Aoka isika hatoky an’i Jehovah fa tsy ny “tetika fikomiana” iray!
1. Inona no nitranga tamin’ny fandaminana hita mason’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe Voalohany?
NANDRITRA ny Ady Lehibe Voalohany, ireo fanafihana an-karihary nataon’ny mpivadi-pinoana dia niteraka famoizana lehibe teo amin’ny laharan’ireo mpanompon’i Jehovah. Nirehitra koa ny fanenjehan’ireo fahavalony ara-pivavahana. Nakatona ny foibeny tany Brooklyn (New York). Ambonin’izany, dia tsy nandray soa intsony izy ireo avy amin’ny fanampian’ny prezidà, ny mpitantsoratra sady mpitahiry vola, ny tompon’andraikitra tao amin’ireo birao, ny anankiray anisan’ny komitin’ny fanoratana sy mpiandraiki-draharahan’ny Fikambanana efatra hafa koa — notanana tao amin’ny tranomaizina federalin’Atlanta, any Géorgie (Etazonia) tokoa izy rehetra ireo. Toa tonga ny farany ho an’ny Mpianatra ny Baiboly voahosotry ny fanahy, ary toa antomotra ny fanomezam-boninahitra azy ireo any an-danitra. Tsy izany anefa no hita!
2. Faminanian’Isaia inona no nisy fampiharana azy amin’ny andro ankehitriny, tamin’ny 1919?
2 Raha ny marina, dia nety ho azo natao ny fampiharana amin’ny andro ankehitriny ny Isaia 66:6-8 tamin’ny lohataonan’ny 1919 tamin’ny fametrahana indray ireo fanontaniana napetrak’ilay mpaminany manao hoe: “Injany! Horakoraka any an-tanàna, ary feo ao amin’ny tempoly, dia feon’i Jehovah izay mamaly ny ataon’ny fahavalony. Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy. Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.”
3. Tamin’ny 1919, inona no nanaporofo fa niteraka i Ziona ary nisy “firenena” vaovao iray natao “indray miteraka”?
3 Toy ny hoe natsangana tamin’ny maty tokoa ireo anisan’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny baiboly ka nanao ny fivoriambeny voalohany taorian’ny ady, tany Cedar Point (Ohio), tamin’ny 1 ka hatramin’ny 8 septambra 1919. Tonga tao amin’io fihaonambe nahafaly io ny prezidà, ny mpitantsoratra sady mpitahiry vola, ny tale sy ny mpiandraiki-draharahan’ny Fikambanana hafa izay vao avy nafahana sy nohamarinina tanteraka. Tsy nisy toy izany ny fifalian’ny mpihaino rehefa nambaran’ny prezidàn’ny Fikambanana, J. Rutherford, ny famoahana gazety vaovao iray nitondra ny lohateny hoe L’Age d’Or — Réveillez-vous! amin’izao andro izao. Afa-tsy izany koa, dia mpianatra vaovao 200 mahery no natao batisa tamin’io fotoana io. Ny fandaminana teokratikan’i Jehovah dia niteraka zazalahy izay nisy fiainana feno asa niandry azy tao anatin’ny vanim-potoana nanaraka ny ady. Io “firenena” io izay azo nolazaina hoe natao indray niteraka ka napetraka tao amin’ny “tany” iray teraka tao anatin’ny toe-javatra toy izany dia tsy maintsy hampiasa fomba fitoriana vaovao sy nampiseho fahasahiana.
4. a) Inona no ho vokatr’izany fisehoan-javatra rehetra izany eo amin’i “Babylona Lehibe”? b) Santatry ny inona moa ny fampiharihariana ny tena fifandraisan’i “Babylona Lehibe” amin’ny hery matanjaka noho ny olombelona eny amin’ny lanitra?
4 Fihaikana ho an’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izany tarehin-javatra izany. Tsy nanampo izany izy ary velom-panahiana aoka izany ny mpikambana tao aminy, indrindra fa ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tsapany ho notandindomin-doza ny fiadanany. Nadiva hahita loza izao ireo zo nihamboany ho nananana teo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Haharihary ny fifamatorany amin’ny hery eny amin’ny lanitra matanjaka noho ny olombelona, tsy amin’ilay Andriamanitry ny Baiboly Masina, fa amin’ilay “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao” — dia Satana, mpamporisika ny antikristy nambara ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly (II Korintiana 4:4, MN; I Jaona 2:18). Fanombohan’ny fialany aina fotsiny koa izany fanambarana izany, satria ny tenan’ilay Mpitsara tampony eo amin’izao rehetra izao mihitsy no handray an-tanana ny fitsarana azy ka handringana azy. Tsy hanafaka azy amin’ny fangejan’ireo sakaiza ratsiny ara-politika taloha izay ho tezitra mafy aminy amin’izay izy.
5. a) Nahoana moa no ho voafitaka ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary ahoana no fiheveran’ilay Andriamanitry ny Baiboly azy? b) Inona no tsy hitan’i “Babylona Lehibe”?
5 Na dia manana ny Baiboly, ilay Boky manambara izany fisehoan-javatra rehetra izany aza ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia ho voafitaka koa. Ny hametrahany ny fitokisany dia amin’ireo firenena izay hiantsoantso hoe “Fiadanana sy filaminana!”, dia firenena izay eo anivony no ankalazany ireo fotoanany lehibe ara-pivavahana. Mandritra izany fotoan-dehibe izany ireo Fiangonana mahaforona azy dia mandamina fanatazan-drakitra izay mampanan-karena azy ireo. Eo imason’ilay Andriamanitry ny Soratra Masina anefa izy dia ‘mahantra sy jamba ary mitanjaka’. Tsy mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah izy na mandray soa amin’ny tena harena ara-panahy zarainy (Apokalypsy 3:17, 18). Tsy hitany ny soratra eo amin’ny rindrina. Inona no tiantsika holazaina amin’izany?
Nisy soratra niseho teo amin’ny rindrina
6. Mitodika any amin’ireo ora faran’ny herim-panjakana fahizay iza moa isika izao, ary inona no nitranga tamin’ny vahoakan’i Jehovah natao tandindona tamin’izany fotoana izany?
6 Mba hahazoana ny hevitr’ireo teny ireo, dia ilaintsika ny mitodika any amin’ireo ora faramparan’ny Herim-panjakana fahatelo teo amin’ny tantara araka ny Baiboly, dia Babylona, izay ny renivohiny dia teo amoron’i Eofrata. Belsazara no mpanjaka babyloniana farany nanjaka tao amin’io tanàna io, nahafaoka ny toerana nisy ny tilikambon’i Babela, izay naelin’ilay Andriamanitra Tsitoha ireo mpanorina azy tamin’ny fanorokoroana ny fiteniny tokana (Genesisy 11:1-9). Tamin’ny fotoana niainan’i Babylona ireo orany farany, ny olon’i Jehovah natao tandindona, ny firenena jiosy, dia babo tao amin’io tany mpanompo sampy io. Tapitra anefa ny 70 taona nahababoany.
7. a) Nahoana moa Belsazara mpanjaka no nandamina tamin-toky tanteraka, fanasana lehibe iray ho an’ireo mpanolo-tsainy? b) Inona no nitranga nandritra io fanasana io, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny mpanjaka?
7 Ireo tafika nitambatry ny Mediana sy ny Persiana, izay hahaforona ny Herim-panjakana Fahefatra teo amin’ny tantaran’ny Baiboly, dia nandroso hamely an’i Babylona. Toa tsy azo noresena anefa io tanàna misy manda mafy io. Namakivaky azy Eofrata, ony nisy vavahady vy kopa-droa namaky ny mandan’ilay tanàna. Natoky ny tsy fananana ahiahin’ilay tanàna i Belsazara mpanjaka ka nandamina tamin-toky tanteraka, “fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy” — dia fanasana niharihary fa ny farany ho azy. Tsitapitapitr’izay, dia hitany niseho ny tanana iray izay nanoratra teo amin’ny rindrina iray ireto teny ara-paminaniana ireto: “MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA [sy PARSINA, MN ].” (Daniela 5:1, 5, 25). Tamin’ny alin’ny 5 oktobra 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana izany. Nahavery hevitra an’ireo nasaina ny fisehoan’io soratra io. Nangovitra aoka izany Belsazara mpanjaka ka nampaka ireo olon-kendry — ireo mpanao majika sy mpanandro izay nalaza ho nahay nanazava ireo famantarana sy fambara. Tsy afaka nilaza ny hevitr’ireo teny nahagaga anefa izy ireo, na namaky izany fotsiny aza. Inona no tokony hatao izao?
8, 9. a) Tamin’ny farany, inona no fanipazan-kevitra natao tamin’ny mpanjaka? b) Inona no hevitry ny soratra niseho teo amin’ny rindrina nolazain’i Daniela? d) Nahoana moa ilay fanasana lehibe nalamin’i Belsazara mpanjaka no nahatonga faminaniana nanjombona toy izany?
8 Handeha hitady Jiosy. Amin’ny fomba ahoana? Jiosy hoe? Eny, ny anankiray tamin’ireny mpanapaka ireny, tamin’ireny manan-kaja ireny izay nalain’i Nebokadnezara emperora tany Jerosalema, tao amin’ny tany niaviany, ka nentiny tany Babylona, mba handraisany fampiofanana tany, hanompoany ny mpanjaka. Rehefa tsy nisy azo natao intsony, dia izany no zavatra tsara indrindra tsy maintsy natao. Nanoro hevitra ny mpanjaka ny reniny mba hiantso an’i Daniela, izay nasehony ho toy ny lehilahy feno fahendrena, lehilahy nahay namaky sy nilaza ny hevitry ny famantarana (Daniela 5:10-12). Azontsika alaina sary an-tsaina mora foana ny fanginana toy ny nisy maty nanjaka tao amin’ilay efitrano nanaovana fanasana, rehefa nolazain’i Daniela, araka ny fangatahan’i Belsazara mpanjaka, ny hevitr’ireo teny mahagaga ireo, tamin’ny emperoran’ny Herim-panjakana Fahatelo teo amin’ny tantara araka ny Baiboly sy tamin’ireo mpanolo-tsainy.
9 Izao no nambaran’i Daniela: “Ary noho izany dia Izy no nihavian’ilay rantsan-tànana, ka voasoratra ireo teny ireo. Ary ny teny voasoratra dia izao: MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA [sy PARSINA, MN ]. Izao no hevitry ny teny: MENE, voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao; TEKELA, efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja; PARESAa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.” (Daniela 5:24-28). Belsazara mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny naman’ireo dia ninia nampiseho fanamavoana ny fanompoam-pivavahana tamin’ilay Andriamanitr’i Daniela. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fisotroana divay tamin’ireo kapoaka volamena izay nalaina tao amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema tamin’ny fandravana an’io tanàna masina io tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Izany dia toy ny fanampiana fitenenan-dratsy fanarabiana ny ratsy efa nataon’i Babylona. — Daniela 5:3, 4, 23.
Niditra tao an-tanàna i Kyrosy, ilay mpanafika voambara mialoha
10, 11. a) Araka ny nambaran’i Jehovah, iza no tokony handresy an’i Babylona, ary ahoana no nilazalazan’Isaia mialoha izany fanafihana izany? b) Ahoana no nanaovan’i Jehovah izay hahatanterahan’io faminaniana io sy nitondrany fanasaziana mendrika an’i Belsazara sy ireo mpanolo-tsainy?
10 Nanambara mialoha toy izao ilay Andriamanitra Avo Indrindra, ao amin’ny Isaia 45:1-3: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny voahosony, dia Kyrosy, Izay notantanako tamin’ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; dia homeko anao ny rakitra ao amin’ny maizina sy harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao.”
11 Mba hanaovana izay hahatanterahan’io faminaniana io, dia nomen’i Jehovah hevitra Kyrosy Persiana mba hamily ny ranon’i Eofrata tao amin’ny farihy iray teo akaiky kely teo. Rehefa ritra ny rano, dia nidina tao amin’ny fanambanin’ny ony ireo miaramilan’i Kyrosy ary, nanararaotra ny alina, ka nandeha hatrany afovoan’ny tanàna. Koa satria navela hivoha ireo vavahady kopa-droa nitarika ho any amin’ny morony, dia nanaraka ny sisiny izy ireo, nitana ny mpiambina ary nitsofoka tao amin’ilay efitrano nanaovana fanasana. Ny fanasana nataon’i Belsazara àry dia nahita fiafarana nampangitakitaka izay sazy mendrika an’io mpanjaka io sy ireo mpanolo-tsainy. Moa ve izy ireo tsy nanana fitondrantena nanala baraka sy nanamavo teo anoloan’ilay “Tompon’ny lanitra” tamin’ny fandotoana ireo fanaka tao amin’ny tempoly izay nangalarina tao amin’ny trano masin’i Jehovah, tany Jerosalema?
12. a) Koa satria naminany Isaia fa handresy an’i Babylona i Kyrosy, nahoana no Dariosa Mediana no nolazain’i Daniela fa naka an’io tanàna io? b) Tandindon’iza moa Dariosa sy ny mpiray dina taminy, Kyrosy Persiana?
12 Araka ny andininy voalohany amin’ny toko faha-6 amin’ny faminanian’i Daniela, rehefa maty Belsazara mpanjaka, dia Dariosa Mediana no “nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany”. Koa satria Dariosa be taona noho Kyrosy Persiana, dia nolazain’i Daniela fa ny naka an’i Babylona dia io mpanjaka mediana io izay nanjaka teo amin’ny Empira mediana sy persiana, nanomboka tamin’ny 539 ka hatramin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nampiseho tsara an’i Jehovah Andriamanitra io mpanjaka io. Kyrosy Persiana, mpiray dina tamin’i Dariosa, dia tandindon’i Jesosy Kristy, izay hampiasain’i Jehovah amin’ny fomba manakoako tsy misy toy izany mba handresena sy handravana an’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso.
13, 14. Ny amin’inona no tsy isalasalana fa nanintonan’i Daniela ny sain’i Kyrosy Persiana, ary ahoana no teny nanombohan’ny bokin’i Ezra izay nosoratana taorian’ny fahababoana?
13 Fony Kyrosy niakatra teo amin’ny seza fiandrianan’ny Empira mediana sy persiana, tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy isalasalana fa Daniela mpaminany dia nanintona ny sainy ho amin’ilay faminaniana mahakasika azy, dia faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 45. Manomboka amin’izao teny izao ny bokin’i Ezra izay nosoratana tatỳ aorian’ny fahababoana:
14 “Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’i Jehovah ny fanahin’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Jeremia [momba ny faharetan’ny fahababoana, izany hoe 70 taona (Jeremia 25:12; 29:10, 14)], ka dia nandefa teny eran’ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe: Izao no lazain’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany dia efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, — Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.” — Ezra 1:1-3.
Manorotoro an’i “Babylona Lehibe” ilay Kyrosy Lehibe
15. a) Oviana moa ilay nanana an’i Kyrosy ho tandindona no nanomboka nanjaka? b) Inona moa no toerana tsy azo hozongozonina tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’izay rehetra mety ho firaisan-tetika iaraha-mioko amin’ny Firenena mikambana, ary nahoana?
15 Amin’izao androntsika izao, ilay nanana an’i Kyrosy Lehibe ho tandindona dia nanomboka nanjaka tamin’ny 1914, tamin’ny faran’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”, araka ny nambaran’ny tenan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:14 (MN ). Tsy mihevitra mihitsy izany zava-nitranga lehibe niraisam-pirenena izany ireo firenena anisan’ny O.N.U. ka nanambara ny 1986 ho Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena. Tsy manaiky ho voafitaky ny ataon’izy ireny mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa halefa amin’ny farany ilay fanambarana hoe “Fiadanana sy filaminana!” voalaza mialoha, izy ireo dia tsy hiaraka amin’ireo mpifampiandany ara-politika sy ireo sakaizan’i “Babylona Lehibe”. Tsy hitehaka an’io fanambarana hiavaka hatao amin’izay daty aoriana be eo amin’ny tantaran’ireo firenena izay izy ireo. Tsy hotohanan’izy ireny mihitsy izay rehetra mety ho firaisan-tetika foronina miaraka amin’ny Firenena mikambana na amin’izay rehetra mety ho fandaminana kendrena hanorenana ny fiadanana (Isaia 8:12). Mifanohitra lavitra amin’izany, fa horaisin’izy ireo indray ireto teny voarakitra ao amin’ny Isaia 8:20 ireto: “Ho amin’ny lalàna sy ny fanamarinana! Raha tsy milaza hevitra araka izany teny izany izy ireo, dia tsy misy fahazavan’ny maraina mihitsy ho azy...” (Fandikan-teny Eokomenikan’ny Baiboly). Hanome ny anton’ny toerany tsy azo hozongozonina izy ireo, ka hilaza hoe: “Fa aminay Andriamanitra.” (Isaia 8:10). Ireo teny jadona ireo dia hampiseho fa Jehovah Andriamanitra dia tsy manana anjara mihitsy amin’ireo fandaharana ara-politika ataon’ireo firenena mba hanorenana ‘fiadanana sy filaminana’, fa melohiny amin’ny fomba hentitra kosa izany.
16. Ahoana no hahatanterahan’ny teny ara-paminaniana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 17:16, 17 amin’ny fomba feno, ary hanao ahoana amin’izany ny fihetsik’ireo mpanompon’i Jehovah?
16 Amin’ny fitondrana ny raharaha amim-pahakingana amin’ny alalan’ilay Kyrosy Lehibe, dia hataon’i Jehovah ao am-po sy ao an-tsain’ireo mpitondra ara-politika eo amin’izao tontolo izao ny hevitra hiodina hamely an’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Hanao tahaka ny hataon’ny biby dia masiaka iray amin’ny tandrony izy ireny ka hanatrabaka azy mandra-pahafatiny. Ho tanteraka amin’ny fomba feno ny teny ara-paminaniana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 17, ka hitondra fifaliana tsy hisy toy izany ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-tany. — Apokalypsy 17:16, 17; 19:1-3.
Aoka isika hiaro ny fifandraisantsika tsara amin’i Jehovah
17. Na dia tsy anisan’i “Babylona Lehibe” aza ny Vavolombelon’i Jehovah, inona no hataon’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao?
17 Rehefa avy eo, na dia tsy anisan’i “Babylona Lehibe” aza ny Vavolombelon’i Jehovah, fa malaza kosa ho manala sarona ny zavatra ataony, ary na dia tsy mandray anjara mihitsy amin’ireo raharaha ara-politikan’izao tontolo izao aza izy ireny, dia hiodina hanohitra azy ireny ireo mpitondra ara-politika tsy tia fivavahana. Ho tapa-kevitra ny hanao zavatra amin’ny maha-tsy refesi-mandidy izy ireo, ka hitana ny fanapahana eo amin’ny sosony rehetra amin’ny fitambaran’olona ary hanohitra ireo vavolombelona tsy mivadik’ilay Andriamanitra tampony, dia ilay Loharanon’izay rehetra mety ho fitondram-panjakana ara-drariny.
18. Fitrangan-javatra lehibe inona, haharaiki-tahotra noho ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, no hotanterahin’i Jehovah?
18 Amin’izay ny Tsitoha Tompom-piandrianana eo amin’ny lanitra sy ny tany no hisalovana mba hampahafantatra an’ireo mpanafoana an’i “Babylona Lehibe” fa Ilay manana vavolombelona amin’izao taonjato faha-20 izao dia Andriamanitra velona tokoa, tsitoha — Andriamanitra manana zo hitaky amin’ireo zavaboariny ny hanoloran’ireo ho azy fanompoam-pivavahana amin’ny fony rehetra sy ao anatin’ny firaisan-tsaina eto an-tany izay fitoeran-tongony. Hataony amin’ny fomba haharaiki-tahotra tokoa izany, hany ka ireo vavolombelony — izay hanatrika ny ady nefa tsy handray anjara amin’izany — dia ho gaga tsy hisy toy izany. Hanao ady hafa dia hafa, hanakoako, ny Tsitoha, ka handresy (Apokalypsy 16:14, 16; 19:19-21). Izany fandraisana anjara izany dia hanamarika ny fahataperan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny tapahin’ny Devoly, amin’ny fomba malaza kokoa ihany noho ny safodrano nandringana tamin’ny andron’i Noa.
19. Vavolombelona iza no ho afaka hanaporofo fa nanamarin-tena Jehovah tamin’ny naha-Tompom-piandrianana azy eo amin’izao rehetra izao, ary hampiseho inona izany?
19 Nanana vavolombelona i Jehovah mba hanaporofo fa namarana izao tontolo izao taloha izy tamin’ny alalan’ny safodrano izay nahafaty ny olona rehetra tafajanona tany ivelan’ny sambo fiara. Toy izany koa, amin’ny ambaratonga lehibe lavitra, dia hanana vavolombelona eto an-tany izy mba hilaza fa nanamarina ny tenany tamin’ny fomba raikitra izy amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao (II Petera 3:6, 7, 13, 14). Ireny vavolombelona ireny dia ho ireo izay, eo anivon’ity izao tontolo izao voaheloka ity, dia mametraka ny fitokisana aminy mba hanorenana ny fiadanana sy ny filaminana. Ho sambatra ianao raha anisan’ireny vavolombelona ireny izay harovana amin’ny fomba mahagaga. Ho naseho tamin’izany fa ny fiadanana sy ny filaminanao dia avy amin’i Jehovah Andriamanitra fa tsy avy amin’izay rehetra mety ho fivondronana na firaisan-tetika ataon’ireo fanjakana ara-politika eto amin’ity fandehan-javatra tapahin’ny Devoly ity.
20. Ahoana no hivoahan’i Jehovah avy amin’io ady io, ary tapa-kevitra ny hanao inona isika?
20 Hivoaka hahazo voninahitra avy amin’io ady io Jehovah Andriamanitra. Ho fantatra ho Ilay tokony hivavahana sy hotompoina izy, dia ilay Fisiana Andriamanitra — ilay Andriamanitr’ireo andriamanitra, ny hany nanaovana ireto tenin’ny mpanao salamo ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” (Salamo 90:2). Amim-pankasitrahana mitombo hatrany, dia aoka isika hatoky an’i Jehovah Andriamanitra foana sy hifikitra aminy hatrany amin’ny alalan’ilay Kyrosy Lehibe, dia Jesosy Kristy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hoe “Parsina” dia ny milaza maro amin’ny hoe “Paresa” ary “fizarazarana” no dikany.
Tadidinao ve
◻ Inona no tsy hitan’i “Babylona Lehibe”?
◻ Tandindon’ny inona moa ny fiafarana nampangitakitaka hitan’ny fanasana nataon’i Belsazara?
◻ Iza no handresy an’i “Babylona Lehibe”?
◻ Inona moa no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’izay rehetra mety ho firaisan-tetika miaraka amin’ny Firenena mikambana?
◻ Nahoana moa no ho sambatra izay rehetra matoky an’i Jehovah raha ny amin’ny fanorenana fiadanana sy filaminana?
[Sary, pejy 25]
Nolazain’i Daniela fa ilay soratra nifono zava-miafina dia hafatra fanamelohana ho an’ny Empira babyloniana.