Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa
Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nilaza tamin’ny mpianany mba hivavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Niresaka mandrakariva koa ny amin’ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” izy. (Matio 4:23, MN) Niresaka tokoa ny amin’ilay Fanjakana mihoatra noho izay noresahiny ny amin-javatra hafa izy. Nahoana? Satria ilay Fanjakana no fiasana izay hampiasain’Andriamanitra mba handaminana ireo zava-manahirana izay mahatonga ny fiainana ho sarotra ery ankehitriny. Amin’ny alalan’ilay Fanjakana, Andriamanitra dia hamarana tsy ho ela ny ady, ny hanoanana, ny aretina, ary ny heloka bevava, ary hitondra firaisan-tsaina sy fiadanana izy.
Irinao ve ny hiaina ao amin’ny izao tontolo izao iray toy izany? Raha izany, dia tokony hamaky ity bokikely ity ianao. Hianaranao ao anatiny fa ilay Fanjakana dia fitondram-panjakana iray, nefa tsara kokoa izy io noho izay mety ho fitondram-panjakana nanapaka ny olombelona hatramin’izay. Ho hitanao koa ny fomba mampihetsi-po nanazavan’Andriamanitra miandalana tamin’ireo mpanompony ny fikasany momba ilay Fanjakana. Ankoatr’izany dia ho hitanao ny fomba azon’ilay Fanjakana anampiana anao na dia amin’ izao andro izao aza.
Raha ny marina dia azonao atao ny ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny izao. Nefa alohan’ny hifidiananao ny hanao izany, dia hilainao ny hahafantatra be kokoa ny amin’izy io. Koa mamporisika anao izahay handinika ity bokikely ity. Ny zavatra rehetra horesahiny aminao momba ilay Fanjakana dia nalaina avy ao amin’ny Baiboly.
Voalohany indrindra, dia aoka hojerentsika ny antony ilàntsika ny Fanjakan’Andriamanitra aoka izany.
Teo am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, dia nataon’Andriamanitra lavorary ny olona ary napetrany tao amin’ny paradisa iray. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nilaina ilay Fanjakana.
Kanefa Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia nihaino an’i Satana, anjely nikomy iray. Nilaza tamin’izy ireo lainga momba an’Andriamanitra izy ary nanosika azy ireo koa hikomy tamin’Andriamanitra. Noho izany dia mendrika ny ho faty izy ireo, satria “fahafatesana no tambin’ny ota”. — Romana 6:23.
Ny olona tsy tanteraka, mpanota iray dia tsy afaka manana zanaka lavorary. Koa ny zanak’i Adama rehetra dia teraka tsy lavorary, mpanota, ary mety maty. — Romana 5:12.
Hatramin’izay, ny olombelona dia mila ny fanjakan’Andriamanitra mba hanampy azy ho afaka amin’ny ozon’ny fahotana sy ny fahafatesana. Ilay Fanjakana dia hanadio koa ny anaran’Andriamanitra amin’ireo lainga nolazain’i Satana hanoherana izany.
Jehovah Andriamanitra dia nampanantena fa hisy “taranaka” (na solofo) manokana iray ho teraka mba hamonjy ny olombelona amin’ny fahotana. (Genesisy 3:15) Io “taranaka” io dia ho ny Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho iza moa izany?
Teo amin’ny 2 000 taona taorian’ny nanotan’i Adama, dia nisy lehilahy tena nahatoky iray nantsoina hoe Abrahama. Nilaza tamin’i Abrahama Jehovah mba handao ny tanànany manokana ary honina an-day tao amin’ny tanin’i Palestina.
Nataon’i Abrahama izay rehetra nolazain’i Jehovah mba hataony, anisan’izany ny zavatra tena sarotra iray. Nilaza taminy Jehovah mba hanao fanatitra an’Isaka zanany lahy teo amin’ny alitara iray.
Tsy fanatitra olombelona no tena nirin’i Jehovah. Nefa niriny ho fantatra hoe hatraiza ny haben’ny fitiavan’i Abrahama azy. Efa handeha hamono an’Isaka i Abrahama raha nanakana azy Jehovah.
Noho ny finoana lehibe nananan’i Abrahama, Jehovah dia nampanantena fa hanome ny tanin’i Palestina ho an’ny taranany ary nilaza fa ny Taranaka nampanantenaina dia ho avy amin’ny taranany ka izany dia ho avy amin’Isaka zanany lahy. — Genesisy 22:17, 18; 26:4, 5.
Nanan-janaka kambana roa lahy Isaka, dia Esao sy Jakoba. Nilaza Jehovah fa ny Taranaka nampanantenaina dia ho tonga amin’ny alalan’i Jakoba. — Genesisy 28:13-15.
Jakoba, izay nantsoin’i Jehovah koa hoe Isiraely, dia nanan-janakalahy 12, izay mba niteraka koa. Nanomboka nihamaro àry ny taranak’i Abrahama. — Genesisy 46:8-27.
Rehefa nisy mosary mafy tao amin’ilay faritany, Jakoba sy ny fianakaviany dia nidina nankany Egypta rehefa nasain’i Farao, mpanapaka an’i Egypta. — Genesisy 45:16-20.
Tany Egypta dia naseho fa ho avy amin’i Joda zanakalahin’i Jakoba ny Taranaka nampanantenaina. — Genesisy 49:10.
Farany dia maty Jakoba, ary nitombo isa ny taranany ambara-pahatongany ho toy ny firenena iray. Noho izany dia nanjary natahotra azy ireo ny Egyptiana ary nampanompo azy ireo. — Eksodosy 1:7-14.
Farany dia naniraka an’i Mosesy, lehilahy tena nahatoky iray i Jehovah, mba hangataka ny Farao tamin’izany fotoana izany hamela ny zanak’Isiraely handeha malalaka. — Eksodosy 6:10, 11.
Noho ny fandavan’i Farao, dia nahatonga loza folo tamin’ny Egyptiana i Jehovah. Ho loza farany, dia nalefany ny anjelin’ny fahafatesana hamono ny lahimatoan’i Egypta rehetra. — Eksodosy toko faha-7 ka hatramin’ny faha-12.
Nilaza tamin’ny Isiraelita Andriamanitra fa raha mamono zanak’ondry ho an’ny sakafony hariva izy ireo sy mametraka ny sasany amin’ny rany eo amin’ny tolam-baravaran’izy ireo, ny anjely mpandringana dia handalo ny tranon’izy ireo. Voavonjy tamin’izany ny lahimatoan’ny Isiraely. — Eksodosy 12:1-35.
Ho vokatr’izany, Farao dia nandidy ny Isiraelita mba hivoaka avy tao Egypta. Nefa niova hevitra izy ary nanenjika azy ireo mba hamerina azy.
Nanokatra lalana ho an’ny Isiraelita Jehovah mba handosirany namakivaky ny Ranomasina Mena. Ary rehefa nanandrana nanaraka azy ireo i Farao sy ny tafiny, dia maty an-drano. — Eksodosy 15:5-21.
Jehovah dia nitarika ny zanak’Isiraely ho eo amin’ny tendrombohitra iray nantsoina hoe Sinay tany an’efitra. Teo no nanomezany azy ireo ny Lalàny sy nilazany fa raha hitandrina izany izy ireo, dia ho tonga fanjakà-mpisorona sy firenena masina. Araka izany, rehefa nandeha ny fotoana, ny Isiraelita dia nanana fahafahana hitana toerana lehibe tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Eksodosy 19:6; 24:3-8.
Rehefa avy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay tokony ho herintaona ny Isiraelita, Jehovah dia nitarika azy ireo nankany Palestina, dia ny tany izay nampanantenainy an’i Abrahama razambeny.
Tany Palestina dia navelan’Andriamanitra hotapahin’ny mpanjaka ny Isiraelita taty aoriana. Tamin’izany Andriamanitra dia nanana fanjakana teto an-tany.
Ny mpanjakan’ ny Isiraely faharoa dia Davida, taranak’i Joda. Nandresy ny fahavalon’ny Isiraely rehetra i Davida, ary nanao an’i Jerosalema ho renivohitry ny firenena.
Ireo fisehoan-javatra tamin’ny andro nanjakan’i Davida dia mampiseho fa rehefa manohana ny mpanjaka iray Jehovah, dia tsy misy mpitondra eto an-tany afaka mandresy azy.
Nilaza Jehovah fa ny Taranaka nampanantenaina dia ho iray amin’ny taranak’i Davida. — I Tantara 17:7, 11, 14.
Solomona, zanakalahin’i Davida, dia nanapaka nanaraka azy. Mpanjaka hendry izy, ary niroborobo ny Isiraely teo ambany fanjakany.
Solomona koa dia nanorina tempoly tsara tarehy ho an’i Jehovah, tao Jerosalema. Ny toe-piainana teo amin’ny Isiraely teo ambany fanapahan’i Solomona dia mampiseho amintsika ny sasany amin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy ho an’ny olombelona. — I Mpanjaka 5:4, 5 [4:24, 25, MN].
Kanefa, maro tamin’ireo mpanjaka taorian’i Solomona no tena tsy nahatoky.
Nefa raha mbola nanapaka tao Jerosalema ireo taranak’i Davida, Jehovah dia nampiasa an’Isaia mpaminaniny mba hilaza ny amin’ny zanakalahin’i Davida ho avy iray izay hanapaka ny tany manontolo amim-pahatokiana. Ho ny Taranaka nampanantenaina izany. — Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, MN].
Nambaran’Isaia mpaminany fa mbola ho be voninahitra kokoa noho ny an’i Solomona ny fanapahany. — Isaia toko faha-11 sy 65.
Amin’izao fotoana izao, mihoatra noho ny teo aloha rehetra, ny mpanompon’Andriamanitra dia nanontany tena hoe iza moa io ho Taranaka io.
Talohan’ny hahatongavan’ilay Taranaka, ireo mpanjakan’ny Isiraely dia nanjary ratsy loatra hany ka navelan’i Jehovah hotafihin’ny Babyloniana ilay firenena tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary natao sesitany tany Babylona ny ankamaroan’ny olona. Nefa tsy nohadinoin’Andriamanitra ny fampanantenany. Mbola hiseho ao amin’ny fianakavian’i Davida ihany ilay Taranaka. — Ezekiela 21:30-32 [21:25-27, MN].
Izay nitranga tamin’ny Isiraely dia nampiseho fa na dia afaka nitondra soa aza ny mpanjaka hendry sy nahatoky iray, dia voafetra ireny soa ireny. Maty ny olona mahatoky ary mety tsy hahatoky ireo mpandimby azy. Inona no fanafodiny? Ny Taranaka nampanantenaina.
Farany, taorian’ny an’arivony taona maromaro, dia niseho ny Taranaka. Iza moa izy io?
Ny anjely iray avy amin’Andriamanitra no nanome ny valiny tamin’ny zazavavy isiraelita iray mpitovo nantsoina hoe Maria. Nilaza taminy izy io fa hanan-janakalahy hantsoina hoe Jesosy izy. Izao no tenin’ilay anjely:
“Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka (...) Izy”. — Lioka 1:32, 33.
Jesosy àry no tokony ho ilay Taranaka nampanantenaina ary amin’ny farany dia ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nefa nahoana moa Jesosy no niavaka tamin’ireo lehilahy nahatoky izay niaina talohany?
Tamin’ny fahagagana no nahaterahan’i Jesosy. Virijina ny reniny, ary tsy nanan-dray olombelona izy. Tany an-danitra i Jesosy no niaina talohan’izay ary ny fanahy masin’Andriamanitra, na hery miasa, no namindra ny fiainan’i Jesosy avy tany an-danitra nankao an-kibon’i Maria. Tsy nandova ny fahotan’i Adama àry izy. Nandritra ny fiainany rehetra dia tsy nanota i Jesosy. — I Petera 2:22.
Rehefa 30 taona i Jesosy dia natao batisa.
Niresaka tamin’ny olona ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ary farany dia niseho ho toy ny Mpanjakan’io Fanjakana io. — Matio 4:23; 21:4-11.
Nanatanteraka fahagagana maro koa izy.
Nanasitrana ny marary izy. — Matio 9:35.
Namahana tamin’ny fomba mahagaga ny noana izy. — Matio 14:14-22.
Nanangana ny maty mihitsy aza izy. — Jaona 11:38-44.
Ireny fahagagana ireny dia mampiseho ny karazan-javatra hataon’i Jesosy ho an’ny olombelona amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy.
Tsaroanao ve ny fomba nanaovan’i Davida mpanjaka an’i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany? Nohazavain’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy ho eto an-tany, fa any an-danitra. (Jaona 18:36) Izany no antony iantsoana ilay Fanjakana hoe “Jerosalema any an-danitra”. — Hebreo 12:22, 28.
Notononin’i Jesosy ireo lalàna tokony hankatoavin’ireo izay ho vahoakan’ilay Fanjakana. Ao amin’ny Baiboly ireo lalàna ireo ankehitriny. Ireo lalàna lehibe indrindra dia ny tokony hitiavan’ny olona an’Andriamanitra sy ny hifankatiavan’izy ireo. — Matio 22:37-39.
Nambaran’i Jesosy koa fa tsy ho irery izy amin’ny fanapahana ao amin’ny Fanjakany. Hisy olombelona hofidina ho any an-danitra sy hanjaka miaraka aminy. (Lioka 12:32; Jaona 14:3) Ho firy moa izy ireo? Manome ny valiny ny Apokalypsy 14:1: 144 000.
Raha 144 000 monja no mankany an-danitra mba hanjaka miaraka amin’i Jesosy, inona moa no azon’ny sisa amin’ny olombelona antenaina?
Hoy ny Baiboly: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Ireo izay hiaina mandrakizay eto an-tany dia antsoina hoe “ondry hafa”. — Jaona 10:16.
Misy fanantenana roa àry. Misy 144 000 asain’i Jehovah Andriamanitra ho any an-danitra mba hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy. Nefa an-tapitrisany maro hafa no manana ny fanantenana azo antoka hiaina eto an-tany ho toy ny vahoakan’ny Fanjakany. — Apokalypsy 5:10.
Nankahala an’i Jesosy i Satana ary nanohitra azy. Rehefa avy nitory nandritra ny telo taona sy tapany Jesosy, dia nataon’i Satana izay hisamborana azy sy hamonoana azy tamin’ny fanomboana azy teo amin’ny tsato-kazo. Nahoana no navelan’Andriamanitra hitranga izany?
Tsarovy fa noho ny maha-taranak’i Adama antsika, isika rehetra dia manota ary mendrika ny ho faty. — Romana 6:23.
Tsarovy koa fa noho ny fomba mahagaga nahaterahan’i Jesosy, dia lavorary izy ary tsy mendrika ny ho faty. Kanefa dia navelan’Andriamanitra i Satana ‘hanorotoro an’i Jesosy teo amin’ny ombelahin-tongony’, hamono azy. Nefa naverin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana indray izy ho toy ny zavaboary ara-panahy tsy mety maty. Koa satria mbola nanana zo ho amin’ny fiainan’olombelona lavorary izy, dia afaka nampiasa izany izy izao mba hanavotana antsika olombelona amin’ny fahotana. — Genesisy 3:15; Romana 5:12, 21; Matio 20:28.
Mba hanampiana antsika hahatakatra ny hevitry ny soron’i Jesosy, ny Baiboly dia miresaka ny amin’izany amin’ny alalan’ny sary ara-paminaniana.
Ohatra, tsaroanao ve ny fomba nilazan’i Jehovah tamin’i Abrahama mba hanao sorona ny zanany lahy, ho fitsapana ny fitiavany?
Izany dia sary ara-paminaniana ny amin’ny soron’i Jesosy. Izy io dia nampiseho fa lehibe aoka izany ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona ka nahatonga azy hamela ny zanany lahy, Jesosy, ho faty ho antsika mba hahazoantsika ny fiainana. — Jaona 3:16.
Tsaroanao ve ny fomba nanafahan’i Jehovah ny Isiraelita avy tany Egypta sy namonjeny ireo lahimatoany tamin’ny fampandalovana ilay anjelin’ny fahafatesana teo amin’izy ireo? — Eksodosy 12:12, 13.
Sary ara-paminaniana izany. Nilaza fiainana ho an’ireo lahimatoan’ny Isiraelita ny ran’ny zanak’ondry. Toy izany koa fa ny ra nalatsak’i Jesosy dia milaza fiainana ho an’ireo izay mino azy. Nilaza fanafahana ho an’ny Isiraelita ireo fisehoan-javatra tamin’io alina io. Toy izany koa fa ny fahafatesan’i Jesosy dia manolotra ho an’ny olombelona fanafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana.
Izany no antony iantsoana an’i Jesosy hoe “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. — Jaona 1:29.
Kanefa, raha mbola teto an-tany Jesosy dia nanangona mpianatra koa ary namolavola azy ireo mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, na dia aorian’ny fahafatesany aza. — Matio 10:5; Lioka 10:1.
Ireo no olombelona voalohany nofidin’Andriamanitra mba hanapaka miaraka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany. — Lioka 12:32.
Tsaroanao ve fa nampanantena ny Jiosy Andriamanitra fa raha mitandrina ny Lalàna izy ireo dia ho “fanjaka-mpisorona”? Izao izy ireo dia nanana fahafahana ho anisan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanompo amin’ny maha-mpisorona any an-danitra raha nanaiky an’i Jesosy. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia nanda an’i Jesosy.
Koa nanomboka hatreo, ny Jiosy dia tsy firenena voafidin’Andriamanitra intsony; tsy ny tany nampanantenaina intsony i Palestina. — Matio 21:43; 23:37, 38.
Nanomboka tamin’ny andron’i Jesosy ka hatramin’izao androntsika izao, Jehovah dia nanangona ireo izay hanjaka any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. Mbola misy an’arivony vitsivitsy amin’izy ireo velona eto an-tany amin’izao andro izao. Antsointsika hoe ny sisa voahosotra izy ireny. — Apokalypsy 12:17.
Ankehitriny dia manomboka mahita ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra ianao. Izany dia fitondram-panjakana iray any an-danitra, ka ny Mpanjakany dia Jesosy Kristy, ary misy olona 144 000 avy amin’ny tany miaraka aminy. Hanapaka eo amin’ny olombelona mahatoky eto an-tany izany ary hanana ny hery mba hitondrana fiadanana ho an’ny tany.
Taorian’ny nahafatesany, Jesosy dia natsangana ary nankany an-danitra. Tany, dia niandry an’Andriamanitra izy mba hilaza taminy hoe tonga ny fotoana hanombohany manapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 110:1) Ho rahoviana moa izany?
Indraindray Jehovah dia nandefa nofy tamin’ny olona mba hanambarana tamin’izy ireo lafin-javatra momba ny Fanjakany.
Tamin’ny andron’i Daniela, Jehovah dia nandefa nofy iray toy izany tamin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Hazo goavana iray izany. — Daniela 4:7-34 [4:10-37, MN].
Notapahina ilay hazo ary nofehezina nandritra ny fito taona ny fotony.
Nampiseho an’i Nebokadnezara ilay hazo. Toy ny namehezana ny fotony nandritra ny fito taona, Nebokadnezara dia very saina nandritra ny fito taona. Nody ny sainy avy eo.
Sary ara-paminaniana izany rehetra izany. Nampiseho ny fanapahan’i Jehovah maneran-tany i Nebokadnezara. Teo am-piandohana dia nampiharina tamin’ny alalan’ireo taranak’i Davida mpanjaka tao Jerosalema izany. Rehefa nandresy an’i Jerosalema i Babylona tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tapaka io tarana-mpanjaka io. Tsy hisy intsony mihitsy mpanjaka hafa avy amin’ny taranak’i Davida “mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa”. (Ezekiela 21:32 [21:27, MN])
Jesosy Kristy izany.
Hisy hafiriana moa hatreo amin’ny 607 tal. fan. ir. ka mandra-panombok’i Jesosy manjaka? Fito taona ara-paminaniana, izany hoe 2 520 taona. (Apokalypsy 12:6, 14) Ary ny 2 520 taona manomboka eo amin’ny 607 tal. fan. ir. dia mitondra antsika ho amin’ny 1914 a. fan. ir.
Nanomboka nanapaka tany an-danitra àry Jesosy tamin’ny 1914. Nilaza inona moa izany?
Milaza izany amintsika ny Baiboly amin’ny alalan’ny fahitana iray hitan’ny apostoly Jaona.
Nahita vehivavy iray tany an-danitra niteraka zazalahy izy. — Apokalypsy 12:1-12.
Ilay vehivavy dia nampiseho ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, voaforon’ny mpanompo anjelin’Andriamanitra rehetra any an-danitra. Ilay zazalahy dia mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra. “Teraka” tamin’ny 1914 izany.
Inona no nitranga nanaraka? Ny zavatra voalohany nataon’i Jesosy tamin’ny naha-Mpanjaka azy dia ny nanjera avy any an-danitra an’i Satana sy ireo anjely izay nikomy niaraka taminy, ho etỳ an-tany. — Apokalypsy 12:9.
Milaza amintsika ny vokatr’izany ny Baiboly: “Mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. — Apokalypsy 12:12.
Koa rehefa nanomboka nanjaka tany an-danitra Jesosy, dia nanjary niasa mafy aoka izany ny fahavalony teto an-tany. Araka ny nanambaran’ny Baiboly azy mialoha, dia nanomboka nanapaka teo anivon’ny fahavalony izy. — Salamo 110:1, 2.
Inona no ho vokatr’izany ho an’ny olombelona?
Milaza amintsika ny valiny Jesosy: ady, mosary, aretina ary horohorontany. — Matio 24:7, 8; Lioka 21:10, 11.
Hitantsika nitranga ireo zavatra ireo nanomboka tamin’ny 1914. Izany dia antony hafa iray ahafantarantsika fa nanomboka nanapaka ilay Fanjakana tamin’izay.
Milaza amintsika ny bokin’ny Apokalypsy fa ‘hanimba ny tany’ ny olona. (Apokalypsy 11:18). Hitantsika koa izany, indrindra nanomboka tamin’ny 1914.
Ny apostoly Paoly dia nanampy teny fa ny olona dia “ho tia tena, ho tia vola, (...) tsy manoa ray sy reny, (...) mpanontolo fo [tsy azo ifampiraharahana, MN], mpanendrikendrika, tsy mahonom-po”. — II Timoty 3:1-5.
Fantatrao ankehitriny ny antony maha-sarotra aoka izany ny fiainana amin’izao andro izao. Tena niasa mafy Satana. Nefa mba niasa koa ny Fanjakan’Andriamanitra.
Taoriana kelin’ny 1914, ny sisa amin’ireo izay manantena hanapaka any an-danitra miaraka amin’i Jesosy dia nanomboka nanambara ny vaovao tsara hoe tafaorina ilay Fanjakana. Niely naneran-tany io asa io ankehitriny, araka ny nanambaran’i Jesosy azy. — Matio 24:14.
Inona moa no zava-kendren’io asa fitoriana io?
Voalohany, izany dia mba hampahafantarana ny olona ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Faharoa, izany dia mba hanampiana ny olona hanapa-kevitra raha tiany ny ho vahoakan’ilay Fanjakana.
Nilaza i Jesosy fa amin’ny androntsika ny olombelona rehetra dia hizara roa, ka amin’ny farany dia hisy olona ho toy ny ondry sy ny osy. — Matio 25:31-46.
Ny “ondry” dia ho ireo izay tia azy sy ireo rahalahiny. Ny “osy” dia ho ireo izay tsy toy izany.
Ny “ondry” dia hahazo ny fiainana mandrakizay ary ny “osy” dia tsy hahazo izany.
Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia manampy ny olona hampiseho raha toy ny ondry izy ireo na toy ny osy.
Ity misy faminanian’Isaia mpaminany.
“Ary izao no ho tonga any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN]: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa [firenena, MN] rehetra hitanjozotra hankany.” — Isaia 2:2.
Mandia “ny vanim-potoana farany amin’ireo andro” ny olombelona ankehitriny.
Ny “trano” ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah dia “hasandratra” ambonin’ireo fivavahan-diso.
“Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. — Isaia 2:3.
Araka izany dia olona maro avy amin’ny firenena rehetra no tonga mba hivavaka amin’i Jehovah ary manasa ny hafa mba hiaraka amin’izy ireo. Izy ireny dia mianatra manao zavatra araka ny fomba itiavan’i Jehovah azy.
“Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4.
Ireo izay mivavaka amin’i Jehovah dia tafaray ary tia fihavanana.
Ny vokatr’io asan’ny Fanjakan’Andriamanitra io dia ny fisian’olona an-tapitrisany maro ankehitriny maneran-tany izay vahoakan’ilay Fanjakana.
Angonina manodidina ny sisa izy ireo, dia ny sisa amin’ireo izay manana fanantenana ny ho any an-danitra sy hanapaka miaraka amin’i Kristy.
Mandray sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny fandaminan’Andriamanitra izy ireo. — Matio 24:45-47.
Izy ireo dia mpirahalahy kristiana iraisam-pirenena izay mifankatia marina tokoa. — Jaona 13:35.
Mifaly izy ireo amin’ny fananana fiadanan-tsaina, sy fanantenana ny amin’ny ho avy. — Filipiana 4:7.
Tsy ho ela dia ho voatory ny vaovao tsara. Ho voangona ny “ondry”. Inona avy eo no hataon’ilay Fanjakana?
Tsaroanao ve fa Davida mpanjaka nahatoky dia nandresy ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra? Eny, hanao toy izany koa Jesosy Mpanjaka.
Indray mandeha Nebokadnezara mpanjaka dia nanonofy ny amin’ny sary makadiry iray izay nampiseho ny empira maneran-tany rehetra nanomboka tamin’ny androny ka hatramin’ny antsika.
Avy eo izy dia nahita vato iray nendahina avy tamin’ny tendrombohitra iray, ary nanorotoro ilay sary izy io. Nampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra ilay vato.
Izany dia milaza ny fandringanana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — Daniela 2:44.
Ireto misy zavatra sasany hatsimbadik’ilay Fanjakana.
Hanjavona ny fivavahan-diso, toy ny vato fikosoham-bary atsipy any an-dranomasina. — Apokalypsy 18:21.
Izany no antony amporisihana izay rehetra tian’Andriamanitra mba hivoaka avy ao amin’ny fivavahan-diso ANKEHITRINY. — Apokalypsy 18:4.
Avy eo Jesosy Mpanjaka dia ‘hamely ny firenena (...) ary hanapaka azy amin’ny tehim-by’. — Apokalypsy 19:15.
Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mandoa ny hetrany sy mankatò ny lalàn’ny tany aza, dia tsy mitsabaka amin’ny politika.
Farany, Satana mihitsy, ilay “dragona” lehibe, dia hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa. — Apokalypsy 20:2, 3.
Ny “ondry” ihany, ireo izay manaiky an’i Jesosy ho Mpanjaka, no ho tafita velona amin’io fahoriana io. — Matio 25:31-34, 41, 46.
Ny apostoly Jaona dia nahita fahitana iray ny amin’ireo “ondry” izay tafita velona amin’ilay fahoriana.
“Dia hitako fa, indreo, nisy olona [vahoaka, MN] betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany”. — Apokalypsy 7:9.
Ny “vahoaka betsaka” dia voaforon’ireo rehetra izay mandray tsara ny fitoriana ny vaovao tsara.
“Avy tamin’ny fahoriana lehibe” izy ireo. — Apokalypsy 7:14.
Ny “sampan-drofia” dia mampiseho fa mandray an’i Jesosy ho Mpanjakany izy ireo.
Ny fitondrany “akanjo fotsy lava” dia mampiseho fa mino ny sorom-panavotan’i Jesosy izy ireo.
Ny “Zanak’ondry” dia Jesosy Kristy.
Fitahiana inona moa no hifalian’izy ireo amin’izay? Tsaroanao ve ny fahasambarana teo amin’ny Isiraely fony nanapaka Solomona mpanjaka nahatoky? Izany dia nanome sary kely ny amin’ny fahasambarana eto an-tany amin’ny andron’i Jesosy Mpanjaka.
Hisy fihavanana ara-bakiteny eo amin’ny samy olombelona ary eo amin’ny olona sy ny biby, dia araka ny nanambaran’Isaia izany. — Salamo 46:9; Isaia 11:6-9.
Toy ny nanasitranan’i Jesosy ny marary fony tetỳ an-tany izy, no hanesorany koa ny aretina amin’ny olombelona rehetra. — Isaia 33:24.
Toy ny namokisany vahoaka maro be, no hanafoanany koa ny tsy fahampian-kanina eo amin’ny olombelona rehetra. — Salamo 72:16.
Toy ny nananganany ny maty, no hananganany koa ireo maty izay tsy nanana fahafahana feno hanaiky an-tsitrapo ny Fanjakan’Andriamanitra. — Jaona 5:28, 29.
Haveriny miandalana ho amin’ny fahatanterahana izay narian’i Adama ny olombelona.
Moa tsy ho avy mahatalanjona ve izany? Ho tianao ve ny hahita izany? Raha izany no izy, dia miasà mba hahafahanao amin’izao fotoana izao manaiky an-tsitrapo ny Fanjakan’Andriamanitra sy ho tonga iray amin’ireo “ondry”.
Mianara ny Baiboly ary fantaro Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. — Jaona 17:3.
Miaraha amin’ny hafa izay manaiky koa an’ilay Fanjakana. — Hebreo 10:25.
Ianaro ireo lalàn’ilay Fanjakana ary ankatoavy izany. — Isaia 2:3, 4.
Atolory ny fiainanao mba hanompo an’i Jehovah, ary aoka ianao hatao batisa. — Matio 28:19, 20.
Halaviro ny zava-dratsy, toy ny halatra, ny lainga, ny fahalotoam-pitondrantena, ary ny fahamamoana, izay tsy ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. — I Korintiana 6:9-11.
Mandraisa anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. — Matio 24:14.
Amin’izay, noho ny fanampian’Andriamanitra, dia ho hitanao tafaverina indray ny Paradisa izay narian’i Adama ho an’ny taranany, ary ho hitanao ny fahatanterahan’ity fampanantenana ity: “Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.
[Tabilao, pejy 20]
(Jereo ny bokikely)
607 tal. fan. ir. 1914 a. fan. ir.
tal. fan. ir. a. fan. ir.
500 1 000 1 500 2 000 2 520
[Sary, pejy 11]
Abrahama
Isaka
Jakoba
Joda
Davida
[Sary, pejy 14]
144 000
[Sary, pejy 16]
Adama
Jesosy