-
“Anaram-baovao”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
“Anaram-baovao” nomen’i Jehovah
6. Inona no noeritreretin’i Jehovah homena an’i Ziona?
6 Inona no noeritreretin’i Jehovah homena an’i Ziona, ilay ‘vady nampakariny’ any an-danitra, izay mifanitsy amin’i Jerosalema fahiny? Hoy izy: “Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao hianao, izay hotononin’ny vavan’i Jehovah.” (Isaia 62:2) Voatery nahita ny nitandreman’ny Isiraelita ny fahamarinana ireo firenena. Na ireo mpanjaka aza voatery nanaiky fa nampiasa an’i Jerosalema i Jehovah, ary tena tsinontsinona ny fitondran’izy ireo raha ampitahaina amin’ny Fanjakan’i Jehovah.—Isaia 49:23.
7. Mampiseho inona ilay anarana vaovaon’i Ziona?
7 Nanome anaram-baovao an’i Ziona i Jehovah izao, mba hanamarinana fa niova ny toe-javatra nisy azy io. Nasehon’io anarana vaovao io fa nahazo fitahiana sy nomem-boninahitra ny zanak’i Ziona teto an-tany nanomboka tamin’ny 537 T.K.a Nasehon’izy io koa fa neken’i Jehovah ho fananany i Ziona. Mientam-po ny Isiraely ara-panahy ankehitriny, satria ankasitrahan’i Jehovah toy izany, ary miara-mifaly aminy ny ondry hafa.
-
-
“Anaram-baovao”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
a Milaza fahazoana toerana na tombontsoa vaovao indraindray ny hoe “anaram-baovao”, ao amin’ny Baiboly.—Apokalypsy 2:17; 3:12.
-