-
“Taona Fankasitrahana”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
8. Ahoana no nandraisan’ireo iray firenena tamin’ny Mesia azy, nefa iza no asain’ny Mesia mitsara ny fahombiazany?
8 Tsy marina ve anefa, fa nohamavoin’ireo iray firenena taminy i Jesosy, sady nolavin’izy ireo? Marina izany. Ny ankabeazan’ny Isiraelita dia tsy nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mpanompo voahosotr’Andriamanitra. (Jaona 1:11) Nety ho toa tsy nisy vidiny firy, tsinontsinona mihitsy aza, ny fiheveran’ny mpiara-belona tamin’i Jesosy ny zavatra rehetra nataony teto an-tany. Toy izao no ilazan’ny Mesia io toa tsy fahombiazan’ny fanompoany io: “Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.” (Isaia 49:4a) Tsy kivy akory ny Mesia, raha nilaza izany, satria hoy izy avy eo: “Ao amin’i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.” (Isaia 49:4b) Andriamanitra no natao hitsara ny fahombiazan’ny Mesia, fa tsy ny olona.
-
-
“Taona Fankasitrahana”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
10 Ankehitriny koa dia mety hahatsiaro ho misasatra tsy amin’ny antony ny mpanara-dia an’i Jesosy indraindray. Any amin’ny tany sasany, dia mety ho toa kely dia kely ny vokatry ny fanompoany, raha oharina amin’ny habetsahan’ny asa sy ny ezaka ataony. Na izany aza, dia miaritra izy ireo, satria ampaherezin’ny ohatr’i Jesosy. Hatanjahin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto koa izy ireo: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.”—1 Korintiana 15:58.
-