-
Afaka ny ho Naman’i Jehovah IanaoAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
6. Ahoana no anampian’i Jehovah ny namany?
Manampy ny namany hiatrika olana i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Ahoana no nanampian’i Jehovah an’ilay vehivavy tao amin’ilay video mba tsy ho kivy izy?
Vakio ny Isaia 41:10, 13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Inona no ampanantenain’i Jehovah hoe hataony ho an’ny namany tsirairay?
Namana tsara ve i Jehovah, araka ny hevitrao? Nahoana?
-
-
Inona no Azonao Atao mba Hiresahana ny Vaovao Tsara?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
3. Hanampy anao i Jehovah
Te hitory ny olona sasany nefa matahotra hoe ahoana no mety ho fahitan’ny olona azy, na hoe ahoana no mety ho fihetsiky ny olona hitoriany.
Matahotra ve ianao hiresaka ny zavatra nianaranao? Nahoana?
Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no nanampy an’ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah ireo mba tsy hatahotra?
Vakio ny Isaia 41:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana no manampy anao ny vavaka rehefa matahotra hitory ianao?
Fantatrao ve?
Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nieritreritra hoe tsy mba hahavita hiresaka ny vaovao tsara mihitsy. Izany, ohatra, no nahazo an’i Sergey. Tsy natoky tena izy sady tsy nahay nilaza ny heviny. Nianatra Baiboly anefa izy tatỳ aoriana. Nilaza izy hoe: “Niresaka momba an’izay nianarako aho na dia natahotra aza. Gaga be aho fa lasa natoky tena kokoa rehefa nanao an’izany. Vao mainka koa aho nino ny zavatra nianarako.”
-
-
Vonona Hatao Batisa ve Ianao?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
6. Matokia fa hanampy anao i Jehovah
Hanampy anao hampifaly azy i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Nahoana ilay mpianatra Baiboly tao amin’ilay video no nisalasala hatao batisa?
Inona no nanampy azy hatoky kokoa an’i Jehovah?
Vakio ny Isaia 41:10, 13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Misy zavatra ampanantenainao an’i Jehovah rehefa manokan-tena ianao. Nahoana ianao no afaka matoky hoe hahavita hanatanteraka an’ilay izy?
-