-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
14. a) Ahoana no nampisehoan’i Isaia ny firaiketam-po hasehon’i Jehovah, rehefa hitarika ny vahoakany izy? b) Ohatra inona no mampiseho ny fikarakaran’ny mpiandry ondry amim-piraiketam-po ny ondriny? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 405.)
14 Etsy an-danin’izany anefa, dia manana lafin-toetra malefaka koa io Andriamanitra mahery io. Lazalazain’i Isaia amim-pitiavana ny fomba hitarihan’i Jehovah ny vahoakany hiverina any an-tanindrazany. Toy ny mpiandry ondry be fitiavana izay manangona ny zanak’ondriny, ka mitrotro azy ireo eo “an-tratrany”, i Jehovah. Ilay teny hoe ‘tratra’ eto dia manondro ireo mivalombalona ambony indrindra tamin’ny akanjo. Tao matetika no nitondran’ireo mpiandry ondry an’ireo zanak’ondry vao teraka, izay tsy nahara-dia an’ilay andian’ondry. (2 Samoela 12:3). Ny sary mampihetsi-po momba ny fiainan’ny mpiandry ondry toy izany dia tsy maintsy ho nanome toky an’ilay vahoakan’i Jehovah tany an-tsesitany ny amin’ny fiahiany sy ny fitiavany azy ireo. Tena azo nitokisana fa hanatanteraka izay nampanantenainy ny Andriamanitra mahery nefa feno firaiketam-po toy izany!
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
16. Amin’ny fomba ahoana no itarihan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny, ary modely ny amin’inona moa izany?
16 Ny teny ao amin’ny Isaia 40:10, 11 dia manana heviny fanampiny ho antsika ankehitriny. Tena mampionona ny manamarika ilay firaiketam-pon’i Jehovah eo am-pitarihana ny vahoakany. Toy ny ahafantaran’ny mpiandry ondry iray ny zavatra ilain’ny ondry tsirairay—anisan’izany ireo zanak’ondry madinika izay tsy mahara-dia ny hafa—i Jehovah dia mahatakatra fa manan-javatra mametra ny mety ho vitany ny tsirairay amin’ireo mpanompony mahatoky. Fanampin’izany, i Jehovah, izay Mpiandry ondry be firaiketam-po, dia namela modely ho an’ny mpiandry kristianina. Tsy maintsy mitondra ny andian’ondry amim-piraiketam-po ireo loholona, ka manahaka ny fiahiana sy ny fitiavana nasehon’i Jehovah. Tsy maintsy tadidin’izy ireo mandrakariva ny fihetseham-po tsapan’i Jehovah momba ny tsirairay ao amin’ny andian’ondriny, “izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany”.—Asan’ny Apostoly 20:28, NW.
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
Jehovah, Mpiandry Ondry Be Fitiavana
Nampitaha an’i Jehovah tamin’ny mpiandry ondry be fitiavana, izay nitrotro ny zanak’ondriny teo an-tratrany, i Isaia. (Isaia 40:10, 11). Miharihary fa zavatra tena nataon’ireo mpiandry ondry no nanorenan’i Isaia io fanoharana maneho fitiavana io. Ny olona iray nitazana mpiandry ondry teny amin’ireo tehezan’ny Tendrombohitra Hermona, any Moyen-Orient, tamin’izao androntsika izao, dia nilaza hoe: “Nanara-maso akaiky ny andian’ondriny ny mpiandry ondry tsirairay, mba hahitana hoe nanao ahoana izy ireo. Rehefa nahita zanak’ondry vao teraka izy, dia nampiditra azy tao anatin’ireo mivalombalona tamin’ny (...) kapaotiny malalaka, satria nalemy loatra, ka tsy naharaka an-dreniny ilay izy. Raha efa feno zavatra ny teo an-tratrany, dia nataony antsangory ireo zanak’ondry, ka nohazoniny tamin’ny tongony, na napetrany tao anaty kitapo na harona teo andamosin’ny ampondra iray, mandra-paharak’ireo zanany kely ireo an-dreniny.” Tsy manome fampiononana ve ny mahafantatra fa manompo Andriamanitra mahatsapa firaiketam-po toy izany amin’ny vahoakany isika?
[Efajoro/Sary, pejy 412]
-