-
Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
2. Inona no soa raisintsika rehefa fantatsika ny marina momba ny maty?
Betsaka no matahotra ny ho faty, ary misy aza matahotra olona efa maty. Mampahery anefa ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana. Nilaza i Jesosy hoe: “Ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Misy fivavahana mampianatra hoe rehefa maty ny olona, dia mbola velona ny fanahiny. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly. Tsy mijaly àry ny olona rehefa maty. Tsy afaka manisy ratsy antsika koa izy ireny, satria tsy mahalala na inona na inona. Hita avy amin’izany hoe tsy misy antony tokony hivavahana amin’ny razana na hanaovana fombafomba mba tsy hampahatezitra azy ireny. Tsy misy antony tokony hivavahana ho azy ireny koa.
Misy milaza hoe afaka miresaka amin’ny olona efa maty izy. Tsy mitombina anefa izany. Hitantsika teo mantsy hoe “tsy mahalala na inona na inona” ny maty. Iza àry no iresahan’ireny olona milaza fa miresaka amin’ny maty ireny? Miresaka amin’ny demonia misandoka ho olona efa maty izy ireny, raha ny marina. Voaro amin’ny demonia àry isika rehefa mahafantatra ny marina momba ny maty. Mampitandrina antsika i Jehovah mba tsy hifandray amin’ny olona efa maty, satria fantany hoe hifandray amin’ny demonia isika ary hampidi-doza antsika izany.—Vakio ny Deoteronomia 18:10-12.
-
-
Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
4. Mahasoa antsika ny mahalala ny marina momba ny maty
Tsy matahotra olona efa maty isika rehefa mahalala ny marina. Vakio ny Mpitoriteny 9:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Afaka manisy ratsy antsika ve ny maty?
Rehefa mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly koa isika, dia tsy voafitak’ilay lainga hoe ilaina ny mivavaka amin’ny razana na manao fombafomba mba tsy hampahatezitra azy ireny. Vakio ny Isaia 8:19 sy ny Apokalypsy 4:11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy olona mivavaka amin’ny razana na mangataka fanampiana amin’izy ireny?
-