Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 4
Hijaly sy ho Faty i Kristy
Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Miresaka momba izany ny “Mifohaza!” ato amin’ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Hovaliana amin’izany ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.
NIAINA teto an-tany i Jesosy Kristy, 2 000 taona teo ho eo izay. Efa fantany mialoha fa hampijalijalin’ny fahavalony izy ary hovonoiny ho faty. Ahoana no nahalalany an’izany? Hainy tsara ireo faminaniana momba azy ao amin’ny Soratra Hebreo na “Testamenta Taloha.” Maro amin’ireny faminaniana ireny no nosoratan’i Isaia mpaminany, 700 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Nahoana isika no matoky fa nosoratan’i Isaia mialoha tokoa ireny faminaniana ireny?
Nisy Arabo mpiandry ondry nahita horonana tao amin’ny lava-bato tany Qoumrân, any avaratrandrefan’ny Ranomasina Maty, tamin’ny 1947. Nantsoina hoe Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty ireo horonana ireo sy ny horonana hafa hita tao amin’ny lava-bato teo akaiky teo. Anisan’ny hita tao ny bokin’i Isaia manontolo.a Fantatra fa vita tamin’ny taonjato faharoa talohan’ny nahaterahan’i Jesosy ireo horonana ireo. Nilaza mialoha i Isaia fa hijaly ny Mesia na Kristy. Inona no nosoratany momba izany?b Ireto misy faminaniana roa nolazainy.
Hijaly i Kristy
Faminaniana 1: “Ny lamosiko natolotro tamin’ny mpikapoka.”—Isaia 50:6.c
Fahatanterahany: Nentin’ireo Jiosy fahavalony hotsarain’i Pontio Pilato, governora romanina, i Jesosy, tamin’ny taona 33. Niezaka nanafaka azy ilay governora satria hitany hoe tsy nanan-tsiny i Jesosy. Nitaky ny hamonoana azy foana anefa ireo Jiosy. ‘Namoaka didy hanatanterahana izay notakin’izy ireo’ àry i Pilato, ka nasainy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy. (Lioka 23:13-24) “Nalain’i Pilato” anefa aloha izy “ka nokaravasiny.” (Jaona 19:1) Tsy nanohitra izy fa ‘natolony tamin’ny mpikapoka ny lamosiny’, araka ny efa nolazain’i Isaia.
Inona no asehon’ny tantara?
● Hamafisin’ny tantara fa fanaon’ny Romanina ny nikapoka ny olo-meloka, alohan’ny hamonoana azy. Milaza ny boky iray fa ‘karavasy hoditra no nikapohana ary misy firamainty na vy maranitra eny an-tendron’ireo hoditra. Nasaina nesorina ny akanjon’ilay olona ary nokapohina ny lamosiny, ka tsy najanona raha tsy potipotika ny nofony. Maty ilay olona indraindray.’ Tsy maty tamin’io fampijaliana io anefa i Jesosy.
Ho faty i Kristy
Faminaniana 2: “Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana” izy. (Isaia 53:12)d Hoy koa ny Salamo 22:16: “Ny fiangonan’ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tànako izy.”—“Fandikan-teny Protestanta.”
Fahatanterahany: Hoy ny Marka 15:15: “Rehefa avy nasainy nokaravasina i Jesosy, dia [natolotr’i Pilato] hofantsihana amin’ny hazo fijaliana.” Anisan’ilay sazy henjana nampiharina tamin’i Jesosy ilay hoe nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana ny tongony sy ny tanany. (Jaona 20:25) “Niantsoantso mafy i Jesosy dia tapitra ny ainy”, ora vitsivitsy tatỳ aoriana.—Marka 15:37.
Inona no asehon’ny tantara?
● Tsy miresaka firy ny fomba namonoana an’i Jesosy ireo tantara tsy ara-pivavahana. Nanoratra toy izao anefa i Tacite, mpahay tantara romanina teraka tamin’ny taona 55 tany ho any: ‘Novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teo amintsika, i Kristy, ilay niavian’ny anarana [hoe Kristianina], nandritra ny fitondran’i Tiberio.’e Io tenin’i Tacite io dia mifanaraka tsara amin’ny Filazantsara, izay miresaka momba an’i Tiberio Kaisara sy Pontio Pilato ary ny manam-pahefana hafa.—Lioka 3:1; 23:1-33; Jaona 19:1-24.
Hamafisin’ny tantara fa nofantsihan’ny Romanina teo amin’ny tsato-kazo ny andevo sy ny olona heveriny ho mpanao heloka bevava. Ny sasany amin’izy ireny fatorany, fa ny hafa kosa fantsihany. Hoy ny boky iray: “Ny tanan’ilay olona sy ny tongony no fantsihana, ary avela hihantona eo izy. Mijaly sy mangetaheta mafy ilay olona ary miolanolana satria manaintaina be.”
Efa fantatr’i Jesosy mialoha fa tsy maintsy hijalijaly izy vao ho faty, araka ny hitantsika tany aloha. Rehefa nanakaiky àry ny andro hahafatesany, dia hoy io lehilahy be herim-po io: “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty, dia hatolony amin’ireo hafa firenena ka hataon’ireo ho fihomehezana sy hokaravasiny ary hofantsihany amin’ny hazo fijaliana.” (Matio 20:18, 19) Misy manontany anefa hoe nahoana i Jesosy no tsy maintsy novonoina ho faty. Mahakasika antsika rehetra ny valin’izany, sady tena vaovao tsara ho antsika.
‘Notorotoroina noho ny fahadisoantsika’
Tsy lavorary isika ka matetika no manao ratsy, ary izany ilay antsoin’ny Baiboly hoe manota. Toy ny vatokely tafiditra ao anaty maotera ny ota. Tsy maintsy ho simba ilay maotera, ary ho faty amin’ny farany. Toy izany koa fa mahatonga antsika hihantitra sy harary ary ho faty ny ota. Hoy ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota.” Azo afahana amin’izany anefa isika, satria maty ho antsika i Kristy. Nisy faminaniana iray mahavariana nosoratan’i Isaia, milaza fa ho faty ‘noho ny helotsika’ i Kristy na ‘hotorotoroina noho ny fahadisoantsika.’ Nilaza koa izy fa ‘ny ratrany no nahazoantsika fanasitranana.’f—Isaia 53:5.
Mampahatsiahy antsika an’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:16 ny faminanian’i Isaia. Hoy i Jesosy ao: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”
Inona no tokony hatao raha tiantsika ny haneho finoana an’i Jesosy? Ilaina ny mianatra momba azy. Nivavaka izy hoe: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Ao amin’ny Baiboly no ahitana an’io fahalalana sarobidy io.—2 Timoty 3:16.
Tsy mahagaga raha olona faran’izay betsaka no tian’i Jesosy hahazo fiainana mandrakizay. Izany no nahatonga azy hilaza an’ity faminaniana ity, taloha kelin’ny nahafatesany: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana [fitondram-panjakan’Andriamanitra izay hanampy antsika handray soa avy amin’ny soron’i Kristy] ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka amin’ity andian-dahatsoratra ity fa tena marina io faminaniana io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Iray ihany ny horonana tsy nisy banga, dia ilay nisy ny bokin’i Isaia manontolo. Ny hafa kosa sombina horonana fotsiny.
b Jereo ny Mifohaza! Jolay 2012 raha te hahita faminaniana hafa momba ny Mesia.
c Hita amin’ny teny manodidina an’io andinin-teny io fa i Kristy no resahina eo. Hoy, ohatra, ny andininy 8: “Akaiky ahy Ilay [Andriamanitra] manambara ahy [Jesosy Kristy] fa marina.” Tamin’i Jesosy teto an-tany, dia izy irery no olo-marina na tsy nisy ota teo anatrehan’Andriamanitra.—Romanina 3:23; 1 Petera 2:21, 22.
d Mirakitra faminaniana maro momba ny Mesia ny Isaia 52:13–53:12. Hoy, ohatra, ny Isaia 53:7: “Nentina toy ny ondry hovonoina izy ... ary tsy niloa-bava.” Milaza koa ny andininy 10 fa natolony “ho fanatitra noho ny heloka” ny tenany.
e Niresaka an’i Kristy koa ny mpanoratra hafa, toa an’i Suétone, mpahay tantara romanina (taonjato voalohany). Teo koa i Pline Zandriny, governoran’i Bitynia (teo am-piandohan’ny taonjato faharoa). I Josèphe, mpahay tantara jiosy (taonjato voalohany) indray niresaka momba an’i “Jakoba, rahalahin’i Jesosy izay antsoina koa hoe Kristy.”
f “Tsy nanota” i Jesosy ka tsy mendrika ny ho faty. (1 Petera 2:22) Nomeny antsika anefa ny ainy mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Antsoina hoe “vidim-panavotana” àry ny fahafatesan’i Jesosy. (Matio 20:28) Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Misy an’io boky io koa ao amin’ny www.jw.org ao amin’ny Internet.
[Efajoro/Sary, pejy 20]
INONA NO NIFANITSY TAMIN’NY FAHAFATESAN’I KRISTY HO SORONA?
Nanome Lalàna ho an’ny firenen’Israely Andriamanitra. Mifanitsy amin’izay hataon’ny Mesia atỳ aoriana ny zavatra notakin’ny Lalàna. Tsy maintsy nanolotra biby tsy misy kilema ho sorona, ohatra, ny Israelita iray rehefa nanota na tsy nankatò an’Andriamanitra. (Levitikosy 17:11; 22:21) Tena afaka manaisotra ny ota ve ny sorona biby? Tsia. (Hebreo 10:4) Mifanitsy amin’ilay sorona mahaisotra ny ota kosa izy ireny. Tsy inona izany fa ny soron’ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” (Jaona 1:29; Hebreo 10:1, 5-10) Manana an’ilay fanantenana faran’izay tsara ireo rehetra maneho finoana an’io Zanak’ondry io. Izany dia ny fiainana mandrakizay.—Jaona 6:40.