TAFOFORANA
Fitaovana fitsofana afo amin’ny lafaoro, izay mibontsina rehefa fenoina rivotra, ary mifintina rehefa avoaka amin’ny fantsona ny rivotra. Io no tsara kokoa noho ny fikopahana afo tsotra na bararata noloahana na fantsona itsofana rivotra. Tsotra ny tafoforana fahiny satria kitapo nisy fanambaniny, ary nasiana fantsona vy nifandray tamin’ny lafaoro. Mety ho bararata koa anefa ilay fantsona, saingy nasiana tanimanga mahatanty afo ny tendrony. Tafoforana nopaompina tanana no nampiasaina tamin’ny lafaoro kely. Tafoforana roa nohitsahin’ny tongotra havia sy havanana kosa no nampiasaina tamin’ny lafaoro lehibe nahamay be. Nifandimby nipaompy ny tongotra roa, ary nisy tady nosintonina mba hamenoana rivotra an’izay tafoforana lany rivotra. Samy nipaompy tafoforana roa ny mpiasa roa, mba hirehitra foana ny afo. Avy amin’ny fototeny hoe nafah (‘mitsoka’) (Ge 2:7) ny hoe mappoah (heb.) (“tafoforana”), izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Jeremia 6:29. Toa miresaka an-kolaka tafoforana ampiasaina rehefa mandrendrika metaly koa anefa ny fanoharana ao amin’ny Isaia 54:16 sy Ezekiela 22:20, 21.—Jereo MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY.