-
Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
6 Nanao ny fanompoan-tsampiny hatraiza hatraiza ny Joda: teny ambany hazo lehibe, teny amin’ny lohasahan-driaka, teny ambony havoana, tao an-tanàna. Hitan’i Jehovah anefa izany rehetra izany, ka nalany sarona toy izao ilay firenena nikororosy fahana: “Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao.” (Isaia 57:7, 8a) Teny amin’ireo fitoerana avo no nanaovan’ny Joda ny fandriany feno fahalotoana ara-panahy, sy nanolorany fanatitra ho an’andriamanitra vahiny.a Na ny tranon’ny olona aza nahitana sampy tao ambadiky ny varavarana sy tolam-baravarana.
-
-
Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
a Ny alitara na ny toerana nanompoan-tsampy angamba no tondroin’ny hoe ‘fandriana.’ Io teny io dia mampahatsiahy fa fijangajangana ara-panahy io fivavahana io.
-