-
Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
19, 20. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hitondrana ny fanaporofoan-keviny ho amin’ny fara heriny? b) Inona avy no nolazainy fa hataony ho an’ny vahoakany, ary iza no hampiasainy mba hanatanteraka azy ireo?
19 Entin’i Jehovah ho amin’ny fara heriny izao ny fanaporofoan-keviny. Vonona ny hamaly ilay fitsapana henjana indrindra ny amin’izay tena Andriamanitra izy: ny fahaizana milaza ny hoavy mialoha sy araka ny marina. Ireo andininy dimy manaraka amin’ny Isaia toko faha-44, dia nantsoin’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly hoe “poezia momba ny fahambonian’ny Andriamanitry ny Isiraely”, dia ilay hany Mpamorona, ilay hany Mpanambara ny hoavy sy hany fanantenan’ny Isiraely. Nanaitra mafy ilay faminaniana, rehefa nambara ny anaran’ilay lehilahy hanafaka ilay firenena avy tao Babylona.
20 “Izao no lazain’i Jehovah, Izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana, ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’i Jerosalema hoe: Honenana hianao, sy amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Hatsangana hianareo, ka hamboariko izay rava eo, ary milaza amin’ny rano lalina hoe: Tankìna, fa hataoko tankina ny oninao, ary milaza an’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.”—Isaia 44:24-28.
-
-
Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra MarinaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
22. Lazao ny fomba nahatankina ny Ony Eofrata.
22 Mazàna ny mpisandoka ho milaza ny hoavy no tsy sahy manao vinavina hentitra loatra, sao hita fa diso ilay izy, rehefa mandeha ny fotoana. Mifanohitra amin’izany i Jehovah, fa na ny anaran’ilay lehilahy hampiasainy aza dia efa nampahafantariny tamin’ny alalan’i Isaia. Izy no hanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana, mba hodiany sy hanorenany indray an’i Jerosalema sy ny tempoly. Kyrosy no anarany, ary Kyrosy Lehibe avy any Persia no ahafantarana azy. Nomen’i Jehovah koa aza ny tsipirian’ny tetikady hampiasain’izy io mba hamakiana ny fiarovana mafin’i Babylona. Manda avo sy lakan-drano namakivaky sy nanodidina azy no hiaro azy. Ny Ony Eofrata, dia ilay fiarovany lehibe indrindra, no hohararaotin’i Kyrosy. Nilaza i Hérodote sy Xénophon, mpahay tantara fahiny, fa teny amin’ny toerana iray talohan’ny hahatongavan’ilay ony tao Babylona, dia navilin’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata, mandra-pahafaky ny miaramilany nandeha tao anaty rano efa narivo. Tankina io ony nahery be io, amin’ny heviny hoe tsy nahavita niaro an’i Babylona izy.
23. Inona no porofo ananantsika fa tanteraka ilay faminaniana hoe hanafaka ny Isiraely i Kyrosy?
23 Ahoana ny amin’ilay teny hoe hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra i Kyrosy, sy hanao izay hanorenana indray an’i Jerosalema sy ny tempoly? Nanao izao fanambarana ofisialy voatahiry ao amin’ny Baiboly izao mihitsy i Kyrosy: “Izao no lazain’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany dia efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,—Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.” (Ezra 1:2, 3) Tanteraka tamin’ny fomba feno ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia!
-