Jehovah — Andriamanitra Iray Izay Mampianatra
“Izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra”. — JAONA 6:45.
1. Inona izao no ataon’i Jesosy ao Kapernaomy?
TSY ela izay, dia nanao fahagagana i Jesosy Kristy, ary izao izy dia hita mampianatra ao amin’ny synagoga iray ao Kapernaomy, akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. (Jaona 6:1-21, 59). Maro no mampiseho tsy finoana rehefa milaza izy hoe: “Nidina avy tany an-danitra Aho”. Mimonomonona toy izao izy ireo: “Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: Izaho nidina avy tany an-danitra?” (Jaona 6:38, 42). Miteny mafy azy ireo i Jesosy amin’ny fanambarana hoe: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” — Jaona 6:44.
2. Inona no fototra mahatonga hino ny fampanantenan’i Jesosy momba ny fananganana amin’ny maty?
2 Fampanantenana mahatalanjona toy inona moa ny hoe hatsangana amin’ny andro farany, rehefa hanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra! Afaka mino io fampanantenana io isika satria miantoka izany ny Ray, i Jehovah Andriamanitra. (Joba 14:13-15; Isaia 26:19). Tsy azo lavina fa i Jehovah, izay mampianatra fa hitsangana ny maty, no “ilay mpampianatra lehibe indrindra amin’ny rehetra”. (Joba 36:22, Today’s English Version). Raha nampifantoka ny saina tamin’ny fampianaran’ny Ray i Jesosy, dia niteny toy izao avy eo: “Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra’.” — Jaona 6:45.
3. Fanontaniana inona avy no hodinihintsika?
3 Azo antoka fa ho tombontsoa ny ho anisan’ireo izay nanoratan’ny mpaminany Isaia hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah”. (Isaia 54:13). Afaka ny ho toy izany ve isika? Iza no efa toy ny zanany ary nahazo ny fampianarany? Inona avy ireo fampianaran’i Jehovah tena lehibe izay tsy maintsy fantarintsika sy ampiharintsika mba hahazoana ny fitahiany? Ahoana no nampianaran’i Jehovah tamin’ny lasa, ary mampianatra amin’ny fomba mitovy amin’izany ve izy amin’izao andro izao? Fanontaniana hodinihintsika ireo.
Ray, Mpampianatra, Vady
4. Iza ireo zanak’i Jehovah voalohany nahazo ny fampianarany?
4 Tonga Ray sady Mpampianatra aloha i Jehovah rehefa namorona ny Zanany lahitokana, dia i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy. Nantsoina hoe “ny Teny” izy io noho izy Mpitondra tenin’i Jehovah Lehibe indrindra. (Jaona 1:1, 14; 3:16). Ny Teny dia nanompo tamin’ny naha-“mpità-marika teo anilany [ny Ray]”, ary nianatra tsara tamin’ny fampianaran’ny Rainy izy. (Ohabolana 8:22, 30). Raha ny marina, izy dia tonga ilay Fiasana izay tamin’ny alalany no namoronan’ny Ray ny zavatra hafa rehetra, voafaoka amin’izany ireo fanahy “zanak’Andriamanitra”. Tsy maintsy ho nifaly toy inona moa izy ireo nampianarin’Andriamanitra! (Joba 1:6; 2:1; 38:7; Kolosiana 1:15-17). Tatỳ aoriana, dia noforonina ny olombelona voalohany, i Adama. Izy koa dia “zanak’Andriamanitra”, ary ahariharin’ny Baiboly fa nampianatra azy i Jehovah. — Lioka 3:38; Genesisy 2:7, 16, 17.
5. Tombontsoa sarobidy inona no narian’i Adama, kanefa iza no nampianarin’i Jehovah, ary nahoana?
5 Nampalahelo fa namoy ny tombontsoany ho zanak’Andriamanitra hatrany i Adama tamin’ny tsy fankatoavany an-tsitrapo. Noho izany, ny taranany dia tsy afaka nitaky ilay fifandraisana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra, niorina fotsiny tamin’ny fahaterahany. Na dia izany aza, dia nampianatra ny olombelona tsy lavorary izay nitady fitarihana taminy i Jehovah. I Noa, ohatra, dia voaporofo fa “lehilahy marina” izay “niara-nandeha tamin’Andriamanitra”, koa dia nampianatra an’i Noa i Jehovah. (Genesisy 6:9, 13–Gen. 6:13 ka hatramin’ny 7:5). Tamin’ny fankatoavany, dia noporofoin’i Abrahama fa “sakaizan’Andriamanitra” ny tenany, ary noho izany dia nampianarin’i Jehovah koa. — Jakoba 2:23; Genesisy 12:1-4; 15:1-8; 22:1, 2.
6. Iza no nanjary noraisin’i Jehovah ho ‘zanany’, ary karazana mpampianatra toy inona moa izy, ho azy ireo?
6 Ela be tatỳ aoriana, nandritra ny andron’i Mosesy, dia niditra tao anatin’ny fifandraisam-panekena tamin’ny firenen’ny Isiraely i Jehovah. Ho vokany, dia nanjary vahoaka voafidiny io firenena io ary noraisina ho ‘zanany’. Hoy Andriamanitra hoe: “Zanako (...) Isiraely”. (Eksodosy 4:22, 23; 19:3-6; Deoteronomia 14:1, 2). Niorina tamin’izany fifandraisam-panekena izany, ireo Isiraelita dia afaka nilaza toy izao, araka ny noraketin’ny mpaminany Isaia an-tsoratra: “Jehovah ô, Hianao no Rainay”. (Isaia 63:16). Nandray ny andraikiny tamin’ny naha-ray azy i Jehovah ary nampianatra tamim-pitiavana ny zanany, dia Isiraely. (Salamo 71:17; Isaia 48:17, 18). Raha ny marina, rehefa nanjary tsy nahatoky izy ireo, dia niangavy mafy azy ireo tamim-pamindram-po toy izao izy: “Miverena, ry zaza mpiodina”. — Jeremia 3:14.
7. Fifandraisana inona no nananan’ny Isiraely tamin’i Jehovah?
7 Ho vokatr’ilay fifandraisam-panekena tamin’ny Isiraely, i Jehovah dia tonga Vady ara-panoharana koa ho an’ilay firenena izay tonga vadiny ara-panoharana. Nanoratra toy izao ny amin’izy io i Isaia mpaminany: “Ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany”. (Isaia 54:5; Jeremia 31:32). Na dia nanatanteraka tamin’ny fomba mendri-kaja ny anjara asany tamin’ny naha-Vady aza i Jehovah, dia nanjary vady tsy nahatoky ny firenen’ny Isiraely. “Toy ny vehivavy misintaka miala amin’ny lahy”, hoy i Jehovah, “dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’Isiraely”. (Jeremia 3:20). Nanohy niangavy mafy ny zanak’ilay vadiny nivadika i Jehovah; “Mpampianatra Lehibe” hatrany ho azy ireo izy. — Isaia 30:20, NW; 2 Tantara 36:15.
8. Na dia nolavin’i Jehovah tamin’ny naha-firenena azy aza ny Isiraely, dia mbola nanana vady ara-panoharana nasehon’ny tandindona iza izy?
8 Rehefa nanda sy namono an’i Jesosy Kristy Zanany ny Isiraely, dia nanda azy Andriamanitra tamin’ny farany. Koa tsy vadiny ara-panoharana intsony ilay firenena jiosy, ary tsy Ray sy Mpampianatra intsony ho an’ireo zanany nania koa izy. (Matio 23:37, 38). Isiraely anefa dia vady tandindona na ara-panoharana fotsiny. Ny apostoly Paoly dia nanonona ny Isaia 54:1 izay miresaka ny amin’ny vehivavy “momba” iray izay tsy mitovy sady miavaka amin’ilay vehivavy “manam-bady”, dia ny firenen’ny Isiraely ara-nofo. Nahariharin’i Paoly fa ireo Kristiana voahosotra dia zanak’i “ramomba” izay antsoiny hoe “Jerosalema any ambony”. Io vehivavy ara-panoharana nasehon’ny tandindona io dia voaforon’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra misy ireo zavaboary ara-panahy. — Galatiana 4:26, 27.
9. a) Iza no nasian’i Jesosy fitenenana rehefa niresaka ny amin’ireo ‘zanakao izay samy efa nampianarin’i Jehovah’ izy? b) Miorina amin’inona no hahatongavan’ny olona ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra?
9 Araka izany, tao amin’ilay synagoga tao Kapernaomy, fony i Jesosy nanonona ny faminanian’i Isaia hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah”, dia noresahiny ny amin’ireo izay ho tonga ‘zanaka’ ho an’ilay “Jerosalema any ambony”, dia ilay fandaminan’Andriamanitra any an-danitra izay toy ny vadiny. Tamin’ny fanekena ny fampianaran’i Jesosy Kristy, ilay solontenan’Andriamanitra avy tany an-danitra, ireo mpihaino jiosy ireo dia afaka ny ho tonga zanak’ilay vehivavy any an-danitra momba teo aloha, izay an’Andriamanitra, ka hahaforona “firenena masina”, dia ilay “Isiraelin’Andriamanitra” ara-panahy. (1 Petera 2:9, 10; Galatiana 6:16). Rehefa nilazalaza ny amin’ilay fahafahana lehibe izay nanjary nisy noho i Jesosy, dia ny fahatongavana ho zanak’Andriamanitra ara-panahy, ny apostoly Jaona, dia nanoratra toy izao: “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany”. — Jaona 1:11, 12.
Fampianarana tena lehibe avy amin’i Jehovah
10. Taorian’ny fikomiana tany Edena avy hatrany, dia inona no nampianarin’i Jehovah momba ilay ‘taranaka’, ary iza no voaporofo fa io Taranaka io?
10 Amin’ny maha-Ray be fitiavana an’i Jehovah, dia mampahafantatra ny fikasany amin’ny zanany izy. Araka izany, rehefa nitarika ny mpivady olombelona voalohany tsy hankato ny anjely nikomy iray, dia nampahafantarin’i Jehovah avy hatrany izay hataony mba hanatanterahana ny fikasany hanao ny tany ho paradisa. Nilaza izy fa hampisy fankahalana eo amin’ilay “menarana ela”, dia i Satana Devoly, “sy ny vehivavy”. Avy eo izy dia nanazava fa ny ‘taranaky’ ny vehivavy dia hanorotoro hahafaty an’i Satana eo amin’ny ‘lohany’. (Genesisy 3:1-6, 15; Apokalypsy 12:9; 20:9, 10). Araka ny efa voamaritsika, ilay vehivavy — izay tatỳ aoriana dia nampahafantarina ho “Jerosalema any ambony” — dia ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra misy ireo zavaboary ara-panahy. Fa iza no ‘taranany’? Izy io dia ny Zanak’Andriamanitra, i Jesosy Kristy, ilay nirahina avy tany an-danitra sy ilay handringana an’i Satana amin’ny farany. — Galatiana 4:4; Hebreo 2:14; 1 Jaona 3:8.
11, 12. Ahoana no nilazan’i Jehovah tamin’ny an-tsipiriany kokoa io fampianarana tena lehibe momba ilay ‘taranaka’ io?
11 Nilaza tamin’ny an-tsipiriany kokoa io fampianarana tena lehibe momba ilay ‘taranaka’ io i Jehovah rehefa nampanantena an’i Abrahama toy izao: “Hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra [Aho] (...) ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:17, 18). Nampiasa ny apostoly Paoly i Jehovah mba hanazava fa i Jesosy Kristy no ilay Taranaka nampanantenaina an’i Abrahama, kanefa dia hisy hafa koa ho tonga anisan’ilay ‘taranaka’. “Raha an’i Kristy hianareo”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” — Galatiana 3:16, 29.
12 Nahariharin’i Jehovah koa fa i Kristy, ilay Taranaka, dia ho avy amin’ny tarana-mpanjaka nisy an’i Joda ary “hanoa Azy ny firenena”. (Genesisy 49:10). Izao no nampanantenain’i Jehovah ny amin’i Davida Mpanjaka avy amin’ny fokon’i Joda: “Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ny lanitra. Ny taranany haharitra mandrakizay, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako”. (Salamo 89:3, 4, 29, 36). Rehefa nanambara ny fahaterahan’i Jesosy ny anjely Gabriela, dia nohazavainy fa ilay zaza no ilay Mpanapaka voatendrin’Andriamanitra, ilay Taranak’i Davida. “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; (...) ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” — Lioka 1:32, 33; Isaia 9:5, 6; Daniela 7:13, 14.
13. Mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah, ahoana no tsy maintsy andraisantsika io fampianarana io?
13 Mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah, dia tsy maintsy mahafantatra io fampianarana tena lehibe momba ny Fanjakan’Andriamanitra io isika ary manao zavatra mifanaraka amin’izany. Tsy maintsy mino isika fa nidina avy tany an-danitra i Jesosy, fa izy no ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra — ilay Tarana-mpanjaka izay hanara-maso ny famerenana amin’ny laoniny ny Paradisa eto an-tany — ary fa izy no hanangana ny maty. (Lioka 23:42, 43, NW; Jaona 18:33-37). Tany Kapernaomy, rehefa niresaka ny amin’ny fananganana ny maty i Jesosy, dia tokony ho niharihary tamin’ireo Jiosy fa nilaza ny fahamarinana izy. Herinandro vitsivitsy monja talohan’izay, azo inoana fa tao Kapernaomy mihitsy, dia nanangana an’ilay zazavavy 12 taona zanaky ny mpanapaka ny synagoga izy! (Lioka 8:49-56). Azo antoka fa isika koa dia manana antony ampy mba hinoana ny fampianaran’i Jehovah mameno fanantenana momba ny Fanjakany sy mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’izany!
14, 15. a) Zava-dehibe toy inona moa ny Fanjakan’i Jehovah tamin’i Jesosy? b) Inona no ilaintsika ho takatra sy ho hay hazavaina momba ny Fanjakan’i Jehovah?
14 Nanokana ny fiainany teto an-tany ho amin’ny fampianarana ny amin’ny Fanjakan’i Jehovah i Jesosy. Nataony ho ny foto-kevitry ny fanompoany izy io, ary nampianatra ny mpanara-dia azy mba hivavaka ho azy io mihitsy aza izy. (Matio 6:9, 10; Lioka 4:43). Ireo Jiosy ara-nofo dia nanana fahafahana ho tonga “zanaky ny fanjakana”, kanefa noho ny tsy finoana, dia namoy izany tombontsoa izany ny ankamaroan’izy ireo. (Matio 8:12; 21:43). Nahariharin’i Jesosy fa “ondry vitsy” ihany no hahazo ilay tombontsoa ho tonga “zanaky ny fanjakana”. Ireny ‘zanaka’ ireny dia ho tonga “mpiray lova amin’i Kristy” any amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Lioka 12:32; Matio 13:38; Romana 8:14-17; Jakoba 2:5.
15 Firy ny mpandova ilay fanjakana horaisin’i Kristy any an-danitra mba hiara-manapaka ny tany aminy? Araka ny Baiboly, dia 144 000 monja. (Jaona 14:2, 3; 2 Timoty 2:12; Apokalypsy 5:10; 14:1-3; 20:4). Nilaza anefa i Jesosy fa nanana “ondry hafa” izay ho olom-pehezin’izany fanapahan’ny Fanjakana izany eto an-tany. Izy ireo dia hanana fahasalamana tonga lafatra sy fiadanana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. (Jaona 10:16; Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4). Ilaintsika ny mahatakatra sy ny mahay manazava ny fampianaran’i Jehovah momba ilay Fanjakana.
16. Fampianaran’i Jehovah tena lehibe inona no ilaintsika hianarana sy hampiharina?
16 Nampahafantatra fampianarana tena lehibe hafa iray avy amin’i Jehovah ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia.” (1 Tesaloniana 4:9). Mba hampifaly an’i Jehovah dia mila mampiseho izany fitiavana izany isika. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny Baiboly, ary tsy maintsy manahaka ny ohatra nomeny tamin’ny fanehoana fitiavana, isika. (1 Jaona 4:8; Efesiana 5:1, 2). Mampalahelo fa tsy nahomby tamin’ny fomba nampahonena ny ankamaroan’ny olona teo amin’ny fianarana ho tia ny mpiara-belona aminy, toy ny ampianaran’Andriamanitra antsika. Ahoana ny amintsika? Nandray tsara io fampianaran’i Jehovah io ve isika?
17. Fihetsik’iza no tokony hotahafintsika?
17 Tena zava-dehibe ny andraisantsika tsara ny fampianaran’i Jehovah rehetra. Enga anie ny fihetsitsika ho toy ny an’ireo mpanao salamo ao amin’ny Baiboly izay nanoratra hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro”. “Ampianaro ahy ny didinao. Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho (...) ampianaro ahy ny fitsipikao.” (Salamo 25:4, 5; 119:12, 66, 108). Raha mitovy amin’ny an’ireo mpanao salamo ny fihetseham-ponao, dia afaka ny ho anisan’ny vahoaka sesehena iray izay ampianarin’i Jehovah ianao.
Olona betsaka nampianarina
18. Inona no nambaran’ny mpaminany Isaia mialoha fa hitranga amin’izao androntsika izao?
18 Nanambara mialoha izay hitranga amin’izao androntsika izao ny mpaminany Isaia: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra (...) Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany”. (Isaia 2:2, 3, izahay no manao sora-mandry; Mika 4:2). Iza ireo olona ampianarin’i Jehovah ireo?
19. Iza amin’izao andro izao no tafiditra ho anisan’ireo izay ampianarin’i Jehovah?
19 Misy olon-kafa ankoatra ireo izay hiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra tafiditra amin’izany. Araka ny voamarika teo aloha kokoa, dia nilaza i Jesosy fa nanana “ondry hafa” — olom-pehezin’ilay Fanjakana eto an-tany — ho fanampin’ny “ondry vitsy” mpandova ilay Fanjakana. (Jaona 10:16; Lioka 12:32). Anisan’ny kilasin’ny ondry hafa ny “olona betsaka” izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, ary izy ireo dia manana toeram-pankasitrahana eo anatrehan’i Jehovah, miorina amin’ny finoany ny ra nalatsak’i Jesosy. (Apokalypsy 7:9, 14). Na dia tsy tafiditra mivantana ho anisan’ireo ‘zanaka’ resahina ao amin’ny Isaia 54:13 aza ireo ondry hafa, izy ireo dia mahazo fitahiana noho izy ampianarin’i Jehovah. Noho izany, dia miantso amin’ny fomba mety an’Andriamanitra hoe “Ray” izy ireo satria, raha ny marina, izy dia ho Raiben’izy ireo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ilay “Ray mandrakizay”. — Matio 6:9; Isaia 9:6, NW.
Fomba ampianaran’i Jehovah
20. Amin’ny fomba ahoana avy no ampianaran’i Jehovah?
20 Mampianatra amin’ny fomba maro i Jehovah. Manao izany izy, ohatra, amin’ny alalan’ny asa famoronany izay manamarina ny fisiany sy ny fahendreny lehibe. (Joba 12:7-9; Salamo 19:1, 2; Romana 1:20). Fanampin’izany, dia mampianatra amin’ny alalan’ny fampitan-kevitra mivantana izy, toy ny nataony tamin’ny fampianarana an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy. Mitovy amin’izany fa niteny nivantana avy tany an-danitra tamin’olona teto an-tany izy tamin’ny tarehin-javatra telo voarakitra an-tsoratra. — Matio 3:17; 17:5; Jaona 12:28.
21. Anjely iza indrindra no nampiasain’i Jehovah ho solontenany, kanefa ahoana no ahafantarantsika fa nisy hafa koa nampiasainy?
21 Nampiasa solontena anjely koa i Jehovah mba hampianarana, tafiditra amin’izany ny Lahimatoany, “ny Teny”. (Jaona 1:1-3). Na dia afaka niresaka mivantana tamin’i Adama zanany olombelona lavorary tao amin’ny saha Edena aza i Jehovah, dia azo inoana fa nampiasa an’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy izy, mba hiteny ho solony. (Genesisy 2:16, 17). Angamba izy io mihitsy “Ilay Anjelin’Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ny tobin’ny Isiraely”, ary nahakasika azy ilay didin’i Jehovah hoe: “Mihainoa ny feony”. (Eksodosy 14:19; 23:20, 21). Tsy isalasalana fa i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy koa no ilay “Komandin’ny miaramilan’i Jehovah” izay niseho tamin’i Josoa sy nanatanjaka azy. (Josoa 5:14, 15). Nampiasa anjely hafa koa i Jehovah mba hanomezana ny fampianarany, toy ireo izay nampiasainy mba hanome ny Lalàny an’i Mosesy. — Eksodosy 20:1; Galatiana 3:19; Hebreo 2:2, 3.
22. a) Iza avy no nampiasain’i Jehovah mba hampianatra teto an-tany? b) Fitaovana inona indrindra no ampiasain’i Jehovah mba hampianarana ny olombelona amin’izao andro izao?
22 Fanampin’izany, dia nampiasa solontena olombelona mba hampianatra i Jehovah Andriamanitra. Ireo ray aman-dreny teo amin’ny Isiraely dia tokony ho nampianatra ny zanany; ireo mpaminany sy ireo mpisorona ary mpanapaka sy Levita dia nampianatra ny Lalàn’i Jehovah tamin’ilay firenena. (Deoteronomia 11:18-21; 1 Samoela 12:20-25; 2 Tantara 17:7-9). I Jesosy no Mpitondra tenin’Andriamanitra lehibe indrindra teto an-tany. (Hebreo 1:1, 2). Matetika i Jesosy no nilaza fa izay nampianariny dia izay nianarany indrindra avy amin’ny Rainy, koa nampianarin’i Jehovah, raha ny marina, ireo mpihaino azy. (Jaona 7:16; 8:28; 12:49; 14:9, 10). Nasain’i Jehovah noraketina an-tsoratra ireo teniny, ary amin’izao androntsika izao, dia mampianatra ny olombelona indrindra amin’ny alalan’izany Soratra Masina ara-tsindrimandry izany izy. — Romana 15:4; 2 Timoty 3:16.
23. Fanontaniana inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
23 Miaina amin’ny fotoan-dehibe isika, satria ny Soratra Masina dia mampanantena fa ‘atỳ am-parany [izao iainantsika izao], dia hisy firenena maro hampianarina ny amin’ny lalan’i Jehovah’. (Isaia 2:2, 3, izahay no manao sora-mandry.) Ahoana no anomezana izany fampianarana izany? Inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisan-tsoa ary koa handraisana anjara amin’ilay fandaharam-pampianarana lehibe ataon’i Jehovah izay efa mandroso izao? Handinika izany fanontaniana izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no Havalinao?
◻ Tamin’ny ahoana i Jehovah no nanjary Ray sy Mpampianatra ary Vady?
◻ Inona no ampianarin’i Jehovah momba ilay ‘taranaka’?
◻ Fampianaran’Andriamanitra tena lehibe inona no tsy maintsy tandremantsika?
◻ Ahoana no ampianaran’i Jehovah?
[Sary, pejy 10]
Nanome fototra inoana ny fampanantenan’i Jesosy fananganana amin’ny maty ny fananganana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty