Ny Fanatrehan’ny Mesia sy ny Fanapahany
“Iny Jesosy izay nalaina taminareo ka noraisina ho any amin’ny lanitra iny, dia ho avy amin’ny fomba mitovy amin’ny nahitanareo azy niakatra ho any amin’ny lanitra.” — ASAN’NY APOSTOLY 1:11, NW.
1, 2. a) Ahoana no nampiononan’ny anjely roa ireo apostolin’i Jesosy fony izy niakatra ho any an-danitra? b) Fanontaniana inona avy no mipoitra noho ny fiandrandrana ny fiverenan’i Kristy?
NISY iraika ambin’ny folo lahy nijoro teo amin’ny kisolasola atsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva, nibanjina ny lanitra. Vao vetivety teo i Jesosy no niakatra niala teo amin’izy ireo, ny bikany nihananjavozavo tsikelikely mandra-panakon’ny rahona azy. Nandritra ireo taona niarahan’izy ireo taminy, dia nahita an’i Jesosy nanome porofo maro be momba ny maha-Mesia azy izy; niainan’izy ireo mihitsy aza ny alahelo mafy noho ny fahafatesany sy ny faharavoana noho ny fitsanganany tamin’ny maty. Izao anefa, dia lasa izy.
2 Nisy anjely roa niseho tampoka ary nilaza ireto teny nampionona ireto: “Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nalaina taminareo ka noraisina ho any amin’ny lanitra iny, dia ho avy amin’ny fomba mitovy amin’ny nahitanareo azy niakatra ho any amin’ny lanitra.” (Asan’ny Apostoly 1:11, NW ). Izany ka manome toky — hay ve ny fiakaran’i Jesosy tany an-danitra tsy nidika hoe tsy niraharaha intsony ny tany sy ny olombelona izy! Mifanohitra amin’izany, fa mbola hiverina i Jesosy. Tsy isalasalana fa nameno fanantenana ny apostoly ireo teny ireo. Misy olona an-tapitrisany maro koa amin’izao andro izao mihevitra ho zava-dehibe ilay fampanantenana momba ny fiverenan’i Kristy. Ny sasany miresaka ny amin’izy io ho ny “Fiaviana Fanindroany” na “Fingadonana”. Ny ankamaroany anefa, dia toa sahiran-kevitra ny amin’ny tena dikan’ny fiverenan’i Kristy. Amin’ny fomba ahoana no hiverenan’i Kristy? Rahoviana? Ary amin’ny ahoana izany no misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika amin’izao andro izao?
Ny fomba hiverenan’i Kristy
3. Inona no inoan’ny olona maro momba ny fiverenan’i Kristy?
3 Araka ilay boky hoe An Evangelical Christology, “ny fiaviana na fiverenan’i Kristy fanindroany (parousia) dia hanorina ny fanjakan’Andriamanitra, amin’ny farany, an-karihary, ary ho mandrakizay”. Finoana tanana hatraiza hatraiza ny hoe ho hita maso an-karihary, ho hitan’ny olona rehetra eto amin’ny planeta ara-bakiteny, ny fiverenan’i Kristy. Mba hanohanana izany hevitra izany, dia misy olona maro manondro ny Apokalypsy 1:7, izay vakina toy izao: “Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza”. Kanefa, tokony horaisina ara-bakiteny ve io andininy io?
4, 5. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy natao horaisina ara-bakiteny ny Apokalypsy 1:7? b) Ahoana no anamarinan’ny tenin’i Jesosy mihitsy an’izany fomba fahatakaran-javatra izany?
4 Tsarovy fa ny bokin’ny Apokalypsy dia aseho amin’ny “famantarana”. (Apokalypsy 1:1, NW ). Io andinin-teny io àry dia tsy maintsy ho ara-panoharana; ahoana tokoa moa no hahafahan’ireo “izay nandefona Azy” hahita ny fiverenan’i Kristy? Efa maty hatramin’ny taonjato efa ho 20 izy ireo! Ankoatra izany, dia nilaza ireo anjely fa i Kristy dia hiverina “amin’ny fomba mitovy” amin’ilay niaingany. Ahoana anefa no nandehanany? Nisy olona an-tapitrisany maro nijery azy ve? Tsia, olona nahatoky vitsivitsy monja no nahita ilay fisehoan-javatra. Ary fony ireo anjely niteny taminy, moa ve ireo apostoly nijery ara-bakiteny ny dia rehetra nataon’i Jesosy hatrany an-danitra? Tsia, nisy rahona nanarona izay nanakona an’i Jesosy tsy ho tazana. Fotoana kelikely taorian’izay, dia tsy maintsy niditra tany amin’ny lanitra ara-panahy izy, tamin’ny naha-zavamiaina ara-panahy azy, tsy hitan’ny mason’olombelona. (1 Korintiana 15:50). Tsy nahita afa-tsy ny fiandohan’ny dia nataon’i Jesosy fotsiny ireo apostoly; tsy afaka nijery ny fiafarany izy ireo, dia ny fiverenany teo anatrehan’i Jehovah Rainy any an-danitra. Tsy afaka nanavaka izany afa-tsy tamin’ny mason’ny finoana izy ireo. — Jaona 20:17.
5 Mampianatra ny Baiboly fa miverina amin’ny fomba tsy misy valaka amin’izany i Jesosy. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, hoe: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao”. (Jaona 14:19). Nilaza koa izy fa “tsy misehoseho no fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 17:20). Amin’ny heviny ahoana àry no ‘ahitan’ny maso rehetra azy’? Mba hamaliana izany, dia ilaintsika aloha ny fahatakarana mazava tsara an’ilay teny nampiasain’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy, nifandray tamin’ny fiverenany.
6. a) Nahoana ireo teny toy ny hoe “fiverenana”, “fahatongavana”, “fingadonana” ary “fiaviana” no tsy fandikana mifanentana amin’ilay teny grika hoe pa·rou·siʹa? b) Inona no mampiseho fa ny pa·rou·siʹa na “fanatrehana” dia maharitra kokoa noho ny fisehoan-javatra iray vetivety fotsiny?
6 Ny zava-misy dia izao: nanao zavatra mihoatra noho ny ‘fiverenana’ fotsiny i Jesosy. Io teny io, toy ny hoe “fiaviana”, “fahatongavana” na “fingadonana”, dia milaza an-kolaka fisehoan-javatra tokana mandritra ny fotoana fohy dia fohy. Ilay teny grika nampiasain’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy anefa dia midika ho zavatra be lavitra noho izany. Ilay teny dia pa·rou·siʹa izay midika ara-bakiteny hoe “fisiana iray eo anilan’ny tena” na “fanatrehana”. Manaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa io teny io dia mahatafiditra, tsy ny fahatongavana fotsiny, fa ny fanatrehana manaraka izany koa — toy ny amin’ny fitsidihana ofisialy ataon’ny mpanjaka iray. Tsy fisehoan-javatra vetivety akory io fanatrehana io; vanim-potoana manokana izy io, fe-potoana voamarika iray. Ao amin’ny Matio 24:37-39 (NW ), dia nolazain’i Jesosy fa “ny fanatrehan’ny [pa·rou·siʹa] Zanak’olona” dia ho sahala amin’ny “andron’i Noa” izay niafara tamin’ny Safodrano. Nanorina ny sambo fiara i Noa, ary nampitandrina ireo ratsy fanahy nandritra ny am-polony taona maro talohan’ny nahatongavan’ny Safodrano ka nandringanany tanteraka izany fandehan-javatr’izao tontolo izao simba ara-pitondrantena izany. Toy izany koa àry, ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso dia haharitra mandritra ny fe-potoana iray misy am-polony taona maromaro alohan’ny hiafarany koa amin’ny fandringanana lehibe iray.
7. a) Inona no manaporofo fa ny pa·rou·siʹa dia tsy hitan’ny mason’olombelona? b) Amin’ny fomba ahoana ary oviana ireo andinin-teny izay milazalaza ny fiverenan’i Kristy ho hitan’ny “maso rehetra” no tanteraka?
7 Tsy isalasalana fa ny pa·rou·siʹa dia tsy hitan’ny mason’olombelona ara-bakiteny. Raha toa ka hita maso ilay izy, nahoana i Jesosy no nandany fotoana betsaka aoka izany hanomezana famantarana ho an’ireo mpanara-dia azy mba hanampiana azy ireo hanavaka ny fanatrehany, araka izay ho hitantsika?a Rehefa tonga mba handringana ny fandehan-javatr’izao tontolo izaon’i Satana anefa i Kristy, ny fanatrehany dia hiharihary tanteraka amin’ny rehetra. Amin’izay no ‘hahitan’ny maso rehetra Azy’. Na dia ireo mpanohitra an’i Jesosy aza dia ho afaka hanavaka, amim-pahaketrahana mafy, fa tena misy tokoa ny fanjakan’i Kristy. — Jereo Matio 24:30; 2 Tesaloniana 2:8; Apokalypsy 1:5, 6.
Oviana izy io no manomboka?
8. Fisehoan-javatra inona no manamarika ny fanombohan’ny fanatrehan’i Kristy, ary taiza izany no nitranga?
8 Ny fanatrehan’ny Mesia dia manomboka amin’ny fisehoan-javatra iray izay manatanteraka foto-kevitra iray miverimberina ao amin’ireo faminaniana momba ny Mesia. Nomena satroboninahitra amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy izy. (2 Samoela 7:12-16; Isaia 9:5, 6; Ezekiela 21:31, 32). Nasehon’i Jesosy mihitsy fa ny fanatrehany dia hifamatotra amin’ny maha-mpanjaka azy. Tao amin’ny fanoharana maromaro, dia nampitaha tena tamin’ny tompo iray izay nandao ny ankohonany sy ny mpanompony izy, nandeha ela be “nankany an-tany lavitra” ka tany izy dia nandray “fahefana hanjaka”. Nanome fanoharana iray toy izany izy ho anisan’ny valin-teny nomeny ho setrin’ny fanontanian’ireo apostoly momba ny fotoana hanombohan’ny pa·rou·siʹa; ny iray hafa dia nomeny satria “nataon’ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 19:11, 12, 15; Matio 24:3; 25:14, 19). Koa nandritra ny fotoana naha-olombelona azy teto an-tany, ny fanomezana azy satroboninahitra dia mbola ho amin’ny fotoana lavitra be, hitranga any “an-tany lavitra” any an-danitra. Oviana no nitrangan’izany?
9, 10. Inona no porofo fa efa manapaka any an-danitra izao i Kristy, ary oviana izy no nanomboka ny fanapahany?
9 Rehefa nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?”, dia namaly i Jesosy tamin’ny fanomezana filazalazana be antsipiriany momba izany fotoana ho avy izany. (Matio, toko faha-24, NW; Marka, toko faha-13; Lioka, toko faha-21; jereo koa 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy, toko faha-6.) Io famantarana io dia mitovy amin’ny filazalazana iray be antsipiriany momba ny vanim-potoana iray mikorontana. Izany dia fotoana voamariky ny ady iraisam-pirenena, heloka bevava mitombo, fiainam-pianakaviana mihasimba, areti-mifindra, mosary, ary horohoron-tany — tsy hoe zava-manahirana amin’ny toerana iray fa fahasahiranana maneran-tany. Mahazatra ve izany? Ny andro tsirairay mandalo dia manamarina fa mifanitsy tanteraka amin’ny filazalazan’i Jesosy ny taonjato faha-20.
10 Manaiky ireo mpanoratra tantara fa fotoana nitrangan’ny fiovana lehibe teo amin’ny tantaran’olombelona ny 1914, taona tena lehibe iray, ka taorian’izay, ireny zava-manahirana ireny dia nanjary tsy azo nofehezina sy nahatratra ny ambaratonga maneran-tany. Eny, ireo zava-mitranga hita maso eo amin’izao tontolo izao izay manatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia samy manondro daholo ny taona 1914 ho ilay taona nanombohan’i Jesosy nanapaka amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy. Ankoatra izany, ny faminaniana iray ao amin’ny Da 4 Daniela toko faha-4 dia manome fanaporofoana momba ny fandehan’ny fotoana izay mitondra antsika ho amin’io taona io ihany — 1914 — ho ilay fotoana anombohan’ny Mpanjaka voatendren’i Jehovah manapaka.b
Nahoana no fotoam-pikorontanana?
11, 12. a) Nahoana no sarotra amin’ny sasany ny mino fa efa manapaka any an-danitra dieny izao i Kristy? b) Ahoana no ahazoantsika manazava izay nitranga taorian’ny nanomezana satroboninahitra an’i Jesosy ho Mpanjaka?
11 Manontany tena anefa ny sasany hoe: ‘Nahoana izao tontolo izao no mikorontana aoka izany raha manapaka any an-danitra ny Mesia? Tsy mandaitra angaha ny fanapahany?’ Mety hanampy hahatakatra izany ny fanoharana iray. Tapahin’ny filoha ratsy fanahy ny tany iray. Nanangana fandehan-javatra iray simba ara-pitondrantena izay tonga hatrany amin’ny faritra mitokana rehetra amin’ilay tany izy. Nisy fifidianana natao anefa; nandresy ny lehilahy tsara iray. Inona no hitranga izao? Toy izay mitranga any amin’ny tany demokratika sasany, dia hisy vanim-potoana tetezamita haharitra volana vitsivitsy manaraka izany, alohan’ny handraisan’ilay filoha vaovao ny raharahany. Ahoana no ho fihetsik’ireo lehilahy roa ireo mandritra izany vanim-potoana izany? Moa ve ilay lehilahy tsara hamely sy handrava avy hatrany ny ratsy rehetra nataon’ilay olona dimbasany nanerana ilay tany? Moa ve izy tsy hifantoka kosa amin’ilay tanàna renivohitra aloha, ka hanangana filan-kevi-pitondrana vaovao, ary hanapaka ny fifandraisana amin’ireo namana akaiky sy mpanohana tsy marin’ilay filoha teo aloha? Amin’izany fomba izany, rehefa mandray ny fahefana feno izy, dia afaka miasa eo amin’ny foibem-pahefana iray madio sy mandaitra. Raha ny amin’ilay filoha mpandray kolikoly kosa, moa ve izy tsy hanararaotra ny fotoana kely sisa ananany mba hisintonana avy amin’ilay tany izay tombontsoa azo amin’ny fomba maizimaizina rehetra azony atao alohan’ny hamoizany ny fahefana rehetra?
12 Raha ny marina, izany dia mitovy amin’ny pa·rou·siʹa an’i Kristy. Asehon’ny Apokalypsy 12:7-12 fa, rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra i Kristy, dia ny nanjera an’i Satana sy ny demonia tany ivelan’ny lanitra izy aloha, ka nanadio tamin’izany ny toerana misy ny fitondram-panjakany. Noho izy niaritra io faharesena nandrasana hatry ny ela io, ahoana no fihetsik’i Satana mandritra ny fotoana “kely sisa” alohan’ny hampiharan’i Jesosy ny fahefany feno eto an-tany? Sahala amin’ilay filoha mpandray kolikoly, dia manandrana maka izay rehetra azony alaina avy amin’ity fandehan-javatra tranainy ity izy. Tsy vola akory no tadiaviny, fa olona mpanara-dia azy. Maniry hampanalavitra amin’i Jehovah sy ny Mpanjakany efa manjaka, olona maro araka izay azony atao izy.
13. Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina fa ny fanombohan’ny fanapahan’i Kristy dia ho fotoam-pikorontanana etỳ an-tany?
13 Tsy mahagaga àry, raha toa ny fanombohan’ny fanapahan’ny Mesia ka midika ho fotoana isian’ny “loza ho an’ny tany”. (Apokalypsy 12:12). Toy izany koa, ny Salamo 110:1, 2, 6 (NW ) dia mampiseho fa manomboka ny fanapahany ‘eo afovoan’ny fahavalony’ ny Mesia. Atỳ aoriana izy vao hanorotoro tanteraka “ireo firenena” miaraka amin’ny endriky ny fandehan-javatra simba ara-pitondrantenan’i Satana rehetra, ka tsy hotsaroana intsony izany!
Rehefa manapaka ny tany ny Mesia
14. Inona no ho azon’ny Mesia atao rehefa avy nandringana ny fandehan-javatra ratsin’i Satana izy?
14 Rehefa avy mandringana ny fandehan-javatr’i Satana sy ireo mpanohana azy rehetra i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mesianika, vao ho afaka hanatanteraka ireo faminaniana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly izay milazalaza ny Fanjakany Arivo Taona. Ny Isaia 11:1-10 dia manampy antsika hahita hoe ho karazana mpanapaka toy inona moa ny Mesia. Milaza amintsika ny Is 11:2 andininy faha-2 fa izy dia hanana “ny Fanahin’i Jehovah (...), ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana [“hery”, NW ]”.
15. Inona no ho dikan’ilay ‘fanahin’ny hery’ eo amin’ny fanapahan’ny Mesia?
15 Hevero izay ho dikan’ilay ‘fanahin’ny hery’ eo amin’ny fanapahan’i Jesosy. Fony izy teto an-tany, dia nanana hery tamin’ny fetrany sasany avy amin’i Jehovah izy, izay nahatonga azy ho afaka hanao fahagagana. Ary naneho faniriana tamim-pahatsorana ny hanampy ny olona izy tamin’ny filazana hoe: “Mety Aho”. (Matio 8:3). Ny fahagagana nataony tamin’izany andro izany anefa, dia topy maso mialoha fotsiny ny amin’izay mbola hataony rehefa manapaka avy any an-danitra izy. Hanao fahagagana eo amin’ny ambaratonga maneran-tany i Jesosy! Ho sitrana amin’ny fotoana rehetra ny marary, ny jamba, ny marenina, ny tapa-tanana na tapa-tongotra, ary ny kilemaina. (Isaia 35:5, 6). Hamarana mandrakizay ny hanoanana ny sakafo tondraka sy voazara ara-drariny. (Salamo 72:16). Ahoana ny amin’ireo olona an-tapitrisany maro be any am-pasana izay ho sikatr’Andriamanitra ny hahatsiarovana azy? Ny “hery” ananan’i Jesosy dia hahatafiditra ny hery hananganana azy ireny, mba hanomezana ny tsirairay aminy fahafahana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa! (Jaona 5:28, 29). Kanefa, na dia eo aza izany hery rehetra izany, ilay Mpanjaka Mesianika dia mbola hanetry tena lalina foana. “Hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah”. — Isaia 11:3.
16. Karazana Mpitsara hanao ahoana moa ilay Mpanjaka Mesianika, ary amin’ny ahoana izany no hifanohitra amin’ny zava-misy momba ireo mpitsara olombelona?
16 Ho Mpitsara tanteraka koa io Mpanjaka io. “Tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny”. Mpitsara olombelona iza, taloha na ankehitriny, no azo lazalazaina ho toy izany? Na dia ny olona tena mahay mitsara iray aza dia tsy afaka mitsara afa-tsy amin’izay hitany sy reny ihany, amin’ny fampiasana izay mety ho fahendrena na fahaiza-manavaka ananany. Araka izany, ireo mpitsara sy ireo mpamoaka didim-pitsarana eo amin’izao tontolo izao dia mety hiroa saina na ho sahiran-kevitra noho ny lainga tsara lahatra, na noho ireo fihetsika mampihomehy aseho ao amin’ny efitrano fitsarana, na noho ny fanaporofoana mifanohitra. Mazàna dia ny manankarena sy ny mahery ihany no afaka manana fiarovana mandaitra, amin’ny fividianana ny fitsarana, raha ny tena izy. Tsy mba toy izany eo ambanin’ilay Mpitsara Mesianika! Mamaky ny ao am-po izy. Tsy hisy na inona na inona tsy ho tsikariny. Ny rariny, lefahin’ny fitiavana sy ny famindram-po, dia tsy ho azo vidina. Handresy lalandava izy io. — Isaia 11:3-5.
Ny fomba handairan’ny fanapahany aminao
17, 18. a) Sary mamirapiratra inona momba ny hoavin’ny olombelona no voalazalaza ao amin’ny Isaia 11:6-9? b) Amin’iza no mihatra voalohany indrindra io faminaniana io, ary nahoana no toy izany? d) Amin’ny fomba ahoana no hananan’io faminaniana io fahatanterahana ara-bakiteny?
17 Mora takatra ny fananan’ny fanapahan’ny Mesia hery lalina eo amin’ireo olom-peheziny. Manova olona izy io. Asehon’ny Isaia 11:6-9 hoe tonga hatraiza izany fiovana izany. Io faminaniana io dia milazalaza sary manohina ny fo iray momba ny biby mampidi-doza sy mpiremby — bera, amboadia, leoparda, liona, vipera — miaraka amin’ny biby fiompy tsy mampidi-doza sy ny ankizy mihitsy aza. Tsy hitondra loza anefa ireo mpiremby! Nahoana? Mamaly toy izao ny Is 11:9 andininy faha-9: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”
18 Tsy azo lavina fa “ny fahalalana an’i Jehovah” dia tsy afaka ny hanan-kery eo amin’ny biby ara-bakiteny; araka izany, ireo andininy ireo dia tsy maintsy mihatra voalohany indrindra amin’ny olona. Ny fanapahan’ny Mesia dia hanohana fandaharam-pampianarana iray haneran-tany, hampianatra ny olona ny amin’i Jehovah sy ny lalany, hampianatra ny rehetra mba hitondra ny mpiara-belona aminy amim-pitiavana sy amim-panajana ary amim-pahamendrehana. Ao amin’ilay Paradisa ho avy, ny Mesia dia hanandratra amin’ny fomba mahagaga ny taranak’olombelona ho amin’ny fahatanterahana ara-batana sy ara-pitondrantena. Tsy ho eo intsony ireo toetoetry ny mpiremby, mampiavaka ny biby izay manimba ny maha-izy ny olombelona tsy tanteraka. Amin’ny heviny ara-bakiteny koa, ny olombelona dia hanjary hihavana amin’ny biby — ela ny ela! — Ampitahao amin’ny Genesisy 1:28.
19. Amin’ny ahoana ny fanapahan’ny Mesia no misy akony eo amin’ny fiainan’ny olona amin’izao andro farany izao?
19 Tsarovy anefa fa ny Mesia dia efa manapaka izao. Na dia amin’izao fotoana izao aza, ireo olom-pehezin’ny Fanjakany dia eo am-pianarana ny hiara-miaina amim-piadanana, manatanteraka amin’ny lafiny iray ny Isaia 11:6-9. Ambonin’izany, efa ho 80 taona izao, i Jesosy dia nanatanteraka ny 11:10 manao hoe: “Ary amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese, izay hitsangana ho fanevan’ny [“famantarana”, NW ] firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra.” Mitodika any amin’ny Mesia ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Nahoana? Satria hatramin’ny nanombohany nanapaka, dia ‘nitsangana ho famantarana’ izy. Nataony izay hampahafantarana maneran-tany ny fanatrehany tamin’ny alalan’ilay fandaharam-pampianarana lehibe voalazalaza etsy ambony. Raha ny marina, dia nanambara mialoha i Jesosy fa ny asa fitoriana maneran-tany dia ho famantarana miavaka ny amin’ny fanatrehany alohan’ny faran’ity fandehan-javatra tranainy ity. — Matio 24:14.
20. Fihetsika inona no tokony hohalavirin’ny olom-pehezin’ny fanapahan’ny Mesia rehetra, ary nahoana?
20 Koa ny fanatrehan’i Kristy manana ny herin’ny Mpanjaka àry dia tsy raharaha tsy dia manao ahoana, na araka ny hevitra natsangana, na foto-dresaka amin’ny ady hevitra ara-tsaina eo amin’ny teolojiana fotsiny. Ny fanapahany dia misy akony eo amin’ny fiainan’ny olona eto an-tany sady manova izany, araka ny nambaran’i Isaia mialoha fa hataony. Nitarika olom-pehezin’ny Fanjakany an-tapitrisany maro hiala tao amin’ity fandehan-javatr’izao tontolo izao simba ity i Jesosy. Moa ve ianao olom-pehezina toy izany? Manompoa àry amin’ny hafanam-po sy fifaliana rehetra izay mendrika ny Mpanapaka antsika! Ekena aloha fa mora aoka izany ny mahatsiaro tena ho vizana, ny miara-manao amin’izao tontolo izao ilay antsoantso mampiseho tsy finoana hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany?” (2 Petera 3:4). Araka ny nolazain’i Jesosy mihitsy anefa, dia “izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”. — Matio 24:13.
21. Ahoana no ahazoantsika rehetra mampitombo ny fankasitrahantsika ny fanantenana momba ny Mesia?
21 Ny andro tsirairay mandalo dia mampanatona antsika akaiky kokoa an’ilay andro lehibe izay hitarihan’i Jehovah ny Zanany mba hampiharihary ny fanatrehany amin’izao tontolo izao iray manontolo. Aza avela hanjavozavo mihitsy ny fanantenanao ny amin’izany andro izany. Saintsaino ny maha-Mesia an’i Jesosy sy ny toetra tsara ananany amin’ny maha-Mpanjaka efa manapaka azy. Eritrereto lalina koa ny amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay tompo-marika sy tompon-kevitra tamin’ilay fanantenana lehibe momba ny Mesia izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Raha manao izany ianao, dia tsy isalasalana fa hitovy fihetseham-po kokoa hatrany amin’ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” — Romana 11:33.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tamin’ny 1864, dia nilaza izany toy izao ny teolojiana iray atao hoe R. Govett: “Amiko, izany dia toa tena fanapahan-javatra. Ny fanomezana famantarana ho an’ny Fanatrehany dia mampiseho fa izany dia tsiambaratelo. Tsy mila famantarana isika mba hampahafantarana antsika ny fanatrehan’izay hitan’ny masontsika.”
b Mba hahazoana antsipiriany dia jereo ilay boky hoe “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, pejy faha-133-139.
Ahoana no Havalinao?
◻ Amin’ny fomba ahoana no iverenan’i Kristy?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa ny pa·rou·siʹa an’i Kristy dia tsy hita maso ary haharitra mandritra ny vanim-potoana lavalava ihany?
◻ Oviana no manomboka ny fanatrehan’i Kristy, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
◻ Karazana Mpanapaka any an-danitra manao ahoana moa ny Mesia?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy ny fanapahan’i Kristy no misy akony eo amin’ny fiainan’ireo olom-peheziny?
[Sary, pejy 15]
Ilay fanantenana fa mbola hiverina i Jesosy dia zava-dehibe tamin’ireo apostoliny nahatoky
[Sary, pejy 17]
Amin’ny fanapahana avy any an-danitra, i Jesosy dia hanao fahagagana amin’ny ambaratonga maneran-tany
[Sary nahazoan-dalana]
Tany: Miorina amin’ny sarin’ny NASA