Toko Fahefatra Ambin’ny Folo
Asandratr’i Jehovah ny Mesia Mpanompony
1, 2. a) Hazavao amin’ny ohatra ny toe-javatra nisy ny Jiosy maro teo am-piandohan’ny taonjato voalohany. b) Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana ny Jiosy nahatoky hamantatra ny Mesia?
ALAO sary an-tsaina hoe hihaona amin’ny olo-manan-kaja iray ianao. Efa maty paika ny fotoana sy toerana hihaonanareo. Misy olana kely anefa: Sady tsy fantatrao ny endriny sy bikany, no tsy hisy horakoraka hampahafantatra ny fandalovany. Ahoana no hahafantaranao azy? Tsy hanampy anao ve ny fahazoana tsipiriany momba azy?
2 Toe-javatra toy izany no nisy ny Jiosy maro teo am-piandohan’ny taonjato voalohany. Niandry ny Mesia izy ireo, dia ilay lehilahy hiavaka indrindra eto an-tany. (Daniela 9:24-27; Lioka 3:15) Ahoana anefa no hahafantaran’ny Jiosy nahatoky azy? Nasain’i Jehovah nanome tsipiriany momba ny fisehoan-javatra mifandray amin’ny Mesia ireo mpaminany hebreo. Izany dia hanampy an’ireo olona nahay nanavaka tsy hisalasala hamantatra azy.
3. Inona no lazain’ny Isaia 52:13–53:12 momba ny Mesia?
3 Ilay ao amin’ny Isaia 52:13–53:12 angamba no mazava indrindra amin’ny faminaniana rehetra ao amin’ny Soratra Hebreo momba ny Mesia. Fitonjato taona mialoha, dia nanome zava-dehibe kokoa noho izay ho endrika na bikan’ny Mesia i Isaia: Ny antony sy ny fomba hijaliany ary zavatra maro momba ny fahafatesany sy ny fandevenana azy ary ny fanandratana azy. Hampihetsi-po antsika sy hanatanjaka ny finoantsika ny fandinihana an’io faminaniana io sy ny fahatanterahany.
Iza moa ilay hoe “Mpanompoko”?
4. Inona avy no nolazain’ny manam-pahaizana jiosy momba ilay ‘Mpanompo’, nefa nahoana no samy tsy mifanentana amin’ny faminanian’i Isaia izany?
4 Vao avy nanambara ny hanafahana ny Jiosy babo tany Babylona i Isaia. Izao kosa izy dia nanoratra ny tenin’i Jehovah momba ny fisehoan-javatra lehibe ho avy, nanao hoe: “Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.” (Isaia 52:13) Iza marina moa io ‘Mpanompo’ io? Nanome valiny maro samihafa ireo manam-pahaizana jiosy. Nisy nilaza fa ny firenen’ny Isiraely babo tany Babylona, izy io. Tsy mifanentana amin’ilay faminaniana anefa izany. Hanaiky hijaly an-tsitrapo ilay Mpanompon’Andriamanitra. Tsy meloka izy, nefa hijaly noho ny fahotan’ny hafa. Ilay firenena jiosy kosa anefa natao sesitany satria nanota; tsy izy ireo mihitsy àry no noresahin’ilay faminaniana. (2 Mpanjaka 21:11-15; Jeremia 25:8-11) Ny hafa indray nilaza fa ilay Mpanompo dia ny olo-manga niseho ho mpivavaka be teo amin’ny Isiraely, izay nijaly ho an’ireo Isiraelita mpanota. Kanefa tsy nisy antokon’olona nijaly ho an’olon-kafa, tamin’ilay fotoana nampahory ny Isiraely.
5. a) Ahoana no nampiharan’ny manam-pahaizana jiosy sasany ny faminanian’i Isaia? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Ahoana no ampahafantaran’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly mazava tsara an’ilay Mpanompo?
5 Taloha kelin’ny Kristianisma, sy nandritra ireo taonjato voalohany taorian’i Kristy, dia nampiharin’ny manam-pahaizana jiosy sasany tamin’ny Mesia io faminaniana io. Izany no fampiharana azy io mety, raha ny Soratra Grika Kristianina no jerena. Milaza ny amin’ny ionoka etiopianina iray, ohatra, ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Tsy fantatr’izy io ilay Mpanompo noresahin’ny faminanian’i Isaia; “nitory an’i Jesosy taminy” àry i Filipo. (Asan’ny Apostoly 8:26-40; Isaia 53:7, 8) Ampahafantarin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa fa i Jesosy Kristy ilay Mesia Mpanompo ao amin’ny faminanian’i Isaia.a Rehefa handinika an’io faminaniana io isika, dia hahita fa mifanitsy tsara amin’ilay antsoin’i Jehovah hoe “ny Mpanompoko” i Jesosy avy any Nazareta.
6. Ahoana no ampisehoan’ny faminanian’i Isaia fa hanatanteraka tsara ny sitrapon’Andriamanitra ny Mesia?
6 Ny fanatanterahan’ny Mesia ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny farany no resahin’ilay faminaniana voalohany. Ilay teny hoe ‘Mpanompo’ dia mampiseho fa hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra izy, toy ny mpanompo manaiky ny an’ny tompony. “Ho hita ho hendry” izy eo am-panaovana izany. Hendry ny olona iray, rehefa malina, ka mahalala izay hatao manoloana ny tarehin-javatra iray. Hoy ny boky iray momba ilay matoanteny hebreo ampiasaina eo: “Ny tena heviny dia hoe malina sy hendry rehefa manao zavatra. Hahomby ny olona hendry.” Hahomby tokoa ny Mesia, satria hoy ilay faminaniana: “Ho ambony Izy ka ho avo indrindra.”
7. Nahoana i Jesosy Kristy no “hita ho hendry”, ary ahoana no nanaovana azy ho “ambony ka ho avo indrindra”?
7 “Hita ho hendry” i Jesosy, satria nasehony fa azony tsara ireo faminanian’ny Baiboly nihatra taminy, ary nanaiky hotarihin’izy ireny izy teo am-panaovana ny sitrapon’ny Rainy. (Jaona 17:4; 19:30) Inona no vokany? Rehefa nitsangana tamin’ny maty sy niakatra tany an-danitra izy, dia ‘nasandratr’Andriamanitra indrindra ary nomeny ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra.’ (Filipiana 2:9; Asan’ny Apostoly 2:34-36) Vao mainka nasandratra ihany i Jesosy efa nomem-boninahitra, tamin’ny 1914: Nataon’i Jehovah Mpanjakan’ilay Fanjakany tafaorina tamin’io taona io izy. (Apokalypsy 12:1-5) Eny, tonga ‘ambony izy ka avo indrindra.’
‘Gaga azy ny maro’
8, 9. Hanao ahoana ny fihetsiky ny filohan’ny tany, rehefa ho tonga mba handringana an’ity tontolo ity i Jesosy nomem-boninahitra, ary nahoana?
8 Nanao ahoana ny fihetsiky ny firenena sy ny filohany, rehefa nasandratra ny Mesia? Izao no avalin’ilay faminaniana, tsy misy ilay teny ao anaty fononteny eo amin’ny andininy faha-14: “Fa toy ny nigagan’ny maro Anao . . ., dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.” (Isaia 52:14a, 15) Tsy ny fisehoan’ny Mesia tamin’ny voalohany no resahin’ireo tenin’i Isaia ireo, fa ny fifanatrehany farany amin’ny filohan’ny tany.
9 Rehefa ho avy mba handringana ity tontolo ratsy ity i Jesosy nasandratra ho mpanjaka, dia ‘ho gaga azy’ ny filohan’ny tany. Tsy hahita ara-bakiteny an’i Jesosy nomem-boninahitra ireo filoha olombelona. Ho hitan’izy ireo kosa ny porofo mazava fa Mpiady ho an’i Jehovah any an-danitra izy. (Matio 24:30) Ho voatery hiaiky ny amin’ny zavatra mbola tsy nolazain’ny mpitondra fivavahana taminy izy ireo, dia ny hoe: I Jesosy no Mpampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra! Hanao zavatra tsy ampoizin’izy ireo ilay Mpanompo nomem-boninahitra hifanehatra aminy.
10, 11. Tamin’ny fomba ahoana no nanimbana ny tarehin’i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany, sy amin’izao andro izao?
10 Hoy i Isaia ao amin’ilay teny ao anaty fononteny ao amin’ny andininy faha-14: “Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona.” (Isaia 52:14b) Simba tokoa ve ny tarehin’i Jesosy? Tsia. Tsy lazain’ny Baiboly amintsika ny endrika sy bikan’i Jesosy, nefa azo antoka fa nahafinaritra ny fijery azy, satria Zanak’Andriamanitra lavorary izy. Tsy maintsy ho ny fahafaham-baraka nanjo an’i Jesosy àry no tondroin’ireo tenin’i Isaia ireo. Nahariharin’i Jesosy tamin-kerim-po fa mpihatsaravelatsihy sy mpandainga ary mpamono olona ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Notevatevain’izy ireo àry izy. (1 Petera 2:22, 23) Nampangain’izy ireo ho mpandika lalàna, mpiteny ratsy an’Andriamanitra, mpamitaka, mpampirisika ny olona hikomy tamin’i Roma, izy. Hita àry fa naolan’ireo mpiampanga lainga tanteraka ny toetran’i Jesosy.
11 Mbola mitohy ihany ankehitriny ny lainga momba an’i Jesosy. Na, aseho ho toy ny zazakely ao amin’ny fihinanam-bilona izy, na, ho toy ny olona mahonena mifantsika amin’ny lakroa, sy hita hoe mijaly noho ilay satroboninahitra tsilo eo amin’ny lohany. Ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana no mampianatra izany. Tsy mampiseho an’i Jesosy ho ilay Mpanjaka mahery any an-danitra, izay hampamoaka an’ireo firenena, izy ireo. Kely sisa dia hampamoahin’ilay Jesosy nasandratra ho Mesia ireo filoha olombelona. Mesia manana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” no hifanandrina aminy amin’izay!—Matio 28:18.
Iza no hino an’io vaovao tsara io?
12. Inona avy no fanontaniana manitikitika ny saina apoitran’ny Isaia 53:1?
12 Rehefa avy nilaza momba ny fiovan’ny Mesia, izay ‘nosimbana’ nefa ‘nasandratra ho avo indrindra’, i Isaia, dia nanontany hoe: “Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah?” (Isaia 53:1) Mampipoitra fanontaniana manitikitika ny saina toy izao ireo tenin’i Isaia ireo: Ho tanteraka ve io faminaniana io? Hampiseho ny ‘sandriny’, na heriny, ve i Jehovah, mba hanatanterahana azy io?
13. Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa tanteraka tamin’i Jesosy ny faminanian’i Isaia, ary nanaiky izany ve ny olona?
13 ‘Eny’ no valin’izany! Nanonona ireo tenin’i Isaia ireo i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, mba hampisehoana fa tanteraka tamin’i Jesosy ilay faminaniana nosoratan’i Isaia. Tena vaovao tsara ny nanomezam-boninahitra an’i Jesosy taorian’ireo fijaliana nodiaviny teto an-tany. Hoy anefa i Paoly momba ireo Jiosy tsy nino: “Tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: ‘Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?’ Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.” (Romana 10:16, 17) Mampalahelo fa vitsy no nino ilay vaovao tsara momba ilay Mpanompon’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Paoly. Nahoana?
14, 15. Tokony hanao ahoana ny fiandohan’ny fiainan’ny Mesia eto an-tany?
14 Nohazavain’ilay faminaniana tamin’ireo Isiraelita avy eo ny antony nametrahana ireo fanontaniana ao amin’ny andininy voalohany, sy ny antony tsy haneken’ny maro ny Mesia. “Naniry teo [anatrehan’ny mpitazana iray] tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.” (Isaia 53:2) Ny toe-piainana hisy ny Mesia eo am-piandohan’ny fiainany eto an-tany no hitantsika eto. Eo anivon’ny fianakaviana ambany saranga no hahaterahany, ary ireo hitazana azy dia hihevitra fa toa tsy hahavita na inona na inona hiavaka izy. Ho toy ny zana-kazo kely maniry avy eo amin’ny vatan-kazo na sampan-kazo iray izy. Ho toy ny solofon-kazo mila rano, nefa maniry eo amin’ny tany maina, koa izy. Tsy hisehoseho toy ny mpanjaka manao fitafiana sy satroboninahitra manjelajelatra izy, rehefa ho avy. Ho tsotra sy tsy hisarika ny maso kosa ny fiandohan’ny fiainany.
15 Tena mifanentana tsara amin’ny fiandohan’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany izany! Niteraka azy tao amin’ny tranon’omby tao amin’ny tanàna kelin’i Betlehema i Maria.b (Lioka 2:7; Jaona 7:42) Nahantra i Maria sy Josefa vadiny. Tokony ho 40 andro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, dia nitondra “domohina roa, na zana-boromailala roa” izy mivady. Io no fanatitra noho ny ota azon’ny nahantra naterina. (Lioka 2:24; Levitikosy 12:6-8) Nipetraka tao Nazareta i Maria sy Josefa, tatỳ aoriana, ary nihalehibe tao i Jesosy. Maro anaka sy tso-piaina ilay fianakaviany.—Matio 13:55, 56.
16. Nahoana no nolazaina fa tsy hanana “endrika” na “fahatsaran-tarehy” i Jesosy?
16 Toa tsy ilay tany tsara, araka ny tokony ho izy, no nanirian’ny fakan’i Jesosy, fony izy olombelona. (Jaona 1:46; 7:41, 52) Olombelona lavorary sady taranak’i Davida Mpanjaka izy, nefa rehefa nodinihina ny toe-piainana tsotsotra nisy azy, dia tsy nanana “endrika” na “fahatsaran-tarehy” izy, fara faharatsiny, teo imason’izay nanantena fa hanetriketrika kokoa ny fiavian’ny Mesia. Nambosin’ny mpitondra fivavahana jiosy ny olona, ka maro no nanjary nanao tsinontsinona sy nanamavo an’i Jesosy. Tsy nahita na inona na inona faniry tamin’ilay Zanak’Andriamanitra lavorary ilay vahoaka, tamin’ny farany.—Matio 27:11-26.
“Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona”
17. a) Nanomboka nilaza momba ny inona izao i Isaia, ary nahoana no teny milaza ny lasa no nampiasainy? b) Iza no ‘nanao tsinontsinona’ sy ‘nandao’ an’i Jesosy, ary tamin’ny fomba ahoana?
17 Nanomboka nanome tsipiriany momba ny ho fandraisan’ny olona ny Mesia izao i Isaia. “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.” (Isaia 53:3) Tena natoky i Isaia fa ho tanteraka ny teniny, hany ka teny milaza ny lasa no nampiasainy, toy ny hoe efa nitranga ilay izy. Tena nataon’ny olona tsinontsinona sy nolaviny tokoa ve i Jesosy Kristy? Eny! Nihevitra azy ho ny olona ambany toetra indrindra ny mpitondra fivavahana, izay nihevi-tena ho marina, sy ny mpanara-dia azy ireo. Nantsoin’izy ireo hoe sakaizan’ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga izy. (Lioka 7:34, 37-39) Nororan’izy ireo ny tavany. Nasian’izy ireo totohondry sy notevatevainy izy, ary nataony ho fihomehezana sy nesoiny. (Matio 26:67) “Tsy nandray Azy” koa ny mpiray tanindrazana taminy, satria nanaraka an’ireo fahavalon’ny fahamarinana ireo.—Jaona 1:10, 11.
18. Nahoana no lazaina hoe “lehilahy ory sady zatra ny fahoriana” i Jesosy, nefa izy tsy narary mihitsy?
18 Tsy narary i Jesosy, satria lavorary. Na izany aza, dia “lehilahy ory sady zatra ny fahoriana” izy. Tsy ny fahoriany anefa izany. Avy tany an-danitra izy no tonga teo amin’ny tontolo iray nijaly, ary niaina teo anivon’olona fadiranovana. Tsy nihatakataka tamin’ny olona nijaly ara-batana na ara-panahy anefa izy. Toy ny mpitsabo be fiahiana izy, ka nanjary nahalala tsara ny nanjo an’ireo olona nanodidina azy. Ambonin’izany, dia afaka nanao zavatra tsy vitan’ny mpitsabo tsotra mihitsy izy.—Lioka 5:27-32.
19. Nahoana no hoe “tsy tian’ny olon-kojerena” i Jesosy, ary ahoana no nampisehoan’ny fahavalony fa ‘tsy mba nahoany’ izy?
19 Na izany aza, dia i Jesosy no noheverin’ny fahavalony ho narary ka tsy nankasitrahany. Tsy tian’izy ireo ‘hojerena’ ny tarehiny, satria tena naharikoriko sy nahatsiravina ny fijeriny an’i Jesosy, ka nihodinany. Tsy nihoatra noho ny vidin’andevo ny nanombanan’izy ireo ny vidiny. (Eksodosy 21:32; Matio 26:14-16) Latsaka noho ny an’i Barabasy mpamono olona ny fiheverany azy. (Lioka 23:18-25) Tsy mazava amin’izany ve fa tena nanamavo an’i Jesosy izy ireo?
20. Inona no fampiononana azon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny avy amin’ny tenin’i Isaia?
20 Tena mampionona ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny ny tenin’i Isaia. Mety hataon’ny fahavalo tsinontsinona ny mpanompon’i Jehovah mahatoky, na hoe tsy hahoany mihitsy. Toy ny tamin’i Jesosy anefa, dia ny fomba fiheveran’i Jehovah Andriamanitra antsika no tena misy vidiny. Tsy nihen-danja teo imason’Andriamanitra tokoa i Jesosy, na dia ‘tsy nahoan’ny olona’ aza!
“Voalefona noho ny fahadisoantsika”
21, 22. a) Zavatry ny hafa inona no nentin’ny Mesia? b) Ahoana no niheveran’ny maro ny Mesia, ary inona no ratsy indrindra tamin’ny fahoriany?
21 Nahoana ny Mesia no tsy maintsy nijaly sy maty? Hoy i Isaia: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.”—Isaia 53:4-6.
22 Nitondra ny aretin’ny olona ny Mesia, sady nivesatra ny fahorian’izy ireo. Toy ny hoe noraisiny ny enta-mavesatr’izy ireo, ka napetrany teo an-tsorony, ary nentiny. Koa satria vokatry ny fahotan’ny olombelona ny aretina sy ny fanaintainana, dia nitondra ny fahotan’ny olona koa ny Mesia. Maro no tsy nahazo ny antony nijaliany, ka nihevitra fa nofaizin’Andriamanitra sy ‘nokapohiny’ tamin’ny aretina nahatsiravina izy.c Ny ratsy indrindra tamin’ny fijalian’ny Mesia dia fony izy nolefonina sy notorotoroina ary novelezina. Ireo teny mahery be ireo dia milaza fahafatesana mahery vaika sy nampanaintaina. Afaka manavotra anefa ny fahafatesany; izy io no fototra hanavotana an’ireo nanao diso sy nanota, ka manampy azy ireo hihavana amin’Andriamanitra.
23. Ahoana no nitondran’i Jesosy ny fahorian’ny hafa?
23 Ahoana no nitondran’i Jesosy ny fahorian’ny hafa? Hoy ny Filazantsaran’i Matio, izay nanonona ny Isaia 53:4: “Nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: ‘Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.’” (Matio 8:16, 17) Toy ny hoe nitondra ny fijalian’ireo narary samy hafa tonga nanatona azy i Jesosy, rehefa nanasitrana azy ireo. Ankoatra izany, dia nisintona hery avy taminy ireny fanasitranana ireny. (Lioka 8:43-48) Ny fahaizany nanasitrana ny karazan’aretina rehetra, ara-batana sy ara-panahy, dia nanaporofo fa nanana hery hanadio ny olona amin’ny fahotana izy.—Matio 9:2-8.
24. a) Nahoana no maro no nihevitra fa ‘nokapohin’Andriamanitra’ i Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no nijaly sy maty?
24 Na izany aza, dia maro no nihevitra fa ‘nokapohin’Andriamanitra’ i Jesosy, satria ireo mpitondra fivavahana nohajain’izy ireo no nampijaly azy. Tadidio anefa fa tsy hoe nanota izy ka izany no nijaliany. Hoy i Petera: “Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; ‘Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’; ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary ‘ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo.’” (1 Petera 2:21, 22, 24) Very sy “nania toy ny ondry” avokoa isika rehetra taloha, noho isika mpanota. (1 Petera 2:25) Nampiasa an’i Jesosy anefa i Jehovah mba hanavotana antsika amin’ny fahotantsika. Nataony ‘nihatra tamin’i’ Jesosy ny fahadisoantsika, izany hoe napetrany teo aminy. Niaritra an-tsitrapo ny sazy noho ny fahotantsika i Jesosy, izay tsy mpanota. Nahafa-baraka ny fomba namonoana azy teo amin’ny hazo, nefa tsy mendrika izany akory izy. Nampihavana antsika tamin’Andriamanitra anefa izany.
“Nanetry tena, ka tsy niloa-bava” izy
25. Ahoana no ahafantarantsika fa vonona ny hijaly sy ho faty ny Mesia?
25 Vonona ny hijaly sy ho faty ve ny Mesia? Hoy i Isaia: “Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy,—eny, tsy niloa-bava Izy.” (Isaia 53:7) Ho afaka niantso “anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona” i Jesosy, mba hanampy azy tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany. Hoy anefa izy: “Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?” (Matio 26:53, 54) Tsy nanohitra kosa ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra.” (Jaona 1:29) “Tsy namaly akory” izy, rehefa niampanga lainga azy teo anoloan’i Pilato ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. (Matio 27:11-14) Tsy naniry hilaza zavatra nety ho nanembantsembana ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra momba azy izy. Vonona ny ho faty toy ny Zanak’ondry natao sorona i Jesosy. Fantany mantsy fa ny fahafatesany dia hanavotra ny olona mpankatò amin’ny fahotana sy ny aretina ary ny fahafatesana.
26. Ahoana no ‘nampahorin’ny’ mpanohitra an’i Jesosy azy?
26 Nanome tsipiriany fanampiny momba ny fijalian’ny Mesia sy ny fanalam-baraka azy izao i Isaia. Hoy izy: “Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?” (Isaia 53:8) Rehefa ‘nesorina’, na nentin’ny fahavalony i Jesosy tamin’ny farany, dia ‘nampahorin’ireo’ mpitondra fivavahana ireo, izay nanao ny tsy rariny taminy. Nampahorin’ny fahavalony koa i Jesosy, satria tsy nanehoany ilay rariny nampihariny na dia tamin’ny jiolahy tsotra indrindra aza. Sarintsarin’ny rariny fotsiny no mody narahina tamin’ny fitsarana an’i Jesosy. Ahoana izany?
27. Fitsipik’iza no tsy narahin’ny mpitondra fivavahana jiosy, tamin’ny fitsarana an’i Jesosy, ary ahoana no nandikan’izy ireo ny Lalàn’Andriamanitra?
27 Nandika ny lalàna navoakan’ny tenany ihany ireo mpitondra fivavahana jiosy, noho izy ireo tapa-kevitra ny hamono an’i Jesosy. Araka ny lovantsofina, dia tao amin’ny efitra manokana iray tao amin’ny kianjan’ny tempoly ihany ny Synedriona no nahazo nitsara raharaha mendrika ny fanamelohana ho faty, fa tsy tany an-tranon’ny mpisoronabe. Tsy maintsy natao nandritra ny andro koa ny fitsarana toy izany, fa tsy taorian’ny filentehan’ny masoandro. Ankoatra izany, dia tsy maintsy navoaka ny ampitson’ilay fitsarana ny didim-pitsarana tamin’ny raharaha toy izany. Tsy nisy fitsarana azo natao àry tamin’ny andro nialoha ny Sabata na andro firavoravoana. Nodikaina avokoa ireo fitsipika rehetra ireo, tamin’ny fitsarana an’i Jesosy. (Matio 26:57-68) Ny ratsy kokoa aza dia ny nandikan’ireo mpitondra fivavahana an-kitsirano ny Lalàn’Andriamanitra tamin’io fitsarana io. Nanome kolikoly izy ireo, ohatra, mba hamandrihana an’i Jesosy. (Deoteronomia 16:19; Lioka 22:2-6) Nino ny tenin’ny vavolombelona nandainga izy ireo. (Eksodosy 20:16; Marka 14:55, 56) Niara-nioko koa izy ireo, mba hanafahana mpamono olona iray, ka nampivesatra trosan-dra ny tenany sy ny taniny. (Nomery 35:31-34; Deoteronomia 19:11-13; Lioka 23:16-25) Hita àry fa tsy nisy “fitsarana”, izany hoe fitsarana ara-drariny izay namoaka didim-pitsarana marina sy tsy niangatra.
28. Inona no tsy nasian’ny fahavalon’i Jesosy fiheverana?
28 Moa ve ny fahavalon’i Jesosy nitady hahafantatra hoe iza marina io lehilahy notsarainy io? Toy izany koa no nanontanian’i Isaia, nanao hoe: “Iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy?” Teo am-pitsarana an’i Jesosy, dia tsy niraharaha ny amin’izay niaviany ny Synedriona, na nanontany akory raha nahafeno ireo fepetra mba ho ny Mesia izy. Niampanga azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra kosa aza izy ireo, ary nanameloka azy ho faty. (Marka 14:64) Tsy nahatohitra ny faneren’izy ireo i Pontio Pilato, governora romanina, tatỳ aoriana, ka nasainy nohomboana i Jesosy. (Lioka 23:13-25) Vao 33 taona sy tapany monja àry i Jesosy (tena vao herotrerony), dia “nofongorana”, na novonoina.
29. Amin’ny heviny ahoana no hoe “tao amin’ny olo-meloka” sy “teo amin’ny mpanan-karena” ny fasan’i Jesosy?
29 Hoy i Isaia avy eo, momba ny fahafatesan’ny Mesia sy ny fandevenana azy: “Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (nefa teo amin’ny mpanan-karena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.” (Isaia 53:9) Amin’ny heviny ahoana no hoe teo amin’ny olo-meloka sy ny mpanan-karena i Jesosy, rehefa maty sy nalevina? Novonoina teo amin’ny hazo teo ivelan’ny mandan’i Jerosalema izy, tamin’ny 14 Nisana taona 33. Nohomboana teo anelanelan’olon-dratsy roa izy, ka toy ny hoe teo amin’ny olo-meloka ny fasany. (Lioka 23:33) Kanefa, rehefa maty i Jesosy, dia nisikina herim-po i Josefa, lehilahy mpanan-karena avy any Arimatia. Nangata-dalana tamin’i Pilato izy avy eo mba haka ny fatin’i Jesosy sy handevina azy. Nampian’i Nikodemosy i Josefa, rehefa nanomana ilay faty ho amin’ny fandevenana ary nametraka azy io tao amin’ny fasany vao nolavahana. (Matio 27:57-60; Jaona 19:38-42) Teo amin’ny mpanan-karena koa àry ny fasan’i Jesosy.
‘Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro azy’
30. Amin’ny heviny ahoana no hoe sitrak’i Jehovah ny hanorotoro an’i Jesosy?
30 Nilaza zavatra nanaitra i Isaia avy eo: “Sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.” (Isaia 53:10, 11) Tena nankasitraka ny fahitana an’io mpanompony nahatoky io torotoro ve i Jehovah? Mazava aloha fa tsy i Jehovah no nampijaly an’ilay Zanany malala. Ny fahavalon’i Jesosy no tompon’andraikitra tamin’ny halozana nampiharin’izy ireo taminy. Namela azy ireo hanao izany anefa i Jehovah. (Jaona 19:11) Nahoana? Andriamanitra mahay miara-miory sy mamindra fo izy, ka tsy maintsy ho nalahelo nahita ny fijalian’ilay Zanany tsy nanan-tsiny. (Isaia 63:9; Lioka 1:77, 78) Tsy nisy nahatezitra an’i Jehovah tamin’i Jesosy mihitsy. Sitrany anefa ny nahita ny fahavononan’ny Zanany hijaly, satria hitondra fitahiana maro be izany.
31. a) Ahoana no nanoloran’i Jehovah ny ain’i Jesosy ho “fanati-panonerana”? b) Inona no azo antoka fa mahafa-po an’i Jesosy, taorian’ny fisasarany rehetra teto an-tany?
31 Voalohany aloha, dia natolotr’i Jehovah ho “fanati-panonerana” ny ain’i Jesosy. Rehefa niverina tany an-danitra àry i Jesosy, dia niditra teo anatrehan’i Jehovah, nitondra ny vidin’ilay ain’olombelona nataony fanati-panonerana. Faly i Jehovah nanaiky izany ho an’ny olombelona rehetra. (Hebreo 9:24; 10:5-14) Nahazo “taranaka” tamin’ny alalan’io fanati-panonerana io i Jesosy. ‘Ray Mandrakizay’ izy, ka afaka manome fiainana, dia fiainana mandrakizay mihitsy, ho an’ireo mino ny ra nalatsany. (Isaia 9:5) Nandia ‘fisasarana’, na zava-tsarotra maro i Jesosy teto an-tany. Tsy maintsy ho afa-po tokoa àry izy mahalala fa afaka manafaka ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana! Azo antoka fa vao mainka aza mahafa-po azy ny mahalala fa noho ny tsy fivadihany, dia afaka mamaly ny fitenenan-dratsin’i Satana Devoly Fahavalony ilay Rainy any an-danitra.—Ohabolana 27:11.
32. Inona ilay ‘fahalalana anamarinan’i Jesosy olona maro’, ary iza no ampiharany izany?
32 Anisan’ny fitahiana entin’ny fahafatesan’i Jesosy ny ‘fanamarinany olona maro’, dieny ankehitriny. Manao izany amin’ny alalan’ny “fahalalana azy”, na “ny fahalalany”, araka ny teny tany am-boalohany, izy, hoy i Isaia. Izany dia ny fahalalana azon’i Jesosy, avy tamin’ny fahatongavana ho olombelona sy ny fijaliana tsy ara-drariny noho ny fankatoavany an’Andriamanitra. (Hebreo 4:15) Nijaly i Jesosy ary maty mihitsy, ka afaka nanome ilay fanatitra nilaina mba hanampiana ny hafa ho olo-marina. Iza no tafiditra amin’izany? Voalohany aloha, dia ireo voahosotra mpanara-dia azy. Mino ny soron’i Jesosy izy ireo, ka ambaran’i Jehovah ho marina, ary hatsangany ho zanany sady mpiara-mandova amin’i Jesosy. (Romana 5:19; 8:16, 17) Avy eo, dia misy “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” mino ny ra nalatsak’i Jesosy, ka azo atao hoe olo-marina koa. Mahatonga azy ireo ho sakaizan’Andriamanitra sy ho tafita velona amin’ny Hara-magedona izany.—Apokalypsy 7:9; 16:14, 16; Jaona 10:16; Jakoba 2:23, 25.
33, 34. a) Inona no zavatra mahafinaritra momba an’i Jehovah ianarantsika? b) Eo amin’ny “lehibe”, na ny maro iza avy no hahazoan’ny Mesia Mpanompo “anjara”?
33 Farany, dia nilaza ny fandresen’ny Mesia toy izao i Isaia: “Koa dia hanome Azy anjara amin’ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ny mahery Izy; satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady manao fifonana ho an’ny mpanota.”—Isaia 53:12.
34 Mampianatra izao zavatra mahafinaritra momba an’i Jehovah izao ny teny mamarana io faminanian’i Isaia io: Sarobidy amin’i Jehovah ireo tsy mivadika aminy. Izany dia asehon’ilay fampanantenana fa “hanome” ho an’ny Mesia Mpanompony ‘anjara eo amin’ny lehibe’, na eo amin’ny maro, izy. Ilay fanaon’ny mpandresy an’ady nizara ireo zavatra babo angamba no nakana ireo teny ireo. Nankasitrahan’i Jehovah ny tsy fivadihan’ireo olo-nahatoky “lehibe” na maro fahiny, toa an’i Noa sy Abrahama ary Joba, ka nanokanany “anjara” ao amin’ny tontolony vaovao ho avy izy ireo. (Hebreo 11:13-16) Hanome anjara ho an’ny Mesia Mpanompony koa izy. Tsy maintsy valian’i Jehovah soa tokoa ny tsy fivadihan’izy io. Afaka matoky koa isika fa tsy ‘hanadino ny asantsika sy ny fitiavantsika ny anarany’ i Jehovah.—Hebreo 6:10.
35. Iza moa ireo “mahery” izaran’i Jesosy ny zavatra azony babo, ary inona ireo zavatra babo?
35 Hamabo zavatra koa ilay Mpanompon’Andriamanitra, rehefa ho resiny ny fahavalony. Hizara ireo zavatra babo ireo amin’ny “mahery” izy. Iza moa ireo “mahery” ireo? Izany dia ny voalohany amin’ny mpianatr’i Jesosy naharesy an’izao tontolo izao toa azy: Ireo mponina 144 000 ao amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra.” (Galatiana 6:16; Jaona 16:33; Apokalypsy 3:21; 14:1) Inona àry ireo zavatra babo ireo? Tsy maintsy ho anisan’izany ireo ‘lehilahy ho fanomezana’, izay toy ny hoe anaovan’i Jesosy sinto-mahery avy eo an-tanan’i Satana, ka omeny ny fiangonana kristianina. (Efesiana 4:8-12) Omena anjara avy amin’ny zavatra babo hafa koa ireo “mahery” 144 000. Noho izy ireo mandresy ity tontolo ity, dia toy ny hoe sintonin’izy ireo avy amin’i Satana ny antony rehetra hitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Manandratra an’i Jehovah ny fifikiran’izy ireo aminy, ka mampifaly ny fony.
36. Fantatr’i Jesosy ve fa nanatanteraka ilay faminaniana momba ilay Mpanompon’Andriamanitra izy? Hazavao.
36 Fantatr’i Jesosy fa nanatanteraka ilay faminaniana momba ilay Mpanompon’Andriamanitra izy. Nanonona ny Isaia 53:12 izy, tamin’ny alina nisamborana azy, ka nampihatra azy io tamin’ny tenany: “Lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: ‘Ary Izy natao ho isan’ny mpanota’; fa efa ho tanteraka ny amiko.” (Lioka 22:36, 37) Mampalahelo fa tena nentin’ny olona toy ny mpanota mihitsy i Jesosy. Novonoina ho faty toy ny mpandika lalàna izy, satria nohomboana teo anelanelan’ny jiolahy roa. (Marka 15:27) Na izany aza, dia nanaiky hizaka io fahafaham-baraka io izy, satria fantany fa hamonjy antsika ny fanaovany izany. Toy ny hoe nijoro teo anelanelan’ny mpanota sy ilay fanamelohana ho faty namely ny olona, izy, ka izy no voan’ilay famelezana.
37. a) Inona no ampahafantarin’ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy sy ny nahafatesany antsika? b) Nahoana isika no tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay Mpanompony nasandratra?
37 Tena tsy misalasala isika manatsoaka hevitra avy amin’ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny nahafatesany fa izy no ilay Mesia Mpanompo ao amin’ny faminanian’i Isaia. Tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika, satria vonona izy ny hamela ny Zanany malala hanatanteraka ilay faminaniana momba ilay Mpanompo, izany hoe hijaly sy ho faty mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana! Nampiseho fitiavana lehibe antsika i Jehovah tamin’izany. Hoy ny Romana 5:8: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” Tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanompo nasandratra, koa isika, satria naidiny an-tsitrapo ho amin’ny fahafatesana ny ainy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hoy ny Isaia 52:13, araka ny Targum nataon’i Jonathan ben Uzziel (taonjato voalohany), nadikan’i J. Stenning: “Indro, hahomby ny mpanompoko, ilay Voahosotra (na: ilay Mesia).” Hoy koa ny Talmoda Babylonianina (taonjato fahatelo): “Ny Mesia—Iza moa ny anarany? . . . [; ny ao amin’ny] tranon’ny Raby [mamaly hoe: Ilay marary], satria voalaza hoe: ‘Nitondra ny aretintsika izy.’”—Sanhedrin 98b; Isaia 53:4.
b Nantsoin’i Mika mpaminany hoe ilay “kely tsy tokony ho isan’ny arivon’i Joda akory” i Betlehema. (Mika 5:1) Na kely aza anefa i Betlehema, dia nomem-boninahitra, satria teraka tao ny Mesia.
c Ilay teny hebreo nadika hoe “nokapohina” dia ilazana ny habokana koa. (2 Mpanjaka 15:5) Lazain’ny manam-pahaizana sasany fa nisy Jiosy nanatsoaka hevitra avy tamin’ny Isaia 53:4 fa ho boka ny Mesia. Ampiharin’ny Talmoda Babylonianina amin’ny Mesia, izay antsoiny hoe “ilay manam-pahaizana boka”, io andininy io. Hoy koa ny Baiboly katolikan’i Doauy: “Noheverintsika ho boka izy.”
[Tabilao, pejy 212]
ILAY MPANOMPON’I JEHOVAH
Faminaniana Tanteraka Tamin’i Jesosy
FAMINANIANA
ZAVA-NISEHO
FAHATANTERAHANY
Nasandratra sy ambony
Asa. 2:34-36; Fil. 2:8-11; 1 Pet. 3:22
Nampangaina lainga sy nalana baraka
Matio 11:19; 27:39-44, 63, 64; Jaona 8:48; 10:20
Gaga azy ny firenena
Matio 24:30; 2 Tes. 1:6-10; Apok. 1:7
Tsy ninoana
Jaona 12:37, 38; Rom. 10:11, 16, 17
Tsotra ny fiandohan’ny fiainany
Natao tsinontsinona sy nolavina
Matio 26:67; Lioka 23:18-25; Jaona 1:10, 11
Nitondra ny aretintsika
Voalefona
Nijaly noho ny heloky ny hafa
Nangina sy tsy nitaraina teo anoloan’ny mpiampanga
Matio 27:11-14; Marka 14:60, 61; Asa. 8:32, 35
Notsaraina sy nohelohina tsy ara-drariny
Matio 26:57-68; 27:1, 2, 11-26; Jaona 18:12-14, 19-24, 28-40
Teo amin’ny mpanan-karena ny fasany
Matio 27:57-60; Jaona 19:38-42
Natolotra ho fanati-panonerana ny ainy
Olona maro no azo hamarinina amin’ny alalany
Rom. 5:18, 19; 1 Pet. 2:24; Apok. 7:14
Natao ho isan’ny mpanota
Matio 26:55, 56; 27:38; Lioka 22:36, 37
[Sary, pejy 203]
‘Nataon’ny olona tsinontsinona izy’
[Sary, pejy 206]
“Tsy niloa-bava Izy”
[Sary nahazoan-dalana]
Ampahany kely amin’ny “Ecce Homo” nataon’i Antonio Ciseri
[Sary, pejy 211]
“Naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy”