Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Nanao Batisa Mpitondra Fanjakana Etiopiana i Filipo
TEO am-pitaingenana ny kalesiny, dia nampiasa tamim-pahendrena ny fotoanany ny Etiopiana iray. Namaky teny tamin’ny feo avo izy — fanao nahazatra teo amin’ireo mpanao dia lavitra tamin’ny taonjato voalohany. Io lehilahy manokana io dia mpitondra fanjakana “tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana”.a Izy dia “mpitahiry ny hareny rehetra” — raha ny marina, dia minisitry ny fitantanam-bola izy. Namaky teny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra io mpitondra fanjakana io mba hahazoana fahalalana. — Asan’ny Apostoly 8:27, 28.
Teo akaiky teo i Filipo evanjelisitra. Nisy anjely iray nitarika azy tamin’io toerana io, ary izao izy dia nilazana hoe: “Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io.” (Asan’ny Apostoly 8:26, 29). Azontsika alaina sary an-tsaina i Filipo manontany tena hoe: ‘Iza io lehilahy io? Inona no vakiny? Nahoana aho no notarihina hanketo aminy?’
Raha teo am-pihazakazahana teo anilan’ilay kalesy i Filipo, dia reny ilay Etiopiana namaky ireto teny ireto: “Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy; ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; ary iza no hahalaza ny amin’ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ny tany”. — Asan’ny Apostoly 8:32, 33.
Fantatr’i Filipo avy hatrany ilay andalan-teny. Avy tao amin’ny asa soratr’i Isaia ilay izy. (Isaia 53:7, 8). Sahiran-tsaina tamin’izay novakiny ilay Etiopiana. Nanombo-dresaka tamin’ny fanontaniana toy izao i Filipo: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Namaly toy izao ilay Etiopiana: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Avy eo izy dia nangataka an’i Filipo mba hiaraka taminy tao amin’ny kalesiny. — Asan’ny Apostoly 8:30, 31.
“Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?”
“Masìna hianao”, hoy ilay Etiopiana tamin’i Filipo, “iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?” (Asan’ny Apostoly 8:34). Tsy nahagaga ny fisafotofotoana nahazo ilay Etiopiana satria mistery hatramin’ny ela ny hoe iza ilay “ondry” na “Mpanompoko” ao amin’ny faminanian’i Isaia. (Isaia 53:11). Tsy maintsy nazava toy inona moa izany rehefa “nitory an’i Jesosy” tamin’ilay Etiopiana i Filipo! Rehefa afaka kelikely, dia hoy ilay Etiopiana: “Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Koa nanao batisa azy teo no ho eo, i Filipo. — Asan’ny Apostoly 8:35-38.
Fanaovan-javatra maimaika ve izany? Tsia dia tsia! Proselyta jiosy ilay Etiopiana.b Koa efa mpivavaka tamin’i Jehovah izy, nanana fahalalana ny Soratra Masina, tafiditra amin’izany ireo faminaniana mesianika. Tsy feno anefa ny fahalalany. Amin’izao nahazoany io fanazavana tena nilaina momba ny anjara asan’i Jesosy Kristy io izao, dia takatr’ilay Etiopiana izay notakin’Andriamanitra taminy, ary dia vonona ny hanaraka izany izy. Nety indrindra ny batisa. — Matio 28:18-20; 1 Petera 3:21.
Taorian’izay, dia “nentin’ny Fanahin’[i Jehovah, NW ]” haingana i Filipo. Nanohy tamin’ny fanendrena hafa iray izy. Ilay Etiopiana dia “nandeha tamin’ny nalehany (...) sady nifaly”. — Asan’ny Apostoly 8:39, 40.
Fianarana ho antsika
Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika amin’izao andro izao, dia manana adidy isika hanampy ireo olona tso-po hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Maro no nahita fahombiazana teo amin’ny fampisehoana ny vaovao tsara tamin’ny hafa teny am-panaovana dia lavitra na tamin’ny toe-javatra tsy ara-potoana hafa. Ho vokatry ny asa fitoriana ilay Fanjakana, dia olona ana hetsiny maro isan-taona no manamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fanekena hatao batisa.
Mazava ho azy fa tsy tokony horotorotoina ho amin’ny batisa ireo vaovao. Tsy maintsy mahazo fahalalana araka ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany, aloha izy ireo. (Jaona 17:3). Avy eo, dia tsy maintsy mibebaka izy ireo ka manary ny fitondran-tena tsy mety ary miova mba hifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 3:19, NW ). Maka fotoana izany, indrindra fa raha efa namaka lalina ny fisainana sy ny fitondran-tena tsy mety. Na dia tokony haminavina izay ho lany amin’ny fahatongavana ho mpianatra kristiana aza ireo vaovao, dia misy fitahiana lehibe vokatry ny fidirana ao anatin’ny fifandraisana amin’ny maha-voatokana ho an’i Jehovah Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Lioka 9:23; 14:25-33.) Ireo izay Vavolombelon’i Jehovah dia mitarika amin-kafanam-po ny vaovao toy izany ho amin’ilay fandaminana izay ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony. (Matio 24:45-47). Sahala amin’ilay Etiopiana, dia hifaly izy ireo amin’ny fianarana sy amin’ny fanarahana izay takin’Andriamanitra amin’izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy anarana akory ny hoe “Kandasy”, fa anaram-boninahitra (mitovy amin’ny hoe “Farao” sy “Kaisara”) izay nampiharina tamina fifandimbasana mpanjakavavy etiopiana.
b Ny proselyta dia tsy Jiosy izay nifidy ny hanaraka ny Lalàn’i Mosesy. — Levitikosy 24:22.
[Efajoro, pejy 8]
Nahoana no Nantsoina hoe Ionoka?
Ao anatin’ilay fitantarana manontolo ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-8 (NW ), ilay Etiopiana dia resahina ho “ionoka”. Koa satria anefa tsy namela ny lehilahy torotoro vihina (novosirina) hiditra tao amin’ny kongregasiona ny Lalàn’i Mosesy, dia miharihary fa tsy ionoka tamin’ny heviny ara-bakiteny ilay lehilahy. (Deoteronomia 23:2). Ilay teny grika nadika hoe “ionoka” dia mety hanondro olona iray manana asa ambony. Araka izany, ilay Etiopiana dia mpitondra fanjakana iray teo ambany fahefan’ny mpanjakavavin’i Etiopia.