Fanontanian’ny mpamaky
◼ Koa satria misy kintana sasany maty na potika araka ny filazan’ny mpahay siansa, nahoana no milaza ny ao amin’ny Isaia 40:26 fa “tsy misy diso ireny [ireo kintana] na dia iray akory aza”?
Ao amin’io andininy io, ny zava-kendren’i Jehovah akory dia tsy ny hilaza na havelany hisy na tsy hisy intsony ny kintana sasany, fa ny hamaritra ny halehiben’ny fahaizany sy ny fahefany.
Nampitain’i Isaia mpaminany tamin’i Hezekia mpanjaka ny fampitandreman’Andriamanitra ny amin’ny hitondran’ny Babyloniana ireo jiosy ho amin’ny fahababoana (Isaia 39:5-7). Afaka ny hitana ny vahoakan’Andriamanitra mandrakizay ve ireo Babyloniana? Tsia. Tao amin’ny fikasan’Andriamanitra ny hanafaka azy ireo rehefa afaka 70 taona, ary hanao izany izy. Tsy hisy na inona na inona hanakana Ilay afaka ‘mametra ny rano eo am-pela-tànany, ary manjehy ny lanitra amin’ny zehiny.’ Tsy hila ny haka hevitra any amin’iza na iza izy, satria eo imasony, “ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny.” (Isaia 40:12-17). Mba hamaritana ny fahefany mahagaga, dia nosoritan’i Jehovah ny heriny, hita miharihary eo amin’ny zavatra noforonina, ary neken’i Hezekia teo aloha (Isaia 37:16, 17). Izao no nambaran’Andriamanitra: “Koa ampitovinareo amin’iza moa Aho, hitahako aminy? hoy ny Iray Masina. Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no namoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.” — Isaia 40:25, 26.
Mihevitra ireo mpandinika ny habakabaka fa miisa ho andavitrasany maro ny kintana ao amin’ny “Voie lactée”, ny “galaxie” misy antsika, ary koa fa misy “galaxie” an-jato lavitrisa eo ho eo. Fantatr’Andriamanitra amin’ny anarany avy anefa ny kintana tsirairay avy, izany hoe anarana manokana na fiantsoana mitovy amin’ny anarana manokana, angamba amin’ny fitenin’Andriamanitra. Hainy ny mifehy ny tarehin-javatra misy azy ireo. Toy ny jeneraly mahay mampanao matso ny miaramilany, i Jehovah dia afaka ny hampanao matso ireo kintana. Raha ohatra ka manao izany izy dia ‘tsy hisy diso ireny na dia iray aza’. Koa satria fantany ny tarehin-javatra misy ny kintana tsirairay avy, dia tsy hahagaga Azy, Izay mahafantatra ny zavatra rehetra, raha toa ka misy amin’izy ireny maty tokoa amin’ny fomba ara-dalàna. — Jereo Isaia 34:16.
Ireo mpandinika ny habakabaka sy mpahay fizika dia misy mihevitra fa misy kintana maty na potika. Ao amin’ny bokiny hoe Des astres, de la vie et des hommes (Ny amin’ireo astra, ny fiainana ary ny olombelona), i Robert Jastrow dia manolotra vinavinan-kevitra mba hanazavana io zava-mitranga io: “Nisy fanovan-javatra noklehera nitohitohy nitranga teo anivon’ireny kintana vaovao ireny ary avy amin’ny hidirôzenina fototra, izany dia niteraka ireo foto-javatra hafa rehetra eo amin’ny izao rehetra izao. Amin’ny toe-javatra sasany, dia nijanona ireny fanovan-javatra ireny ary maty ilay kintana. Tsy nanana ireo loharanon-kery intsony izy ka foana noho ny havesarany ihany, ary io fahafoanana io dia narahin’ny fipoahana iray izay nanipy tany amin’ny habakabaka ireo zavatra nahaforona ilay kintana ary niforona tao anatiny nandritra ny fisiany.”
Nisy namoaka hevitra fa raha mandevona ny hidirezônina ao aminy ny kintana sasany dia tonga mena sady goavam-be, ary avy eo fotsy sady zeny, na miova ho “supernovae”, ary koa fa tonga kintana misy “neutrons” ny sasany amin’ny farany na, araka ny vinavina, lavaka mainty.
Na dia eken’ny ankamaroan’ny olona aza ireo fanazavana ireo dia tsy mbola tanteraka; hampianatra antsika bebe kokoa ny amin’izany ny hoavy. Diniho, ohatra, izay novakina tao amin’ny New York Times tamin’ny 24 janoary 1989: “Ireo mpahay siansa dia mihevitra fa efa mby eo am-pahitana zava-dehibe momba ‘ny fe-potoana maizina’ teo amin’izao tontolo izao, fe-potoana fanapahan-kevitra izay nanomboka telo minitra taorian’ny fipoahana tany am-boalohany izay niteraka ny famoronana, ary naharitra hatramin’ny fisehoan’ireo “galaxie” goavam-be. (...) Noho ny havitsian’ireo porofo mivantana, dia mahavery hevitra ireo mpahay siansa tanteraka ny fironan’ny firafitr’izao rehetra izao. Nanoratra toy izao i James Trefil, mpahay siansa iray ao amin’ny oniversite George Mason, any Fairfax (any Virginie, any Etazonia): ‘Ny fisian’ireo “galaxie” no sarotra hazavaina indrindra eo amin’ny fahaizana momba izao rehetra izao. Raha araka ny rariny, dia tokony tsy hisy izy ireo; kanefa dia eo dia eo tokoa izy ireo.’ ”
Niresaka ny amin’ny nety ho nitranga nandritra “ireo telo minitra voalohany” araka ilay mpahay siansa momba ny habakabaka atao hoe John Mather io lahatsoratra io. Izao anefa no vakintsika ao: “Raha nahamarika ny fisafotofotoana niha-nitombo teo amin’iray tamin’ireo mpanao gazety nanadikadina azy Atoa. Mather dia nanajanona ny fitantarany ny amin’ny famoronana izay neken’ny ankamaroan’ny olona ka nilaza hoe: ‘Marina aloha fa vinavina ranofotsiny ihany izany.’ Ny tiany holazaina dia hoe namorona vinavinan-kevitra avy amin’ny fanatsoahan-kevitra ihany izy.”
Marina tokoa fa ireo mpahay siansa dia olombelona izay voafetra be ny fahaizany sy ny famotopotorany. Tsy toy izany mihitsy anefa ny amin’ilay Mpamorona. Mahatalanjona antsika tokoa ny fahaizany sy ny heriny velona. Ara-drariny no nanambaran’ny mpanao salamo hoe: “Milaza ny isan’ny kintana izy; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny. Lehibe ny Tompontsika sady be hery; tsy hita lany ny fahalalany. (...) Derao Jah!, MN.” — Salamo 147:4, 5, 20.