Fanontanian’ny Mpamaky
◼ Nahoana ny Isaia 11:6, MN no milaza fa “ny amboadia hiara-mitoetra vetivety amin’ny zanak’ondry lahy tokoa”? Tsy haharitra ve ny fihavanana toy izany?
Ny fihavanana mamelombelona eo amin’ny zavaboary biby aseho ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 11:6-9 dia haharitra. Nefa ny fandikana tamim-pitandremana ny Isaia 11:6 dia manazava fa tsy hiaraka foana ny biby toy ireo.
Ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia vakina toy izao ny Isaia 11:6: “Ny amboadia hiara-mitoetra vetivety amin’ny zanak’ondry lahy tokoa, ary ny zanak’osy no hiarahan’ny leoparda matory, ary ny zanak’omby sy ny liona tanora misy vombony ary ny biby voafahana tsara hiaraka avokoa; ary zazalahikely iray monja no hitarika azy ireo.”
Ny hita ao amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly maro be dia sahala amin’izao: “Ny amboadia koa dia hiara-monina [na “miaina”] amin’ny zanak’ondry.” Ny fandikan-teny toy izany dia mety hampita sarin’amboadia iray sy zanak’ondry iray miaraka foana, toy ny hoe ao amin’ny fandaharam-pianakaviana na fandaharam-piainana vaovao.”
Kanefa ny teny hebreo nadika hoe “monina” na “miaina” dia gur. Araka ny voalazan’i William Gesenius, mpanao rakibolana, izy io dia midika hoe “mivahiny, monina mandritra ny fotoana kelikely, miaina toy ny tsy ao an-trano, izany hoe toy ny olona avy any an-toeran-kafa, olona avy any amin’ny firenen-kafa, vahiny.” (Rakibolana hebreo sy anglisy iray momba ny Testamenta Taloha [anglisy], nadikan’i Edward Robinson). Ny rakibolana nataon’i F. Brown sy i S. Driver ary i C. Briggs, dia manome heviny hoe “mivahiny, monina mandritra ny fotoana kelikely (voafetra na tsy voafetra), monina amin’ny maha-vao tonga (...) tsy manana zo ho eo hatramin’ny voalohany.”
Nampiasa ny teny hoe gur Andriamanitra tamin’izy niteny tamin’i Abrahama mba ‘hivahiny’ tany Kanana. Tsy ho tompon-tany ilay patriarka, nefa afaka ny ho mpivahiny voaro tao izy. (Genesisy 26:3; Eksodosy 6:2-4; Hebreo 11:9, 13). Toy izany koa fa niteny i Jakoba fa ‘nonina toy ny mpivahiny’ tany amin’ny faritr’i Harana izy, satria hiverina ho any Kanana. — Genesisy 29:4; 32:5 [32:4, MN].
Ao amin’ny paradisa haorin’Andriamanitra tsy ho ela, dia hihavana ny olona sy ny biby. Tsy hatahorana ny ain’ny zanak’ondry amin’ny fiarahany amin’ny amboadia na ny an’ny zanak’omby amin’ny fiarahany amin’ny leoparda. Toy ny hoe mba hampisehoana ny fifanoheran-javatra amin’ny ankehitriny, ilay fitenenana aza dia mamela hihevitra fa ho mponina harovan’ny zanak’ondry ny amboadia. — Isaia 35:9; 65:25.a
Na dia izany aza, dia mety mbola hanana fonenana samy hafa ihany ireo biby ireo. Ny biby sasany dia mety ho an’ny ala, ny sasany ho an’ny lemaka, ary ny hafa koa ho an’ny faritra amoron-tsiraka na an-tendrombohitra. Na dia tamin’ny fotoan’ny paradisa tany am-boalohany aza, dia niresaka ny amin’ny ‘biby fiompy sy ny biby dia’ Andriamanitra. (Genesisy 1:24). Ny biby fiompy dia miharihary fa ireo izay nety ho akaikin’ny olombelona sy ny fonenany mazàna. Ny biby dia, na dia tsy nasiaka aza, dia toa nifidy ny hiaina lavitra ny olombelona. Noho izany, araka ny lazain’ny faminanian’Isaia mialoha, ny amboadia dia “hiara-mitoetra vetivety amin’ny zanak’ondry lahy’, nefa tsy ho eo akaikin’ny biby fiompy toy izany foana akory izy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny The Bible in Living English, dia milaza ny Isaia 11:6 amin’izao fomba izao: “Ary ny amboadia ho mponina eo an-tanin’ny ondry.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Zoological Research Center, Tel-Aviv Hebrew University