Mitaky ny Fifadian-kanina ve Andriamanitra?
NY LALÀN’ANDRIAMANITRA nomena tamin’ny alalan’i Mosesy dia tsy nitaky ny fifadian-kanina afa-tsy tamin’ny tarehin-javatra iray monja — dia tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona. Ilay Lalàna dia nandidy ny Isiraelita mba ‘hampahory ny tenany’ tamin’io andro io, ary izany dia heverina fa midika hoe nifady hanina izy ireo. (Levitikosy 16:29-31; 23:27; Salamo 35:13). Kanefa, tsy fombafomba fotsiny io fifadian-kanina io. Ny fitandremana ilay Andro Fanavotana dia nanosika ny vahoakan’ny Isiraely hahatsapa bebe kokoa fa mpanota izy ireo ary nila fanavotana. Nifady hanina koa izy ireo tamin’io andro io, ho fanehoana alahelo noho ny fahotany sy fibebahana teo anatrehan’Andriamanitra.
Na dia io aza no hany fifadian-kanina teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nitandrina fifadian-kanina tamin’ny tarehin-javatra hafa, ny Isiraelita. (Eksodosy 34:28; 1 Samoela 7:6; 2 Tantara 20:3; Ezra 8:21; Estera 4:3, 16). Tafiditra tamin’ireny ireo fifadian-kanina an-tsitrapo, ho toy ny fomba hanehoana fibebahana. Nampirisika mafy ny vahoakan’ny Joda naniasia toy izao, i Jehovah: “Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.” Tsy natao ho fisehoana ivelany akory izany, satria nanohy ny teniny toy izao Andriamanitra: “Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo”. — Joela 2:12-15.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia maro no nifady hanina ho toy ny fombafomba ivelany fotsiny. Halan’i Jehovah ny fifadian-kanina tsy nisy fahatsoram-po toy izany, noho izany, dia nanontaniany toy izao ireo Isiraelita nihatsaravelatsihy: “Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, — moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’i Jehovah?” (Isaia 58:5). Toy izay hampideradera ny fifadiany hanina, io vahoaka naditra io dia nasaina namokatra asa mendrika ny fibebahana.
Ireo fifadian-kanina sasany naorin’ny Jiosy dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra hatrany am-boalohany mihitsy. Ohatra, nisy fotoana nananan’ny vahoakan’ny Joda fifadian-kanina efatra isan-taona, mba hahatsiarovana ireo fisehoan-javatra feno loza nifandray tamin’ny fanaovana fahirano sy ny fanafoanana an’i Jerosalema, tamin’ny taonjato fahafito al.f.i. (2 Mpanjaka 25:1-4, 8, 9, 22-26; Zakaria 8:19). Rehefa tafavoaka avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ny Jiosy, dia niteny toy izao tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminany, i Jehovah: “Raha nifady hanina (...) tamin’izao fito-polo taona izao, hianareo moa nifady ho Ahy va hianareo?” Tsy nankasitrahan’Andriamanitra ireny fifadiana ireny, satria nifady hanina sy nisaona ny Jiosy, noho ireo didim-pitsarana navoakan’ny tenan’i Jehovah ihany. Nifady hanina izy ireo noho ny loza nanjo azy, fa tsy noho ny zava-dratsy nataon’ny tenan’izy ireo, ka nitarika ho amin’izany loza izany. Rehefa tafaverina tany an-tanindrazana izy ireo, dia fotoana tokony hifaliany tamin’izay, fa tsy fotoana tokony halahelovana ny lasa. — Zakaria 7:5.
Natao ho an’ny Kristiana ve ny fifadian-kanina?
Na dia tsy nandidy na oviana na oviana ny mpianany hifady hanina aza i Jesosy Kristy, dia nifady hanina izy mbamin’ireo mpanara-dia azy tamin’ny Andro Fanavotana, satria teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, izy ireo. Fanampin’izany, ny mpianany sasany dia nifady hanina an-tsitrapo tamin’ny tarehin-javatra hafa, satria i Jesosy dia tsy nanoro hevitra azy ireo mba hanalavitra tanteraka io fanao io. (Asan’ny Apostoly 13:2, 3; 14:23). Kanefa, tsy tokony ‘hampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ny olona fa mifady.’ (Matio 6:16). Ny fampisehoana fitiavam-pivavahana etỳ ivelany toy izany, dia mety hitarika ny olon-kafa hanopy maso ho fiderana, sy haneho fankasitrahana. Na dia izany aza, dia tsy mampifaly an’Andriamanitra ny fampideraderana toy izany. — Matio 6:17, 18.
Niresaka koa momba ny fifadian’ny mpanara-dia azy hanina tamin’ny fotoana hahafatesany, i Jesosy. Tsy nanorina fifadian-kanina ara-pomba akory izy tamin’izany. Nasehony tamin’izany kosa ny vokatry ny alahelo lalina ho tsapan’izy ireo. Rehefa ho tafatsangana amin’ny maty izy, dia hiaraka amin’izy ireo indray, ary tsy hisy intsony antony hifadiany hanina. — Lioka 5:34, 35.
Nifarana ny Lalàn’i Mosesy rehefa “natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro”, i Kristy. (Hebreo 9:24-28). Ary nifarana niaraka tamin’ny Lalàna, ilay didy momba ny hifadiana hanina tamin’ny Andro Fanavotana. Toy izany no nanesorana ilay hany fifadian-kanina tsy maintsy natao, voalaza ao amin’ny Baiboly.
Ahoana ny amin’ny Karemy?
Inona àry no fototra iorenan’ny fifadian-kanina ataon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mandritra ny Karemy? Samy manaiky ny Karemy ny Katolika sy ny Protestanta, na dia samy hafa aza ny fomba fankalazana azy, arakaraka ny fiangonana. Ny sasany tsy misakafo afa-tsy indray mandeha isan’andro, mandritra ilay fe-potoana 40 andro maninjitra alohan’ny Paka. Ny hafa mifady tanteraka amin’ny Alarobian’ny Lavenona sy ny Zoma Masina ihany. Ho an’ny sasany, ny Karemy dia mitaky ny hifadiana hena, trondro, atody, sy ireo zavatra azo avy amin’ny ronono.
Heverina fa miorina amin’ny fifadian-kanina nataon’i Jesosy naharitra 40 andro, taorian’ny batisany, ny Karemy. Nanorina fombafomba iray tsy maintsy narahina isan-taona ve izy tamin’izay? Tsy izany velively. Miharihary izany amin’ny tsy fisian’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly momba ny fanao toy izany, teo anivon’ireo Kristiana tany am-boalohany. Tamin’ny taonjato fahefatra taorian’i Kristy no nitandremana voalohany ny Karemy. Sahala amin’ireo fampianarana maro hafan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia nindramina avy tamin’ny mpanompo sampy izy io.
Raha toa ka natao ho fanahafana ny fifadian-kanina nataon’i Jesosy tany an’efitra taorian’ny batisany ny Karemy, nahoana izy io no tandremana mandritra ireo herinandro mitarika ho amin’ny Paka — izay heverina fa fotoana nitsanganany tamin’ny maty? I Jesosy dia tsy nifady hanina nandritra ireo andro nialoha ny hahafatesany. Ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara dia manondro fa izy mbamin’ireo mpianany dia nitsidika tokantrano ary nisakafo tao Betania, andro vitsy monja talohan’ny hahafatesany. Ary nihinana ny Paska izy, ny alina talohan’ny hahafatesany. — Matio 26:6, 7; Lioka 22:15; Jaona 12:2.
Misy zavatra tokony hianarana avy amin’ilay fifadian-kanina nataon’i Jesosy taorian’ny batisany. Nanomboka fanompoana iray tena lehibe izy. Tafiditra tamin’izany ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy ny hoavin’ny taranak’olombelona manontolo. Fotoana hisaintsainana lalina tamin’izay, ary fotoana hitodihana tamim-bavaka tany amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana sy tari-dalana. Nety ny nifadian’i Jesosy hanina nandritra izany fotoana izany. Izany dia manambara fa azo andraisan-tsoa ny fifadian-kanina, rehefa atao noho ny antony manosika tsara sy amin’ny tarehin-javatra mifanentana. — Ampitahao amin’ny Kolosiana 2:20-23.
Rehefa azo andraisan-tsoa ny fifadian-kanina
Andeha isika handinika fotoana sasany amin’izao andro izao, izay mety hifadian’ny mpivavaka amin’Andriamanitra, hanina. Mety tsy haniry hihinan-kanina mandritra ny fe-potoana iray ny olona iray nanao fahotana. Izany dia tsy natao hanairana ny hafa, na hanehoana hatezerana noho ny famaizana nampiharina. Ary, mazava ho azy fa tsy hanitsy ilay tarehin-javatra eo anatrehan’Andriamanitra ny fifadian-kanina fotsiny. Kanefa, ny olona iray mibebaka marina dia hahatsapa alahelo lalina noho izy nandratra ny fihetseham-pon’i Jehovah, ary azo inoana fa ny an’ireo namana sy fianakaviana koa. Ny alahelo be sy ny vavaka feno hafanam-po atao mba hahazoana famelan-keloka, dia mety hisakana ny faniriana hihinan-kanina.
Niaina tao amin’ny tarehin-javatra nitovy tamin’izany i Davida, Mpanjakan’ny Isiraely. Rehefa niatrika ny mety hamoizany ilay zanany tamin’i Batseba izy, dia nampifantoka ny ezaka rehetra nataony tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah, mba hahazoana famindram-po ho an’ilay zaza. Raha mbola nifantoka tamin’ilay vavaka ny fihetseham-pony sy ny heriny, dia nifady hanina izy. Toy izany koa, fa mety tsy hifanentana ny hihinanana rehefa ao anatin’ny toe-javatra mampihenjana sasany, misy amin’izao andro izao. — 2 Samoela 12:15-17.
Mety hisy koa fotoana hanirian’ny olona iray tia an’Andriamanitra hifantoka amin’ny raharaha ara-panahy lehibe sasany. Mety ho tena ilaina ny hanaovana fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. Mety hilaina ny fe-potoana iray hisaintsainana. Mandritra ny fotoam-pianarana maha-revo tanteraka toy izany, dia mety hifidy ny tsy hohelingelenin’ny fihinanan-tsakafo, ny olona iray. — Ampitahao amin’ny Jeremia 36:8-10.
Misy ohatra araka ny Soratra Masina ny amin’ny mpanompon’Andriamanitra izay nifady hanina tamin’ny fotoana tsy maintsy nandraisany fanapahan-kevitra lehibe. Tamin’ny andron’i Nehemia, dia nisy fianianana tsy maintsy natao tamin’i Jehovah, ary ho voaozona ny Jiosy raha nandika azy io. Tsy maintsy nampanantena ny hisaraka tamin’ny vadiny hafa firenena izy ireo, ary hitoetra ho tafasaraka tamin’ireo firenena nanodidina. Talohan’ny nanaovany an’io fianianana io sy nandritra ny fiekeny heloka, dia nifady hanina ilay kongregasiona manontolo. (Nehemia 9:1; 10:1, 30, 31). Rehefa miatrika fanapahan-kevitra mafonja ny Kristiana iray, dia mety tsy hihinan-kanina mandritra ny fe-potoana fohy izy, noho izany.
Nampiarahina tamin’ny fifadian-kanina indraindray ny fandraisana fanapahan-kevitra teo amin’ny fitambaran-doholona, tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany. Amin’izao andro izao, ireo loholon’ny kongregasiona izay miatrika fanapahan-kevitra sarotra, angamba mifandray amin’ny raharaha ara-pitsarana iray, dia mety tsy hanendry hanina mandritra ny fandinihana ilay raharaha.
Ny fifidianana ny hifady hanina amin’ny toe-javatra sasany, dia fanapahan-kevitry ny tsirairay. Tsy tokony hitsara ny hafa ny olona iray ny amin’io raharaha io. Tokony tsy hirintsika ny ‘hiseho amin’ny olona ho marina’; na ny hanao ny hanina ho zava-dehibe aoka izany, hany ka manakantsakana ny fiantsorohantsika ireo adidintsika lehibe, izany. (Matio 23:28; Lioka 12:22, 23). Ary asehon’ny Baiboly fa Andriamanitra dia sady tsy mitaky ny hifadiantsika hanina, no tsy mandrara antsika tsy hifady hanina koa.
[Sary, pejy 7]
Fantatrao ve ny antony nifadian’i Jesosy hanina nandritra ny 40 andro, taorian’ny batisany?