny lalan’ny Andriamaniny na nihaino ireo mpaminaniny. Izao no nolazain’i Jehovah ny amin’izy ireny: ‘Nanamafy ny hatony sy tsy nihaino ny teniko izy ireo.’ Tamin’ny alalan’i Jeremia, dia izao no nambarany: “Ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.” — Jeremia 19:15; 20:4.
Noho izany, satria Zedekia nikomy tamin’i Nebokadnezara, dia niverina tao Jerosalema ny Babyloniana ka nanao fahirano azy. Ny 9 Tamoza taona 609 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nasian’izy ireo banga tao amin’ny mandan’ny tanàna ka nazerany izany rehefa avy nodorany ny tempoly; avy eo dia nentiny ho babo tany Babylona Zedekia sy ny ankamaroan’ny mponina. Tanteraka tokoa ny tenin’i Jehovah manao hoe: “Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona.” — Jeremia 25:11.
Ny nofin’i Nebokadnezara
Nahita nofy hafahafa tatỳ aoriana i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona sady filohan’ny herim-panjakana tamin’ny androny: nampahitan’Andriamanitra tsangambato goavana izy. Io nofy io dia nampiharihary taminy ny ambangovangon’ny tantaran’izao tontolo izao nanomboka tamin’ny androny, tamin’ny fampahatsiahivana ireo fanjakana hisesy hatramin’izao androntsika izao: ny Empira mediana sy persiana, Grisia, Roma, ary nihoatra noho izany aza, satria nambarany ny fotoana hanoloana ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra amin’ny fomba maharitra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no nolazain’i Daniela, mpaminanin’i Jehovah, tamin’i Nebokadnezara: “Ampahafantarin’Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho to ny heviny.” — Daniela 2:28-45.
Afa-tsy izany koa, dia fantatr’i Nebokadnezara rehefa voa izy fa afaka mandray anjara eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny tana-maherin’Andriamanitra, fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. — Daniela 4:22.
Voalazan’ny faminaniana ny hahafoanan’i Babylona
Kanefa, tsy hoe tsy hahita sazy foana akory ny halozana mihoa-pampana nasehon’i Babylona tamin’ny olon’i Jehovah. Tamin’ny alalan’i Jeremia, dia izao no nambaran’Andriamanitra: “Ary hampanodiaviko an’i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo.” Ary tamin’ny alalan’i Isaia, dia nanao izao faminaniana izao izy: “Hamporisihiko hamely azy ny Mediana.” — Jeremia 51:24; Isaia 13:17.
Tokony ho taonjato roa talohan’izay, dia nomen’i Jehovah mihitsy ny anaran’ilay hamely an’i Babylona sy hanafaka ny Olony; tsy iza izany fa Kyrosy, antsoina koa hoe Kyrosy Lehibe. Ny faminaniana momba an’i Kyrosy dia nampiseho fa ‘hovohana eo anoloany ny varavarana ka tsy hirindrina intsony ny vavahady’. (Isaia 44:26 ka hatramin’ny 45:1.) Tanteraka ve io faminaniana io?
Ny fianjeran’i Babylona
Nadiva hifarana ireo fitopolo taonan’ny fahababoana voambara ho an’ny Jiosy, rehefa nanafika an’i Babylona ny Mediana sy ny Persiana. Vao resy tamin’ny ady nataony tamin’i Kyrosy ny mpanjakany, Nabonida, ary vaky nandositra. Nilaza ilay mpanoratra grika ato hoe Hérodote fa ireo Babyloniana dia nanana fomba nanohanana fanaovana fahirano naharitra; afa-tsy izany koa, dia natoky aoka izany ny manda mafin’ny tanànany izy.
Araka ny asehon’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, tamin’ny alin’ny 5/6 oktobra taona 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Belsazara, tao Babylona, dia nanao fanasana lehibe ho an’olo-malaza arivo (Daniela 5:1-4). Nohamarinin’i Hérodote fa nisy fety tao Babylona tamin’io alina io. Notantarainy fa ny mponina tao an-tanàna dia “nandihy nandritra izany fotoana izany ary nanaram-po tamin’ny fahafinaretana”. Tany ivelany, Kyrosy dia namily ny ranon’i Eofrata izay nandalo teo afovoan’ilay tanàna; koa satria nihena ny rano, dia niakatra teo amin’ny fanambanin’ny ony ny tafiny ary niditra tamin’izay nantsoin’i Hérodote hoe “vavahady kely nankao amin’ny ony”, izay navelan’ny Babyloniana hivoha.
Taona maro talohan’izay, Jeremia mpaminany dia nilazalaza tamin’ny fomba nanaitra ny fianjeran’i Babylona: “Nitsahatra tamin’ny ady ny lehilahy maherin’i Babylona (...). Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin’ny mpanjakan’i Babylona fa afaka ny tanànany manontolo. Ary efa azo ny fitana, ary nodorany tamin’ny afo ny heniheny [sambo zozoro, MN ].” — Jeremia 51:3-32.
Manamarina an’io fitantarana io ny tantara voalahatr’i Nabonida, ao amin’ny British Museum ankehitriny; azo atao tokoa ny mamaky ao fa ‘niditra tsy nisy ady tao Babylona ny tafik’i Kyrosy’.
Tanteraka ny faminanian’i Jehovah
Nianjera tao anatin’ny indray alina Babylona. Foana tampoka ilay Herim-panjakana Fahatelo teo amin’ny tantaran’ny Baiboly. Nirehareha ny amin’izany zava-nitranga lehibe izany i Kyrosy tao amin’ny tahirin-kevitra nisy soratra manan-drirana antsoina hoe ny Varingarin’i Kyrosy: “Izaho no Kyrosy, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjaka lehibe, mpanjaka ara-dalàna, mpanjakan’i Babylona, mpanjakan’i Somera.” Fotoana fohy taorian’izany, dia namoaka ny didiny nalaza i Kyrosy, ary mpigadra jiosy 50000 no niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tanàna sy ny tempolin’i Jerosalema; tonga teo amin’ny faran’ny 70 taona nahababoana indrindra izy. — Ezra 1:1-11.
Taonjato maro tatỳ aoriana, Petera, apostolin’i Jesosy, dia nankany Babylona mba hampianatra tany fitambaran’olona jiosy izay nandroso tao amin’io tanàna io, ary tao no nanoratany fara faharatsiny ny anankiray tamin’ireo taratasiny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra (1 Petera 5:13). Rehefa ela ny ela anefa, dia tanteraka ny faminaniana: “Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora; tsy honenana mandrakizay izy.” — Isaia 13:19, 20.
Ilay Babylona nahery dia tena tonga antontam-bato amam-bovoka tokoa, sisan-javatra rava eo amin’ny tany foana, porofo mangina nefa mahalaza zavatra maro ny amin’ny fahamarinana fenon’i Tenin’i Jehovah ara-paminaniana. — Jeremia 51:36, 37.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fandaharan-taonanay dia miorina amin’ny Soratra Masina ary indraindray dia hafa noho izay naorina avy amin’ny loharano tsy araka ny Baiboly, tsy azo antoka kokoa. Ny Auxiliaire pour la meillure intelligence de la Bible, ao amin’ny pejy faha-278 ka hatramin’ny faha-295, dia manolotra famakafakana amin’ny andinindininy ny fandaharan-taona araka ny Baiboly.
b Ny fiandohan’ny haifomba sy ny fiainan’ny tatsinanana fahizay (fanontana amin’ny teny anglisy tamin’ny 1940), nataon’i Engberg sy Cole, pejy faha-230 ka hatramin’ny 232.
[Sarintany, pejy 31]
(Jereo ny gazety)
VELARAN-TANIN’NY EMPIRA BABYLONIANA
RANOMASINA LEHIBE
Eofrata
Babylona
MEDIA
Jerosalema
[Sary nahazoan-dalana]
Araka ny Pictoriala Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel
[Sary, pejy 31]
Sary fampahatsiahivana ny vavahadin’i Isitara tany Babylona (ankavanana). Ny sisan-javatra rava avy amin’i Babylona (eto ambany).
[Sary nahazoan-dalana]
Fitehirizana ny rakitry ny elan’ny atsinanana akaiky, Berlin Atsinanana