-
Fifaliana ho An’ireo Mandeha ao Amin’ny FahazavanaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Martsa
-
-
2 Raha ataontsika ao an-tsaina izany, dia ho afaka hahatakatra ny maha zava-dehibe ilay toe-javatra nolazalazain’i Isaia mpaminany, isika. Hoy izy: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena”. (Isaia 60:2). Mazava ho azy fa tsy miresaka ny amin’ny haizina ara-bakiteny akory izy eto. Tsy te hilaza akory i Isaia hoe indray andro any dia tsy hamiratra intsony ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. (Salamo 89:36, 37; 136:7-9). Haizina ara-panahy kosa no noresahiny teo. Mahafaty anefa ny haizina ara-panahy. Rehefa ela ny ela, dia tsy afaka miaina tsy misy fahazavana ara-panahy isika, toy ny tsy ahafahantsika miaina tsy misy fahazavana ara-bakiteny.—Lioka 1:79.
3. Inona no tokony hataon’ny Kristianina, rehefa heverina ireo tenin’i Isaia?
3 Rehefa heverina izany, dia tena mampanahy mafy ny manamarika fa misy fahatanterahany lehibe kokoa ankehitriny ireo tenin’i Isaia ireo, na dia efa tanteraka tamin’i Joda fahiny aza. Eny, rakotry ny haizina ara-panahy izao tontolo izao, amin’izao androntsika izao. Tena faran’izay zava-dehibe ny fahazavana ara-panahy, ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza toy izany. Noho izany, dia fahendrena ho an’ny Kristianina ny manaraka ity fampirisihan’i Jesosy ity: “Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo”. (Matio 5:16). Afaka mampisava ilay haizina, mba ho tombontsoan’ireo mpandefitra, ny Kristianina mahatoky, ka hanome azy ireo fahafahana hahazo fiainana.—Jaona 8:12.
-
-
Fifaliana ho An’ireo Mandeha ao Amin’ny FahazavanaNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Martsa
-
-
4. Oviana no tanteraka voalohany ireo teny ara-paminanian’i Isaia, kanefa inona no toe-javatra efa nisy tamin’ny androny?
4 Tanteraka voalohany ny tenin’i Isaia momba ny hisian’ny haizina hanarona ny tany, fony lao i Joda ary tany an-tsesitany tany Babylona ny mponina tao aminy. Na dia talohan’izay aza anefa, dia maro tamin’ilay firenena no efa tao anatin’ny haizina ara-panahy, tamin’ny andron’i Isaia. Izany indrindra no nanosika azy hampirisika mafy ireo mpiray tanindrazana taminy, nanao hoe: “Ry taranak’i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah”!—Isaia 2:5; 5:20.
-