Moa ve ianao hilaza hoe: “Inty aho, iraho aho”?
“Ny Tompo [Jehovah, MN ] (...) nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.” — ISAIA 6:8.
1, 2. Antony manokana tokony hifaliana inona moa no nananan’ny mpivady iray?
“FALY izahay milaza aminareo fa ekenay ny hiainga ho any Colombie. Nitondra ho anay fahafahampo betsaka lavitra noho izay hainay lazaina ny asanay teto Equateur.” Toy izany ny fanombohan’ny taratasy iray nalefan’ny mpivady Vavolombelon’i Jehovah izay nankany Equateur nanorenana sampana vaovao ho an’ny Fikambanana Watch Tower.
2 Ny nahatongavan’ireo minisitra ireo tany Equateur dia tsy hoe mba hanampy amin’io fanorenana io fotsiny, fa mba handraisana anjara amin’ny fampianarana kristiana koa. Izao no nosoratan’izy ireo: “Tsapanay izany, ny fitoriana no anankiray amin’ireo zavatra lehibe indrindra. Telo herinandro lasa izay, ny valo taminay dia lasa nitory teny an-tsena ary nametraka boky 73 sy gazety maherin’ny 40. Ny herinandro talohan’izay, dia nanomboka fianarana ny Baiboly roa izahay. Hitanay tsara fa tsapa ny ilàna sampana vaovao. Maniry hisaotra anareo izahay mivady noho ny tombotsoa nomenareo anay mba hanohy hanao io endriny manokana amin’ny asa manontolo andro io” any Colombie.
3. Ahoana moa no nanomezan’ny olona maro taratry ny toe-tsain’Isaia?
3 Io mpivady io sy ny an-jatony maro hafa koa izay nanolo-tena mba hiainga ho any an-tany hafa, dia manome taratry ny toe-tsain’Isaia mpaminany. Rehefa reny Jehovah nanambara hoe: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” dia hoy ny navalin’Isaia: “Inty aho, iraho aho.” Nomen’Andriamanitra azy tamin’izay izao baiko izao: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahalala.” (Isaia 6:8, 9). Inona moa no asa nanirahana an’Isaia, ary inona no naterak’izany? Inona moa no fifanandrifian-javatra amin’ny andro ankehitriny mety ho voaporofontsika noho io fitantarana io, ary fianarana manokana inona avy no azontsika tsoahina avy amin’izany?
Nirahina hitory Isaia
4, 5. a) Nanao ahoana ny tarehin-javatra hitan’ilay tany fony Isaia nahazo ilay fahitana resahin’ny toko faha-6? b) Inona no hitan’Isaia tamin’ny fahitana?
4 Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia mpanjaka Jehovah Andriamanitra no nametraka izao fanontaniana izao tamin’Isaia: “Iza no hirahiko?” (Isaia 6:1). Izany dia nitranga tamin’ny 777 alohan’ny fanisan-taona iraisana, 170 taona talohan’ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema sy nanolorany ny tanin’ny Joda ho amin’ny fahafoanana. Hitan’i Jehovah nanatona izany fisehoan-javatra nampalahelo izany; izany no antony nanomezany ho an’ilay mpaminany, hafatra mety. Mety hampianatra inona antsika io asa nanirahana an’i Isaia io?
5 Araka ny ho hita tamintsika teo amin’ny toerany, dia tsy maintsy ho nanaitra ny sain’Isaia mafy ireo toe-javatra nandraisany ny asa nanirahana azy. Izao no nosoratany: ‘Hitako ny Tompo [Jehovah, MN ] nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly. Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro; henika ny voninahiny ny tany rehetra.’ — Isaia 6:1-3.
6. Nahoana moa no tombotsoa ho an’Isaia ny nandinika an’io fahitana io?
6 Fantatr’i Isaia fa voan’ny habokana Ozia noho ny nidirana tamim-pieboeboana tao amin’ny Masina amin’ny tempoly mba hanolotra ditin-kazo manitra tao, nefa tsy anisan’ny foko nanana fisoronana izy. Noho izany, toy inona moa ny tombotsoan’ilay mpaminany nandinika ny fanatrehan’ny tenan’Andriamanitra! Isaia, olombelona tsy tanteraka, dia tsy nahita ara-bakiteny an’i Jehovah, fa nahazo fahitana ny aminy (Eksodosy 33:20-23), fahitana izay ny halehibeny dia nosoritan’ny fanatrehan’ny anjely ambony laharana, ny serafima, teo anilan’ny seza fiandrianan’i Jehovah. Ireo, noho ny fahatsapana ny fahamasinan’i Jehovah, dia nanarona tamim-panajana ny “tavany”. Ankoatra ny fihetsiny feno fanetren-tena, dia nambaran’izy ireo avo dia avo ny fahamasinan’Andriamanitra. Inona no heverinao fa mety ho vokatry ny fahitana toy izany eo amin’ny olombelona iray?
7. Ahoana no nataon’i Isaia, ary nahoana no ho nanao toy izany angamba isika?
7 Mamaly toy izao Isaia: “Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko.” (Isaia 6:5). Fantatr’i Isaia fa mpitondra tenin’Andriamanitra ny tenany, kanefa nampiseho taminy ny fahalotoany io fahitana io; tsy nanana ny molotra madio nety tamin’ny mpitondra tenin’io Mpanjaka be voninahitra sy masina io izy. Indraindray ny sasany amintsika dia mety halahelo noho ny maha-mpanota ny tenany, mahatsiaro ho tsy mendrika ny hivavaka amin’Andriamanitra, indrindra ka hoe hantsoina amin’ny anarany. Hampahery azy ireny izay nitranga nanaraka izany tamin’i Isaia.
8. Inona no nataon’ny anjely iray, ary inona no vokatr’izany?
8 Nanidina nanatona azy ny anankiray tamin’ireo serafima teo, nitondra vainafo nivaivay nalainy teo ambonin’ny alitara nanaovana sorona biby. Natehik’ilay anjely tamin’ny vavan’Isaia ilay vainafo, ka hoy izy: “Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.” (Isaia 6:6, 7). Tamin’ny andron’i Solomona, ny afo avy any an-danitra dia nanaporofo fa neken’i Jehovah ny alitaran’ny sorona, na dia tsy afaka nanadio tanteraka ireo mpisorona teo anatrehan’Andriamanitra aza ireo fanatitra (2 Tantara 7:1-3; Hebreo 10:1-4, 11). Koa satria nandoro ny fahalotoany ny vainafo nivaivay, dia azon’i Isaia natao ny nanaiky ny fitsaran’i Jehovah ny amin’ny nanavotana azy tamin’ny fahotany, ary izany dia araka ny fandaharana notakina mba handraisany fanirahana manokana hitory. Nanambara inona izany fisehoan-javatra izany?
9. Inona moa no voalazan’ny hafatra nentin’Isaia?
9 Mitohy io fahitana mahatalanjona io, ary nahazo fanirahana hitory ilay mpaminany (Isaia 6:8, 9). Nahoana anefa Isaia no tokony hilaza fa handre imbetsaka ny hafatra ny olona, nefa tsy hahazo fahalalana mihitsy? Manampy teny toy izao ny feo avy tamin’Andriamanitra: “Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony (...) dia hibebaka izy ka ho sitrana.” (Isaia 6:10). Moa ve milaza ireo teny ireo fa tokony hampiseho fahasiahana Isaia na tsy ho ampy fahaiza-mandanjalanja, ka tokony hanosika ny Jiosy izy mba hanoheran’ireo hatrany an’i Jehovah? Tsia. Izany dia filazana fotsiny ny fomba handraisan’ny ankamaroan’ny Jiosy, na dia miseho ho mahatoky aza Isaia ary manatanteraka tsara ny asa nekeny an-tsitrapo hatao tamin’ny filazana hoe: “Inty aho, iraho aho.”
10. a) Raha toy ny jamba sy marenina ny vahoaka, iza moa no tompon’andraikitra amin’izany? b) Inona no tian’Isaia holazaina amin’ny fitenenana hoe “mandra-pahoviana”?
10 Tompon’andraikitra tamin’ny tarehin-javatra nampalahelo hitany ny vahoaka. Homen’i Isaia ho an’ny Isiraelita ny fahafahana ‘mbola handre ihany’; na dia ao aza izany, dia tsy hahazo fahalalana na fahiratan-tsaina izy ireo. Nilaza mialoha Andriamanitra fa noho ny hamafian-katony sy ny tsy fananany fiainana ara-panahy, dia tsy ho voatohin’ny hafatra izy ireny, afa-tsy olom-bitsy angamba; kanefa, amin’ny fitambarany, dia ho jamba izy ireny, toy ny hoe nasiana lakaoly mafy dia mafy ny masony. Nametraka izao fanontaniana izao Isaia nony avy eo: “Tompo [Jehovah, MN ] ô, mandra-pahoviana?” Nanontaniany azy ny hoe mandra-pahoviana izany tarehin-javatra nampalahelo izany ny haharitra fa tsy hoe mandra-pahoviana no tokony haminany izy. Izao no navalin’Andriamanitra tamin’izay: “Mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina.” Ary izany no nitranga na dia taorian’ny nahafatesan’i Isaia aza. Nesorin’ny Babyloniana tsy ho ao amin’ilay tany ny olona nalaina avy amin’ny tany, ka navelany ‘ho lao tokoa’ Joda. — Isaia 6:11, 12; 2 Mpanjaka 25:1-26.
11. Fampiononana inona no nomen’ny fitorian’Isaia?
11 Farany, dia nanome toky an’Isaia Jehovah fa tsy very tanteraka akory ny fanantenana. “Ampahafolony sisa” ho ao amin’ilay tany. Izany tokoa dia ‘tahaka ny hazo vaventy izay rehefa kapaina dia hisy fotony, taranaka masina’. (Isaia 6:13). Taorian’ny 70 taona nahababoana tany Babylona, ny taranaka, na sisa, dia niverina tao amin’ilay tany, toy ny hoe nisy tsimoka vaovao nipoitra avy amin’ny fototry ny hazo vaventy iray (2 Tantara 36:22, 23; Ezra 1:1-4; jereo Joba 14:7-9; Daniela 4:7, 10-12, 23). Noho izany, na dia nanjombona aza ny hafatra nentin’Isaia, dia nanome fampiononana izany. Ambonin’izany, dia manana antony araka ny Baiboly tokony hiheverana an’Isaia ho ohatra faka tahaka ho an’ny ho avy isika. Ahoana izany?
Fahatanterahany lehibe kokoa
12. Amin’ny fototra araka ny Baiboly inona no azo iantsoana an’i Jesosy hoe ilay Isaia Lehibe?
12 Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Isaia dia tonga ilay ho azo antsoina hoe Isaia Lehibe, Jesosy Kristy. Tamin’ny fahavelomany talohan’ny naha-olombelona azy, dia nilatsaka an-tsitrapo teo anilan’ny Rainy izy mba hirahina ho ety an-tany izay nitoriany tamin’ny fandraisana indray ny sasany amin’ny teny nosoratan’Isaia (Ohabolana 8:30, 31; Jaona 3:17, 34; 5:36-38; 7:28; 8:42; Lioka 4:16-19; Isaia 61:1). Ary naka teny tao amin’ny Isaia toko faha-6 izy rehefa nanazava ny antony nampianarany toy ny nataony (Matio 13:10-15; Marka 4:10-12; Lioka 8:9, 10). Nety tanteraka ny fampitahana, satria ny ankamaroan’ny Jiosy nihaino an’i Jesosy dia tsy naniry ny hanaiky ny hafatra nentiny sy hanao zavatra nifanaraka tamin’izany tahaka an’ireo izay nihaino an’Isaia mpaminany (Jaona 12:36-43). Koa tamin’ny taona 70, ireo Jiosy izay nanao ny tenany ho ‘jamba sy marenina’ tamin’ny hafatr’i Jesosy dia nahita fandravana sahala amin’ny namely an’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ho an’io tanàna io, izany dia fahoriana ‘izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao, sady tsy hisy intsony’. (Matio 24:21.) Kanefa, araka ny naminanian’Isaia azy, dia nisy sisa, na “taranaka masina”, naneho finoana. Ireo anisan’izany sisa izany dia voaforona ho firenena ara-panahy, ny “Isiraelin’Andriamanitra”, voahosotry ny fanahy. — Galatiana 6:16.
13. Nahoana moa no azo atao ny manampo fahatanterahan’ny Isaia toko faha-6 hafa iray?
13 Tamin’izany fomba izany ny faminanian’Isaia toko faha-6 no nahita fahatanterahany hafa araka ny Baiboly. Mba hahatakarana hoe inona izany, dia aoka hodinihintsika ny teny nataon’ny apostoly Paoly tany akaikin’ny taona 60, fony tany Roma izy. Nohazavainy ny hoe nahoana ny Jiosy maro izay nihaino azy no tsy nanaiky ny ‘fanambarana nataony ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra’. Ny antony dia satria tanteraka indray ny Isaia 6:9, 10 (Asan’ny apostoly 28:17-27). Nilaza ve izany fa rehefa tsy ho hita eto an-tany intsony Jesosy, dia hanatanteraka asa azo ampitahaina amin’ny an’Isaia ireo mpianany? Izany dia izany tokoa!
14. Amin’ny heviny ahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no tokony hanatanteraka asa iray sahala amin’ny an’Isaia?
14 Talohan’ny hiakarany ho any an-danitra, dia nanambara ilay Isaia Lehibe fa handray ny fanahy masina ireo mpianany ka ho ‘vavolombelony any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany’. (Asan’ny apostoly 1:8.) Toy ny nanomezan’ny alitaran’ny sorona izay nilaina mba hanafoanana ny fahadisoan’Isaia, dia toy izany koa fa ny soron’i Jesosy dia nahatonga ho afaka ‘hanao fanavotana noho ny fahotan’ireo’ mpianany (Levitikosy 6:12, 13; Hebreo 10:5-10; 13:10-15). Araka izany, dia azon’Andriamanitra natao ny nanosotra azy ireny tamin’ny fanahy masina, ka izany dia hanome lalana azy ireo ho ‘vavolombelona hatramin’ny faran’ny tany’. Isaia mpaminany sy ilay Isaia Lehibe dia samy nirahina mba hanambara ny hafatr’Andriamanitra. Toy izany koa, ireo mpianatr’i Jesosy dia “avy amin’Andriamanitra (...) ao amin’i Kristy”. — 2 Korintiana 2:17.
15. Amin’izao androntsika izao toy ny tamin’ny andron’i Isaia, manao ahoana ny fandraisan’ny olona amin’ny ankapobeny ny fitoriana, ary manambara inona izany?
15 Amin’izao androntsika izao, indrindra fa nanomboka tamin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany, ireo kristiana voahosotry ny fanahy dia mahita fa ilaina ny hanambarana ny hafatr’Andriamanitra; ataon’Andriamanitra, ankoatra ny zavatra hafa, izay hieritreretana ny amin’ny fahantomoran’ny ‘andro famalian’Andriamanitsika’. (Isaia 61:2.) Ny fandravana hoentin’io andro dia hamely indrindra ny fivavahana lazaina fa kristiana izay, sahala amin’ny Isiraely fahizay, dia mihambo ho vahoakan’Andriamanitra, ary izany dia hatramin’ny ela be. Na dia ao aza ny asa fitoriana tanterahin’ny vavolombelon’Andriamanitra voahosotry ny fanahy amim-pahatokiana hatramin’ny am-polony taona maro, ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia ‘nanao ny fony ho adala sy ny sofiny ho lalodalovana ary ny masony hikimpy’. Asehon’ny faminanian’Isaia fa haharitra izany tarehin-javatra izany “mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ary ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa”. Hanamarika ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ny fahatanterahan’io faminaniana io. — Isaia 6:10-12.
“Iraho aho”
16. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa manatanteraka asa sahala amin’ny an’i Isaia ny “olona betsaka”?
16 Amin’izao andro izao, dia kristiana be fandavan-tena an-tapitrisany maro no manana fanantenana, miorina amin’ny Soratra masina, ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa. Noho ny ran’i Jesosy natao sorona, dia azo avela ny fahotan’izany “olona betsaka” izany, arakaraka izay ilaina ho an’ny androntsika. Mahazo hery sy fanohanana koa izany olona betsaka izany amin’ny alalan’ny fanahin’Andriamanitra, satria izy ireo miaraka amin’ny sisa amin’ny kristiana voahosotry ny fanahy mba hilaza hoe: “Inty aho, iraho aho.” Nahoana no irahina izy? Asehon’i Paoly izany ao amin’ny Romana 10:13-15: “ ‘Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] no hovonjena’. Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra [ao amin’ny Isaia 52:7] hoe: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!’ — Apokalypsy 7:9-15.
17. Inona no raketin’ny hafatra entintsika, azo ampitahaina amin’ny an’i Isaia?
17 Aoka hotadidintsika fa nilaza toy izao Isaia: “Inty aho, iraho aho” talohan’ny hahafantarana izay rehetra noraketin’ny hafatra tokony hampitainy. Amin’izao andro izao kosa anefa, dia fantatsika izay tian’Andriamanitra hambarantsika raha mamaly ny fanasany toy izao isika: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Izany dia ny hanambara indrindra ny “andro famalian’Andriamanitra”, nefa koa ny “teny soa mahafaly [vaovao tsaran’ny zavatra tsara, MN ]”. Ohatra, ireo olona ‘irahina’ dia manambara “fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava”. Moa ve izany asa izany tsy tokony ho loharanom-pahafahampo lehibe? — Isaia 61:1, 2.
18, 19. Amin’ny fomba manokana inona avy moa no ilazan’ny maro hoe: “Iraho aho”?
18 Raha efa manambara “vaovao tsaran’ny zavatra tsara” ianao, dia angamba izao fandinihana ny Isaia toko faha-6 izao manosika anao hanontany tena hoe: Ahoana no ahafahako maneho amin’ny fomba feno kokoa ny toe-tsaina voalazalaza ao amin’ny Isaia 6:8? Lehilahy sy vehivavy an-jatony maro, sahala amin’ireo noresahina teo am-piandohan’ny lahatsoratra, no efa nilatsaka an-tsitrapo mba hiasa amin’ny Fandaharam-panorenana iraisam-pirenena. Ny maro hafa koa, izay tsy manam-pahaizana manokana amin’ny fanaovan-trano, dia nankany an-tany hafa nilana mpitory ilay Fanjakana kokoa. Nangataka torohevitra tany amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower aloha izy ireny, ary tsaratsara kokoa izany. Mazava ho azy fa tena ilaina ny hiomanana, satria ny fiteny, ny fari-piainana, ny mety hahitana asa sy ny zavatra hafa koa dia mety tsy hitovy aoka izany arakaraka ny tany. Aza malaky mandà izany fahafahana izany anefa, satria fotsiny hoe hilainao angamba ny hanao fiovana lehibe. Maro amin’ireo izay manana toe-tsaina mifanaraka amin’ny fanambarana hoe “Inty aho, iraho aho” no lasa nankany an-tany hafa tamin’izany ka notahin’Andriamanitra tokoa. — Jereo Ohabolana 24:27; Lioka 14:28-30.
19 Tsy nandao ny taniny na ny faritra misy azy ny hafa koa — rahalahy sy anabavy mpitovo, mpivady, fianakaviana manontolo aza — no niainga ho any amin’izay nilana mpitory ilay Fanjakana na mpiandraikitra kristiana kokoa (Asan’ny apostoly 16:9, 10). Ny fiovana toy izany dia mety hitarika fanaovana sorona, toy ny fanekena asa ao amin’ny sampan-draharaha hafa, handraisan-karama kely kokoa angamba. Nisy hafa koa naka aloha ny fijanonana tsy hiasa intsony ary voafetra ny vola fandrain’ny efa misotro ronono azony; naka asa tapa-potoana izy ireny mba hahafahana miasa bebe kokoa amin’ny fanompoana. Mahafinaritra ny mahita fianakaviana manontolo milaza hoe: “Ireto izahay! Iraho izahay!” Izany koa dia fomba hanomezana taratry ny toeran’i Isaia. Nanatanteraka tamim-paharisihana ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ny vadin’izy io, satria mpaminanivavy izy; ary ireo zanany lahy dia tafiditra tamin’ny fahatanterahan’ireo hafatra ara-paminaniana. — Isaia 7:3. 14-17; 8:3, 4.
20. Amin’ny fieritreretana ny Isaia 6:8, tokony hanontany tena hoe ahoana ianao?
20 Na dia tsy mamela anao hanao fiovana lehibe toy izany aza ny toeranao ankehitriny, dia afaka manontany tena toy izao ianao: ‘Manao izay rehetra azoko atao ve aho eo amin’ny misy ahy mba hanahafana ny zotom-pon’Isaia?’ Miadia mafy amin’ny fanambarana ny hafatr’Andriamanitra, na dia tsy tsara loatra aza ny andro na tsy miraika ny olona; tsy isalasalana mihitsy fa izany no nataon’Isaia. Miresaha amim-pahadodonana amin’ny hafa ny “vaovao tsaran’ny zavatra tsara”. Nilaza toy izao Jehovah: “Iza no hirahiko?” Asehoy fa, sahala amin’Isaia, dia hamaly toy izao ianao: “Inty aho! Iraho aho’ hampita ny Hafatrao.”
Famerenana
◻ Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no nandraisan’i Isaia ny fahitana voarakitra ao amin’ny Isaia toko faha-6 nosoratany, ary inona no hitany?
◻ Inona moa no asa nanirahana an’i Isaia?
◻ Nahoana moa Jesosy no azo antsoina hoe Isaia Lehibe, ary amin’ny ahoana ny asa andraisan’ireo mpianany anjara no sahala amin’ny an’i Isaia?
◻ Ahoana no azonao anehoana toe-tsaina sahala amin’ny an’i Isaia?
[Sary, pejy 17]
Nodiovina Isaia ary nirahina hitory.
[Sary, pejy 18]
Betsaka no mamaly amin’ny filazana hoe: “Inty aho, iraho aho.”