Derao Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay!
“Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria”. — SALAMO 10:16.
1. Fanontaniana inona avy no mipoitra momba ny mandrakizay?
NY MANDRAKIZAY — holazainao hoe inona moa izy io? Mihevitra ve ianao fa tena afaka mitohy mandrakizay ny fotoana? Tsy misy isalasalana fa miitatra mandrakizay any amin’ny lasa ny fotoana. Koa nahoana izy no tsy ho afaka hiitatra mandrakizay any amin’ny hoavy? Eny tokoa, ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny Baiboly dia miresaka momba an’Andriamanitra ho toy ny hoe deraina “nanomboka tamin’ny fotoana tsy voafetra ka hatrany amin’ny fotoana tsy voafetra”. (Salamo 41:13). Inona no hevitr’io fitenenana io? Mety hanampy antsika hahatakatra izany ny firesahana momba ny foto-kevitra iray mifandray aminy — dia ny habakabaka.
2, 3. a) Zavatra inona mahakasika ny habakabaka no manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe mandrakizay? b) Nahoana isika no maniry hanolotra fanompoam-pivavahana amin’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay?
2 Tonga hatraiza ny habakabaka? Misy fetrany ve izy io? Mandra-pahatongan’ny 400 taona lasa izay, dia noheverina ho ny foiben’izao rehetra izao ny tanintsika. Avy eo i Galilée dia nanamboatra ny teleskaopy ka nanome fahitana nivelatra lavitra kokoa ny any amin’ny lanitra. Afaka nahita kintana maro lavitra izao i Galilée, ary afaka nampiseho fa ny tany sy ny planeta hafa dia mihodinkodina manodidina ny masoandro. Tsy fotsifotsy toy ny ronono intsony ny fahitana ny Voie Lactée. Voaporofo fa vahindanitra voaforona kintana miisa tokony ho iray hetsy tapitrisa, izy io. Tsy ho afaka hanisa kintana tena misy maro be toy izany mihitsy isika, na dia mandritra ny androm-piainan’olona iray aza. Tatỳ aoriana, ireo astronoma dia nanohy nahita vahindanitra an’arivo tapitrisany maro. Hatrany amin’izay azon’ireo teleskaopy matanjaka indrindra tazanina, izy ireny dia miitatra tsy misy fiafarany any amin’ny habakabaka. Toa tsy misy fetrany ny habakabaka. Mitovy amin’izany koa ny mandrakizay — tsy manam-petra izy io.
3 Toa mihoatra noho izay takatry ny atidohantsika olombelona marefo ilay hevitra hoe mandrakizay. Kanefa, dia misy Persona iray izay mahatakatra azy io amin’ny fomba feno. Afaka manisa izy, eny, ary afaka manonona mihitsy aza ny anaran’ireo kintana an-tapitrisa tapitrisany maro tsy manam-petra, izay ao amin’ireo vahindanitra an’arivo tapitrisany maro! Hoy Izy io: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.” (Isaia 40:26, 28). Andriamanitra mahatalanjona re izany! Tena izy tokoa ilay Andriamanitra tokony hirintsika hotompoina!
“Mpanjaka mandrakizay doria”
4. a) Ahoana no nilazan’i Davida ny fankasitrahany an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay? b) Inona no fanatsoahan-kevitra nataon’ilay mpahay siansa lehibe indrindra teo amin’ny tantara, momba ny niandohan’izao rehetra izao?
4 Ao amin’ny Salamo 10:16, dia hoy i Davida momba an’ilay Andriamanitra Mpamorona: “Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria”. Ary ao amin’ny Salamo 29:10, dia namerin-teny toy izao izy: “Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.” Eny, i Jehovah no ilay Mpanjakan’ny mandrakizay! Ankoatra izany, i Davida dia manamarina fa io Mpanjaka misandratra io no Mpamolavola sady Mpanao ny zavatra rehetra hitantsika eny amin’ny habakabaka, ka hoy izy ao amin’ny Salamo 19:1: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” Fitonjato sy roa arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana, ilay mpahay siansa malaza atao hoe Sir Isaac Newton, dia nilaza ny fiombonany hevitra tamin’i Davida ka nanoratra hoe: “Io fandehan-javatra manan-kaja indrindra io, voaforona masoandro sy planeta ary kintana manan-drambo, dia tsy afaka nipoitra afa-tsy avy tamin’ny fikasana sy ny fiandrianan’ny fisiana iray manam-pahalalana sy mahery.”
5. Inona no nosoratan’i Isaia sy i Paoly momba ny Loharanon’ny fahendrena?
5 Tokony hampanetry tena antsika toy inona moa ny fahafantarana fa miaina mandrakizay i Jehovah, ilay Tompo Manam-piandrianana, izay na dia “ny lanitra [midadasika], ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby” azy! (1 Mpanjaka 8:27). I Jehovah, izay lazalazaina ao amin’ny Isaia 45:18 ho ‘Ilay nahary ny lanitra, sady namorona ny tany sy nahavita azy’, no Loharanon’ny fahendrena miitatra lavitra noho izay mety ho takatry ny atidohan’olombelona mety maty. Hoy i Jehovah, araka ny asongadina ao amin’ny 1 Korintiana 1:19: “Hofoanako ny fahendren’ny hendry, ary holaviko ny fahalalan’ny mahalala.” Hoy ny teny nanampin’ny apostoly Paoly izany, eo amin’ny 1 Kor. 1 andininy faha-20: “Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy nampodin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?” Eny, araka ny tohin’ny tenin’i Paoly eo amin’ny 1 Kor. toko faha-3, andininy faha-19, “ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”.
6. Inona no asehon’ny Mpitoriteny 3:11 raha ny amin’ny “mandrakizay”?
6 Ireo zavatra eny amin’ny lanitra dia anisan’ny zavatra noforonina izay nasian’i Solomona Mpanjaka firesahana toy izao: “Ny zavatra rehetra samy nataon[’Andriamanitra] ho mendrika amin’ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” (Mpitoriteny 3:11). Tena marina fa miorim-paka ao am-pon’ny olombelona ny fitadiavana hahafantatra ny hevitry ny “mandrakizay”, izany hoe, fotoana tsy voafetra. Afaka ny ho tonga amin’izany fahalalana izany ve anefa izy indray andro any?
Fahatsinjovam-piainana mahatalanjona
7, 8. a) Fahatsinjovam-piainana mahatalanjona inona no miandry ny olombelona, ary ahoana no mety hahazoana izany? b) Nahoana isika no tokony hifaly satria hitohy mandrakizay doria ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
7 Hoy i Jesosy Kristy tao amin’ny vavaka nataony tamin’i Jehovah: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Ahoana no ahafahantsika mahazo izany fahalalana izany? Mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, isika. Avy amin’izany no ahafahantsika mahazo fahalalana araka ny marina momba ireo fikasana lehiben’Andriamanitra, anisan’izany ny fandaharana natao tamin’ny alalan’ny Zanany mba hisian’ny fiainana mandrakizay eto an-tany zary paradisa. Izany no ho ilay “tena fiainana” nasiana firesahana ao amin’ny 1 Timoty 6:19. Izany dia hifanaraka amin’izay lazalazain’ny Efesiana 3:11 ho “ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataon[’Andriamanitra] tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”.
8 Eny, mety hahazo ny fiainana mandrakizay isika olombelona mpanota, amin’ny alalan’ny fampianarana araka an’Andriamanitra sy ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. Haharitra hafiriana io fampianarana io? Hitohy mandrakizay doria izy io, satria ampianarina miandalana ny olombelona ny fahendren’ny Mpamorona antsika. Tsy manam-petra ny fahendren’i Jehovah. Nahatakatra izany ny apostoly Paoly, ka nihiaka toy izao: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” (Romana 11:33). Tena mifanentana indrindra ny iantsoan’ny 1 Timoty 1:17 (NW ) an’i Jehovah hoe “ilay Mpanjakan’ny mandrakizay”!
Fahendrena mahay mamoron-javatra ananan’i Jehovah
9, 10. a) Asa lehibe inona avy no notanterahin’i Jehovah rehefa nanomana ny tany ho fanomezany ho an’ny olombelona izy? b) Ahoana no isehoan’ny fahendrena ambony dia ambony ananan’i Jehovah eo amin’ireo zavatra noforoniny? (Jereo ny faritra voafefy.)
9 Diniho ny lova mahatalanjona nomen’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay ho antsika olombelona. Milaza amintsika toy izao ny Salamo 115:16: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” Tsy mihevitra ve ianao fa fanankinam-pananana mahatalanjona izany? Azo antoka ny amin’izany! Ary toy inona moa ny fankasitrahantsika ny fananan’ny Mpamorona antsika fahitan-javatra mialoha miavaka rehefa nanomana ny tany ho fonenantsika izy! — Salamo 107:8.
10 Nisy fisehoan-javatra nahatalanjona nitranga teto an-tany nandritra ireo “andro” famoronana enina voalaza ao amin’ny Genesisy toko voalohany, ka ny andro tsirairay naharitra an’arivony taona maro. Tamin’ny farany, ireny famoronan’Andriamanitra ireny dia nandrakotra ny tany manontolo tamin’ny karipetran’ahi-maitso mavana sy ala mijoalajoala ary voninkazo miloko marevaka. Izy io dia ho feno zavaboary an-dranomasina hafakely sesehena sy andiam-boro-manidina tsara tarehy ary biby fiompy sy biby dia maro isan-karazany, ka ny tsirairay dia mitombo “samy araka ny karazany avy”. Mitantara toy izao ny Genesisy 1:31, taorian’ny filazalazana ny famoronana ny lehilahy sy ny vehivavy: “Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” Tontolo iainana nahafinaritra toy inona moa no nanodidina ireo olombelona voalohany ireo! Tsy tsikaritsika amin’ireo zavatra noforonina rehetra ireo ve ny fahendrena sy ny fahitan-javatra mialoha ary ny fiahian’ny Mpamorona be fitiavana iray? — Isaia 45:11, 12, 18.
11. Ahoana no nanandratan’i Solomona ny fahendrena mahay mamoron-javatra ananan’i Jehovah?
11 Olona iray talanjona noho ny fahendren’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay, i Solomona. Nanintona ny saina imbetsaka ho amin’ny fahendren’ny Mpamorona, izy. (Ohabolana 1:1, 2; 2:1, 6; 3:13-18). Manome toky antsika i Solomona fa “ny tany mbola maharitra mandrakizay”. Nankasitrahany ireo zava-mahatalanjona noforonina, anisan’izany ny anjara asan’ireo rahon’orana eo amin’ny famelombelomana ny tanintsika. Araka izany, dia nanoratra toy izao izy: “Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.” (Mpitoriteny 1:4, 7). Ny mitranga àry dia hoe, rehefa avy namelombelona ny tany ny orana sy ny renirano, ny ranon’izy ireo dia averina ampiasaina indray any amin’ireo oseana mankamin’ireo rahona indray. Ho nanao ahoana re itỳ tany itỳ, ary ho taiza re isika, raha tsy nisy io fanadiovana sy famerenana mampiasa indray ny rano io e?
12, 13. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fankasitrahana an’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra?
12 Ny fankasitrahantsika ny fifandanjana eo amin’ny zavamiaina sy ny tontolo iainana dia tokony hotohanana amin’ny asa, araka ny nomarihin’i Solomona Mpanjaka ao amin’ireo teny famaranana ny Mpitoriteny manao hoe: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” (Mpitoriteny 12:13, 14). Tokony hatahotra ny hanao zavatra na inona na inona tsy mahafaly an’Andriamanitra isika. Tokony hitady ny hankato azy amin-tahotra miharo fanajana ara-pivavahana kosa aza isika.
13 Azo antoka fa tokony haniry hidera an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay isika noho ireo zavatra noforoniny mahatalanjona! Hoy ny ambaran’ny Salamo 104:24: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” Amim-pifaliana dia aoka isika hiray feo amin’ilay andininy farany amin’io salamo io, amin’ny filazana amin’ny tenantsika sy amin’ny hafa hoe: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia [“Miderà an’i Jah ianareo, ry olona”, NW ].”
Ilay zavatra noforonina fara tampony teto an-tany
14. Amin’ny ahoana avy ny olombelona noforonin’Andriamanitra no ambony lavitra noho ireo biby?
14 Faran’izay mampiseho fahaizana ny zava-drehetra noforonin’i Jehovah. Ny zavatra noforonina niavaka indrindra teto an-tany anefa dia isika — ny olombelona. Noforonina ho famaranana ny andro famoronana fahenin’i Jehovah, i Adama, ary avy eo i Eva — zavatra noforonina ambony lavitra noho ny hazandrano sy ny vorona ary ny biby! Na dia hendry sady mahay ho azy aza ny maro amin’ireo, ny olombelona kosa dia nomena ny fahaizana manjohy hevitra, ny feon’ny fieritreretana izay afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny fahaizana manao fikasana momba ny hoavy, ary faniriana raiki-tampisaka hanolotra fanompoam-pivavahana. Ahoana no nitrangan’izany rehetra izany? Tsy nivoatra avy tamin’ny biby tsy manan-tsaina akory ny olona, fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra. Araka izany, ny olona irery ihany no afaka manome taratr’ireo toetra tsaran’ilay Mpamorona antsika izay nampahafantatra ny tenany ho “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. — Eksodosy 34:6.
15. Nahoana isika no tokony hidera an’i Jehovah amim-panetren-tena?
15 Aoka isika hidera sy hisaotra an’i Jehovah noho ny namolavolany tamin’ny fomba mahatalanjona ny vatantsika. Ny rantsika, izay tena ilaina ho an’ny fiainana, dia mahavita fihodinana manerana ny vatantsika isaky ny 60 segondra. Araka ny ambaran’ny Deoteronomia 12:23, dia “ny ra no aina” — ny aintsika — sarobidy eo imason’Andriamanitra. Ny taolana matanjaka sy ny nofo mora milefitra ary ny rafi-pitatitra haingam-pamaly baiko, dia faranan’ny atidoha iray ambony lavitra noho ny atidoham-biby na inona na inona ary manana fahafahana hitahiry zavatra izay tsy ho omby ao anatin’ny ordinatera iray mitovy habe amin’ny gratte-ciel (trano tena avo dia avo). Moa ve izany tsy mahatonga anao hanetry tena? Tokony ho izany. (Ohabolana 22:4). Ary diniho koa izao: Ny havokavotsika, ny lohatraokantsika, ny lelantsika, ny nifintsika ary ny vavantsika dia miara-miasa mba hisian’ny resak’olombelona amin’ny fiteny na inona na inona amin’ireo fiteny an’arivony maro. Nanao feon-kira nifanentana ho an’i Jehovah i Davida tamin’ny filazana hoe: “Hidera anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14). Aoka isika hiaraka amin’i Davida amin’ny fiderana amim-pankasitrahana an’i Jehovah, ilay Mpamolavola antsika sady Andriamanitsika mahatalanjona!
16. Feon-kira inona no nataon’ny mpahay mozika malaza iray ho fiderana an’i Jehovah, ary fanasana amin-kery inona no azontsika ekena?
16 Hoy ny ambaran’ny tonon-kiran’ny mozika kilasika iray nataon’i Joseph Haydn tamin’ny taonjato faha-18, ho fiderana an’i Jehovah: “Omeo fisaorana izy, ianareo rehetra izay zavatra nataony mahatalanjona aoka izany! Hirao ny Hajany, hirao ny Voninahiny, isaory sy asandrato ny Anarany! Maharitra mandrakizay doria ny fiderana an’i Jehovah, Amena, Amena!” Mbola kanto kokoa ireo fitenenana ara-tsindrimandry miverimberina matetika ao amin’ny Salamo, toy ilay fanasana natolotra inefatra ao amin’ny Salamo faha-107 manao hoe: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” Mandray anjara amin’izany fiderana izany ve ianao? Tokony hanao izany ianao, satria ny zava-drehetra izay tena kanto tokoa dia manana an’i Jehovah, ilay Mpanjakan’ny mandrakizay, ho loharanony.
Asa mbola lehibe lavitra
17. Amin’ny ahoana ilay ‘fihiran’i Mosesy sy an’ny Zanak’ondry’ no mankalaza an’i Jehovah?
17 Nandritra ireo enina arivo taona lasa, ilay Mpanjakan’ny mandrakizay dia nanomboka asa mbola lehibe lavitra. Ao amin’ny boky farany amin’ny Baiboly, ao amin’ny Apokalypsy 15:3 sy 4, dia izao no vakintsika momba ireo any an-danitra izay nandresy an’ireo fahavalo demonia: “Mihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny Zanak’ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.” Nahoana izy io no antsoina hoe ‘fihiran’i Mosesy sy an’ny Zanak’ondry’? Aoka hojerentsika izany.
18. Asa lehibe inona no tsarovana an-kira ao amin’ny Eksodosy toko faha-15?
18 Dimanjato sy telo arivo taona lasa teo ho eo izay, rehefa maty tao amin’ny Ranomasina Mena ny tafika maherin’i Farao, dia nidera an’i Jehovah an-kira tamim-pankasitrahana ny Isiraelita. Izao no vakintsika ao amin’ny Eksodosy 15:1, 18: “Ary Mosesy sy ny Zanak’Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehovah hanjaka mandrakizay doria.” Ny fitsarana marin’io Mpanjakan’ny mandrakizay io dia niharihary tamin’ny nitsarany sy ny namonoany ireo fahavalo izay nihaika ny fiandrianany.
19, 20. a) Nahoana i Jehovah no nanorina ny firenen’ny Isiraely? b) Ahoana no namalian’ny Zanak’ondry sy ny hafa an’ilay fihaikana nataon’i Satana?
19 Nahoana no nanjary nilaina izany? Tao amin’ny sahan’i Edena no nitarihan’ilay Menarana fetsy ratsy an’ireo ray aman-drenintsika voalohany ho amin’ny fahotana. Izany dia nahatonga ny tsy fahatanterahana voamariky ny fahotana hifindra tamin’ny olombelona rehetra. Kanefa, avy hatrany ilay Mpanjakan’ny mandrakizay dia nanao dingana nifanaraka tamin’ny fikasany tany am-boalohany, dia dingana izay hitarika ho amin’ny fanesorana ny fahavalony rehetra avy eto amin’ny faritry ny tany sy ho amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toe-piainana toy ny paradisa. Nanorina ny firenen’ny Isiraely sy nanome ny Lalàny ilay Mpanjakan’ny mandrakizay, mba ho tandindon’izay fomba hanatanterahany izany. — Galatiana 3:24.
20 Tamin’ny farany anefa ny Isiraely koa dia tafalentika tao anatin’ny tsy fahatokiana, ary nahatratra ny fara tampony io tarehin-javatra nampalahelo io, rehefa nanolotra ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra tamin’ny Romana mba hampijalijalina sy hovonoina tamin-kabibiana, ireo mpitarika teo aminy. (Asan’ny Apostoly 10:39; Filipiana 2:8). Kanefa, ny tsy fivadihan’i Jesosy hatramin’ny fahafatesana ho “Zanak’ondrin’Andriamanitra” natao sorona, dia nanaporofo tamin’ny fomba niavaka fa diso ilay fihaikana nataon’i Satana, Fahavalon’Andriamanitra hatramin’ny taloha — hoe tsy hisy olona eto an-tany ho afaka hitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra ao anatin’ny fitsapana mafy. (Jaona 1:29, 36; Joba 1:9-12; 27:5). Na dia nandova tsy fahatanterahana avy tamin’i Adama aza ny olon-kafa matahotra an’Andriamanitra an-tapitrisany maro, dia nanara-dia an’i Jesosy izy ireo, tamin’ny fihazonana tsy fivadihana teo anoloan’ireo fanafihan’i Satana. — 1 Petera 1:18, 19; 2:19, 21.
21. Inona no horesahina manaraka, mifanaraka amin’ny Asan’ny Apostoly 17:29-31?
21 Ankehitriny dia tonga ny andro hamalian’i Jehovah soa an’ireny olo-mahatoky ireny sy hitsarany ireo rehetra fahavalon’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. (Asan’ny Apostoly 17:29-31). Ahoana no hitrangan’izany? Hilaza izany ny lahatsoratra manaraka.
Famerenana
◻ Nahoana i Jehovah no antsoina ara-drariny hoe “ilay Mpanjakan’ny mandrakizay”?
◻ Ahoana no isehoan’ny fahendren’i Jehovah eo amin’ireo zavatra noforoniny?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy ny olombelona no sangan’asan’ny famoronana?
◻ Asa inona avy no mitaky ny ‘fihiran’i Mosesy sy an’ny Zanak’ondry’?
[Efajoro, pejy 12]
Fahendrena Ambony dia Ambony Ananan’i Jehovah
Ny fahendren’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay dia hita taratra amin’ny fomba maro aoka izany eo amin’ireo zavatra noforoniny teto an-tany. Mariho ny tenin’i Agora manao hoe: “Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa; ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy.” (Ohabolana 30:5). Avy eo i Agora dia manisy firesahana momba ny maro be amin’ireo zavamananaina noforonin’Andriamanitra, ny lehibe sy ny kely. Ohatra, eo amin’ny Ohab. 30 andininy faha-24 ka hatramin’ny faha-28 izy dia milazalaza momba “izao zavatra efatra izao [izay] kely amin’ny etỳ ambonin’ny tany, nefa hendry sady mahay [ho azy, NW ]”. Izany dia ny vitsika, ny biby hyraka, ny valala ary ny antsiantsy.
“Hendry sady mahay ho azy” — eny, ny biby dia natao ho toy izany. Tsy manjohy hevitra toy ny olombelona izy ireo, fa miantehitra kosa amin’ny fahendrena raiki-tampisaka ao anatiny. Efa mba talanjona ny amin’izany ve ianao? Zavatra noforonina voalamina toy inona moa izy ireo! Ohatra, ny vitsika dia voalamina ho antokony, ka tafiditra amin’izany ny vitsika mpanjakavavy sy ireo vitsika mpiasa ary ireo vitsika lahy. Eo amin’ny karazany sasany, ny vitsika mpiasa aza dia miambina bibikely ao anaty vala namboarin’ny tenany. Ao izy ireo dia mitery ireo bibikely, fa ireo vitsika miaramila kosa manosika izay fahavalo manafika rehetra. Omena ao amin’ny Ohabolana 6:6 ilay fananarana hoe: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony, ka mba hendre”. Moa ve ny ohatra toy izany tsy tokony hanosika antsika olombelona ‘hanan-javatra be dia be hatao eo amin’ny asan’ny Tompo’? — 1 Korintiana 15:58, NW.
Nanamboatra fiaramanidina goavam-be ny olombelona. Maro karazana lavitra toy inona anefa moa ny zava-bitan’ny vorona, anisan’izany ny soy izay tsy milanja afa-tsy grama vitsivitsy monja! Ny Boeing 747 iray dia tsy maintsy mitondra fandoro 180 000 litatra, tsy maintsy ampandehanin’ny antoko-mpiasa voaofana, ary tsy maintsy mampiasa fomba familiana be kojakojany, mba hiampitana ny oseana. Kanefa ny soy bitika kely iray dia tsy miantehitra afa-tsy amin’ny fandoro be menaka iray grama mba hitondra azy avy any Amerika Avaratra, hiampita ny Hoalan’i Meksika, ka hatrany Amerika Atsimo. Tsy misy fandoro mavesa-danja, tsy misy fampiofanana momba ny familiana, tsy misy sarintany na ordinatera sarotra be! Moa ve izany fahaizana izany vokatry ny kisendrasendran’ny evolisiona? Tsy izany velively! Io vorona bitika kely io dia hendry sady mahay ho azy, satria nahazo izany programa izany avy tamin’ilay Mpamorona azy, dia i Jehovah Andriamanitra.
[Sary, pejy 10]
Mankalaza ny voninahitr’ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay” ireo zavatra noforoniny maro karazana
[Sary, pejy 15]
Toy ny nankalazan’i Mosesy sy ny Isiraely rehetra ny fandresen’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena, dia hisy koa fifaliana lehibe aorian’ny Haramagedona