Mpitondra Fahazavana — Ho Amin’ny Zava-kendrena Inona?
“Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho”. — ASAN’NY APOSTOLY 13:47.
1. Tamin’ny ahoana ilay baiko nasiana fitenenana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:47 no nisy heriny tamin’ny apostoly Paoly?
“IZAO no nandidian’[i Jehovah, NW] anay: ‘Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Hianao’ ”, hoy ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 13:47). Tsy vitan’ny hoe nilaza izany fotsiny izy fa takany koa ny naha-zava-dehibe izany. Rehefa tonga Kristiana i Paoly dia nanokana ny fiainany mba hanatanterahana izany baiko izany. (Asan’ny Apostoly 26:14-20). Moa ve nomena ho andraikitsika koa izany baiko izany? Raha izany no izy, nahoana no zava-dehibe izany amin’izao androntsika izao?
Rehefa ‘maty ny jiro’ ho an’ny taranak’olombelona
2. a) Raha teo am-pidirany tao amin’ny fotoan’ny farany izao tontolo izao, inona no nitranga ka nisy fiantraikany lalina teo amin’ny rivo-piainany ara-panahy sy ara-pitondran-tena? b) Ahoana no fihetsiky ny mpitondra fanjakana britanika iray teo anatrehan’izay hitany fa nitranga tamin’ny Aogositra 1914?
2 Talohan’ny nahaterahan’ny ankamaroan’ny olona izay velona amin’izao fotoana izao, dia niditra tao amin’ny fotoan’ny farany ity tontolo ity. Nisy zavatra lehibe nifandimby niseho haingana. I Satana Devoly, ilay mpanohana lehibe indrindra ny haizina ara-panahy sy ara-pitondran-tena, dia nazera ho etỳ an-tany. (Efesiana 6:12; Apokalypsy 12:7-12). Efa tafalentika sahady tao amin’ny adiny lehibe voalohany ny taranak’olombelona. Tany am-piandohan’ny Aogositra 1914, rehefa nanjary azo antoka fa hisy ilay ady, i Sir Edward Grey, minisitry ny raharaham-bahiny britanika, dia nitsangana teo am-baravarankelin’ny biraony tao Londres, ka nilaza hoe: “Maty ireo jiro manerana an’i Eoropa; tsy hahita azy ireo hirehitra intsony isika amin’ny androm-piainantsika.”
3. Nanao ahoana ny fahombiazan’ireo filohan’izao tontolo izao teo amin’ny fanandramany hampahazava ny hoavin’ny olombelona?
3 Teo am-piezahana mba handrehetana ireo jiro ireo indray, dia najoro ny Fikambanam-pirenena tamin’ny 1920. Zara raha nitsilopilopy anefa ireo jiro ireo. Tamin’ny faran’ny ady lehibe faharoa, dia nanandrana indray ireo filohan’izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny fandaminan’ny Firenena Mikambana. Teo indray koa, dia tsy nirehitra nazava tsara ireo jiro. Noho ireo zava-niseho vao haingana anefa, ireo filohan’izao tontolo izao dia niresaka ny amin’ny “fandehan-javatra vaovao ho an’izao tontolo izao”. Kanefa dia tsy azo lazaina mihitsy hoe nitondra tena fiadanana sy filaminana izay mety ho “tontolo vaovao” aorin’izy ireo. Mifanohitra amin’izany aza fa samy mbola manohy misakana ny olona tsy hankafy ny fiainana ny fifanoherana mitam-piadiana, fifandrafiana ara-poko, ny heloka bevava, ny tsy fananana asa, ny fahantrana, ny fandotoana ny tontolo iainana, ary ny aretina.
4, 5. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nandrakofan’ny haizina ny fianakavian’olombelona? b) Inona no ilaina mba hanomezana fanamaivanana?
4 Raha ny tena izy, dia efa ela be talohan’ny 1914 no maty ireo jiro ho an’ny olombelona. Izany dia nitranga 6 000 taona lasa teo ho eo izay, tany Edena, rehefa nifidy ny hanao ny fanapahan-keviny manokana tsy nisy firaharahana ny sitrapon’Andriamanitra voalaza mazava, ireo ray aman-drenintsika olombelona voalohany. Ireo fanandraman-javatra mampahory mafy hitan’ny taranak’olombelona hatramin’izay dia fisehoan-javatra miavaka tsara fotsiny ao anatin’ny fiainana iray eo ambanin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “fahefan’ny maizina”. (Kolosiana 1:13). Teo ambanin’ny herin’i Satana Devoly no nandentehan’i Adama, ilay lehilahy voalohany, an’izao tontolo izao tao anatin’ny ota; ary avy tamin’i Adama dia nahatratra ny olombelona rehetra ny ota sy ny fahafatesana. (Genesisy 3:1-6; Romana 5:12). Namoy araka izany ny fankasitrahan’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahazavana sy ny fiainana, ny taranak’olombelona. — Salamo 36:9.
5 Ny hany fomba hahafahana mamerina mampamirapiratra indray ny fahazavana ho an’ny taranak’olombelona, dia ho ny fahazoan’izy ireo ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona. Amin’izay dia ho azo esorina “ny sarona izay manarona ny olona rehetra”, na fanamelohana noho ny ota. Ahoana no hetezan’izany? — Isaia 25:7.
Ilay nomena ho “fahazavan’ny jentilisa”
6. Fahatsinjovan-javatra lehibe inona avy no nataon’i Jehovah izay hetezany ho antsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy?
6 Na dia talohan’ny nandroahana an’i Adama sy i Eva avy tao amin’ny Paradisa aza, i Jehovah dia efa nanambara mialoha ny amin’ny “taranaka” iray, dia ilay ho mpanafaka ireo tia ny rariny. (Genesisy 3:15). Taorian’ny nahaterahan’ilay Taranaka nampanantenaina ho olombelona, dia nataon’i Jehovah izay hahafantaran’i Simeona efa be taona azy io, tao amin’ny tempoly tany Jerosalema, ho “fahazavana hanaisotra ny fisalobonana eo amin’ireo firenena”. (Lioka 2:29-32, NW ). Amin’ny alalan’ny finoana ny sorona ain’olombelona tanteraka nananan’i Jesosy, ny olombelona dia azo afahana amin’ilay fanamelohana vokatry ny fahotana nolovana. (Jaona 3:36). Mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah, izao izy ireo dia afaka manantena fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana, na ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra izany na ho olom-pehezin’io Fanjakana io eto an-tany paradisa. Fandaharana mahatalanjona re izany!
7. Nahoana ny fampanantenana ao amin’ny Isaia 42:1-4 sy ny fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany no samy mameno fanantenana antsika?
7 I Jesosy Kristy mihitsy no antoka ny amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana lehibe ireo. Nifandray tamin’ny fanasitranan’i Jesosy ireo olona nijaly, dia nampiharin’ny apostoly Matio taminy izay voasoratra ao amin’ny Isaia 42:1-4. Toy izao no voalazan’ny ampahany amin’io andinin-teny io: “Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka [ny rariny, NW] ho an’ny jentilisa Izy.” Ary moa ve tsy izany no ilain’ny olona avy amin’ny firenena rehetra? Toy izao no tohin’ilay faminaniana: “Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dàlana. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona.” Mifanaraka amin’izany, dia tsy nitondra tamin’ny fomba henjana ireo olona izay efa nampahorina i Jesosy. Onena azy ireo izy, nampianatra azy ireo momba ireo fikasan’i Jehovah ary nanasitrana azy. — Matio 12:15-21.
8. Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no nomen’i Jehovah “ho fanekena ho an’ny olona” sy “ho fanazavana ny jentilisa”?
8 Ilay Mpanome io faminaniana io dia miteny mivantana amin’ilay Mpanompony, dia i Jesosy, manao hoe: “Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ny fahamarinana sy nitantana ny tànanao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, ho fanazavana ny jentilisa, hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala ao an-trano famatorana.” (Isaia 42:6, 7). Eny, nanome an’i Jesosy Kristy ho fanekena, ho antoka feno fampanantenana ara-dalàna, i Jehovah. Fampaherezana toy inona moa izany! Naneho fiahiana tamim-pahatsorana ny taranak’olombelona i Jesosy fony teto an-tany; nanome ny ainy ho an’ny taranak’olombelona mihitsy aza izy. Izy no nanankinan’i Jehovah ny fanapahana eo amin’ny firenena rehetra. Tsy mahagaga raha niantso azy hoe fanazavana ny jentilisa i Jehovah. I Jesosy mihitsy aza dia nilaza hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” — Jaona 8:12.
9. Nahoana i Jesosy no tsy nanokan-tena mba hanatsara ny fandehan-javatra nisy tamin’izany fotoana izany?
9 Ho amin’ny zava-kendrena inona no naha-fahazavan’izao tontolo izao an’i Jesosy? Azo antoka fa tsy ho amin’ny zava-kendrena tsy ara-pivavahana na ara-nofo izany. Nanda tsy hanandrana ny hanatsara ny fandehan-javatra ara-politika nisy tamin’izany fotoana izany izy ary tsy nanaiky hatao mpanjaka, na avy tamin’i Satana, ilay andrianan’izao tontolo izao, izany, na avy tamin’ny olona. (Lioka 4:5-8; Jaona 6:15; 14:30). Naneho fangoraham-po lehibe tamin’ireo izay nampahorina izy ary nitondra fanamaivanana ho azy ireo tamin’ny fomba izay tsy ho vitan’ny hafa. Fantany anefa fa tsy hety hisy fanamaivanana maharitra ho azo avy tamin’ny ezak’olombelona izay teo ambany fanamelohan’Andriamanitra noho ny fahotana nolovana sady ampiasain’ireo hery ara-panahy ratsy tsy hita maso amin’izay tiany. Tamin’ny fananana fahatakaran-javatra araka an’Andriamanitra kosa, i Jesosy dia nampifantoka ny fiainany manontolo tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — Hebreo 10:7.
10. Tamin’ny fomba ahoana avy sy ho amin’ny zava-kendrena inona no naha-fahazavan’izao tontolo izao an’i Jesosy?
10 Tamin’ny fomba ahoana avy ary ho amin’ny zava-kendrena inona àry no naha-fahazavan’izao tontolo izao an’i Jesosy? Nanokan-tena mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. (Lioka 4:43, NW; Jaona 18:37). Tamin’ny fanaovana fanambarana momba ny marina ny amin’ny fikasan’i Jehovah, i Jesosy dia nankalaza koa ny anaran’ilay Rainy any an-danitra. (Jaona 17:4, 6). Fanampin’izany, tamin’ny naha-fahazavan’izao tontolo izao azy, i Jesosy dia nanala sarona ireo fampianaran-diso ara-pivavahana ka nanome fahafahana ara-panahy an’ireo izay voahazona ho babo ara-pivavahana. Nampiharihary an’i Satana ho ilay mpampiasa araka izay tiany ireo manaiky hampiasainy toy izany izy. Nampahafantatra mazava tsara izay atao hoe asan’ny maizina koa i Jesosy. (Matio 15:3-9; Jaona 3:19-21; 8:44). Ny tena nisehoany tamin’ny fomba niavaka ho ny fahazavan’izao tontolo izao dia tamin’ny fanomezana ho sorona ny ain’olombelona tanteraka nananany, ka nanokafany tamin’izany ny lalana ho an’ireo izay naneho finoana io fandaharana io, mba hahazoana famelana ny fahotana sy fifandraisana mahazo sitraka amin’Andriamanitra, ary fanantenana fiainana mandrakizay eo anivon’ny fianakavian’i Jehovah manerana izao rehetra izao. (Matio 20:28; Jaona 3:16). Ary farany, tamin’ny fihazonany fifikirana tamin’Andriamanitra tamin’ny fomba lavorary nandritra ny fiainany manontolo, i Jesosy dia nanohana ny fiandrianan’i Jehovah ary nanaporofo fa mpandainga ny Devoly, ka, tamin’izany, dia nanao izay hetezan’ny soa mandrakizay hisy ho an’ireo tia ny rariny. Moa ve anefa i Jesosy ihany no tokony ho hany mpitondra fahazavana?
“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”
11. Mba ho mpitondra fahazavana, dia inona no tsy maintsy nataon’ireo mpianatr’i Jesosy?
11 Ao amin’ny Matio 5:14, i Jesosy dia nilaza tamin’ireo mpianany hoe: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”. Tokony hanaraka ny diany izy ireo. Tamin’ny fomba fiainany sy tamin’ny fitoriany, izy ireo dia tokony hitarika ny hafa ho amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny tena fahazoana fahazavana. Ho fanahafana an’i Jesosy, izy ireo dia tokony hampahafantatra ny anaran’i Jehovah ary hanohana ny fiandrianany. Toy ny nataon’i Jesosy, dia tokony hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenan’ny olombelona izy ireo. Tokony hanala sarona koa ny fampianaran-diso ara-pivavahana sy ireo asan’ny maizina ary ilay ratsy ao ambadik’ireny zavatra ireny, izy ireo. Ireo mpanara-dia an’i Kristy dia tokony hilaza amin’ny olona hatraiza hatraiza momba ny fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah mba hahazoana famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tamin-jotom-po toy inona moa no nanatontosan’ireo Kristiana voalohany izany fanendrena izany, nanomboka tao Jerosalema sy Jodia aloha, ary avy eo dia nifindra nankany Samaria, araka ny baikon’i Jesosy! — Asan’ny Apostoly 1:8.
12. a) Hatraiza no tokony hitaran’ny fahazavana ara-panahy? b) Nahatonga an’i Paoly ho afaka hahatakatra inona mikasika ny Isaia 42:6 ny fanahin’i Jehovah, ary amin’ny ahoana izany faminaniana izany no tokony hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika?
12 Kanefa, tsy tokony hoferana ho amin’io faritany io ny fitoriana izany vaovao tsara izany. Nanome baiko ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’. (Matio 28:19, NW ). Tamin’ny fotoana niovan’i Saoly avy tany Tarsosy, ny Tompo dia nampiseho tamin’ny fomba voafaritra tsara fa i Saoly (izay tonga ny apostoly Paoly) dia tokony hitory, tsy tamin’ny Jiosy ihany, fa tamin’ny Jentilisa koa. (Asan’ny Apostoly 9:15). Noho ny fanampian’ny fanahy masina, i Paoly dia nanjary nahazo ny hevitr’izay tafiditra tamin’izany. Noho izany, dia nahatakatra izy fa ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 42:6, izay nahita fahatanterahana nivantana tamin’ny tenan’i Jesosy Kristy, dia nanome baiko tsy nivantana koa ho an’izay rehetra naneho finoana an’i Kristy. Koa hoy àry i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:47, nanonona teny avy tao amin’ny bokin’i Isaia: “Izao no nandidian’ny Tompo anay: ‘Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Hianao.’ ” Ahoana ny aminao? Moa ve ianao nandray am-po izany andraikitra ho mpitondra fahazavana izany? Moa ve ianao, sahala amin’i Jesosy sy i Paoly, mampifantoka ny fiainanao amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?
Fahazavana sy fahamarinana avy amin’Andriamanitra hitarika antsika
13. Mifanaraka amin’ny Salamo 43:3, inona no vavaka ataontsika amim-pahatsorana, ary hiaro antsika amin’inona izany?
13 Raha miantehitra amin’ny tenantsika manokana mba hanandramana ‘handrehitra indray ireo jiro’ hampamirapiratra ny hoavin’ny olombelona isika, dia ho diso tanteraka ny zava-kendren’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry. Na inona na inona anefa ataon’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, ny tena Kristiana marina dia miantehitra amin’i Jehovah amin’ny maha-tena Loharanon’ny fahazavana azy. Ny vavaka ataon’izy ireo dia toy ilay voarakitra ao amin’ny Salamo 43:3 manao hoe: “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin’ny tabernakelinao.”
14, 15. a) Amin’ny fomba ahoana avy izao no andefasan’i Jehovah ny fahazavany sy ny fahamarinany? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa tena mitarika antsika tokoa ny fahazavana sy ny fahamarinan’Andriamanitra?
14 Manohy mamaly izany vavaka ataon’ny mpanompony mahatoky izany i Jehovah. Mandefa fahazavana izy amin’ny fanambarana ny fikasany, amin’ny fanampiana ireo mpanompony hahazo azy io tsara, ary avy eo dia amin’ny fanatanterahana izay nambarany. Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra isika, izany akory tsy noho ny fombafomba atao ho fisehoana ho masina fotsiny. Ny faniriantsika amim-pahatsorana dia ny hitarihan’ny fahazavana avy amin’i Jehovah antsika, araka ny lazain’ilay salamo. Manaiky ilay adidy mifandray amin’ny fahazoana ilay fahazavana omen’Andriamanitra isika. Sahala amin’ny apostoly Paoly, isika dia mahatakatra fa ny fahatanterahan’ny Tenin’i Jehovah dia mirakitra baiko tsy mivantana ho an’ireo izay maneho finoana azy io. Mahatsiaro tena fa ananan’ny olon-kafa trosa isika mandra-panomezantsika azy ireo ilay vaovao tsara nankinin’Andriamanitra tamintsika ho amin’izany zava-kendrena izany. — Romana 1:14, 15.
15 Ny fahazavana sy ny fahamarinana nalefan’i Jehovah amin’izao androntsika izao dia mampiharihary fa tena manapaka avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra tokoa i Jesosy Kristy. (Salamo 2:6-8; Apokalypsy 11:15). I Jesosy dia naminany fa, mandritra ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka azy, io vaovao tsaran’ilay Fanjakana io dia hotorina amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona. (Matio 24:3, 14, NW ). Eo am-panaovana azy izao io asa io, ary atao be dia be tokoa, manerana ny tany. Raha manao io asa io ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika isika, amin’izay dia mitarika antsika ny fahazavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, araka ny nolazain’ilay mpanao salamo.
Ny tena voninahitr’i Jehovah efa miposaka
16, 17. Ahoana no nampamirapiratan’i Jehovah ny voninahiny teo amin’ny fandaminany oharina amin’ny vehivavy tamin’ny 1914, ary baiko inona no nomeny azy?
16 Amin’ny fomba fiteny mampihetsi-po, ny Soratra Masina dia milazalaza ny fomba ielezan’ny fahazavan’Andriamanitra any amin’ny olona hatraiza hatraiza. Hoy ny Isaia 60:1-3 izay miantefa amin’ny “vehivavy” vadin’i Jehovah, na ny fandaminany any an-danitra voaforon’ireo mpanompony mahatoky: “Mitsangàna, [ry vehivavy, NW], mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.”
17 Ny voninahitr’i Jehovah dia namirapiratra teo amin’ny fandaminany any an-danitra oharina amin’ny vehivavy, tamin’ny taona 1914. Tamin’izay io fandaminana io dia niteraka ilay Fanjakana Mesianika manana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka, taorian’ny fe-potoana niandrasana ela be. (Apokalypsy 12:1-5). Mamirapiratra eo amin’izany fitondram-panjakana izany ny fahazavana be voninahitr’i Jehovah ho fanehoana ny fankasitrahany azy io ho ilay fitondram-panjakana ara-dalàna ho an’ny tany rehetra.
18. a) Nahoana ny haizina no mandrakotra ny tany, araka ny voambara mialoha ao amin’ny Isaia 60:2? b) Ahoana no mety hahafahan’ny isam-batan’olona avy amin’ny haizin’ny tany?
18 Mifanohitra amin’izany, dia misy haizina manarona ny tany ary haizim-pito manarona ny firenena. Nahoana? Satria mandà ilay fitondram-panjakan’ny Zanaka malalan’Andriamanitra ireo firenena, fa aleony kosa ny fanapahan’olombelona. Mihevitra izy ireo fa, amin’ny fanesorana endri-pitondram-panjakana iray sy amin’ny fandraisana hafa iray, izy ireo dia handamina ireo zava-manahirana eo aminy. Tsy mitondra ilay fanamaivanana antenainy anefa izany. Tsy hitan’izy ireo hoe iza ilay mampiasa ireo firenena araka izay tiany, avy any amin’ny faritra ara-panahy. (2 Korintiana 4:4). Mandà ilay Loharanon’ny fahazavana marina izy ireo, hany ka ao anatin’ny haizina. (Efesiana 6:12). Na inona na inona anefa ataon’ireo firenena, ireo isam-batan’olona dia mety ho afaka avy amin’izany haizina izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanehoana finoana feno sy fanekena ny Fanjakan’Andriamanitra.
19, 20. a) Nahoana ary ahoana no namirapiratan’ny voninahitr’i Jehovah teo amin’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy? b) Noho ny antony inona no nanaovan’i Jehovah an’ireo voahosotra ho mpitondra fahazavana? d) Araka ny voambara mialoha, ahoana no nahavoatarika ireo “mpanjaka” sy “firenena” hanatona ny fahazavana nomen’Andriamanitra?
19 Tsy naneho finoana sy tsy nanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy voahosotry ny fanahy kosa anefa dia nanao izany. Ho vokatr’izany, dia namirapiratra teo amin’ireo solontenan’ny vadiny any an-danitra hita maso ireo ny fahazavan’i Jehovah ho fanehoana ny fankasitrahany, ary miharihary eo amin’izy ireo ny voninahiny. (Isaia 60:19-21). Manana fahazavana ara-panahy izay tsy ho azon’ny fiovana eo amin’ny sehatra ara-politika na ara-toe-karena eo amin’izao tontolo izao alaina aminy velively, izy ireo. Nahazo fanafahana avy tamin’i Babylona Lehibe noho i Jehovah, izy ireo. (Apokalypsy 18:4). Mahazo ny tsikiny feno fankasitrahana izy ireo satria nanaiky ny fifehezany ary nanandratra ny fiandrianany. Manana fahatsinjovan-javatra mamiratra momba ny hoavy izy ireo, ary mifaly noho ilay fanantenana napetrany teo anoloany.
20 Ho amin’ny zava-kendrena inona anefa no nitondran’i Jehovah azy ireo tamin’izany fomba izany? Araka ny nolazain’ny tenany ihany ao amin’ny Isaia 60:21, izany dia mba ‘hitomboan’ny hakantony’, mba hanajana ny anarany, ary mba hahafahan’ny hafa ho voatarika hanatona azy, ilay hany Andriamanitra marina — ka hitondran’izany soa mandrakizay ho azy ireo. Nifanaraka tamin’izany, tamin’ny 1931, ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina ireo dia nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Ho vokatry ny fanambarana nataony, moa ve voatarika hanatona ilay fahazavana nanomezan’izy ireo taratra ireo “mpanjaka”, araka ny naminanian’i Isaia azy? Eny! Tsy ireo mpanapaka ara-politika amin’ny tany akory izany, fa ireo sisa tavela amin’ireo ho mpanjaka hiara-manapaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. (Apokalypsy 1:5, 6; 21:24). Ary ahoana ny amin’ireo “firenena”? Moa ve izy ireo voasinton’io fahazavana io? Izany dia izany tokoa! Tsy nisy firenena ara-politika ara-bakiteny voasintona akory, fa olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra no niandany tamin’ilay Fanjakan’Andriamanitra, ary miandry amim-pahadodonana ny fanafahana azy ireo hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Ho tena tontolo vaovao iray hanjakan’ny fahamarinana tokoa izany. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 7:9, 10.
21. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa tsy diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory tamin’ny fanomezany antsika fahatakarana ny sitrapony isika?
21 Moa ve ny tenanao iray amin’izany mpitondra fahazavana sesehena sady tsy mitsaha-mitombo izany? Nanome antsika fahatakarana ny sitrapony i Jehovah mba hahafahantsika ho tonga mpitondra fahazavana, sahala amin’i Jesosy. Amin’ny fanehoana zotom-po eo amin’ilay asa nankinin’i Jehovah tamin’ireo mpanompony amin’izao androntsika izao, enga anie isika rehetra hampiseho fa tsy diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory nasehony antsika, isika. (2 Korintiana 6:1, 2, NW ). Tsy misy asa lehibe kokoa noho izany amin’izao androntsika izao. Ary tsy misy tombontsoa lehibe kokoa mety ho azontsika noho ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fanomezana taratry ny fahazavana be voninahitra avy aminy, ho amin’ny hafa.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy ireo antony fototra mahatonga ny zava-manahirana mampahory mafy ny olombelona?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy no samy “fahazavan’izao tontolo izao”?
◻ Ahoana no itarihan’ny fahazavana sy ny fahamarinan’i Jehovah antsika?
◻ Ahoana no nampamirapiratan’i Jehovah ny voninahiny teo amin’ny fandaminany?
◻ Ho amin’ny zava-kendrena inona no nanaovan’i Jehovah ny vahoakany ho mpitondra fahazavana?
[Sary, pejy 9]
Manampy antsika hahatakatra ireo zava-manahirana mampahory mafy ny olombelona amin’izao fotoana izao ny zava-nitranga iray tany Edena
[Sary nahazoan-dalana]
Tom Haley/Sipa
Paringaux/Sipa