-
“Masina, Masina, Masina i Jehovah”Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Desambra
-
-
RAHA ianao no asaina mifidy teny indraim-bava ilazana ny tena maha izy an’i Jehovah, dia inona no teny hofidinao? Nahazo fahitana, ohatra, i Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy (T.K.). Nahita anjely maro nidera an’i Jehovah izy ary nampiasa teny iray mahalaza tsara ny maha izy an’i Jehovah izy ireo, dia ny hoe masina. Tena hahatalanjona antsika io fahitan’i Isaia io sady hahatonga antsika hifandray kokoa amin’i Jehovah. Ho hitantsika ao amin’ny Isaia 6:1-3 izany, ary ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao rehefa mandinika an’izany isika.
-
-
“Masina, Masina, Masina i Jehovah”Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Desambra
-
-
Tsy ny zavatra hitan’i Isaia ihany no nahatalanjona azy fa ny zavatra reny koa. Mihira fiderana toy ny antoko-mpihira any an-danitra ireo serafima. Hoy i Isaia: “Nanao antso nifamalivaly izy ireo hoe: ‘Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!’ ” (Andininy 3) Midika hoe madio ilay teny hebreo nadika hoe “masina.” Misy “hevitra hoe afaka tanteraka sy tafasaraka tanteraka amin’ny ota” ihany koa io teny io. Manao hira mifamalivaly ny serafima ka averin’izy ireo intelo ilay hoe “masina” ao amin’ilay hirany, mba hanamafisana fa tena tonga lafatra ny fahamasinan’i Jehovah. (Apokalypsy 4:8) Ny fahamasinana àry no tena mampiavaka an’i Jehovah. Madio tanteraka sy tsy misy kianina izy.
-