Ny Fanambadiana ve no Hany Fanalahidin’ny Fahasambarana?
“Afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany.” — 1 KORINTIANA 7:39, 40.
1. Ahoana no ilazalazan’ny Soratra masina an’i Jehovah, ary inona no nataony ho an’ny zavaboariny?
I JEHOVAH no “ilay Andriamanitra sambatra”. (1 Timoty 1:11, NW). Amin’ny maha-Mpanome malala-tanana “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” azy, izy dia manao izay hahazoan’ny zavaboariny manan-tsaina rehetra — olombelona sy ara-panahy — izay tena ilain’izy ireo indrindra mba hahasambatra azy eo amin’ny fanompoana azy. (Jakoba 1:17). Mifandray amin’izany, ny vorona iray velon-kira, ny zanak’alika kely falifaly, na ny “dauphin” tia lalao iray dia samy manamarina fa namorona ny biby mba hankafỳ ny fiainana eo amin’ny toerana misy azy avy i Jehovah. Tonga hatramin’ny fanaovana fanambarana miendrika tononkalo mihitsy aza ilay mpanao salamo ka nilaza fa “voky ny hazon’i Jehovah, dia ny sederan’i Libanona, izay namboleny”. — Salamo 104:16.
2. a) Inona no mampiseho fa mahita fahasambarana eo am-panaovana ny sitrapon’ny Rainy i Jesosy? b) Antony inona avy nahatonga azy ireo ho sambatra no nananan’ny mpianatr’i Jesosy?
2 I Jesosy no ‘tena endrika marin’ny tenan’i Jehovah mihitsy’. (Hebreo 1:3). Tsy mahagaga àry raha antsoina hoe “ilay Mpanapaka sambatra sy tokana” izy. (1 Timoty 6:15, NW). Manome antsika ohatra mahatalanjona izy ny amin’ny fetezan’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah hanome fahafahampo lehibe kokoa noho ny hanina, ka hitondra fahafinaretana tsotra izao. Asehon’i Jesosy koa fa azo atao ny mahita fifaliana rehefa manao zavatra noho ny fahatahorana an’i Jehovah, izany hoe amim-panajana lalina sy tahotra mahasoa ny hanao izay tsy sitrany, isika. (Salamo 40:8; Isaia 11:3; Jaona 4:34). Rehefa niverina “tamin’ny fifaliana” ny fitopolo tamin’ireo mpianany, rehefa avy nanao dia fitoriana momba ilay Fanjakana, dia “diboky ny hafaliana tamin’ny fanahy masina” ny tenan’i Jesosy mihitsy. Rehefa avy naneho ny hafaliany tamin’ny Rainy tamin’ny alalan’ny vavaka izy dia nitodika tany amin’ny mpianany ka nanao hoe: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry hahare izay renareo, fa tsy nahare.” — Lioka 10:17-24, NW.
Antony mahatonga ho sambatra
3. Antony sasantsasany inona avy no mahatonga fahasambarana?
3 Tsy tokony ho sambatra ve ny masontsika satria mahita ireo zavatra izay hitantsika fa manatanteraka ny Tenin’i Jehovah sy ny fikasany amin’izao fotoan’ny farany izao? Tsy tokony ho diboky ny hafaliana ve isika satria mahatakatra ireo faminaniana izay tsy takatr’ireo mpaminany sy mpanjaka nahatoky taloha, toa an’i Isaia, i Daniela ary i Davida? Tsy ravoravo ve isika manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra sambatra, eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Mpanjakantsika, ilay Mpanapaka sambatra? Mazava ho azy fa sambatra isika!
4, 5. a) Mba hitoerana ho sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, inona moa no tsy maintsy halavirintsika? b) Inona avy no zavatra sasantsasany mitondra fahasambarana, ary fanontaniana inona no aterak’izany?
4 Raha maniry hitoetra ho sambatra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika, dia tsy tokony hampiorina ireo zavatra takin’ny tenantsika mba hahazoana fahasambarana amin’ireo hevitr’izao tontolo izao. Mety hanamaizina mora foana ny fieritreretantsika izy ireo, satria tafiditra amin’izany ny harena ara-nofo, ny fomba fiaina manaitra ny maso, sy ny toy izany. Izay “fahasambarana” rehetra mifototra amin’ny zavatra toy izany dia tsy haharitra, satria mandalo ity tontolo ity. — 1 Jaona 2:15-17.
5 Takatry ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena rehetra fa tsy hitondra ny tena fahasambarana ny fahatratrarana zava-kendrena eo amin’izao tontolo izao. Ilay Raintsika any an-danitra ihany no manome ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo izay mitondra ny fahasambarana marina ho an’ny mpanompony. Velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho ny sakafo ara-panahy omeny antsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sady malina”! (Matio 24:45-47, NW). Velom-pankasitrahana koa isika noho ny sakafo ara-batana sy ireo zavatra ara-nofo hafa azontsika avy eo an-tanan’Andriamanitra be fitiavana. Eo koa ny fanambadiana izay fanomezana mahatalanjona ary ireo fifalian’ny fiainam-pianakaviana mifandray aminy. Tsy mahagaga raha voalaza amin’ireto teny manaraka ireto ny fanirian’ny fon’i Naomy momba ireo vinantovaviny nanjary mpitondratena: “Hanao fanomezana ho anareo anie i Jehovah ka mahità toeram-piadanana anie ianareo amin’izay tranon’ny vadinareo avy.” (Rota 1:9, NW). Ny fanambadiana àry dia fanalahidy iray afaka mamoha varavarana mitondra ho amin’ny fahasambarana lehibe. Kanefa ny fanambadiana ve no hany fanalahidy mamoha ny vavahady mitondra ho amin’ny fiainana sambatra? Ireo tanora indrindra no mila mandinika amim-pitandremana raha marina izany na tsia.
6. Araka ny Genesisy, inona no zava-kendren’ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana voalohany indrindra?
6 Mitantara ny niandohan’ny fanambadiana ny Baiboly ka manambara hoe: “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” (Genesisy 1:27, 28). Tamin’ny fanorenan’i Jehovah ny fanambadiana, dia nampiasaina mba hanome fiainana ho an’ny zavaboary olombelona hafa koa i Adama ka hanitatra ny taranak’olombelona. Kanefa nisy zavatra be lavitra noho izany tafiditra tamin’ny fanambadiana.
“Ao amin’ny Tompo ihany”
7. Fitakiana momba ny fanambadiana inona no niezahan’ny patriarka nahatoky iray mafy ny hanatanteraka azy?
7 Koa satria i Jehovah Andriamanitra no Loharanon’ny fanambadiana, dia ampoizintsika ny hamerany fari-pitsipika ho amin’ny fanambadiana izay hitondra fahasambarana ho an’ny mpanompony. Tamin’ny andron’ireo patriarka, dia nosakanana mafy ny fanambadiana olona tsy nanompo an’i Jehovah. Nasain’i Abrahama nianiana tamin’i Jehovah i Eliezera mpanompony fa tsy haka vady avy amin’ireo Kananita ho an’i Isaka zanakalahin’ilay patriarka. Nanao dia lava i Eliezera ary nanaraka tamim-pitandremana aoka izany ireo toromarik’i Abrahama mba hahitana ‘ilay vehivavy izay notendren’i Jehovah ho an’ny zanakalahin’ny tompony’. (Genesisy 24:3, 44). Nanambady an’i Rebeka àry i Isaka. Rehefa nifidy vady avy tamin’ireo Hitita mpanompo sampy i Esao zanak’izy ireo, dia “nangidy tamin’ny fanahin’Isaka sy Rebeka indrindra” ireny vadiny ireny. — Genesisy 26:34, 35; 27:46; 28:1, 8.
8. Fameperana inona no nampiharin’ny faneken’ny Lalàna teo amin’ny fanambadiana, ary nahoana?
8 Teo ambanin’ny Faneken’ny Lalàna, dia norarana ny fanambadiana lehilahy na vehivavy anisan’ny firenena kananita voalaza mazava tsara. Nanome baiko ny vahoakany toy izao i Jehovah: “Aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy. Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah, ka handringana anao vetivety Izy.” — Deoteronomia 7:3, 4.
9. Torohevitra momba ny fanambadiana inona no omen’ny Baiboly ny Kristiana?
9 Tsy mahagaga raha mihatra amin’ny kongregasiona kristiana koa ny fameperana mitovy amin’izany ny amin’ny fanambadiana olona tsy mpanompon’i Jehovah. Nananatra ireo mpiray finoana taminy toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino?” (2 Korintiana 6:14, 15). Mihatra amin’ny lafin-javatra maro io torohevitra io ary azo ampiharina tokoa amin’ny fanambadiana. Ny toromarika mazava nomen’i Paoly ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena rehetra dia ny tsy tokony hieritreretany hanambady olona iray “raha tsy tafaray ao amin’ny Tompo ihany izy io”. — 1 Korintiana 7:39, NW misy fakàn-teny, fanamarihana ambany pejy.
Tsy afaka manambady “ao amin’ny Tompo”
10. Inona no ataon’ny Kristiana tsy manambady maro, ary fanontaniana inona no mipoitra?
10 Kristiana mpitovo maro no nifidy ny hanaraka ny ohatr’i Jesosy Kristy amin’ny fambolena ny fahaiza-mitoetra ho mpitovo. Etsy an-danin’izany koa anefa, noho izy ireo tsy afaka mahita amin’izao fotoana izao vady matahotra an’Andriamanitra ka hanambady “ao amin’ny Tompo”, dia Kristiana mahatoky maro no nametraka ny fitokiany tamin’i Jehovah ary nitoetra ho mpitovo toy izay hanambady tsy mpino. Mitondra ao amin’izy ireo vokatra toy ny fifaliana, fiadanana, finoana ary fifehezan-tena, ny fanahin’Andriamanitra ka manampy azy ireo hihazona fitoerana ho mpitovo madio. (Galatiana 5:22, 23, NW). Anisan’ireo nandalo tamim-pahombiazana io fitsapana ny fifikirany amin’Andriamanitra io ireo anabavintsika kristiana maro be, izay hajaintsika lalina indrindra. Any amin’ny tany samihafa, dia maro kokoa noho ny rahalahy izy ireo, ka noho izany dia mandray anjara bebe kokoa amin’ny asa fitoriana. Tena marina àry fa “Ny Tompo [Jehovah, NW] manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe”. (Salamo 68:11). Raha ny marina, maro amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy manambady, na lahy na vavy, no mihazona tsy fivadihana satria ‘matoky an’i Jehovah amin’ny fony rehetra, ary izy no mandamina ny lalany’. (Ohabolana 3:5, 6). Kanefa moa ve ireo izay tsy afaka manambady “ao amin’ny Tompo” amin’izao fotoana izao azo antoka fa tsy ho sambatra?
11. Afaka mahazo antoka ny amin’inona moa ireo Kristiana izay mitoetra ho mpitovo noho ny fanajana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly?
11 Aoka hotadidintsika fa Vavolombelon’i Jehovah, ilay Andriamanitra sambatra, isika, manompo eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanapaka sambatra. Koa raha manosika antsika hitoetra ho mpitovo àry ny fanajantsika ireo fameperana voasoritra mazava ao amin’ny Baiboly, satria tsy mahita vady “ao amin’ny Tompo” isika, moa ve araka ny fandrindran-kevitra ny hieritreretana fa hamela antsika tsy ho sambatra Andriamanitra sy i Kristy? Azo antoka fa tsia. Noho izany, dia tsy maintsy manatsoaka hevitra isika fa azo atao ny ho sambatra amin’ny maha-Kristiana tsy manambady. Afaka manao izay haha-tena sambatra marina antsika i Jehovah, na manambady isika na mpitovo.
Ny fanalahidin’ny fahasambarana marina
12. Inona no asehon’ny ohatr’ireo anjely tsy nankatò, raha ny amin’ny fanambadiana?
12 Tsy ny hany fanalahidin’ny fahasambarana ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra akory ny fanambadiana. Raiso ho ohatra, ireo anjely. Talohan’ny Safodrano, dia nisy anjely namboly faniriana izay tsy voajanahary eo amin’ireo zavaboary ara-panahy, ka nanjary tsy afa-po tamin’ny tsy fahafahany hanambady, ary naka vatana ara-nofo mba hakana vehivavy ho vadiny. Satria “nandao ny fonenany” ireo anjely ireo, dia “voahazony [Andriamanitra] amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe [izy ireo].” (Joda 6; Genesisy 6:1, 2). Mazava fa tsy nataon’Andriamanitra hanambady na oviana na oviana ireo anjely. Koa tsy nety ho ny fanalahidin’ny fahasambaran’izy ireo àry ny fanambadiana.
13. Nahoana no sambatra ireo anjely masina, ary inona no asehon’izany amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra?
13 Kanefa, ireo anjely mahatoky dia sambatra. Nametraka ny fototry ny tany i Jehovah ka ‘nampiara-nihira ireo kintan’ny maraina sy nampihoby ireo zanak’Andriamanitra [anjely] rehetra’. (Joba 38:7). Nahoana no sambatra ireo anjely masina? Satria manompo an’i Jehovah Andriamanitra tsy an-kijanona izy ireo, “mihaino ny feon’ny teniny” mba hanatanterahana azy. Ravoravo izy ireo “manao ny mahafinaritra azy”. (Salamo 103:20, 21, NW misy fakàn-teny, fanamarihana ambany pejy). Eny, ny fahasambaran’ireo anjely masina dia avy amin’ny fanompoany an’i Jehovah amim-pahatokiana. Izany koa no fanalahidin’ny tena fahasambarana ho an’ny olombelona. Mifandray amin’izany, ireo Kristiana voahosotra manambady manompo an’Andriamanitra amim-pahasambarana ankehitriny dia tsy hanambady rehefa ho tafatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra, kanefa ho sambatra izy ireo amin’ny maha-zavaboary ara-panahy manao ny sitrapon’Andriamanitra. Na manambady àry izy ireo na mpitovo, ny mpanompon’i Jehovah mahatoky rehetra dia afaka ny ho sambatra, satria ny tena fototry ny fahasambarana dia ny fanompoana atao amim-pahatokiana ho an’ny Mpamorona.
“Tsara lavitra noho ny zanakalahy sy ny zanakavavy”
14. Fampanantenana ara-paminaniana inona no nomena ireo ionoka natahotra an’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahizay, ary nahoana izany no mety ho toa hafahafa?
14 Na dia tsy manambady mihitsy aza ny Kristiana tsy mivadika iray, dia afaka miantoka ny fahasambaran’izany olona izany Andriamanitra. Azo atao ny misintona fampaherezana avy amin’ireto teny natao ara-paminaniana tamin’ireo ionoka teo amin’ny Isiraely fahizay, ireto: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny amin’ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko, dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny màndako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ny [noho ny, NW] zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.” (Isaia 56:4, 5). Nety ho nisy nanampo ny homena vady sy zanaka ireny olona ireny mba hampaharitra ny anarany. Kanefa nampanantenaina “zavatra tsara lavitra noho ny zanakalahy sy zanakavavy” kosa izy ireo — anarana izay haharitra ao an-tranon’i Jehovah.
15. Inona no azo lazaina momba ny fahatanterahan’ny Isaia 56:4, 5?
15 Raha toa ka sary natao hampiseho ara-paminaniana “ny Isiraelin’Andriamanitra” ireo ionoka ireo, dia mampiseho ireo voahosotra izay mahazo toerana maharitra ao amin’ny trano na tempolin’i Jehovah ara-panahy. (Galatiana 6:16). Tsy isalasalana fa io faminaniana io dia hanana fahatanterahana ara-bakiteny eo amin’ireo ionoka natahotra an’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahizay izay hatsangana amin’ny maty. Raha manaiky ny sorom-panavotan’i Kristy izy ireo ka manohy ny hifidy izay sitrak’i Jehovah, dia handray “anarana mandrakizay” ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Izany dia ho azo ampiharina koa amin’ireo anisan’ny “ondry hafa” amin’izao fotoan’ny farany izao izay mahafoy ny fanambadiana sy ny fananana anaka mba hanokanana ny tenany amin’ny fomba feno kokoa ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Jaona 10:16). Mety ho faty tsy manambady na tsy manan-janaka ny sasany amin’izy ireo. Kanefa, raha mahatoky izy ireo, dia handray, amin’ny fitsanganana amin’ny maty, zavatra “tsara lavitra noho ny zanakalahy sy ny zanakavavy” — anarana “izay tsy hesorina” ao amin’ny fandehan-javatra vaovao.
Tsy ny hany fanalahidin’ny fahasambarana ny fanambadiana
16. Nahoana no azo lazaina fa tsy mitondra fahasambarana foana ny fanambadiana?
16 Misy mihevitra fa tsy misaraka amin’ny fanambadiana ny fahasambarana. Tsy maintsy ekena anefa fa, na dia eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao aza, dia tsy mitondra fahasambarana foana ny fanambadiana. Mandamina zava-manahirana sasany izy io, nefa matetika dia miteraka zava-manahirana hafa izay sarotra zakaina kokoa noho ny an’ireo hitan’ny mpitovo. Nilaza i Paoly fa ny fanambadiana dia mitondra ‘fahoriana amin’ny nofo’. (1 Korintiana 7:28). Misy fotoana izay ‘hampanahy’ sy ‘hampizarazara’ ny olona manambady iray. Hitany matetika fa sarotra ny “fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana”. — 1 Korintiana 7:33-35, NW.
17, 18. a) Tatitra inona no nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sasany? b) Torohevitra inona no nomen’i Paoly, ary nahoana no mitondra soa ny fampiharana azy io?
17 Ny fanambadiana sy ny fitoerana ho mpitovo dia samy fanomezana avy amin’Andriamanitra. (Rota 1:9, NW; Matio 19:10-12, NW). Mba hahombiazana amin’ireo toetra roa ireo anefa, dia tena ilaina ny fisaintsainana izany amim-bavaka. Manao tatitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sasany fa misy Vavolombelona manambady raha mbola tanora loatra, ary matetika dia tonga ray aman-dreny alohan’ny maha-vonona azy hiantsoroka ireo andraikitra aterak’izany. Rava ny sasany amin’ireny fanambadiana ireny. Ny mpivady sasany mahavita mizaka ihany, kanefa tsy nitondra fahasambarana ho azy ny fanambadiany. Araka ny nosoratan’i William Congreve, mpanoratra tantara an-tsehatra anglisy iray, ireo izay maika ny hanambady dia “mety hanam-potoana malalaka hanenenana”.
18 Manao tatitra koa ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany fa misy rahalahy tanora sasany miahotra ny hangataka hanao ny fanompoana ao amin’ny Betela na hanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny Sekolin’ny Fampiofanana ho an’ny Fanompoana, noho ny fitakiana aminy ny hitoerany ho mpitovo mandritra ny fotoana sasantsasany. I Paoly anefa dia nanome torohevitra mba tsy hanambadiana alohan’ny ‘handaozana ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana’, izany hoe mba hiandry mandra-pihenan’ny fanonjan’ny faniriana eo amin’ny maha-lahy na maha-vavy voalohany. (1 Korintiana 7:36-38, NW). Ireo taona lanin’ny olona iray iainana amin’ny maha-mpitovo dia manome azy fanandraman-javatra sy fahaiza-mijery zavatra sarobidy, ka mametraka azy eo amin’ny toerana tsara kokoa mba hifidy izay ho vadiny, na hanao ny fanapahan-kevitra nodinihina tamim-pitandremana ny hitoetra ho mpitovo.
19. Ahoana no mety ho fomba fijerintsika zavatra raha tsy dia mila ny fanambadiana isika?
19 Ny sasany amintsika dia efa nandalo ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana, miaraka amin’ny fanosehany mafy ho amin’ny fifandraisana akaiky eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Indraindray isika dia mety hisaintsaina ireo fitahiana entin’ny fanambadiana, kanefa, raha ny tena izy, dia manana ny fahaiza-mitoetra ho mpitovo. Mety ho hitan’i Jehovah fa manompo azy amin’ny fomba mandaitra amin’ny fahaiza-mitoetra ho mpitovo isika ka tsy dia mila ny fanambadiana izay mety hitaky ny hamoizantsika tombontsoa sasany eo amin’ny fanompoana azy. Raha tsy ilain’ny tenantsika manokana ny fanambadiana ka tsy notahina tamin’ny fahazoana vady isika, dia mety ho nanomana zavatra hafa ho antsika Andriamanitra. Aoka àry isika haneho finoana fa hanome antsika izay ilaintsika izy. Ny fahasambarana lehibe indrindra dia azo avy amin’ny fanekena amim-panetren-tena izay toa miseho fa sitrapon’Andriamanitra ho antsika, dia toy ireo rahalahy jiosy izay ‘nanaiky sy nankalaza an’Andriamanitra’ nony takany fa nanome fibebahana an’ireo Jentilisa izy mba hahafahan’izy ireo hahazo fiainana. — Asan’ny Apostoly 11:1-18, NW.
20. a) Torohevitra momba ny fitoerana ho mpitovo inona no omena eto ho an’ireo Kristiana tanora? b) Hevitra fototra momba ny fahasambarana inona no mitoetra ho marina?
20 Koa mety ho fanalahidy iray ho an’ny fahasambarana àry ny fanambadiana, na dia mety hanokatra ny varavarana ho an’ny zava-manahirana aza izy io. Zavatra iray no azo antoka: Tsy ny fanambadiana ihany no hany fomba hahitana fahasambarana. Rehefa dinihina ny zavatra rehetra, dia hampiseho fahendrena ireo izay manandrana ny hanome toerana ho an’ny fitoerana ho mpitovo mandritra ny taona maromaro, indrindra fa ireo Kristiana tanora. Azo ampiasaina tsara mba hanompoana an’i Jehovah sy handrosoana eo amin’ny fahasalamana ara-panahy ireo taona ireo. Na manao ahoana na manao ahoana anefa taonany na fandrosoana ara-panahy vitany, izao hevitra fototra izao dia mitoetra ho marina ho an’ireo nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’Andriamanitra: Ny fahasambarana marina dia hita eo amin’ny fanompoana atao amim-pahatokiana ho an’i Jehovah.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no sambatra ireo mpanompon’i Jehovah?
◻ Nahoana ny fanambadiana no tsy ny fanalahidin’ny fahasambarana lehibe indrindra?
◻ Raha ny amin’ny fifidianana izay ho vadiny, inona moa no takina amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny fotoana rehetra?
◻ Nahoana no araka ny fandrindran-kevitra ny finoana fa afaka ny ho sambatra ny Kristiana izay mitoetra ho mpitovo?
◻ Inona no tsy maintsy ekena momba ny fanambadiana sy ny fahasambarana?