-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
12, 13. a) Nahoana no azo nitokisana ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny? b) Vaovao tsara inona no nisy ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany, ary nahoana izy ireo no afaka natoky?
12 Nanome antony faharoa ahafahana mitoky amin’ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny, i Isaia. Ilay nanome azy io dia Andriamanitra matanjaka iray izay miahy amim-piraiketam-po ny vahoakany. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “[Ianao, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Ziona, “NW” ], miakara any an-tendrombohitra avo; [ianao, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Jerosalema, “NW” ], asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo! Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny [dia hanapaka ho azy, “NW” ]; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.”—Isaia 40:9-11.
13 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia fanaon’ny vehivavy ny nankalaza ny fandresena, tamin’ny fikiakiahana na fihirana ny vaovao tsara momba ny fandresena tamin’ny ady na ny fahantomoran’ny fanamaivanana. (1 Samoela 18:6, 7; Salamo 68:11). Notondroin’ny faminanian’i Isaia fa nisy vaovao tsara ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany, dia vaovao azo nokiakiahina tsy tamin-tahotra, na dia avy teny an-tampon’ny tendrombohitra aza, nanao hoe: Hitarika ny vahoakany hiverina ho any Jerosalema, tanànany malala, i Jehovah! Afaka natoky izy ireo, satria ho avy “amin’ny heriny” i Jehovah. Noho izany, dia tsy hisy na inona na inona ho afaka hisakana azy tsy hanatanteraka ny fampanantenany.
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
15. a) Oviana i Jehovah no tonga ‘tamin’ny heriny’, ary iza moa ilay ‘sandry manapaka ho azy’? b) Vaovao tsara inona no tsy maintsy ambara tsy amin-tahotra?
15 Mirakitra faminaniana ho an’ny androntsika ireo tenin’i Isaia. Tamin’ny 1914, dia tonga ‘tamin’ny heriny’ i Jehovah, ka nanorina ny Fanjakany tany an-danitra. Ilay ‘sandry hanapaka ho azy’ dia i Jesosy Kristy, Zanany, izay napetrany teo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra. Tamin’ny 1919, dia nanafaka an’ireo mpanompony voahosotra eto an-tany avy tamin’ny fahababoana tamin’i Babylona Lehibe i Jehovah, ary nanomboka namerina tamin’ny laoniny tanteraka ny fivavahana madio amin’ilay Andriamanitra velona sady marina. Izany dia vaovao tsara izay tsy maintsy ambara tsy amin-tahotra, toy ny hoe amin’ny fikiakiahana avy eny an-tampon’ny tendrombohitra, mba ho re hatraiza hatraiza ilay fanambarana. Aoka àry isika hanandratra ny feontsika, ka hampahafantatra amim-pahasahiana amin’ny hafa fa namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio aminy eto an-tany i Jehovah Andriamanitra!
-