Toko 18
Horohoron-tany Amin’ny Andron’ny Tompo
1, 2. a) Manao ahoana ny miaina ao anatin’ny horohoron-tany mahery? b) Inona no nitranga, rehefa nosokafana ny tombo-kase fahenina?
EFA niaina tao anatin’ny horohoron-tany lehibe ve ianao? Tsy mahafinaritra ilay izy. Manomboka amin’ny feo mirohondrohona be ny horohoron-tany sasany, ary mihilangilana miankavia sy miankavanana ny tany ka mahafanina. Mitady fialofana haingana ianao, angamba ao ambany latabatra, nefa mihamafy ilay fihetsehany, ary miato kely dia mitohy. Amin’ny horohoron-tany hafa kosa, dia mihovotrovotra tampoka ny tany, ka manjera fanaka na trano mihitsy izany. Mety mbola hitombo ny fahoriana aterany, satria mbola hiverina ilay izy, ary mety ho imbetsaka aza.
2 Ataovy an-tsaina izany, ary eritrereto izay nolazain’i Jaona, rehefa nosokafana ny tombo-kase fahenina: “Ary nijery aho rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, ary nisy horohoron-tany lehibe.” (Apokalypsy 6:12a) Tanteraka mandritra ny andron’ny Tompo izany, toa an’ireo fisehoan-javatra mifandray amin’ny famahana ireo tombo-kase hafa ihany. Oviana tao anatin’ny andron’ny Tompo anefa izany, ary ara-bakiteny sa an’ohatra ilay horohoron-tany?—Apokalypsy 1:10.
3. a) Inona no famantarana nolazain’i Jesosy momba ny fanatrehany? b) Inona no ifandraisan’ny horohoron-tany ara-bakiteny amin’ilay horohoron-tany lehibe an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy 6:12?
3 Resahina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny horohoron-tany ara-bakiteny sy an’ohatra. Niresaka momba ny “horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa” i Jesosy, tao amin’ny faminaniany momba ny fanatrehany. Ho anisan’ny “fiandohan’ny fahoriana” izany. Tena nampahory ny olona ny horohoron-tany, nanomboka tamin’ny 1914. Efa an’arivony tapitrisa ny mponina teto an-tany tamin’izany. (Matio 24:3, 7, 8) Ara-bakiteny anefa ireny loza ireny, na dia mahatanteraka faminaniana aza. Izy ireny dia mialoha lalana fotsiny an’ilay horohoron-tany lehibe an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy 6:12. Io mantsy no ho farany amin’ireo horohoron-tany an’ohatra mifanesy, izay handrava tanteraka ny rafitry ny tontolon’i Satana eto an-tany.a
Horohoron-tany an’ohatra
4. a) Efa oviana ny vahoakan’i Jehovah no niandry ny loza hitranga nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona ilay fe-potoana nifarana tamin’ny 1914?
4 Efa tamin’ny 1875 tany ho any ny vahoakan’i Jehovah no niandry ny loza hitranga nanomboka tamin’ny 1914, izay hanamarika ny faran’ny Andron’ny Jentilisa. Io ilay “fetr’andro fito” (2 520 taona) nanomboka tamin’ny naharavan’ny fanjakan’ny taranak’i Davida tany Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ka hatramin’ny nahalasa Mpanjaka an’i Jesosy tany Jerosalema any an-danitra, tamin’ny 1914.—Daniela 4:21, 22; Lioka 21:24, Fandikan-teny Protestanta.b
5. a) Inona no fampandrenesana nataon’i C. Russell tamin’ny 2 Oktobra 1914? b) Inona no korontana ara-politika nitranga nanomboka tamin’ny 1914?
5 Nanao fampandrenesana àry i C. Russell, nandritra ny fotoam-pivavahana maraina tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’ny 2 Oktobra 1914. Hoy izy: “Tapitra ny Andron’ny Jentilisa; nifarana ny andron’ireo mpanjakany.” Nikorontana tanteraka tokoa izao tontolo izao nanomboka tamin’ny 1914, ka nanjavona hatramin’ireo fanjakana efa naharitra ela. Rava ny fitondran’ny mpanjaka tany Rosia vokatr’ilay tolom-bahoaka tamin’ny 1917, ka nanjary nifandrafy nandritra ny fotoana ela ireo mpanohana ny Marksisma sy ny kapitalisma. Toy ny horohoron-tany mahatonga korontana eran-tany hatramin’izao ny fiovana ara-politika. Tsy maharitra herintaona na roa akory ny fitondrana maro. Ohatra amin’ny korontana ara-politika i Italia, izay nisolo governemanta im-47 tao anatin’ny 42 taona monja, taorian’ny Ady Lehibe II. Tsy maintsy miseho ireny horohoron-tany an’ohatra ireny, alohan’ny fandravana ny fitondrana rehetra. Ary inona no hitranga aorian’izay? Ny Fanjakan’Andriamanitra irery sisa no hitondra ny tany.—Isaia 9:5, 6.
6. a) Ahoana no nilazan’i H. Wells ny vanim-potoana lehibe iray vaovao? b) Inona no nolazain’ny filozofa iray sy mpitondra fanjakana iray momba ny vanim-potoana nanomboka tamin’ny 1914?
6 Nolazain’ny mpahay tantara sy filozofa ary mpitarika ara-politika fa fanombohan’ny vanim-potoana lehibe iray vaovao ny taona 1914. Nilaza toy izao i H. Wells, 17 taona taorian’io: “Satrin’ny mpaminany tokoa ny hilaza zava-mahafinaritra, saingy izay hitany ihany no tsy maintsy lazainy. Inona no hitany? Tontolo iray mbola fehezin’ny miaramila, ny olona tia tanindrazana, ny mpampanjana-bola tafahoatra, ary ny mpampiasa vola tsy ara-dalàna. Mifampiahiahy sy mifankahala ny olona, sady tsy manan-tsafidy loatra intsony, mifandrafy tsy misy toy izany ireo saranga samy hafa, ary miomana ho amin’ny ady vaovao.” Hoy i Bertrand Russell, filozofa tamin’ny 1953: “Manahy mafy izay rehetra nahita ny zava-nitranga teto an-tany nanomboka tamin’ny 1914, satria toa tsy azo ialana ny loza lehibe kokoa. ... Toa tsy afa-manoatra ny olombelona, toy ilay mahery fo tao amin’ny angano grika iray, izay nampijalin’ireo andriamanitra masiaka.” Hoy kosa i Harold Macmillan, mpitondra fanjakana tamin’ny 1980, rehefa nieritreritra ny fiandohana nahafinaritra tamin’ny taonjato faha-20: “Tokony hihatsara ny zava-drehetra, raha jerena ny fiainana tamin’izaho mbola kely. ... Very tampoka anefa ny fanantenana, indray maraina tamin’ny 1914.”
7-9. a) Inona ireo horohoron-tany an’ohatra namely ny olombelona nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona no hanjo ny olombelona, vokatr’ireo korontana mandritra ny fanatrehan’i Jesosy?
7 Nisy korontana hafa nateraky ny Ady Lehibe II. Mbola manakorontana an’izao tontolo izao koa ny ady kely kokoa sy ny fampihorohoroana eran-tany. Miaina ao anatin’ny tahotra ny maro, noho ireo mpampihorohoro sy ireo firenena mampiasa fitaovam-piadiana simika sy biolojika mandripaka olona be dia be.
8 Ankoatra ny ady, dia misy horohoron-tany an’ohatra hafa koa mahatonga korontana eto an-tany, nanomboka tamin’ny 1914. Niteraka korontana ara-toe-karena lehibe, ohatra, ny fitotongan’ny tsenam-bola amerikanina tamin’ny 29 Oktobra 1929. Io no nitarika ny Krizy Ara-toe-karena Lehibe, izay nisy vokany teo amin’ny firenena kapitalista rehetra. Teo anelanelan’ny 1932 sy 1934 no mafy indrindra io krizy io, nefa mbola tsapa hatramin’izao ny vokany. Tetika vonjimaika fotsiny no nanavotana ny toe-karen’ity tontolo ity nanomboka tamin’ny 1929. Niditra fatiantoka ireo fitondram-panjakana. Vao mainka niharatsy ny toe-karena, vokatry ny krizin’ny solika tamin’ny 1973 sy ny fitotongan’ny tsenam-bola tamin’ny 1987. Olona an-tapitrisany koa no mitrosa rehefa mividy zavatra. Maro no voafitaky ny fitadiavam-bola tsy mahomby, sy ny tetika mba hahazoam-bola be haingana, mbamin’ny lalao lôtô sy loka hafa karakarain’ny fanjakana, izay tokony hiaro ny vahoaka. Na ny mpitoriteny ao amin’ny televiziona aza dia mangataka karama an-tapitrisany dolara!—Ampitahao amin’ny Jeremia 5:26-31.
9 Nahazo fitondrana i Mussolini sy Hitler, vokatry ny korontana ara-toe-karena. Tsy ela i Babylona Lehibe dia nila sitraka tamin’izy ireo. Nanao fifanekena tamin’i Italia i Vatikana tamin’ny 1929, ary tamin’i Alemaina tamin’ny 1933. (Apokalypsy 17:5) Fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy momba ny fanatrehany tokoa ny fahoriana taorian’izany. Nilaza mantsy izy fa “ho ory ireo firenena satria ho very hevitra ... Ary hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana.” (Lioka 21:7-9, 25-31)c Mbola mitohy tokoa ny horohoron-tany an’ohatra namely ny olombelona nanomboka tamin’ny 1914.
Horohoron-tany avy amin’i Jehovah
10. a) Inona no anton’ireo korontana maro eo amin’ny fiainan’ny olombelona? b) Inona no ataon’i Jehovah, ary mba hanomanana inona?
10 Vokatry ny tsy fahaizan’ny olona mitantana ny diany ireny korontana ireny. (Jeremia 10:23) Ankoatra izany, dia miezaka mafy faramparany mba hitarika ny olona tsy hanompo an’i Jehovah i Satana, ilay menarana tany am-boalohany, izay “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” Samy maka ho azy ny olona, vokatry ny fandrosoana. Tsy misy intsony àry ny firaisan-kina, noho ny fankahalana olona avy amin’ny firenena na foko hafa. Tsy nahita vahaolana momba izany ny Firenena Mikambana, izay tsy tena mampiray saina ny firenena akory. Izao ny olona no tena manjakazaka amin’ny namany ka mampiditra loza aminy. (Apokalypsy 12:9, 12; Mpitoriteny 8:9) Misy horohoron-tany koa anefa avy amin’i Jehovah Tompo Fara Tampony, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Efa 90 taona izay no nanaovany izany, mba hanomanana ny famahana tanteraka ny olana manjo ny olombelona. Ahoana izany?
11. a) Inona ilay fanozongozonana resahin’ny Hagay 2:6, 7? b) Ahoana no ahatanterahan’ny faminanian’i Hagay?
11 Hoy ny Hagay 2:6, 7: “Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko [na hohozongozoniko] ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; ary hampihorohoroiko [na hohozongozoniko] koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Nanomboka tamin’ny 1919 indrindra no nataon’i Jehovah izay hanambaran’ny vavolombelony ny didim-pitsarany amin’ny olona rehetra. Nahazo an’io fampitandremana io ny tontolon’i Satana manontolo.d Naniry hisaraka tamin’ireo firenena, ireo ‘zavatra faniry’ na ny olona natahotra an’Andriamanitra, rehefa nihamafy ilay fampitandremana. Tsy vokatr’ireo horohoron-tany an’ohatra namely ny fandaminan’i Satana anefa izany. Rehefa hitan’izy ireo kosa ny zava-misy, dia nanapa-kevitra ny hiaraka tamin’ny voahosotra naman’i Jaona izy ireo, mba hameno voninahitra ny trano fivavahana amin’i Jehovah. Ahoana no ahatanterahan’izany? Noho ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Ho eo foana mba hanome voninahitra an’i Jehovah ilay Fanjakana tarihin’i Jesosy sy ny mpianany voahosotra, satria “fanjakana tsy azo hozongozonina” izy io.—Hebreo 12:26-29.
12. Raha nanomboka nandray ny fitoriana resahin’ny Matio 24:14 ianao, inona no tokony hataonao alohan’ilay horohoron-tany lehibe lazain’ny Apokalypsy 6:12?
12 Efa nandray izany fitoriana izany ve ianao? Moa ve ianao anisan’ireo olona an-tapitrisany nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ireo taona faramparany? Mandrosoa hatrany àry amin’ny fianaranao ny fahamarinana. (2 Timoty 2:15; 3:16, 17) Ialao tanteraka ny fomba fiaina ratsy eto amin’ity tontolon’i Satana efa ho rava ity! Miaraha avy hatrany kosa amin’ireo tena Kristianina, ary mandraisa anjara feno amin’ny asany, alohan’ilay “horohoron-tany” lehibe farany, izay hanorotoro ny tontolon’i Satana. Inona anefa io horohoron-tany lehibe io? Andeha hojerentsika.
Ilay horohoron-tany lehibe!
13. Nahoana no lazaina fa mbola tsy hitan’ny olombelona mihitsy ilay horohoron-tany lehibe?
13 Fotoanan’ny horohoron-tany ara-bakiteny sy an’ohatra tokoa izao andro farany sarotra iainana izao. (2 Timoty 3:1) Tsy iray tamin’ireny anefa ilay horohoron-tany lehibe hitan’i Jaona tamin’ny fanokafana ny tombo-kase fahenina. Ho tapitra aloha ireo horohoron-tany mpialoha lalana. Ho tonga aorian’izay ilay horohoron-tany lehibe, izay mbola tsy hitan’ny olombelona mihitsy. Lehibe tokoa izy io, ka tsy azo refesina amin’ny maridrefy Richter na fandrefesana hafa. Tsy ho eo amin’ny toerana iray fotsiny izy io, fa handrava tanteraka ny “tany” manontolo mihitsy, izany hoe ny olombelona ratsy fanahy rehetra.
14. a) Inona no faminaniana miresaka mialoha momba ny horohoron-tany lehibe sy ny vokany? b) Inona no ho fahatanterahan’ny faminanian’i Joela sy ny Apokalypsy 6:12, 13?
14 Niresaka momba ny horohoron-tany toy izany sy ny vokany ny mpaminanin’i Jehovah hafa. Noresahin’i Joela tamin’ny 820 T.K., ohatra, ny “hahatongavan’ny andron’i Jehovah”, ka “ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra.” Hoy koa izy: “He izany vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah ao amin’ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra. Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro [na hihozongozona] ny tany aman-danitra; fa Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Isiraely.” (Joela 3:4; 4:14-16) Hitranga mandritra ny fanatanterahan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ny fahoriana lehibe io horohoron-tany an’ohatra io. (Matio 24:21) Ho tanteraka amin’izay koa àry ilay horohoron-tany lehibe resahin’ny Apokalypsy 6:12, 13.—Jereo koa ny Jeremia 10:10; Zefania 1:14, 15.
15. Inona ilay fanozongozonana lehibe nolazain’i Habakoka mialoha?
15 Nivavaka toy izao i Habakoka mpaminany, 200 taona taorian’i Joela: “Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ny taona, ataovy fantatra ao an-tenatenan’ny taona izany; na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.” Inona io ‘fahatezerana’ io? Manazava momba ny fahoriana lehibe i Habakoka avy eo, manao hoe: “Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; mijery Izy ka mampangovitra ny firenena ... Amin’ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; amin’ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena. Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:1, 2, 6, 12, 18) Hihozongozona tokoa ny tany, rehefa hanosihosy an’ireo firenena i Jehovah!
16. a) Inona no lazain’i Ezekiela mpaminany momba ny fotoana hanafihan’i Satana farany ny vahoakan’Andriamanitra? b) Inona no vokatr’ilay horohoron-tany lehibe ao amin’ny Apokalypsy 6:12?
16 I Ezekiela koa dia niresaka momba ny fanafihana farany hataon’i Goga avy any Magoga (Satana naetry). “Hisy [horohoron-tany] mafy [avy amin’i Jehovah] any amin’ny tanin’ny Isiraely” amin’izay. (Ezekiela 38:18, 19) Marina fa mety ho ara-bakiteny ilay horohoron-tany amin’io. Tokony hotadidintsika anefa fa famantarana no resahin’ny Apokalypsy, ka manana heviny an’ohatra io faminaniana io sy ny hafa. Ilay horohoron-tany lehibe mifandray amin’ny fanokafana ny tombo-kase fahenina àry, dia ny fandringanana ny olona rehetra manohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Io no faran’ireo horohoron-tany rehetra namely ity tontolo ity.
Haizim-pito
17. Inona no vokatr’ilay horohoron-tany lehibe eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana?
17 Misy zava-mampahatahotra eny amin’ny lanitra, miaraka amin’ilay horohoron-tany lehibe, araka ny lazain’i Jaona. Hoy izy: “Ary tonga mainty tahaka ny lamba volom-biby ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra ny volana manontolo. Ary niraraka tamin’ny tany ny kintan’ny lanitra, toy ny aviavy manintsana ny voany manta rehefa hozongozonin’ny rivotra mahery.” (Apokalypsy 6:12b, 13) Manaitra tokoa izany! Azonao an-tsaina ve ny haizina mampihoron-koditra amin’izany, raha tanteraka ara-bakiteny ilay faminaniana? Tsy hisy tara-masoandro manafana sy manome hery intsony amin’ny antoandro! Tsy hisy volana mazava sy mahafinaritra intsony amin’ny alina! Tsy hamirapiratra eny amin’ny habakabaka intsony koa ireo kintana an-tapitrisany. Hangatsiaka sy ho maizin-kitroka kosa amin’izay.—Ampitahao amin’ny Matio 24:29.
18. Nahoana no lazaina fa “tonga mainty ny lanitra” ho an’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K.?
18 Efa nisy haizina toy izany teo amin’ny Israely fahiny, saingy haizina ara-panahy. Naminany toy izao i Jeremia: “Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy. Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony.” (Jeremia 4:27, 28) Maizina tokoa ny andron’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 607 T.K., rehefa tanteraka io faminaniana io. Lasan’ny Babylonianina i Jerosalema renivohitr’izy ireo. Rava ny tempoliny, ary nilaozana ny taniny. Toa tsy nisy hazavana nampahery azy ireo avy tamin’ny lanitra. Nampalahelo tokoa ny fiainan’izy ireo, araka ny tenin’i Jeremia tamin’i Jehovah hoe: “Novonoinao izahay, fa tsy niantranao. Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.” (Fitomaniana 3:43, 44) Fahafatesana sy fandringanana no dikan’ilay haizina teny amin’ny lanitra, ho an’i Jerosalema.
19. a) Inona no nolazain’i Isaia mpaminany momba ny haizina eny amin’ny lanitra hanjo an’i Babylona fahiny? b) Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no tanteraka ny faminanian’i Isaia?
19 Nahazo faminaniana momba ny haizina teny amin’ny lanitra koa i Babylona tatỳ aoriana, ary nidika ho loza izany. Hoy ilay mpaminanin’Andriamanitra: “Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao. Fa ny kintan’ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ny iposahany; ary ny volana tsy hangarangarana. Ary hatsingeriko amin’izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ny ratsy fanahy ny helony.” (Isaia 13:9-11) Tanteraka tamin’ny 539 T.K. io, rehefa resin’ny Medianina sy Persanina i Babylona. Rava ilay firenena natanjaka indrindra, sady tsy haorina intsony mandrakizay. Izany ilay haizina nanjo an’i Babylona, ary tsy nisy fanantenana na hazavana namelombelona azy.
20. Inona no zava-mampahatahotra hanjo ity tontolo ity, amin’ilay horohoron-tany lehibe?
20 Ho very fanantenana sy ho ao anatin’ny haizim-pito ara-panahy koa ity tontolo ity, amin’ilay horohoron-tany lehibe. Ireo olo-malaza no heverin’ity tontolon’i Satana ity ho mpanazava, nefa tsy hisy fanantenana hamirapiratra intsony avy amin’izy ireo. Ankehitriny aza dia efa malaza ho mpanao kolikoly sy mpandainga ary maloto fitondran-tena ny mpitondra politika, indrindra eo anivon’ny Kristianisma Anarana. (Isaia 28:14-19) Tsy azo itokisana intsony izy ireo. Toy ny jiro manjavozavo izy ireo, ka ho faty tanteraka, rehefa hotanterahin’i Jehovah ny didim-pitsarany. Manan-kery eo amin’ny raharahan’ny olombelona izy ireo, toy ny volana manan-kery eo amin’ny tany. Fandatsahan-dra sy fahafatesana anefa no vokatry ny asany. Ho faty sahala amin’ny tainkintana sy hiparitaka toy ny aviavy manta tsofin’ny rivotra mahery ny olo-malaza eo aminy, izay oharina amin’ny kintana. Hihozongozona ny tany manontolo mandritra ilay “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Mampahatahotra tokoa izany!
Niala “ny lanitra”
21. Inona no hitan’i Jaona momba ‘ny lanitra sy ny tendrombohitra ary ny nosy rehetra’?
21 Mitohy ny fahitan’i Jaona: “Ary niala tahaka ny horonam-boky ahorona ny lanitra, ary nesorina tamin’ny toerany ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra.” (Apokalypsy 6:14) Mazava ho azy fa tsy lanitra na tendrombohitra na nosy ara-bakiteny ireo. Fa inona kosa?
22. Inona ilay “lanitra” tany Edoma, izay ‘nahorona tahaka ny fangorona taratasy’?
22 Manampy antsika hahafantatra ilay “lanitra” ity faminaniana ity, izay miresaka ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny firenena rehetra: “Izay rehetra eny amin’ny lanitra dia ho levona, ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy.” (Isaia 34:4) Ny fijalian’i Edoma no resahina eo. Ahoana izany? Resin’ny Babylonianina izy, tsy ela taorian’ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Tsy nisy zavatra ara-bakiteny nitranga teny amin’ny lanitra tamin’izany. Nisy loza nitranga anefa tamin’ny ‘lanitr’i’ Edoma, na ny fitondrana teo aminy.e Naetry izy io, ka tsy nanana toerana ambony toy ny lanitra intsony. (Isaia 34:5) Nesorina sy ‘nahorona’ toy ny taratasy tsy ilaina intsony izy ireo.
23. Inona ilay “lanitra” izay ‘hiala tahaka ny horonam-boky’, ary inona ny tenin’i Petera manamafy izany?
23 Ilay “lanitra” izay ‘hiala tahaka ny horonam-boky’ àry dia ny fitondrana eto an-tany manohitra an’Andriamanitra. Haringan’ilay Mpandresy mitaingina soavaly fotsy izy ireo. (Apokalypsy 19:11-16, 19-21) Manamafy izany ny tenin’ny apostoly Petera, momba ireo fisehoan-javatra mifandray amin’ny famahana ny tombo-kase fahenina: “Tahirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tany ankehitriny ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (2 Petera 3:7) Inona kosa no dikan’ny hoe “nesorina tamin’ny toerany ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra”?
24. a) Rahoviana no lazain’ny faminanian’ny Baiboly fa mihozongozona ny tendrombohitra sy ny nosy? b) Nahoana no azo lazaina fa ‘nihorohoro ny tendrombohitra’, rehefa rava i Ninive?
24 Lazain’ny faminanian’ny Baiboly fa toy ny hoe mihozongozona ny tendrombohitra sy ny nosy, rehefa misy korontana lehibe eo amin’ny fitondrana. Nanoratra toy izao, ohatra, i Nahoma mpaminany, rehefa nilaza ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Ninive: “Mihorohoro [na mihozongozona] eo anatrehany ny tendrombohitra, sady miempo ny havoana, ary mientanentana eo anatrehany ny tany.” (Nahoma 1:5) Tsy misy porofo milaza fa nisy tendrombohitra nirodana ara-bakiteny, rehefa rava i Ninive tamin’ny 632 T.K. Rava tampoka anefa ilay firenena natanjaka, na dia noheverina ho nahery toy ny tendrombohitra aza.—Ampitahao amin’ny Jeremia 4:24.
25. Ahoana no hanesorana amin’ny toerany “ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra”, rehefa hifarana ity tontolo ity?
25 “Ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra” resahina amin’ny famahana ny tombo-kase fahenina àry, dia ny fitondrana ara-politika sy ny fandaminana miankina aminy, izay toa mafy orina araka ny fiheveran’olombelona. Hozongozonina hiala amin’ny toerany izy ireo, ka ho gaga sy hihoron-koditra izay nitoky taminy. Araka ny tohin’ilay faminaniana dia azo antoka fa ho tonga ilay andro lehiben’ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny Zanany. Io ilay horohoron-tany farany handrava ny fandaminan’i Satana manontolo!
‘Mianjerà aminay, ka afeno izahay’
26. Inona no hataon’ny olombelona manohitra ny fitondran’i Jehovah, noho ny tahotra, ary inona no holazainy?
26 Hoy indray i Jaona: “Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny manam-pahefana ambony sy ny miaramila manamboninahitra sy ny manankarena sy ny mahery sy ny mpanompo rehetra ary ny olona afaka rehetra dia niafina tany anaty lava-bato sy tany amin’ny vatolampy teny an-tendrombohitra. Ary nilaza tsy an-kijanona tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy izy ireo hoe: ‘Mianjerà aminay, ka afeno amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry izahay. Fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’izy ireo, ka iza no mahajoro?’ ”—Apokalypsy 6:15-17.
27. Inona no fitarainan’ny Israelita tsy nahatoky tany Samaria, ary ahoana no nahatanterahan’ireo teny ireo?
27 Nilaza ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, i Hosea. Hoy izy: “Ary ho rava koa ny fitoerana avo ao Avena, izay anotan’Isiraely; ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; ary izy hanao amin’ny tendrombohitra hoe: Saròny izahay, ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay.” (Hosea 10:8) Ahoana no nahatanterahan’ireo teny ireo? Noravan’ny Asyrianina tsy mifaditrovana tokoa i Samaria tamin’ny 740 T.K., ka tsy hitan’ny Israelita izay haleha. Hita avy amin’ny tenin’i Hosea fa tsy afa-nanoatra sy nihorohoro ary nahatsiaro ho nafoy ilay vahoaka resy. Tsy afaka niaro azy ireo na ny tendrombohitra ara-bakiteny, na ny rafi-pitondrana toy ny tendrombohitra teo aminy, na dia toa mafy orina aza teo aloha.
28. a) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy an’ireo vehivavy tany Jerosalema? b) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Jesosy?
28 Rehefa nentin’ny miaramila romanina hovonoina i Jesosy, dia niteny tamin’ireo vehivavy tany Jerosalema hoe: ‘Ho avy ny andro hilazan’ny olona hoe: “Sambatra ny vehivavy momba, sy ny kibo tsy niteraka ary ny nono tsy ninonoan-jaza!” Dia hanomboka hilaza amin’ny tendrombohitra izy ireo hoe: “Mianjerà aminay!”, ary amin’ny havoana hoe: “Saròny izahay!” ’ (Lioka 23:29, 30) Maro ny porofo momba ny fandravan’ny Romanina an’i Jerosalema tamin’ny taona 70, ary mitovy amin’ny fahatanterahan’ny tenin’i Hosea ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy. Tsy nisy toerana azon’ny Jiosy niafenana tany Jodia. Tsy afaka nandositra ny didim-pitsaran’i Jehovah izy ireo, na niafina tany Jerosalema, na nandositra tany Masada, tanàna mimanda tany an-tampon-tendrombohitra.
29. a) Hanao ahoana ireo manohana an’ity tontolo ity, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah? b) Inona no faminanian’i Jesosy ho tanteraka, rehefa hampihatra ny fahatezerany i Jehovah?
29 Asehon’ny fanokafana ny tombo-kase fahenina fa hisy zavatra toy izany hitranga amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. Hitady mafy, nefa tsy hahita toerana hiafenana koa ireo manohana an’ity tontolo ity, rehefa hohozongozonina farany izy io. Tena namitaka azy ireo i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso. Na ny lava-bato any amin’ny tendrombohitra ara-bakiteny na ny fandaminana ara-politika sy ara-barotra toy ny tendrombohitra, dia tsy afaka hiaro azy ireo amin’ny lafiny ara-bola na hanampy azy amin’ny fomba hafa. Tsy hisy ho afaka hiaro azy ireo amin’ny fahatezeran’i Jehovah. Nolazain’i Jesosy toy izao ny horohoron’izy ireo: “Hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, dia hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany, ary hahita ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.”—Matio 24:30.
30. a) Inona no tiana holazaina amin’ilay fanontaniana hoe: “Iza no mahajoro?” b) Hisy ho afaka hijoro ve amin’ny andro fitsaran’i Jehovah?
30 Tsy maintsy hiaiky ny fahadisoany tokoa ireo nanda ny fahefan’ilay Mpandresy mitaingina soavaly fotsy. Horinganina ny olombelona nanaiky ho anisan’ny taranak’ilay menarana, rehefa horavana ny tontolon’i Satana. (Genesisy 3:15; 1 Jaona 2:17) Hanontany tena toy izao ny rehetra amin’izany: “Iza no mahajoro?” Toa te hilaza izy ireo fa tsy misy mihitsy ho afaka hijoro na hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah amin’ny andro fitsarany. Diso hevitra anefa izy ireo, araka ny hasehon’ny bokin’ny Apokalypsy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mialoha ny horohoron-tany ara-bakiteny dia misy horohoron-tany kely mahatonga ny alika hivovò na hatahotra, na hanaitra ny biby hafa sy ny trondro. Tsy tsapan’ny olombelona ilay izy raha tsy rehefa tonga ilay tena horohoron-tany.—Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Oktobra 1982, pejy 14.
b Jereo ny pejy 22, 24, mba hahitana fanazavana amin’ny an-tsipiriany.
c Nosoratana teo amin’ny fonon’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny 35 taona mahery, nanomboka tamin’ny 1895 ka hatramin’ny 1931, ny Lioka 21:25, 28, 31. Nisy sarina tilikambo fanilon-tsambo koa teo amin’izy io, izay nanazava rahona nisy kotroka sy ranomasina nisamboaravoara.
d Nisy fitoriana manokana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, tamin’ny 1931, ka nizara an’arivony tamin’ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao izy ireo, ho an’ny mpitondra fivavahana sy mpanao politika ary mpandraharaha eran-tany.
e Miresaka “lanitra” koa ny Isaia 65:17, 18. Ny “lanitra vaovao” eo dia ny fitondrana vaovao notarihin’i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, izay nitondra tao amin’ny Tany Nampanantenaina, rehefa tafaverina avy tany an-tsesitany tany Babylona ny Jiosy.—2 Tantara 36:23; Ezra 5:1, 2; Isaia 44:28.
[Efajoro/Sary, pejy 105]
Fantatra Mialoha ny 1914
“Tamin’ny 606 T.K. no nifarana ny fanjakan’Andriamanitra, nesorina ny diadema, ary navela hanjakan’ny Jentilisa ny tany manontolo. Hifarana amin’ny 1914 Aorian’i Kristy (A.K.), ireo 2 520 taona nanomboka tamin’ny 606 Talohan’i Kristy (T.K.)”f—Tontolo Telo, navoaka tamin’ny 1877, pejy 83.
“Mazava sy marim-pototra ny porofo omen’ny Baiboly fa 2 520 taona ny ‘Andron’ny Jentilisa’, nanomboka tamin’ny 606 T.K. ka hatramin’ny 1914.”—Fianarana ny Soratra Masina (anglisy), Boky 2, pejy 79, nosoratan’i C. Russell ary navoaka tamin’ny 1889.
Takatr’i Charles Russell sy ny mpiara-mianatra ny Baiboly taminy, am-polony taona talohan’izay, fa tamin’ny 1914 no hifarana ny Andron’ny Jentilisa, na ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena. (Lioka 21:24) Tsy takatr’izy ireo tamin’ny fomba feno ny dikan’izany, nefa tena nino izy ireo fa ho taona manan-tantara ny 1914. Marina ny azy ireo. Mariho ny fanamarihan’ity gazety ity:
“Nahatanteraka faminaniana mahagaga ilay ady mahatsiravina any Eoropa. Efa 30 taona ny ‘Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena’, fantatra kokoa amin’ny hoe ‘Mpino ny Arivo Taona’, no nanambara tamin’izao tontolo izao, tamin’ny alalan’ny fitoriana sy ny gazety, fa hifarana amin’ny 1914 ilay Andro Fahatezerana nambaran’ny Baiboly. ‘Tandremo ny 1914!’, hoy ny mpitory an-jatony nitety tanàna.”—Izao Tontolo Izao (anglisy), gazety any New York, 30 Aogositra 1914.
[Fanamarihana ambany pejy]
f Tsy fantatry ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany fa tsy misy taona zero eo anelanelan’ny taona “1 T.K.” sy ny taona “1 A.K.” Nisy fikarohana natao anefa tatỳ aoriana, ka novana ho 607 T.K. ilay 606 T.K. Nofoanana koa ny taona zero, ka marina ihany ilay filazana hoe “1914 A.K.”—Jereo “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo” (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1943, pejy 239.
[Efajoro, pejy 106]
1914—Fiovana Lehibe
Hoy ny boky danoà iray, navoaka tamin’ny 1987 tany Copenhague, eo amin’ny pejy 40:
“Rava ny fanantenan’ny olona tamin’ny taonjato faha-19, taorian’ny 1914. Be fanantenana erỳ anefa i Peter Munch, mpahay tantara sy mpanao politika danoà, herintaona talohan’ny nipoahan’ny ady, ka nanoratra toy izao: ‘Porofoin’ny zava-misy rehetra fa tsy hisy ady mihitsy eo amin’ireo firenena matanjaka eoropeanina. Hanjavona koa amin’ny hoavy “ny ady”, sahala amin’ny taorian’ny 1871.’ ”
“Izao kosa no vakintsika tatỳ aoriana: ‘Fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’ny olombelona ny fipoahan’ny ady tamin’ny 1914. Be ny fandrosoana hitantsika teo aloha, sady nilamindamina ihany ny fiainana. Feno loza sy horohoro ary fankahalana kosa ankehitriny, ary tsy misy fandriampahalemana. Tsy misy intsony àry ve ny toetra tsara nampiavaka ny olona nandritra ny an’arivony taona? Tsy misy mahalala izany na taloha na ankehitriny.’ ”
[Sary, pejy 110]
‘Nesorina tamin’ny toerany ny tendrombohitra rehetra’
[Sary, pejy 111]
Niafina tao an-dava-bato izy ireo