Aoka isika handray hery indray ka tsy ho ketraka
“Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” — Isaia 40:29.
1, 2. Ahoana no ho azonao ampisehoana izay itovian’ny kristiana amin’ny mpihazakazaka an-tongotra lavitra?
INDRAY marainan’ny Oktobra 1984, dia vahoaka mpifaninana 16 000 no nameno ireo araben’i New York mba hanao ny hazakazaka an-tongotra lavitra. Tsy maintsy hahavita 42,2 kilaometatra izy ireo alohan’ny hahatongavana eo amin’ny tsipika hotratrarina. Ny hafanana nanempotra sy mando tamin’io androm-pararano sendra mba nafana tao anatin’ny vanin-taona io dia nanimba ny tanjak’ireo mpihazakazaka ary nisedrana ny fiaretany. Nanjary ady nanasatra tamin’izany ilay fihazakazahana, na dia ho an’ireo mpifaninana nahay indrindra aza. Maro be no trotraka ka nijanona; tokony ho 2 000 no tsy nahavita ny fihazakazahana. Tamim-pahasahiranana lehibe vao tonga teo amin’ny fetra notratrarina ireo izay nahavita izany.
2 Mandray anjara amin’ny fihazakazahana iray koa ny kristiana. Ny lokan’ny fandresena ve? Ny fiainana mandrakizay. Sahala amin’ireo mpihazakazaka an-tongotra lavitra, dia tsy maintsy miady hatramin’ny farany izy ireo. Mila fiaretana izy ireo. Ilainy àry ny mitana hery sy manalavitra ny havizanana. Ny fihazakazahantsika ho amin’ny fiainana dia tsy sahala amin’ny fihazakazahana fohy, fa fihazakazahana lehibe kosa. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ireo rahalahiny kristiana tany Korinto: “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.” (I Korintiana 9:24). Tokony hihazakazaka ny kristiana amin’ny fiadiana mafy. — Lioka 13:24.
3. Ahoana ihany no mety hahafahan’ny kristiana mitana fomba fandeha ambony mandra-pifaran’ny fihazakazahana?
3 ‘Nefa, hoy angamba ianao manontany tena, iza no afaka mihazakazaka amin’ny fomba toy izany hatramin’ny farany?’ Tsy misy na dia iray aza amintsika afaka manao izany amin’ny herin’ny tenany irery. Mba hahazoana ny loka, dia tokony hanovo amin’ilay Loharanom-paherezana mihitsy isika, amin’i Jehovah Andriamanitra. — Joba 36:22; Salamo 108:13
Jehovah, Loharanom-paherezana
4. Araka ny faminanian’Isaia, nahoana isika no afaka matoky ny herin’i Jehovah hanohana ireo mpanompony.
4 Tsy azo lavina fa afaka manohana ireo mpanompony i Jehovah. Tamin’ny alalan’Isaia mpaminany, ny Tsitoha dia niresaka ny amin’ny fahaizany tsy hita fetra sy ny amin’ny asany lehibe tsy manam-paharoa, tamin’ny filazana hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. (...) Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.” — Isaia 40:26-28.
5, 6. Manomeza ohatra ny amin’ny fihariharian’ny faherezana avy amin’i Jehovah.
5 Manomboka amin’ny hita fetra ka hatramin’ny tsy hita fetra, dia manaitra ny saina ny fisehoan’ny hery famoronan’i Jehovah. Jereo, ohatra, ny ataoma, ny fitaovam-panorenana ny tenan-javatra rehetra, anisan’izany ny tenantsika. Bitika aoka izany izy ireny. Zava-misy mahatalanjona anefa fa ao amin’ny votoatin’ny ataoma dia misy hery ampy nahatonga, ohatra, fipoahana ampy nandavahana tokony ho 100 metatra ny halaliny ary efa ho 400 metatra ny savaivony (diamètre).
6 Ery amin’ny farany mifanipaka amin’izany, dia jereo ny masoandro. Io lafaoro noklehera goavana io, milanja ho an-davitrisany taonina maro, dia manafana ny fandahara-masoandro misy antsika. Hery avoakan’ny ataoma bitika no mamelona azy. Na dia miankina amin’ny hery avy amin’io fototra goavana eny amin’ny lanitra io aza eto amin’ny planetantsika ny fiainana rehetra — ny an’ny zavamaniry sy biby ary olombelona — dia tapany kely dia kely monja amin’izany hery izany no tonga hatraty amin’ny tany. Ampy anefa izany mba hitanana ny fiainana. Ao amin’ny bokiny hoe Astronomia (anglisy) ilay astronoma atao hoe Fred Hoyle dia nanoratra toy izao: “Ny ampahany kely dia kely amin’ny herin’ny masoandro tonga eto an-tany — izay tombanana ho ampahany dimy amin’ny iray hetsy lavitrisa — dia eo amin’ny avo 100 000 noho ny hery rehetra ampiasain’ny indostrian’izao tontolo izao.”
7. Tokony hanao ahoana ny fihetseham-pontsika ny amin’i Jehovah rehefa avy nieritreritra ny hery asehon’ny zavatra noforonina?
7 Ny masoandro anefa dia anankiray salasalany monja amin’ireo kintana an-davitrisany maro mahaforona ny “Voie lactée”, ny vahin-danitra misy antsika. Afa-tsy izany koa, ireo astronoma dia manombana fa mety hisy vahin-danitra eo amin’ny 100 lavitrisa eo amin’izao rehetra izao fantatra. Tsy mahatalanjona ve izany? Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha toa Joba, taorian’ny nisaintsainany fa Jehovah “irery ihany no mamelatra ny lanitra”, ka nilaza fa “manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa” Andriamanitra. — Joba 9:8-10.
Afaka manome tanjaka anao Jehovah
8. a) Olona iza ihany no afaka manovo amin’ny fomba feno avy amin’i Jehovah, Loharanom-pampaherezana, ary nahoana? b) Amin’ny ahoana moa ny fampanantenana atao ao amin’ny Isaia 40:29-31 no manatanjaka ny finoantsika?
8 Ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah dia afaka manovo, maimaimpoana sy araka izay tiany, amin’izany Loharanom-paherezana izany izay namorona izao rehetra izao sy manohana azy. Mety “hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny” masina ireo mpanompony ka tsy hatahotra ny tsy ho ampy hery (Efesiana 3:16; Salamo 84:4, 5). Eny, marina tokoa fa tsy handresy amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana isika raha tsy miaiky tanteraka fa afaka manosika antsika hihoatra ny tsipika fahatongavana aza ny tana-maherin’Andriamanitra. Afaka manome tanjaka antsika Jehovah. Izao no nolazain’Isaia mpaminany ny aminy: “Mampahatanjaka ny reraka Izay, ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry [manantena, MN ] an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.” (Isaia 40:29-31). Ny famakiana izany fotsiny dia mamelombelona antsika.
9. Ahoana no azon’i Jehovah anampiana anao handresy ireo zava-manahirana anao azo ampitahaina amin’ny ‘tendrombohitra’?
9 Rehefa tojo zava-manahirana toa tsy hay resena mety hamono ny zotom-ponao ho an’ny fanompoam-pivavahana marina ianao, dia angamba mahatsiaro tena ho bitika, tsinontsinona. Aza kivy. Mitodiha any amin’ny Rainao tsitoha any an-danitra. Manome hery ho ‘an’izay rehetra manantena azy’ izy. Moa ve ilay Mpamorona ny ataoma tsy ho afaka hanome ho an’ireo mpanompony, faherezana ampy mba hamindrana “tendrombohitra” toy izany? Tsy isalasalana mihitsy fa afaka manao izany izy. — Marka 11:23.
10. a) Inona no mety hanasatra ireo izay manao ny fihazakazahana kristiana? b) Inona no tadiavin’i Satana hatao?
10 Etsy andaniny koa, dia misy angamba kristiana sasatra aoka izany noho ny tsy maintsy niadiana isan’andro isan’andro tamin’ireo fanerena avy amin’izao tontolo izao mampideradera ny tsy firaharahany ireo fotopoto-pitsipika kristiana, hany ka iriny ny hampiadana na hampitsahatra mihitsy aza ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana. Ny aretina, ny fahavoazana ara-bola, ny zava-manahirana ara-pianakaviana, ny fitoerana irery na ny fahasahiranana hafa dia mahatonga fahakiviana koa. Ny fahakiviana toy izany dia mety hanimba haingana ny herin’ny kristiana iray, toy ny andro manempotra mampanary haingana izay rehetra mety ho herin’ny mpihazakazaka an-tongotra lavitra iray. Mampiasa zavatra toy izany Satana Devoly, ilay Fahavalo lehibe, mba hanimbana ny tsy fivadihantsika, dia isika izay mpanompon’i Jehovah (I Petera 5:8). Aza avela hanao izany izy! Mitodiha any amin’ilay Mpamorona vahin-danitra tsy tambo isaina eny amin’ny habakabaka mba hanavaozany ny herinao ara-panahy. Afaka manohana anao Jehovah. — Salamo 37:17; 54:4.
11. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba niheveran’i Davida ireo fahasahiranana?
11 Rehefa tojo fahasahiranana samihafa i Davida dia nahatsapa foana fa loharanon-kery vaovao Jehovah. Novelombelomin’ny fanahy masin’Andriamanitra i Davida ka afaka ‘nitsambikina’ tamin’izay rehetra nety ho vato nisakana. Izao no nambarany: “Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny mànda.” Ary koa: “Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.” (Salamo 18:29; 60:12). Afaka manao toy izany ho anao Jehovah.
Miadia amin’ny fahasasarana ara-panahy
12. a) Nahoana moa no ilaina ny manao zavatra haingana raha misy fahasasarana ara-panahy? b) Inona moa no sasantsasany amin’ireo famantarana fahasasarana ara-panahy? d) Inona avy no fandaharana nataon’i Jehovah mba hamelombelomana ireo sasatra ara-panahy?
12 Ilaina ny ho mailaka hanamarika izay rehetra mety ho famantarana fahasasarana ara-panahy, sady ho mailaka hitady fanafodin’izany koa. Nahoana? Satria ireo izay ‘miady mafy mba hiditra amin’ny varavarana aty’ ihany, ary vitsy izy ireny, na ireo mpihazakazaka handingana ny tsipika fahatongavana ihany, no hahazo ny loka, dia ny fiainana mandrakizay (Lioka 13:24; Filipiana 3:12, 13). Jereo ny faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Ny fomba handresena ny fahasasarana ara-panahy”. Tsikaritrao ao amin’ny tenanao na ao amin’ny mpianakavinao iray ve ny famantarana sasany omena eo? Raha izany no izy, dia manaova zavatra avy hatrany mba ho fanafodin’izany. Velomy indray ny fiainanao ara-panahy amin’ny fanovozana hery noho ireo fandaharan’i Jehovah voalaza koa.
13, 14. a) Inona avy no ohatra mety hanampy antsika hanavao ny herintsika ara-panahy? b) Torohevitra inona nomen’ny kristiana iray manompo an’i Jehovah hatramin’ny ela be no mety hanampy antsika hanohy ny fihazakazahana?
13 Azonao atao ny hahatohitra ny fironana ho sasatra amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’ireo mpanompon’Andriamanitra nahazo fandresena resahin’ny Baiboly. Be dia be, lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, no naharitra hatramin’ny farany. Vakio izay voalazan’ny Hebreo 11:4-40 ny amin’izy ireny. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia rahalahy sy anabavy maro be tiantsika no manohy manompo an’i Jehovah tsy mety sasatra.
14 Georges izay monina any atsimon’i Etazonia dia ohatra iray ny amin’ny mpihazakazaka tsy nanaiky ho resin’ny fahasasarana. Raha nanohy hatramin’ny 50 taona ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana mandrakizay izy, dia mbola matanjaka foana. Inona no torohevitra omeny antsika?
“Tsy ho be loatra ny hanantitranterako izao hevitra izao: mifikira hatrany amin’ny fandaminana. Aza hadinoina fa Jesosy Kristy, izay notendren’ny tenan’i Jehovah mihitsy ho amin’io toerana io, no mitarika ny fandaminana. Aza kivy àry raha manjary mivadika ny anankiray amin’ireo akaiky anao indrindra. Raha misy zavatra tsy azonao tanteraka na toa sarotra aminao ny hanaiky izany, dia aza misalasala fa tsy ho ela dia hihamazava ny zavatra rehetra. Nitondra antsika hatramin’izao ny fandaminan’i Jehovah. Matokia fa hitondra antsika hatrao amin’ny fandehan-javatra vaovao izy.” — Jaona 6:66-68.
15. Raha mety hanome herim-po antsika indray ny ohatra nomen’ny sasany amin’ireo rahalahintsika, inona no tokony hatao?
15 Angamba misy kristiana sarobidy toy izany koa ao anatin’ny kongregasionanao na mety ho tafahaona aminao any amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Miresaha amin’izy ireny. Mandraisa fampianarana avy amin’ny resaka toy izany. Afa-tsy izany koa, dia ahitana ohatra hafa ny amin’ny kristiana mahatoky ao amin’ny Annuaire, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ao amin’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower hafa. Vakio ireny fitantarana ireny. Jereo ny fomba azonao anovozana hery amin’ireny ohatra ireny.
Ry loholona, aoka ianareo ho “loharanom-pampaherezana”
16. a) Ahoana no azon’ireo loholona anampiana an’ireo rahalahiny kristiana hahita hery indray? b) Inona no tokony hotandreman’ireo loholona rehefa manome fampaherezana sy torohevitra izy ireo?
16 Ao amin’ny kongregasiona, ireo loholona dia tokony ho mailaka indrindra ny hanampy ireo mpikambana izay mampiseho famantarana fahosana. Manome izao torohevitra tsara dia tsara izao ny Isaia 35:3: “Ampaharezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.” Fa ahoana no azonao anaovana ny anjaranao, raha loholona ianao? Voalohany indrindra, dia manàna fahiratan-tsaina. Fantaro ny tena anton’izany toa fiadanam-pamindra izany. Manomeza fanipazan-kevitra araka ny Baiboly sy azo ampiharina izay mety amin’ilay olona. Aoka ianao ho malina mandrakariva. Ny irinao dia tsy ny hanakivy fa ny hampahery ny rahalahinaoa. Aza terena hanaraka ny fieritreretanao àry ny hafa, aza manantitrantitra ny hanarahan’ny rahalahinao ny fanafodiny natolotra na aza mitsara fa tsy ampy fahamasahana izy satria misalasala ny hanaraka ny fiheveranao manokana. Ireo loholona dia tokony hanorina ny toroheviny sy ny fampaherezany amin’ny Baiboly. Tsy ho tiany ny hampiadana ny fihazakazahan’ireo rahalahiny amin’ny fandidiana ny hanarahan’izy ireo ao amin’ny kongregasiona, fitsipika tsy ilaina. — Ampifanohero ny Matio 11:28, 29 sy ny Matio 23:2-4.
17. Ahoana no azon’ireo loholona anaovana izay tsy hahombiazan’ny tetikadin’ny Devoly izay mitady hampiadam-pamindra ny kristiana?
17 Ireo loholona dia afaka manome ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Kristy rehefa miseho ho mailaka hidera ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona izy ireo. Ataovy izay ahatsiarovan’ireo tena amim-pahatsorana fa irina sy ilaina izy. Ny fandehan-javatr’i Satana dia mihamailaka kokoa hatrany hampino ny kristiana iray fa tsy hahavita zavatra izy. Amin’io ambaratonga amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana io, ireo rahalahintsika dia mila, tsy fanakianana, fa sakaiza mampahery azy mba hahazoany ny fandresena. Ohatra, ny anabavy iray eo amin’ny taona salasalany dia voatery nampitsahatra ny asany tamin’ny naha-mpitory maharitra. Tao am-pony, dia naniry mafy ny handray izany indray izy, nefa tsy afaka nanao izany noho ny antony ara-bola. Feno fikasana tsara ny loholona iray ka nanontany azy tamin’ny feo toa manakiana: “Rahoviana ianao no ho tonga mpitory maharitra indray?” Gaga aoka izany izy noho ny valin-teny tampoka nomen’io vehivavy kristiana io hoe: “Rehefa ho afaka handoa ny hofan-trano ny vadiko.” Tsy azon’io loholona io ny nolazainy, ary reny taty aoriana fa matoa izy afaka ny ho mpitory maharitra, dia noho ny karaman’ny vadiny indrindra. Tsy maintsy nitady asa hafa anefa io rehefa nanomboka nanaiky kokoa hatrany asa mandona fieritreretana kristiana ny mpampiasa azy. Tsy mora teo amin’ny taonany ny nitady asa. Koa voatery nanaiky asa kely karama lavitra izy. Nilain’ny vadiny àry ny hiasa amin’ny fotoana feno.
18. Ahoana no mety hahatonga ireo loholona ho “loharanom-pampaherezana”?
18 Rehefa heverina amin’io zava-nitranga io, tokony horaisina avy amin’izany ve fa tokony hisalasala ny hanoro hevitra ireo rahalahiny kristiana ny loholona? Tsia. Kanefa rehefa misy torohevitra na fampaherezana ilaina, ireo loholona dia tokony hanavaka hoe manao ahoana ny tena toeran’ireo rahalahiny ka tsy hitoky amin’ny miseho ivelany fotsiny (Jakoba 2:15, 16). Amin’izany ireo loholona dia ho afaka ny ho “loharanom-pampaherezana” ao anatin’ny kongregasionany. — Kolosiana 4:11, MN.
19. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo mpitory maharitra tsy ho sasatra?
19 Mihamaro ny mpitory ilay fanjakana nanafaingana ny diany ka mpitory maharitra mandavantaona izao. Manampy an’ireo mpihazakazaka an-tongotra lavitra hahazo hery indray ny fampaherezan’ny vahoaka. Ary ianao, inona no ataonao mba hampaherezana ireo mpitory maharitra ao amin’ny kongregasionanao mba hahazoany ny fandresena? Doug sy Joanne dia nanao ny asa manontolo andro ho anton-draharahany. Moa ve tsy mety ho kivy izy rehefa milaza amin’izy ireo toy izao ny kristiana hafa: “Rahoviana ianareo no hiteraka?” na: “Rahoviana ianareo vao hanorim-ponenana?” Ahoana kosa rehefa misy Vavolombelona mitondra ho azy ireny ny fanohanany ara-tsaina amin’ny teny tahaka izao: “Tohizo ny asa tsara dia tsara. Faly izahay noho ianareo mpitory maharitra ato anatin’ny kongregasionantsika.” Tsy vitan’ny hoe mampisava ny fahasasarana ara-panahy izany, fa izany dia manampy azy ireny hiakatra toy ny voromahery ao amin’ny asan’ny mpitory maharitra. — Jereo Isaia 40:31.
Ahoana no ahafahan’ireo mpitory maharitra mahazo hery indray
20, 21. Ahoana no nahafahan’olona kristiana manompo manontolo andro nandray hery indray?
20 Henoy izay lazain’i Frédéric sy Marianne. Hain’izy ireo ny fomba handraisana hery indray. Manao ny asa misionera any Amerika afovoany izany mpivady izany. Samy mihoatra ny 70 taona izy ireo. Nanomboka ny asa misionera tamin’ny 1946 i Frédéric, ary Marianne tamin’ny 1950. Inona no nahatonga azy ireo ho afaka ny haharitra amin’ny asan’i Jehovah? Izao no navalin’i Frédéric: “Ankoatra ny fitiavana an’i Jehovah sy ny faniriana hanampy ny mpiara-belona aminay, dia satria notadidianay tao an-tsaina ny zava-kendrena: ny fiainana mandrakizay.” Nampian’ny vadiny fa ‘nahatonga azy ireo ho afaka ny haharitra ireo fampanantenan’Andriamanitra’. Fa ahoana no nataon’izy ireo mba tsy hahasasatra azy? “Na aiza na aiza anendrena anao, hoy Frédéric, dia mandania hery ao.” Fa raha ny amin’i Marianne, dia anoroany hevitra “ny tsy fiovaovana amin’ny asa teokratika”. Ary dia nampiany hoe: “Rehefa mihantitra ny tena, dia tsy afaka manao izay rehetra hirina hatao. Mety hahasosotra ahy izany, kanefa resahiko amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka.” Mamarana ny teniny amin’izao torohevitra tsara dia tsara izao i Frédéric: “Mivavaka isan-kariva izahay mba hangataka amin’i Jehovah hanampy anay.” — I Petera 4:7.
21 Lavonia, izay 67 taona, dia mpitory maharitra hatramin’ny 20 taona. Tamin’ny taona lasa izy dia voatery niditra tany amin’ny hopitaly nandritra ny 15 andro ary tsy maintsy mihinam-panafody momba ny fo izao. Nampahory azy mafy ny fahafatesan’ny mpianakaviny maromaro, anisan’izany ny vadiny sy ny rainy. Manohy miady ihany anefa izy. Ahoana no nahitany hery? “Ny fahafahana mandray anjara misimisy kokoa amin’ny fitoriana, hoy izy, dia manampy ahy be dia be. Rehefa afaka miresaka amin’ny hafa ny amin’i Jehovah tokoa aho, dia mahatonga ahy hanadino ireo zava-manahirana ahy izany ary manome fiadanan-tsaina sy fifaliana lehibe ho ahy; koa mendrika ny hiainana ny fiainana.” Tsy mikasa ny hiala amin’ny asan’ny mpitory maharitra izy io. Nanamafy toy izao kosa aza izy: “Rehefa mahita olon-kafa mianatra mahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany mahatalanjona aho, dia mandray fifaliana lalina tokoa avy amin’izany, hany ka tsy tonga ao an-tsaiko akory ny eritreritra ny hoe hitsahatra tsy hanao ny asan’ny mpitory maharitra.” — Asan’ny apostoly 20:35.
22. Tokony hanohy hanao inona isika mba handresena amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana mandrakizay?
22 Eo amin’izao ambaratonga amin’ny fiainana izao, na afaka miady ao amin’ny laharan’ny mpitory maharitra isika na tsia, isika rehetra dia afaka mijanona ho akaikin’i Jehovah Andriamanitra, Loharanon’ny faherezana rehetra, sy ny fandaminany. Aoka àry isika tsy hitsahatra ny hanavao ny herintsika amin’ny fanompoana amim-pahatokiana ny Andriamanitsika. Sahala amin’i Habakoka, dia ho azontsika atao amin’izay ny hilaza hoe: “Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy.” (Habakoka 3:19). Amin’izany dia tsy ho sasatra na ho trotraka isika. Aza hadinoina fa madiva ho vita ny fihazakazahana. Manakaiky ny zava-kendrena isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mahaliana ny mahafantatra fa ny teny grika nadika hoe “famporisihana” ao amin’ny Filipiana 2:1 sy ao amin’ny Hebreo 6:18 dia avy amin’ny matoanteny iray izay ny dikany dia hoe “mampihatra fitaomana tsara amin’ny alalan’ny teny” na “miresaka amin’olona amin’ny fomba manorina sy feno fahamoram-panahy”.
Famerenana
◻ Olona iza ihany no afaka manovo ny hery fampaherezana avy amin’i Jehovah?
◻ Inona no sasantsasany amin’ny famantarana fahasasarana ara-panahy?
◻ Fandaharana inona avy nataon’i Jehovah no mety hanampy antsika handray hery indray?
◻ Ahoana no azon’ireo loholona sy ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona anampiana ireo mpitory maharitra hanohy ny “fihazakazahana”?
[Efajoro, pejy 19]
Ny fomba handresena ny fahasasarana ara-panahy
Ireo famantarana fahasasarana
◻ Ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena eo amin’ny fihinanana, ny fisotroana sy ny fikatsahana fahafinaretana.
◻ Ny tsy fisian’ny hafanam-po ho an’ny fahamarinana: ny fahafaham-po amin’ny tena ihany .
◻ Ny famelomana fisalasalana lehibe sy maharitra.
◻ Ny fanaovana tsirambina tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona.
◻ Ny tsy fisian’ny zotom-po sy ny fifaliana amin’ny fitoriana.
◻ Ny fanakianana tafahoatra ny amin’ireo loholona sy ny fandaminana.
Izay manampy haharitra
◻ Ny vavaka mba hangatahana ny fanahy masina. — Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23; I Petera 4:7.
◻ Ny fianarana manokana. — Salamo 1:1, 2.
◻ Ny fisaintsainana ny Soratra masina. — Salamo 77:12.
◻ Ny famonjena tsy tapaka ireo fivoriana sy ireo fivoriambe. — Nehemia 8:1-3, 8, 10; Hebreo 10:23-25.
◻ Ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana. — Asan’ny apostoly 20:18-21.
◻ Ny fanampiana ara-panahy entin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany. — Romana 1:11, 12; Hebreo 13:17.
[Sary, pejy 17]
Jehovah, Mpamorona izao rehetra izao, dia manampy ireo vavolombelony hahazo hery indray.
[Sary nahazoan-dalana]
Photo NASA