-
MpanompoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
I Jehovah mihitsy no nanendry an’i Jesosy. “Nisokatra ny lanitra” rehefa vita batisa izy, “ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Io no Zanako malalako, izay sitrako.’” (Mt 3:16, 17) Efa nanompo an’i Jehovah ela be i Jesosy tamin’izy tany an-danitra. Fanompoana hafa indray anefa izao no hataony. Tena nanompo an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona taminy izy. Novakiny tao amin’ny synagogan’i Nazareta, tanàna nahabe azy, ny Isaia 61:1, 2 hoe: “Ny fanahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony no ato amiko, satria i Jehovah nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra. Naniraka ahy izy mba hamehy ny ratran’ny torotoro fo; hanambara fahafahana amin’ny babo sy fampahiratana ny mason’ny voafonja; hanambara ny taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” Hoy izy avy eo: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.”—Lk 4:16-21.
-
-
ValifatyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Amin’ny fotoana voatondrony. Efa misy fotoana nofidin’Andriamanitra hamaliana ny ratsy rehetra nataon’ny fahavalony. Nirahina hanambara ny “andro famalian’Andriamanitsika”, ohatra, i Isaia mpaminany. Novalian’Andriamanitra ny nataon’i Babylona (izay nampahory ny vahoakany) rehefa resin’ny tafik’i Media-Persa izy io tamin’ny 539 T.K. (Is 61:1, 2; 13:1, 6, 9, 17) Nisy nampiharin’i Jesosy Kristy tamin’ny tenany (Lk 4:16-21) ny faminanian’i Isaia (61:1, 2). Marina fa tsy notononiny ilay hoe ‘andro famaliana’, nefa azo antoka fa nambarany ny hiavian’io “andro” io, izay tonga rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70. Nilaza izy fa tokony handositra hiala tao ny mpianany raha vao hitan’izy ireo mitoby manodidina azy io ny tafika (romanina), “fa andro famaliana izany, mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.”—Lk 21:20-22.
-