-
“Ilay Voafidiko Sady Sitraky ny Foko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
13. Inona no nolazain’i Jehovah momba ilay Mpanompo Voafidiny?
13 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy.” (Isaia 42:5) Izany ka filazana mahery momba an’i Jehovah Mpamorona! Mampisy lanjany ny teniny io fampahatsiahivana momba ny heriny io. Hoy izy: “Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ny fahamarinana sy nitantana ny tànanao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, ho fanazavan’ny jentilisa, hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala ao an-trano famatorana.”—Isaia 42:6, 7.
-
-
“Ilay Voafidiko Sady Sitraky ny Foko”!Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
15, 16. Tamin’ny heviny ahoana i Jesosy no “fanazavana ny jentilisa”?
15 Amin’ny maha “fanazavan’ny jentilisa” azy, dia hampahiratra “ny mason’ny jamba” ilay Mpanompo nampanantenaina, ary hanafaka an’izay “mipetraka ao amin’ny maizina.” Nanao izany tokoa i Jesosy. Nankalaza ny anaran’ilay Rainy any an-danitra izy, rehefa nanambara ny fahamarinana. (Jaona 17:4, 6) Nanala sarona ny lainga ara-pivavahana izy, nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary nanafaka an’ireo babo ara-panahy. (Matio 15:3-9; Lioka 4:43; Jaona 18:37) Nampitandrina ny amin’ny asan’ny maizina izy ary nanala sarona an’i Satana ho ny “rain’ny lainga” sady “andrianan’izao tontolo izao.”—Jaona 3:19-21; 8:44; 16:11.
16 Hoy i Jesosy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” (Jaona 8:12) Nanaporofo izany tamin’ny fomba tena niavaka izy, fony izy nanolotra ny ain’olombelona tanteraka nananany ho avotra. Izany no fomba hahazoan’ireo mino azy famelan-keloka sy fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ary fanantenana fiainana mandrakizay. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Jesosy nandritra ny fiainany manontolo, ka nanohana, tamin’izany fomba izany, ny fanjakan’i Jehovah ary nanaporofo fa mpandainga ny Devoly. Tena nampahiratra ny jamba sy nanafaka an’ireo babon’ny haizina ara-panahy tokoa i Jesosy.
-