Tsy Hisy Intsony ny Faharatsiana!
RESAHIN’ANDRIAMANITRA ao amin’ny Teniny ny antony anaovan’ny olona zava-dratsy. Nataony hahay hifehy tena koa isika sady hahay hisafidy na hanao ratsy na tsia. (Deoteronomia 30:15, 16, 19) Haintsika àry ny mamantatra izay eritreri-dratsy ao an-tsaintsika ao, ary afaka manala izany haingana isika. Ho sambatra isika sy ny fianakaviantsika, raha mifehy tena tsy hanao ratsy isika.—Salamo 1:1.
Mbola feno olona manao ratsy foana anefa manodidina antsika, na dia miezaka mafy manao ny tsara aza isika. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” Nahoana ny “andro farany” no lazaina fa “tsy mora setraina”? Hoy ihany ny Baiboly: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.”—2 Timoty 3:1-5.
Hita amin’ilay teny hoe “andro farany” fa misy zavatra tsy maintsy hifarana. Inona izany? Mariho izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.
Ho ringana tanteraka ny ratsy fanahy.
“Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” —SALAMO 37:10, 11.
“Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah. Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.”—SALAMO 145:20.
Tsy hisy intsony ny fampahoriana.
“Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—SALAMO 72:12, 14.
“Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—ROMANINA 8:21.
Hahazo izay rehetra ilainy ny olona.
“Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—MIKA 4:4.
“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko, ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”—ISAIA 65:21, 22.
Hanjaka ny rariny.
‘Tsy hataon’Andriamanitra tokoa ve izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina? Lazaiko aminareo fa hataony haingana izay hampiharana ny rariny amin’izy ireo.’—LIOKA 18:7, 8.
“Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy. Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.”—SALAMO 37:28.
Hanao ny marina ny olona.
“Hianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany.”—ISAIA 26:9.
‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ —2 PETERA 3:13.
Efa misy olona miova sahady ankehitriny
Azo antoka fa faly isika mahafantatra an’ireo faminaniana ireo. Tena ho tanteraka ve anefa izy ireo? Eny. Misy zava-mitranga manaporofo izany, na ankehitriny aza. Inona izany? Olona an-tapitrisany no nahavita niova ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tia tena na ratsy fitondran-tena na nahery setra intsony izy ireo, fa lasa manao ny marina sy tia fihavanana ary tsara fanahy. Fito tapitrisa mahery ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ary toy ny fianakaviambe iray. Tsy misy fanavakavahana eo anivony, na dia samy hafa foko sy saranga ary fiaviana aza izy ireo. Tsy miditra amin’ny politika sady tsy manindrahindra firenena koa izy ireo.a Izany mantsy no mahatonga ny olona hifankahala sy hifamono hatramin’izay. Tena misy olona miova àry, na ankehitriny aza. Izany no manaporofo fa tena ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra.
Inona no mahatonga an’ireo olona ireo hiova? Misy faminaniana hafa mamaly an’izany. Hoy i Isaia:
“Hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia, hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny biby nohatavezina, ka ankizilahikely no hitarika azy ireo. ... Na ny liona aza hihina-mololo toy ny omby. Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà ny zaza minono, ary ny zaza nisara-nono dia hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina. Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy ireo, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:6-9.
Resahin’i Isaia eo fa tsy hampidi-doza ny olona intsony ny biby. Tsy izay fotsiny anefa no tiany hambara. Voalaza eo amin’ny faran’ilay andininy fa “ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany.” Afaka manova ny toetran’ny biby ve anefa ny fahalalana an’i Jehovah? Tsia. Afaka manova olona kosa izy io. Te hilaza àry ilay faminaniana fa afaka miova ny olona manana toetra ratsy toy ny an’ny biby. Afaka manana toetra tsara toa an’i Kristy izy ireo, rehefa mianatra Baiboly sy mampihatra izay ianarany.
Iray amin’ireny olona niova ireny i Pedro.b Te hiady ho an’ny rariny izy, ka niditra tamin’ny fikambanana mpampihorohoro. Nampiofanina izy, ary avy eo nasaina nanapoaka tobin’ny polisy. Voasambotra anefa izy, raha mbola teo am-panomanana an’ilay fanafihana. Nigadra herintaona sy tapany izy, saingy mbola nikomy foana na tany am-ponja aza. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’i Pedro, tamin’izay. Nianatra koa izy rehefa tafavoaka ny fonja. Niova be ny toe-tsainy sy ny fahitany ny fiainana, rehefa nianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra izy. Hoy i Pedro: ‘Misaotra an’i Jehovah aho fa mbola tsy nahafaty olona. Mampiasa ny sabatry ny fanahy aho izao, izany hoe ny Baiboly, mba hitoriana ilay vaovao tsara hoe hampanjaka ny fiadanana sy ny rariny ny Fanjakan’Andriamanitra.’ Nitsidika an’ilay toby saika napoakany mihitsy aza i Pedro, mba hitory amin’ny olona ao hoe hanjaka ny fiadanana sy ny filaminana amin’ny hoavy.
Afaka manova olona tokoa àry ny Baiboly. Vao mainka izany manampy antsika hatoky an’ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hisy intsony ny faharatsiana. Afaka miova ho tsara toetra mantsy ny olon-dratsy. Tsy ho ela koa i Jehovah dia handringana an’ilay tena mitarika ny olona hanao ratsy. Tsy iza izany fa i Satana Devoly, ilay mifehy an’ity tontolo ity. Hoy ny Baiboly: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Kely sisa anefa dia tsy hisy intsony izy. Toy izany koa ireo tsy mety miala amin’ny fanao ratsy. Tena hahafinaritra be ny fiainana amin’izay!
Inona no tokony hataonao raha te ho voavonjy ianao? Tadidio fa ny “fahalalana an’i Jehovah” no mampiova olona dieny izao, ary hampiova ny olon-drehetra amin’ny hoavy. Afaka manantena ny hiaina ao amin’ny tontolo iray “hitoeran’ny fahamarinana” ianao, raha mianatra tsara ny Baiboly toa an’i Pedro sy mampihatra izay ianaranao. (2 Petera 3:13) Mampirisika anao àry izahay mba hianatra momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy, dieny mbola misy fotoana. Hahazoanao fiainana mandrakizay izany.—Jaona 17:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Novana ny anarany.
[Teny notsongaina, pejy 9]
Afaka manantena ny hiaina ao amin’ny tontolo iray “hitoeran’ny fahamarinana” ianao. — 2 PETERA 3:13