Ny fiadanan’Andriamanitra ho an’ireo izay ampianarin’i Jehovah
“Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” — Isaia 54:13.
1, 2. Inona no ilaina mba hananana fiadanana?
SOA faniry loatra ny fiadanana! Asehon’ny Tantara anefa fa tsy hitan’ny olombelona foana izany. Nahoana?
2 Ny fiadanana dia mifamatotra akaiky amin’ny fanajana ny fahefana. Ary iza, eo amin’izao rehetra izao, no mitana ny fahefana ambony indrindra, fa tsy ny Mpamorona, Jehovah Andriamanitra? Zava-dehibe tokoa àry ny hahazoana ny fankasitrahany mba hananana fiadanana (Salamo 29:11; 119:165). Raha verintsika izany fankasitrahana tena lehibe tokoa izany, dia tsy afaka ny handray soa amin’ny tena fiadanana isika, na amin’Andriamanitra izany, na amin’ny namantsika, na amin’ny tenantsika. — Isaia 57:21.
Nahoana no tsy manana fiadanana izao tontolo izao
3. Inona moa no nanimba ny fifandraisana teo amin’Andriamanitra sy ny olona?
3 Araka ny fantatsika, teo am-piandohan’ny tantaran’olombelona, ny zanak’Andriamanitra ara-panahy iray dia nikomy tamin’i Jehovah. Toe-javatra misy ady ny fikomiana. Ilay fahavalon’ny fiadanana izay nantsoina taty aoriana hoe Satana Devoly, dia nanosika an’i Eva hiala amin’ny lalàn’Andriamanitra raha noheveriny fa nety handraisany tombontsoa izany. Nanova ny zavatra tena nisy ny Devoly mba hanaovana izay hinoan-dravehivavy fa ny fankatoavany an’Andriamanitra dia nanaisotra zavatra tsara taminy. Izany dia fitaomana azy ho tia tena, fanosehana azy hanaraka ny fihetsika hoe “izaho aloha”. Nanaraka azy akaiky ny vadiny tamin’ny tsy firaharahana lalàna, hany ka simban’io toe-tsaina io ny taranany rehetra. — Genesisy 3:1-6, 23, 24; Romana 5:12.
4, 5. a) Nanao ahoana ny halehiben’ny hery nampiharin’i Satana teo amin’ny fomba fisainan’ny olombelona? b) Inona no vokatr’izany eo amin’ny fiezahan’ny olombelona mba hahazo fiadanana?
4 Tsy hoe vitsy tamin’ny olombelona ihany akory no nanda ny lalàn’Andriamanitra. Ambaran’ny Soratra Masina tokoa fa “mampaniasia ny tany onenana manontolo” Satana. (Apokalypsy 12:9, MN.) Ny sasany mandika amin’ny fomba tena ratsy ny lalàn’i Jehovah ary tsy mampiseho fanajana mihitsy na an’Andriamanitra, na ny mpiara-belona aminy; misy hafa koa manao toy izany, na dia kely kokoa aza. Nahomby aoka izany teo amin’ny fananan-kery eo amin’ny fisainan’olombelona anefa Satana, hany ka afaka nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19). Na milaza ho mino ny fisian’ny Devoly ny olona na tsia, dia manao ny sitrapony, mankatò azy; filohan’izy ireo àry izy io. Noho izany, dia lavitra an’Andriamanitra ny olombelona, fahavalony. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, mahagaga ve raha tsy nahomby ny fiezahan’ny olombelona hanorina fiadanana? — Kolosiana 1:21.
5 Na dia tao aza izany, dia mihamaro ny olona avy amin’ny firenena rehetra mahita amin’izao andro izao ny fiadanan’Andriamanitra, dia fiadanana izay Andriamanitra no loharanony. Ahoana no hetezan’izany?
Ny fiadanana mahafa-po omen’Andriamanitra
6. a) Manao ahoana ny fiheveran’ny Baiboly ny fiadanana ho zava-dehibe? b) Amin’ny alalan’iza no mety hananantsika ny fiadanana omen’Andriamanitra?
6 Ao amin’ny Romana 15:33, Jehovah dia lazalazaina ara-drariny ho “Andriamanitry ny fiadanana”. Vao teo am-boalohany, ny fikasan’Andriamanitra dia ny hananan’ny zavaboariny rehetra fiadanana. In-300 mahery ao amin’ny Teniny, dia misy fitenenana ny amin’ny fiadanana. Ahariharin’ny Baiboly fa Jesosy Kristy dia “Andrian’ny fiadanana”. (Isaia 9:5, 6.) Izy no nanankinan’Andriamanitra ny fanafoanana ny asan’ilay fahavalon’ny fiadanana lehibe indrindra, dia Satana Devoly (I Jaona 3:8). Ary noho ilay Andrian’ny fiadanana, ny tsirairay avy amintsika dia afaka mahita fahafahampo amin’ny fiadanana omen’Andriamanitra.
7. a) Inona moa no atao hoe fiadanan’Andriamanitra? b) Nahoana moa isika no tsy tokony hiandry ny fahataperan’izao fandehan-javatra tranainy izao sy ny fahatanterahana mba hananana izany?
7 Ary fiadanana mahatalanjona toy inona moa izany! Mampiseho zavatra mihoatra noho ny tsy fisian’ny ady fotsiny izany. Ny teny hebreo hoe shalôm, izay mandrakariva no adika hoe “fiadanana”, dia mampahatsiahy hevitra ny amin’ny fahasalamana, fanambinana, fahasambarana. Tsy manam-paharoa ny fiadanan’Andriamanitra ananan’ny kristiana marina, satria tsy miankina amin’ny toerana iainan’izy ireo. Tsy milaza akory izany hoe afaka amin’ny fahasahiranan’izao tontolo izao izy ireo. Ny hery anaty azon’izy ireo kosa anefa dia mahatonga azy ho afaka hisakana ny fipoahan’ny ady amin’ny fifadiana ny famaliana ratsy (Romana 12:17, 18). Na dia marary na tsy manana aza ny olona iray dia mety ho salama sy hiroborobo eo amin’ny lafiny ara-panahy ka hanana amin’izany ny fiadanana omen’Andriamanitra. Mazava ho azy fa ho mafy orina kokoa izany fiadanana izany rehefa ho nanjavona izao tontolo izao tia tena, ary ho lalina kokoa rehefa ho nahatratra ny fahatanterahana ny olombelona rehetra. Nefa kosa ny fiadanan’Andriamanitra mety ho azo dieny izao dia ny fahatonian-tsaina sy fo, ny filaminana anaty tsy miankina amin’ny fisehoan-javatra ivelany (Salamo 4:8). Izany dia avy amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra. Soa tsy hay tombanana re izany!
Mampianatra ireo zanany Jehovah
8. Iza moa ireo olombelona voalohany nandray soa tamin’izany fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany?
8 Iza moa ireo izay, noho izy ampianarin’i Jehovah sy mitandrina ny didiny, dia manana izany fiadanana izany? Asehon’ny Baiboly amintsika fa ny voalohany indrindra dia ireo izay mahaforona ny Isiraely ara-panahy. Izao no lazaina ny amin’izy ireo ao amin’ny Galatiana 6:16: “Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindrampo, ary ho amin’ny Isiraelin’Andriamanitra.” Ny 144 000 no nofidin’Andriamanitra mba hanana anjara amin’ny fiainana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Kristy. — Apokalypsy 14:1.
9. “Fitsipi-pitondrantena” inona tamin’izay no nanome ireo kristiana fahafahana hanana fiadanana?
9 Tamin’ny taonjato I, ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy dia nianatra fahamarinana fototra, izany hoe “fitsipi-pitondrantena” izay nahatonga azy ireo ho afaka hanana fiadanana. Zava-dehibe tokoa ny hahazoan’izy ireo ny hevitr’izany fitsipi-pitondrantena izany. Nandritra ny taonjato 15 mahery, dia nampiasa ny lalàn’i Mosesy izay aloky ny zava-tsoa ho avy ihany i Jehovah. Taorian’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy ho sorona anefa, dia tsy voafatotra tamin’io lalàna io intsony ireo mpanompon’i Jehovah (Hebreo 10:1; Romana 6:14). Nampiseho tsara izany ny fanapahan-kevitry ny kolejy foiben’ireo kristiana tany Jerosalema ny amin’ny raharaha momba ny famorana (Asan’ny apostoly 15:5, 28, 29). Ary nosoritana indray izany tao amin’ny taratasy ho an’ny Galatiana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Tanteraka ireo zavatra tsara nanana ho tandindona ny lalàn’i Mosesy. Nampidirin’i Jehovah tamim-paharetana tao an-tsaina sy tao am-pon’ireo mpianatr’i Kristy voahosotra ny hevitry ny Fahasoavany amin’izay tsy mendrika akory naseho tamin’ny alalan’ny Zanany. Tamin’ny fanehoana finoana an’io fandaharana io sy tamin’ny fiainana nifanaraka taminy, ireo mpianatr’i Kristy dia afaka nanana fiadanana mbola tsy nandraman’ny olombelona mpanota mihitsy teo aloha. — Galatiana 3:24, 25; 6:16, 18.
10. a) Ny fahatanterahan’ny fampanantenana inona voasoratra ao amin’ny Isaia 54:13 moa no niainan’ny Isiraely ara-panahy? b) Ahoana no nahatonga ny fifehezan’i Jehovah hamela azy ireo hahita fiadanana?
10 Ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy dia niaina ny fahatanterahan’ny fampanantenana mahatalanjona voasoratra ao amin’ny Isaia 54:13, izay itenenan’Andriamanitra amin’ny fandaminany voaforon’ny zavaboary ara-panahy mahatoky, ohariny amin’ny vady, hoe: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” Mazava ho azy fa ny Zanak’io fandaminana io lehibe indrindra dia tsy iza fa Jesosy Kristy, izay natao Mesia fony izy voahosotry ny fanahy masina tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana. Manana zanaka maro kokoa ihany anefa ny ‘vadin’i Jehovah’ any an-danitra. Manana 144 000 hafa izay mahaforona ny tapany faharoa amin’ny taranaka voambara ao amin’ny Genesisy 3:15 izy. Nampanantena Jehovah fa izy no ho Mpampianatra lehibe izany zanaka rehetra izany. Nampianariny azy ireo ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fikasany. Nasehony azy ireo ny fomba hanompoana azy. Indraindray, dia voatery nifehy azy ireny izy, rehefa tsy nitandrina ny Teniny izy ireo. Mety ho mafy ny hanekena ny fifehezana; kanefa ireny zanaka ireny dia niaiky tamim-panetren-tena fa nila izany izy ireo, ka nataony ireo fiovana nilaina. Araka izany, io fifehezana io dia niteraka vokatra tsara: “Vokatry ny fahamarinana hiadanana.” — Hebreo 12:7, 11; Salamo 85:8.
“Olona betsaka” ampianarina ao amin’ny lalan’Andriamanitra
11. a) Iza koa moa no ampianarin’i Jehovah amin’izao androntsika izao? b) Ahoana no ampisehoan’ireny olona ireny fa manao zavatra mifanaraka amin’ny fitantarana ao amin’ny Isaia 2:2, 3 izy, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny hafa?
11 Amin’izao androntsika izao dia tsy ny Isiraely ara-panahy ihany akory ny ampianarin’i Jehovah. Tato anatin’izao 50 taona farany izao, dia nampitodika ny sainy ho amin’ny olon-kafa koa izy. Ny amin’izy ireny, dia izao no nosoratan’Isaia nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, ao amin’ny toko faha-2, andininy faha-2 sy 3: “Ary izao no ho tonga any am-parany: ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.” Eny, ireo izay manaraka ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina dia mametraka izany eo amin’ny toerana ambony indrindra eo amin’ny fiainany. Araka izany, io fanompoam-pivavahana io dia tafasandratra ho ambonin’ny karazam-panompoam-pivavahana hafa rehetra, ireo narahin’ny tenan’izy ireo taloha ary mbola arahin’izao tontolo izao manodidina azy ireny ihany. Misy olona avy amin’ny firenena rehetra vavolombelon’izany fisehoan-javatra izany. Hitan’izy ireny fa na dia ao aza ireo fepetra takin’ireo manam-pahefana eto an-tany na ny fanjakan’ny fanao tsy kristiana eo amin’izao tontolo izao, ireo izay mivavaka amin’i Jehovah dia mametraka ireo fatorana mampifamatotra azy aminy ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra. Ireo izay mijery ny fomba fiainan’ireny mpivavaka amin’i Jehovah ireny dia nahita koa ireo vokatra nentin’izy ireo, ka maro no maniry hanana anjara amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Noho izany antony izany, dia olona maherin’ny telo tapitrisa ankehitriny no milaza amin’ny namany hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” — Jereo Zakaria 8:23.
12. Inona avy moa no soa raisin’ireo olona resahin’ny Isaia 2:2, 3 izay manana an’Andriamanitra ho Mpampianatra? Tonòny ny anankiray amin’ireo lafiny miavaka amin’ny fampianarana omen’Andriamanitra azy ireo.
12 Eritrereto kely ny dikan’ny hoe manana an’Andriamanitra ho Mpampianatra! Ireo izay mandray ny toromariny ka mahatakatra tokoa fa avy amin’Andriamanitra izany dia tsy manana fieritreretana manenjika azy foana. Tsy mahatsiaro ho miroa saina eo anelanelan’ny hevitra anankiroa izy na ho voahidy ao anatin’ny toe-draharaha mahasanganehana rehefa hoe hamantatra izay marina. Mangalahala tanteraka ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny andininy fahefatra amin’ny Isaia toko faha-2 dia milaza ny lafiny iray miavaka amin’ny fampianarana raisin’ireny olona ireny. Asehony antsika ny fomba hananana fiadanana eo amin’izao tontolo izao rotidrotika. Araka izany, tsy miankina amin’izay fidin’ny hafa hatao, ireo izay ampianarin’i Jehovah dia manome ohatra voalohany amin’ny fanefena ny sabany ho fangady sy ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Tsy mianatra ady intsony izy ireo.
13. Avy aiza moa ireo anisan’ny “olona betsaka”, kanefa inona no nahatonga azy ireo ho toy ny ankehitriny?
13 Ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10, 14, dia hitantsika ireo olona ireo ihany, aorian’ny fahatafitana velona amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra izao, manana ny fiadanana ao amin’ny tany vaovaon’Andriamanitra. Ireo anisan’izany “olona betsaka” ho tafita velona izany dia avy amin’ny antokom-pirazanana sy foko ary firenena sy fiteny rehetra. Maro amin’izy ireny taloha no anisan’ny antoko niady. Ny hafa, tsy tonga hatramin’izany, dia nanana fiainana feno fitiavan-tena rehefa fotorana. Vato misakana ho an’ny fiadanana koa anefa izany. Kanefa, ireo izay tafavoaka avy amin’ny firenena rehetra izao dia olona tia sy manohana ny fiadanana. Ary inona no nahatonga azy ireo ho toy izany? Nampianarin’i Jehovah izy ireo. — Isaia 11:9.
Fiadanana tsy manam-paharoa amin’ny karazany
14. Miankina amin’inona moa ny fiadanana ananan’ny olon’i Jehovah, ary nahoana?
14 Tena tsy manam-paharoa tokoa ny fiadanana omen’i Jehovah ny olony. Izany akory tsy avy amin’ny fifanarahana marefo ifanaovan’ny an-daniny roa tsy manana fifampitokisana mihitsy. Tsy misy fandikana ny fieritreretana mihitsy amin’izany. Fahamarinana no iorenany (Isaia 32:17). Fa ahoana no mety hanjakan’ny fiadanana toy izany eo amin’ny samy olombelona tsy tanteraka? Noho isika tsy tanteraka, fahamarinana inona no ananantsika? Noho ny finoana, dia afaka mandray soa amin’ny fahamarinana mety ho azo noho ny vidim-panavotan’ny soron’i Jesosy isika.
15. Tamin’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, fampianarana tena lehibe inona ho amin’ny fiadanana moa no nomen’i Jehovah an’ireo ho zanany?
15 Izany dia manampy antsika hahazo ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Jaona 6:45-47. Tao amin’ireo andinin-teny ireo i Jesosy dia niteny tamin’ny Jiosy izay tsy nanaiky azy ho Mesia ka noho izany dia nimonomonona taminy. Tamin’ny fieritreretana an’ireo mpianany anefa no nilazany hoe: “Voasoratra ao amin’ny mpaminany [eto dia ao amin’ny Isaia 54:13] hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra’. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy. Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.” Nanaiky ny fampianarana nomen’i Jehovah azy ireo ireny mpianatra ireny. Voasintona ho any amin’i Jesosy izy ireny. Rehefa nisy hafa nanda ny fampianarany sy nandao an’i Jesosy, ireo kosa dia nijanona teo aminy. Araka ny nolazain’i Petera, “izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra”. (Jaona 6:69.) Noho ny finoany an’i Jesosy Kristy, dia ho afaka ny hihavana amin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo; hahita ny fiadanana izay manome antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo.
16. a) Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, ahoana no nandraisan’ireo mpianatr’i Jesosy soa tamin’ny fandaharana natao tamin’ny alalan’i Kristy? b) Taorian’izany, inona no nangatahina tamin’izy ireo?
16 Tamin’ny Pentekosta taona 33 ireny mpianatr’i Jesosy nahatoky ireny no nanomboka nandray soa tamin’ny soron’i Kristy. Izay nosoratan’i Paoly taty aoriana ao amin’ny Romana 5:1 dia voamarina tamin’izy ireo: “Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Avy amin’ny fahaterahany, dia taranak’i Adama daholo izy rehetra. Nitana azy ireny ho lavitra an’Andriamanitra ny fahotany. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo asa tsara nety ho azony notanterahina manokana afaka nanafoana ny fahotana nolovan’izy ireo. Noho ny fahasoavany anefa, dia nanaiky ny sorona ain’olombelona tanteraka natolotr’i Jesosy i Jehovah ho tombontsoan’ny taranak’i Adama. Ho an’ireo izay naneho finoana izany fandaharana izany, dia nanjary azo natao hatreo ny hahazo fahamarinana sy hatsangan’Andriamanitra ho zanaka, amin’ny fahatsinjovana ny fiainana any an-danitra (Efesiana 1:5-7). Kanefa, nisy zavatra nihoatra noho izany nangatahana tamin’izy ireny ve? Eny. Tokony handeha ao amin’ny lalan’i Jehovah izy ireny. Tsy tokony ho zatra manota intsony izy ireny. Na dia ao aza izany rehetra izany, dia takany fa na toy inona na toy inona fahamarinan’izy ireny, izany fahamarinana izany dia avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra miseho amin’ny alalan’i Kristy. Araka ny ambaran’ny Soratra masina, ireo kristiana voahosotry ny fanahin’Andriamanitra dia ‘manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy’.
17, 18. a) Manana fihavanana amin’Andriamanitra ve ny “ondry hafa”? b) Fanontaniana hafa inona avy no mendrika ny hodinihina?
17 Ary ireo olona nantsoin’i Jesosy hoe ‘ondriny hafa’? (Jaona 10:16.) Manana fihavanana amin’Andriamanitra ve izy ireny? Eny, nefa tsy amin’ny maha-zanak’Andriamanitra. Ao amin’ny Kolosiana 1:19, 20, izy ireny dia ampidirina ho anisan’ireo izay mahazo ny fiadanan’Andriamanitra rehefa lazaina fa hitan’Andriamanitra ho tsara, amin’ny alalan’i Kristy, ny “hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka ny rany [ran’i Jesosy] teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana (...), na ny etỳ ambonin’ny tany [izany hoe ireo olona homena ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany hohavaozina ho tonga paradisa], na ny any an-danitra”. Ireo izay manana fanantenana ny ho eto an-tany dia ambara fa marina ary mihavana amin’Andriamanitra dieny izao, tsy amin’ny maha-zanaka fa, tahaka an’i Abrahama, amin’ny maha-‘sakaizan’Andriamanitra’. Moa tsy mampiseho fahasoavana ve izany? — Jakoba 2:23.
18 Moa ve ny tenanao mandray soa amin’izany fiadanana izany? Ary mifaly amin’izany amin’ny fomba feno araka ny azon’ny olona velona amin’izao fotoana lehibe tokoa eo amin’ny Tantara izao atao ve ianao? Ny lahatsoratra manaraka dia mamelabelatra ny lafiny sasany amin’io raharaha io izay mety hanampy anao amin’io hevitra io.
Famerenana
◻ Nahoana moa no tsy manana fiadanana izao tontolo izao?
◻ Inona moa no fiadanana omen’Andriamanitra amin’izao andro izao?
◻ Iza no afaka manana izany fiadanana izany?
◻ Nahoana moa ny fahamarinana no anton-javatra lehibe amin’izany fiadanana izany?
[Sary, pejy 14]
“Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.”