-
“Andriamanitra Marina Sady Mpamonjy” i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
23. Inona no hiafaran’ireo mivavaka amin’ny sampy, ary ahoana kosa ny amin’ireo mivavaka amin’i Jehovah?
23 Antitranterina ato amin’ireto tenin’i Jehovah manaraka ireto ny famonjena ny Isiraely: “Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, hianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy. Alaharo, ka asehoy mazava; eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho.” (Isaia 45:20, 21) Nasain’i Jehovah nampitaha ny famonjena azy ireo tamin’izay nanjo an’ireo nivavaka tamin’ny sampy, ireo “sisa afaka.” (Deoteronomia 30:3; Jeremia 29:14; 50:28) Nivavaka tamin’andriamanitra tsy nanan-kery hamonjy azy, ireo mpanompo sampy, ka azo lazaina hoe tsy ‘nanam-pahalalana.’ Very maina ny fivavahan’izy ireo. Ireo nivavaka tamin’i Jehovah kosa anefa nahita fa manana ny hery hampitrangana ireo zavatra nolazainy mialoha “hatramin’ny fahiny” ilay Andriamaniny. Anisan’izany ny famonjena ny vahoakany babo tany Babylona. Mampiavaka an’i Jehovah amin’ny andriamani-kafa rehetra ny hery sy ny fahitan-javatra mialoha toy izany. Tena “Andriamanitra marina sady Mpamonjy” tokoa izy.
-
-
“Andriamanitra Marina Sady Mpamonjy” i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
27. Nahoana ny Kristianina ankehitriny no afaka matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah?
27 Nahoana ny olona betsaka no afaka matoky fa ho voavonjy izy raha mitodika any amin’Andriamanitra? Satria azo itokisana ny teny ataon’i Jehovah, araka ny asehon’ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-45 mazava tsara. Nanana ny hery sy fahendrena hamoronana ny lanitra sy ny tany i Jehovah. Toy izany koa, fa manana ny hery sy fahendrena hanatanterahana ny faminaniany izy. Ary toy ny nanatanterahany ilay faminaniana momba an’i Kyrosy, no hanatanterahany izay faminaniana ara-baiboly hafa rehetra mbola tsy tanteraka. Afaka matoky àry ny mpanompon’i Jehovah fa tsy ho ela i Jehovah dia hiseho indray ho “Andriamanitra marina sady Mpamonjy.”
-