TANY EFITRA
Amin’ny ankapobeny, dia ilazana tany zara raha misy mponina sady tsy misy mamboly ilay teny hebreo nadika hoe tany efitra (midbar). (Je 2:2) Mety hisy kijana koa any (Sl 65:12; Je 23:10; Ek 3:1), na lavaka fanangonan-drano (2Ta 26:10), na trano, ary tanàna mihitsy aza (1Mp 2:34; Js 15:61, 62; Is 42:11). Matetika ilay teny hoe midbar no midika fotsiny hoe tany maina misy kirihitra sy ahitra. Azo ilazana tany karakaina, izay tena azo antsoina hoe tany efitra, koa anefa izy io. Misy teny hebreo hafa voafaritra kokoa ilazana ny faritra toy izany, ary matetika izy ireny no ampiasaina miaraka amin’ilay hoe midbar.—Sl 78:40; Je 50:12.
Eo, ohatra, ilay teny hoe yeshimôhn izay milaza tany karakaina. (Sl 78:40; Is 43:19, 20) Toa ngazana kokoa noho ilay hoe midbar izy io, satria mety hanondro “tany karakaina [yeshimôhn] misy feom-biby mitaraindraina.” (De 32:10) Anarana tany efitra izy io, rehefa misy mpanoritra voafaritra miaraka aminy.—No 21:20; 1Sa 23:19, 24; jereo JESIMONA.
Eo koa ilay teny hoe ʽaravah, izay manondro lemaka karakaina sy tsy mamokatra, toy ilay faritra eny ampitan’i Jordana sady tandrifin’i Jeriko. (No 22:1) Nety ho tany lonaka izy ireny taloha, saingy lasa ngazana. Inona no nahatonga izany? Angamba naripaka ny ala ary tsy narovana ny nofon-tany sady tsy nisy zavatra nambolena teo aminy, na koa nety ho nisy hain-tany naharitra teo amin’ilay faritra. (Is 33:9; Je 51:43) Anarana faritra iray tao amin’ny Tany Nampanantenaina koa ny hoe ʽaravah, rehefa misy mpanoritra voafaritra miaraka aminy. (Jereo ARABA; ARABA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I.) Eo koa ilay teny hoe tsiyah, izay ilazana tany na faritra “karakaina” tsy misy rano mihitsy. Ampiasaina miaraka amin’ireo teny hebreo hafa etsy aloha izy io.—Sl 107:35; Is 35:1.
Tsy dia hoe fasika be fotsiny no hita any amin’izay faritra rehetra antsoin’ny Baiboly hoe “tany efitra.” Vitsy kely amin’izy ireny no toy ny faritra sasany amin’ny Tany Efitr’i Sahara izay be dongom-pasika. Azo antsoina hoe “tany efitra” anefa izy ireny, satria matetika no lemaka tsy misy hazo firy sady maina, na lembalemba be vato, na lohasaha karakaina sy tsy misy mponina ary voahodidina tendrombohitra avo sy ngazana.—Jb 30:3-7; Je 17:6; Ezk 19:13.
Notarihin’Andriamanitra nankany amin’ilay tany efitra akaikin’ny Ranomasina Mena ny firenen’Israely, tamin’izy ireo nafahana avy tany Ejipta. Nihevitra i Farao tamin’izay hoe very izy ireo. (Ek 13:18-20; 14:1-3) Nivezivezy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona teo ho eo izy ireo, rehefa tafampita ny Ranomasina Mena, ka nitety faritra maro, izay samy nantsoina koa hoe tany efitra, anisan’izany i Sora, Sina, Sinay, Parana, ary Zina. (Ek 15:22; 16:1; 19:1; No 10:12; 20:1) Indraindray izy ireo nitoby teny amin’ny faritra lonaka, ohatra hoe tany Elima, izay nisy loharano 12 sy hazo palmie 70. (Ek 15:27) Nisy fotoana koa izy ireo nitoby tany Kadesy.—No 13:26; De 2:14; SARINTANY, Boky 1, p. 541.
Ao anatin’ilay antsoina hoe faritra lonaka miendrika volan-tsinana (Croissant fertile) ny Tany Nampanantenaina, izay tany lavalava mamokatra tsara. Ny Ranomasina Mediterane no teo amin’ny andaniny ary ny Tany Efitra Syrianina Arabo no teo amin’ny ankilany, izany hoe teo atsinanany. Nisy tany efitra hafa midadasika koa teo atsimony, dia ny Saikinosin’i Sinay. (Ek 23:31) Nisy tany efitra kely kokoa anefa tao anatin’ny Tany Nampanantenaina, ka anisan’ireny ilay teo akaikin’i Dotana, teo atsimon’ny Lohasahan’i Jezirela, ary nisy an’ilay lavaka fanangonan-drano nanipazan’ny rahalahin’i Josefa azy. (Ge 37:17, 22) Anisan’ireny koa ny Tany Efitr’i Joda. Nisy ampahany tamin’izy io teo akaikin’ny tanànan’i Zifa sy Maona ary En-jedy. Tany i Davida no niafina an’i Saoly. (Mpts 1:16; 1Sa 23:14, 24; 24:1) Nisy tany efitra koa teo amin’ny ilany atsinanana amin’i Jordana, ary nikambana tamin’ny Tany Efitra Syrianina Arabo izy io. (No 21:13; De 1:1; 4:43) Saika tany efitra avokoa ny lohasaha mitsefaka (Ghor ankehitriny) izay lalovan’ny Reniranon’i Jordana.
Ngazana tanteraka ankehitriny ny tany efitra maro resahin’ny Baiboly. Misy porofo anefa mampiseho fa tsy hoe efa toy izany foana ny sasany amin’izy ireny. Hoy i Denis Baly: “Tsy maintsy ho niova be ny karazan-javamaniry eo amin’ilay toerana raha oharina amin’ny taloha.” (Jeografian’ny Baiboly, 1957, p. 91) Mbola nirindra tsara taloha ny fiasan’ny nofon-tany sy ny toetrandro ary ny zavamaniry, ka tsy simba ny tontolo iainana ary kely dia kely ny tany nokaohin’ny riaka. Niova anefa izany rehefa naripaky ny olona ny ala ary tsy naveriny tamin’ny laoniny intsony. Tsy nisy intsony ny alokaloka sy ny fakan-kazo nihazona ny nofon-tany, ka simba ny nofon-tany noho ny hafanana nigaingaina tamin’ny vanin-taona mafana sy ny orana nivatravatra tamin’ny ririnina. Nodanihin’ny masoandro sy nofaohin’ny rivotra sy ny ranonorana ny nofon-tany. Nitresatresaka koa izy io satria mbetika nahamay be ny andro ary mbetika nangatsiaka be. Hita tamin’ny fikarohana natao tany ambanin’ny tany fa “nisy kijana sy lemaka ary faritra lonaka” taloha, teny amin’ireo tany maro tena ngazana ankehitriny. “Nisy loharano maro teny amin’ireny faritra lonaka ireny. Afaka nanorina tanàna teny mihitsy aza ny olona sady nikojakoja an’ireo lalana lehibe fampiasan’ireo mpanao dia lavitra, rehefa hainy ny nitahiry ny ranon’ireo loharano sy ny ranonorana nilatsaka tsindraindray tao amin’ilay faritra.” (Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 828) Na dia ankehitriny aza, dia mbola rakotra ahi-maitso matevina ny ankamaroan’ireny tany efitra ireny rehefa lohataona, nefa lasa ngazana sy main’ny hafanana migaingaina sy ny hain-tany rehefa tonga ny vanin-taona mafana.
Zava-nisy tany an-tany efitra. Azo inoana hoe azo niainana kokoa ny faritra sasany tany an-tany efitra fahiny, fa tsy toy ny ankehitriny. Nilaza anefa i Mosesy fa rehefa namakivaky an’i Sinay ny Israelita, dia namakivaky “tany efitra lehibe sy mampahatahotra, izay onenan’ny bibilava misy poizina sy ny maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano.” (De 1:19; 8:15; SARY, Boky 1, p. 542) “Tany be fanaviana” koa io tany efitra io (Ho 13:5) sady maizim-pito sy feno lavaka. (Je 2:6) Nisy faritra mbola ngazana kokoa aza tany an-tany efitra. Tsy nisy mponina izy ireny (Jb 38:26), na nisy ihany fa olona nonina an-tranolay na mpifindrafindra monina. (1Ta 5:9, 10; Je 3:2) Naniry tany ny tsilo sy voaroy (Ge 21:14, 15; Ek 3:1, 2; Mpts 8:7), ary ny hazo lamoty sy ny akasia be tsilo.—Ek 25:10; Jb 40:21, 22.
Rehefa reraky ny dia namakivaky ireo lala-masaka tany an-tany efitra ny olona (Je 12:12), dia angamba namonjy alokaloka teo ambanin’ireo rantsana matsoraka amin’ny hazo anjavidy. (1Mp 19:4, 5) Azony natao koa ny nankeo ambanin’ny hazo zenevrie botry kely izay toa malahelo (Je 48:6), na nanatona ny vataben’ny hazo tamariska miolakolaka mba hahazo ny alokaloky ny raviny madinika kely sy maitso mandavantaona. (Ge 21:33) Fahita tany an-tany efitra koa ny voromahery sy ny vorona hafa mpiremby izay nihodinkodina teny amin’ny lanitra tsy semban-drahona. (De 32:10, 11) Nandady teny amin’ny vato sy tany anaty bozaka sy ravinkazo ny bibilava misy tandroka sy ny bibilava miantoraka. Nitsoriaka tetsy sy teroa ny androngom-pasika. Niresaresa kosa ny androngobe, amin’izato tongony fohy sy matanjaka. (Le 11:30; Sl 140:3; Is 34:15) Nipoitra teny amin’ny harambato ny osidia. (1Sa 24:2) Nitady zavamaniry hohaniny ny ampondradia, zebra, rameva, ary ny aotirisy, nefa tsy nisy firy izany tany. Nety ho hita tany koa ny gisandrano sy ny sokina. (Jb 24:5; 39:5, 6; Je 2:24; Ft 4:3; Ze 2:13, 14) Re tamin’ny alina ny alikadia na ny amboadia ninaonaona, sy ny feom-borondolo sy matoriandro. Tena any an-tany efitra sy mitokana tokoa ilay faritra! (Is 34:11-15; Je 5:6) Mazàna no natahotahotra ny olona rehefa natory tany an-tany efitra.—Ampit. Ezk 34:25.
Saika fasika sy vatokely ary harambato no mandrakotra ny Saikinosin’i Sinay, na dia misy faritra lonaka sasany ihany aza. Tena vitsy kely ny zavamaniry eny amin’ireo lohasaha falehan-driaka. Mety ho betsaka kokoa ny rotsakorana fahiny ka betsaka kokoa ny zavamaniry. Na izany aza anefa, dia tsy azo inoana hoe ho tafavoaka velona tao amin’io faritra ngazana io ny Israelita, izay angamba niisa telo tapitrisa, raha tsy nokarakarain’Andriamanitra. Hoy mantsy i Mosesy teo amin’ny Lemak’i Moaba: “Tandremo ... sao hadinoinao i Jehovah Andriamanitrao, ... izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny trano fanandevozana. Fa izy no nampandeha anao namakivaky ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra, izay onenan’ny bibilava misy poizina sy ny maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano ho anao avy tamin’ny harambato, ary nanome anao mana ho sakafo tany an-tany efitra—mana izay tsy fantatry ny razanao—mba hampanetry tena anao sy hitsapana anao ka hanasoavana anao any aoriana.”—De 8:11-16.
Tany efitra resahin’ny Soratra Grika. Ilay teny grika hoe eremôs, amin’ny ankapobeny, no mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe midbar. (Lk 15:4) Ampiasaina izy io mba hilazana an’ilay tany efitra nitorian’i Jaona Mpanao Batisa (Mt 3:1) sy ny toerana mitokana nitondran’ny demonia an’ilay lehilahy azony. (Lk 8:27-29) Tany an-tany efitra koa i Jesosy no nifady hanina sy nalain’i Satana fanahy, taorian’ny batisany. (Mt 4:1; ampit. Le 16:20-22.) Tamin’izy tetỳ an-tany, dia nitoetra irery tany an-tany efitra i Jesosy indraindray, mba hivavaka. (Lk 5:16) Nanome toky an’ireo mpianany anefa izy fa tsy ho any amin’ny tany efitra iray mitokana fotsiny no hahitana fa efa manomboka manjaka sy manatrika izy, fa hatraiza hatraiza mihitsy. (Mt 24:26) Mbola teo ireo loza fahita tany an-tany efitra, rehefa nanao dia misionera ny apostoly Paoly.—2Ko 11:26; ampit. As 21:38.
Heviny an’ohatra. Nitsoka avy tany an-tany efitra any atsinanana sy atsimoatsinanan’i Palestina ny rivotra mahery sady mahamay antsoina hoe sirocco, izay avy amin’ny teny arabo (sharkoiyyeh) midika hoe “rivotra avy any atsinanana.” Lasa maina be izay lalovany, satria trohiny daholo ny hamandoana eny amin’ny rivotra, ary matetika izy no mitondra vovoka manify somary mavo. (Je 4:11) Amin’ny lohataona sy ny fararano no tena mitsoka ny sirocco, ary tena manimba ny zavamaniry sy ny voly izy io amin’ny lohataona. (Ezk 17:10) Izao no nolazain’i Jehovah mialoha momba an’i Efraima, ilay foko solontenan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra izay nivadi-pinoana: “Na mahavokatra ... aza izy, dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana. ... Avy any an-tany efitra no hiakaran’izany, ka hataony maina ny lavadrano ary hataony ritra ny loharano. Horobainy ny harena, dia ny zava-tsarobidy rehetra.” Mandravarava tokoa io rivotra avy any atsinanana sady avy any an-tany efitra io, ka ampiasaina mba hilazana ny fanafihan’i Asyria ny Israely. Hanafika avy any atsinanana ny Asyrianina, ka handroba ny Israelita sy hitondra azy ireo ho babo.—Ho 13:12-16.
Rehefa miresaka hoe tany efitra, dia toerana tsy misy mponina firy sy tsy misy olona mikarakara na mamboly no tonga ao an-tsaina. Matetika àry io teny io no ampiasaina mba hilazana ny faharavana vokatry ny fanafihan’ny fahavalo. Nivadika tamin’Andriamanitra ny Joda ka hataon’ny Babylonianina ‘tany efitra ireo tanànany masina. Ho lasa tany efitra koa i Ziona, ary hanjary lao i Jerosalema.’ (Is 64:10) Ho toy ny tany efitra koa ny saham-boankazo sy ny tanimboly ao amin’ilay tany. (Je 4:26; 9:10-12) Haongana ireo andriana mpitondra ao aminy, izay oharina amin’ny hazo sedera mijoalajoala. (Je 22:6, 7; ampit. Ezk 17:1-4, 12, 13.) Toy izany koa anefa no hitranga amin’ireo firenena fahavalo, toa an’i Babylona, Ejipta, Edoma, ary ny hafa. Nankahala sy nanohitra an’ilay fanjakana sy mpanjaka napetrak’Andriamanitra mantsy izy ireo. I Babylona indrindra no voalaza fa ho lasa “tany efitra tsy misy rano ..., sady [ho] lemaka karakaina”, izany hoe tsy hisy mponina ary ho lao tanteraka ka hohadinoina.—Je 50:12-16; Jl 3:19; Ze 2:9, 10.
Mifanohitra amin’izany kosa no hitranga amin’ny tanin’i Joda, rehefa tapitra ny sesitany 70 taona. Haverina amin’ny laoniny ilay tany, ka toy ny hoe miova ny tany efitra ary lasa tahaka ny zaridainan’i Edena izay misy saham-boankazo sy tanimboly mamokatra ary tondrahan’ny renirano maro. Hita ao koa ny bararata isan-karazany sy ny hazo mandrobona ary ny voninkazo mamelana. Lasa toy ny hoe faly àry ilay tany.—Is 35:1, 2; 51:3.
Olona. Misy koa faminaniana mampitovy olona amin’ny tany efitra. Manana heviny ara-panahy ireny fampitahana ireny voalohany indrindra, fa tsy ara-bakiteny. Ampitovina amin’ny hazo tokana any amin’ny lemaka karakaina, ohatra, izay olona mitoky amin’ny olombelona fa tsy amin’i Jehovah. Tsy hahita soa izy. Izay matoky an’i Jehovah kosa dia toy ny “hazo nambolena eo amoron-drano”, izay mamoa sy mandrobona ary voaro. (Je 17:5-8) Mifanohitra tokoa ireo, ka manampy antsika hahazo sary an-tsaina ny atao hoe tany efitra.
“Tany efitra any amin’ny ranomasina.” Inona ilay “tany efitra [midbar] any amin’ny ranomasina” resahin’ny Isaia 21:1? Mihevitra ny mpivaofy teny sasany fa ny faritra atsimo amin’i Babylonia fahiny no tiana holazaina amin’izany. Tany efitra mantsy io faritra io nefa lasa toy ny hoe ‘ranomasina’, rehefa tondraka be ny reniranon’i Eofrata sy Tigra isan-taona.
Ao amin’ny Apokalypsy. Misy heviny an’ohatra roa ny tany efitra ao amin’ny Apokalypsy: 1) Ny toerana mitokana sy tsy tratran’ireo mpanafika, toy ilay toerana nandosiran’ilay vehivavy an’ohatra izay vao avy nitera-dahy (izany hoe niteraka an’ilay Fanjakana) (Ap 12:6, 14), ary 2) ny fonenan’ny bibidia, toy ilay toerana nisy an’ilay vehivavy an’ohatra, izany hoe i “Babylona Lehibe”, izay mitaingina an’ilay bibidia manan-doha fito.—Ap 17:3-6, 12-14.