-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
6. Inona no nolazain’ilay mpaminany momba ny mpandresy iray ho avy?
6 Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah fa hisy mpandresy iray, izay sady hamonjy ny vahoakany avy ao Babylona, no hampihatra didim-pitsarana amin’ny fahavalony. Hoy izy: “Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’izay làlana tsy mbola nodiavin’ny tongony. Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.”—Isaia 41:2-4.
-
-
Faminaniana Mitondra Fampiononana ho AnaoNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
8. Zavatra inona no i Jehovah irery no afaka manao azy?
8 Efa nolazain’i Jehovah ela be talohan’ny hahaterahan’i Kyrosy àry fa ho avy izy. Ilay Andriamanitra marina ihany no afaka maminany zavatra araka ny marina toy izany. Tsy manan-tsahala i Jehovah, raha oharina amin’ny andriamani-dison’ireo firenena. Nanana antony tsara nilazana toy izao àry izy: “Ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” I Jehovah irery no afaka milaza ara-drariny hoe: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.”—Isaia 42:8; 44:6, 7.
-