Jehovah herintsika
“Jah Jehovah no heriko sy tanjako.” — ISAIA 12:2, MN.
1. a) Nahoana moa no hafa ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana moa no teny ilazan’ny Isaia 12:2 izay nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany?
MANATRIKA ireo fivoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ireo Efitrano Fanjakanany ve ianao? Hita ao ny vahoaka tena tsy mitovy amin’ny hafa. Iza moa izany vahoaka izany, ary nahoana no hafa izy? Tsy iza izany fa ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy, ary hafa izy satria mitondra ny ambony indrindra amin’ireo anarana, dia ny an’ilay Mpamorona lehibe ny zava-mahatalanjona rehetra raketin’izao rehetra izao. Eo amintsika io anarana io, ary amin’ny anaran’Andriamanitra no ivoriantsika ao anatin’ny fifaliana mba hananana anjara amin’ny sakafo ara-panahy tsara dia tsara omeny “amin’ny fotoana” amin’ny alalan’ny fandaminany (Lioka 12:42). Noho ny fankasitrahana, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, no iderantsika ny anaran’Andriamanitra tsy manam-paharoa amin’ny fandraisana ireto teny ireto, voasoratra ao amin’ny Isaia toko faha-12, andininy faha-2, MN: “Indro, Andriamanitra no famonjena ahy. Hatoky aho ary tsy hatahotra, satria Jah Jehovah no heriko sy tanjako, ary tonga famonjena ho ahy izy.” Nanafaka antsika tamin’ny fitsapana maro ny Andriamanitsika. Antomotra izao ny famonjena antsika farany, ary mbola ho avy amin’i Jah Jehovah ihany izany.
2. a) Impiry, ary aiza avy moa no ahitana ny fitenenana hoe “Jah Jehovah” ao amin’ny Baiboly? b) Amin’ny fomba hafa ahoana koa moa no ho azo andikana ny teny hebreo nadika hoe ‘tanjaka’ ao amin’ny Isaia 12:2, (MN ), ary nahoana no mety io dikany hafa io?
2 Ny fitenenana hoe “Jah Jehovah”, anoratana indroa ny anaran’Andriamanitra dia tsy hita afa-tsy indroa ao amin’ny Baiboly: ao amin’ny Isaia 12:2 (MN ) sy ao amin’ny Isaia 26:4 (MN ). Ny Baiboly Crampon-Tricot dia manamarika koa fanoratana indroa ny anaran’Andriamanitra amin’ny fandikana ny andinin-teny voarakitra ao amin’ny Isaia 12:2 amin’ny fitenenana hoe “Yah, Yahweh”. (Jereo Darby.) Ao amin’ny fanamarihana iray momba ny Isaia 12:2, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy fanamarihana, dia mampitodika ho amin’ny dikany hafa ilazana fa ny teny hebreo nadika hoe “tanjaka” dia ho azo adika hoe “hira” na “fiderana”. Ary raha ny marina, Jah Jehovah Tsitoha izay manome hery sy tanjaka an’ireo mpivavaka aminy dia mendrika tokoa ny hiran’ireo midera azy! — Isaia 40:28-31.
3. a) Fahafahana hahazo inona moa no natolotr’i Jah Jehovah ho an’ny olombelona, ary noho ny inona? b) Inona moa no vokatry ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 11:33-36 eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
3 Ny herin’i Jehovah dia mifandanja amin’ny fahendreny sy ny fahamarinany ary ny fitiavany. Nampiseho ireo toetra araka an’Andriamanitra ireo Jah Jehovah tamin’ny fanolorana ho an’ny olombelona maneho finoana, fahafahana hahita famonjena noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Izany no antony nampihiaka ny apostoly Paoly hoe: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’ Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.” (Romana 11:33-36). Noho izany, dia mety tanteraka ny hifikirantsika hatrany amin’i Jah Jehovah Andriamanitsika sady Mpanjaka Tompo Tsitoha, sy ny hanambarantsika ny fitokisantsika azy tanteraka. — Jereo Hebreo 3:14.
4. a) Nahoana moa Isaia no nanana antony tsara nanambarana hoe: “Hatoky aho, fa tsy mba hatahotra”? b) Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no afaka matoky an’i Jah Jehovah amin’izao taonjato faha-20 izao?
4 Nanana antony tsara nanambarana toy izao Isaia: “Hatoky aho ary tsy hatahotra.” Tatỳ aoriana, dia tsapan’ilay mpaminany ny asa famonjen’Andriamanitra, satria izy nahita maso ny fomba nanatanterahan’i Jehovah ny Teniny tamin’ny fampietrena an’i Asyria sy ny mpanjakany mpirehaka, Sankeriba. Tao anatin’ny indray alina, ny anjely iray monja nirahin’ny Andriamanitsika Tsitoha, Jehovah, dia nahafaty miaramila asyriana 185 000. Matoa azo natao izany asa famonjena mahatalanjona izany, dia satria Hezekia mpanjaka sy ny mponin’i Joda rehetra nametraka ny fitokisany tanteraka tamin’ny Jah Jehovah (Isaia 37:6, 7, 21, 36-38). Tamin’ny taonjato faha-20, Jehovah dia nanafaka koa ny vahoakany tamin’ny fampahoriana, ny fandrarana, ny fanenjehana sy ny toby fitanana. Sahala amin’ireo Asyriana nieboebo tamin’ny andron’Isaia, Adolf Hitler filoha nazia dia niteny ratsy nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah; indray andro aza dia nihiaka toy izao izy. “Hofoanana eto Alemaina ireny olon-tsy vanona ireny.” Hitler sy ireo nazia tariny anefa no nofoanana; ary ankehitriny, ny antokon’olom-bitsy Vavolombelona alemana izay natoky an’i Jehovah dia niova ho vahoaka 121 200 mahery. — Salamo 27:1, 2; Romana 8:31, 37.
5. Ahoana moa no iharan’ny teny voatantara ao amin’ny Isaia 12:3-5 amin’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao?
5 Rehefa mitranga ny fanenjehana, any amin’ny toerana rehetra, ireo mpanompon’i Jehovah izay matoky azy, dia velombelona, hantanjahina noho ny ranon’ny fahamarinana mahavonjy. Tamin’izany no nanambaran’ilay mpaminanin’Andriamanitra toy izao ao amin’ny Isaia 12:3-5: “Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena. Ary hiteny hianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.” Enga anie isika hanohy higoka amin’io ranon’ny fahamarinan’ilay Fanjakana io ka hankalaza amim-pankasitrahana ny anaran’i Jehovah Mpanjaka Tompontsika! Amim-pitokisana feno an’i Jehovah, dia aoka isika ‘hitory ny teny, hazoto, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana’. (2 Timoty 4:2.) Na inona na inona mety hataon’ireo izay manohitra antsika, dia hitarika antsika amim-pitiavana eo amin’ny lalan’ny famonjena Jah Jehovah.
“Ny tanànan’ny firenena lozabe”
6, 7. a) Mifanaraka amin’ny Isaia 25:1, nahoana moa ireo mpivavaka amin’i Jehovah no tokony hankalaza azy? b) Ahoana moa no teny ilazalazan’ny Isaia 25:2, 3 ny tanàna iray? d) Ny amin’ny tanàna iza moa no azo inoana fa noresahin’ilay mpaminany, ary nahoana?
6 Aoka hodinihintsika izao ny toko faha-25 amin’ny Isaia. Izao no vakintsika eo amin’ny andininy 1: “Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra.” Matoky an’i Jehovah ireo mpivavaka aminy ka mankalaza azy noho ireo asa mahatalanjona vitany teo anivon’izy ireo. Nampiseho fifanoheran-javatra nanaitra Isaia nony avy eo rehefa nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ny tanàna mimanda dia rava avokoa; ny lapan’ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; tsy hatsangana intsony mandrakizay iny (...), hatahotra Anao [Jehovah] ny tanànan’ny firenena lozabe.” — Isaia 25:2, 3.
7 Iza moa izany tanàna lozabe resahin’Isaia tsy tononiny anarana izany? Mety ho Ara, renivohitr’i Moaba, izay fahavalon’ny olon’Andriamanitra foana, izany. Ny teny manodidina kosa anefa dia toa mampiseho fa sampana hafa iray amin’ny fandaminan’i Satana izany, dia: Babylona, ilay fahavalo lehibe indrindra. Amin’ny andro voatendry, dia handrava an’i Joda sy Jerosalema i Babylona, handrodana ny trano nivavahana tamin’i Jehovah, ary hitondra ho any amin’ny fahababoana ireo sisa velona eo amin’ny vahoaka. Notononin’Isaia araka izao ny tenim-pieboeboana nataon’ny mpanjakan’i Babylona: “Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana (...) aho (...) ka ho tahaka ny Avo Indrindra.” Haniraka an’i Kyrosy Persiana anefa Jehovah mba hamely an’i Babylona sy hamerina ny vahoakan’Andriamanitra ho any amin’ny taniny. Araka ny faminaniana, ilay tanàna nisy an’i Babylona fahiny, dia “korontam-bato”, zavatra “rava tokoa” sisa. — Isaia 14:12-14; 13:17-22.
8, 9. a) Tsy maintsy miady amin’i Babylona hafa iza moa ireo mpivavaka amin’i Jehovah, ary ahoana no nahaterahan’io Babylona io? b) Ahoana no ilazan’Isaia an’i “Babylona lehibe”, ary nahoana no mety izany teny izany?
8 Na ahoana na ahoana, 2 500 taona atỳ aorian’ny nianjeran’i Babylona, ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia mbola tokony hiady amin’ny Babylona hafa iray, dia “Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. (Apokalypsy 17:5.) Izany dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay teraka tatỳ aoriana kelin’ny safodrano nitranga tamin’ny andron’i Noa, fony Nimroda nanorina ilay Babylona tamin’ny voalohany. Ho tonga toerana nipoiran’ny fivavahan-diso, dia ny fivavahana misy fitokotokoana, io tanàna io. Taorian’ny nanorenan’i Jesosy sy ireo apostoliny ny kristianisma, dia nisy mpivadi-pinoana nanimba ny fahamarinana araka ny Baiboly tamin’ny fanampiana tamin’izany “fampianaran’ny demonia”, avy amin’i Babylona mpanompo sampy; tamin’izany no nahaterahan’ny fandaminana ara-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana (1 Timoty 4:1). Izany kristianisma sarisariny izany dia tonga ny tapany lehibe indrindra amin’i “Babylona Lehibe”, izay nanitatra ireo sampany nanerana ny tany manontolo sy tamin’ny olona amin’ny firenena rehetra. Milaza azy ho “tanànan’ny firenena lozabe” Isaia.
9 Hatramin’ny 4 000 taona mahery — nanomboka tamin’ny fanorenana ilay Babylona tamin’ny voalohany ka hatramin’izao androntsika izao — dia nisy mpitondra tsy refesi-mandidy lozabe nampiasa mpitondra fivavahana lozabe sy kilalao fotsiny mba hampahoriana sy hanapahana ny vahoaka. Eny, “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. (Mpitoriteny 8:9.) Nangoraka ny olona i Jesosy satria izy ireo ‘nampahantraina sy nafoin’ireny’ mpiandry ara-panahy sandoka ireny. Amin’izao andro izao, ny antokom-pivavahana mendrika hotsinina indrindra dia antsoina hoe “lehilahin’ota”; ny mahaforona azy dia ny klerjy mieboebo ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay voalohany manohitra ireo Vavolombelon’i Jehovah sy manenjika azy ireny. — Matio 9:36; 2 Tesaloniana 2:3, 4.
10. a) Mifanaraka amin’ny Isaia 25:3, ahoana no nahatonga ny “tanànan’ny firenena lozabe” ho voatery hankalaza an’i Jehovah, ary nahoana no matahotra azy izy? b) Ao amin’ny Isaia 25:4, 5, inona moa no teny nolazain’i Isaia tamin’i Jehovah momba ny “reraka” sy ny “olon-dozabe”?
10 Tamin’ny 1919 Jehovah dia nanafaka ny tena vahoakany tamin’ny fanapahana nampiharin’i “Babylona Lehibe” taminy, ka voatery nanome voninahitra an’Andriamanitra io “tanànan’ny firenena lozabe” io. Tamin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy nojereny tamin’alahelo ny “zavatra mahatalanjona” vitan’i Jehovah rehefa namerina an’ireo mpivavaka aminy ho amin’ny asa amim-paharisihana izy. Afa-tsy izany koa, noho ny anjara miandry azy, dia tsy afaka ny tsy hatahotra an’i Jehovah ireo mpiandry ara-pivavahana sandoka. Nandritra ny taonjato maro, dia nisy mpitondra fivavahana lozabe nanandra-tena ho ambonin’ireo lahika, nefa tanteraka izao ireto teny antaon’Isaia ho an’i Jehovah ireto: “Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany, fierena amin’ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany. Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena; eny, tahaka ny amin’ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny olon-dozabe.” — Isaia 25:4, 5.
Tsy misy hira falifaly mihitsy ao “Babylona”
11. Nahoana moa no tsy misy hira falifaly mihitsy ao anatin’ny faritr’i “Babylona lehibe”, ary ahoana no nampiharihariana izany fisehoan-javatra izany tamin’ilay fihaonambe niraisam-pinoana natao tany Assise?
11 Izany no tena tarehin-javatra manjaka ankehitriny manerana ny faritra misy an’i “Babylona Lehibe”: tsy misy hira falifaly re ao mihitsy, ary tsy fantatr’ireo filohan’ny fivavahan-diso ny hoe andriamanitra iza no tokony hivavahana. Niharihary mazava izany fisehoan-javatra izany tamin’ilay fihaonambe niraisam-pinoana natao tany Italia, any Assise, tamin’ny 27 oktobra 1986. Noho ny Taonan’ny fiadanana niraisam-pirenena nambaran’ny Firenena Mikambana, dia novorin’ny papa Jean-Paul II ireo filohan’ny fivavahana lehibe indrindra ao amin’i “Babylona Lehibe”. Izy rehetra dia nanonona vavaka ho an’ny fiadanana, ka ny moanina bodista sasany dia nivavaka nandritra ny 12 ora tao anatin’ny andro iray. Iza anefa no nivavahan’ireny olona ireny? Maria va? Ny Trinite Masin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ve? ny trinite hindoa ve? sa ireo andriamanitry ny bodisma an’arivony maro? sa Allah koa? sa ity biby fahita, ny amboahaolo, ivavahan’ny shintoista? Moa ve ny vavaka azo ekena indrindra dia ny an’ny Indiana iray any Amerika anisan’ny fokon’ny Crows? Nolazaina fa izy io dia nanana ‘endrika ambony noho ny halehiben’ny saron-dohany’, ary nampirehitra ny pipa lavan’ny fiadanana sy nanonona ny vavaka nataony “tao anatin’ny setroka izay niakatra toy ny ditin-kazo manitra tao amin’ny rivotra mangatsiatsiaka”.
12. Tenin’i Mika sy Isaia inona moa no tsy arahin’ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana ao amin’i “Babylona lehibe”?
12 Zavatra iray no azo antoka: tsy misy na dia iray monja aza amin’ireny tompon’andraikitra ara-pivavahana ireny — manomboka amin’ny dalaï-lama bodista ka hatramin’ny “Son Eminence” Méthode, solontenan’ny Fiangonana ortodoksa grika — manaraka ny tenin’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Mika 4:5 manao hoe: “Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” Tsy misy mihitsy koa manaiky ny fahamarinan’ny fanambarana nomen’Andriamanitra an’Isaia ara-tsindrimandry izay voasoratra ao amin’ny toko faha-42, andininy faha-5 sy 8 amin’ny bokiny, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy: Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.”
13. Nanao ahoana ny fizotran’ny fihaonana tany Assise, ary ahoana no teny nanamelohan’i Jesosy ny toe-tsaina nanjaka tao fony izy teto an-tany?
13 Ny fombafomba makotroka, ny fitafiana marevaka sy ny vavaka averimberina dia nahatonga an’io fihaonana tany Assise io ho fampisehoana ampahibemaso lehibe, samy zavatra nomelohin’i Jesosy, Zanak’i Jehovah, fony izy teto an-tany. Izao no nolazainy momba ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny: “Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona”; ary nilaza tamin’izy ireny tsy nisy olakolaka toy izao izy: “Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra tsy avelanareo hiditra.” (Matio 23:5, 13; jereo Matio 6:1-8). Tsy ny renty na ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana no zava-dehibe eo imason’Andriamanitra, satria, araka ny nilazan’i Jesosy azy, “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. — Jaona 4:21, 24.
Ny tena loharanom-piadanana
14. a) Nahoana moa no feno fihatsarambelatsihy ireo vavaka nataon’ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao ho an’ny fiadanana? b) Eo ambany fanamelohan’Andriamanitra inona moa ny fivavahana lazaina fa kristiana?
14 Rehefa heverina amin’ny fisafotofotoana misy ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao, iza no dia ho bado ka hieritreritra fa afaka hitondra fiadanana ho an’ny olombelona ny vavaka ataon’ireo filoha ara-pivavahana? Tao anatin’ny taonjato maro tokoa ireny mpitondra fivavahana ireny dia niambatrambatra nivavaka tamim-pihatsarambelatsihy, sady nandray anjara tamin’ny fomba feno tamin’ireo ady nalamin’ny firenena, ireo kroazada sy ireo fanenjehana mahafa-baraka. Nanontany toy izao ny mpaminanin’i Jehovah: “Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana [Kosita, MN ], ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany dia mahazo manao tsara koa hianareo izay efa zatra nanao ratsy.” (Jeremia 13:23). Noho izy tapany lehibe indrindra tamin’i “Babylona Lehibe” — empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso —, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nolanjaina tamin’ny mizanan’Andriamanitra ka hita fa latsa-danja tsy misy toy izany. Voaheloka izy. — Jeremia 2:34, 35, 37; 5:29-31; Daniela 5:27.
15. Ahoana moa no hitondran’i Jehovah fiadanana maharitra, ary ahoana no iasan’ireo olona matoky azy ho an’ny fiadanana?
15 Jehovah, “Andriamanitry ny fiadanana”, dia hitondra fiadanana maharitra amin’ny fandringanana izay rehetra manana trosan-dra sy amin’ny famenoana ny tany amin’ny olombelona tena tia ny fahamarinana sy ny rariny tokoa (Filipiana 4:9). Araka ny filazan’i Davida mpanjaka, ny manetry tena, izay ‘matoky an’i Jehovah ka manao soa’ na “handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. (Salamo 37:3, 11.) Ny olona izay ‘matoky an’i Jehovah mandrakariva ka manao soa’ dia miasa ho an’ny fiadanana amin’ny fomba tsy hain’ireo manao vavaka misafotofoto amin’ny sary, ny sampy na ny andriamanitra mpifandrafy tahafina mihitsy. — Salamo 115:2-8; Isaia 44:14-20.
16. Fanasana inona moa no atolotr’i Jehovah ho an’ireo manetry tena tafangona any ivelan’ny “tanànan’ny firenena lozabe”?
16 Endrey ny tsy fitovian’ny vavaka sy ny fanantenan’ny olon’Andriamanitra, sy ny an’ireo mpiaro an’i “Babylona Lehibe”! Faly aoka izany isika satria “manomboka ho voasakana ny fanakoran’ny olon-dozabe”! (Isaia 25:5, MN.) Izao no nambaran’i Isaia nanaraka izany momba ireo manetry tena angonina any ivelan’ny “tanànan’ny firenena lozabe”: “Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, (...) voadio tsara.” (Isaia 25:6). Ny fanasana ara-panahy ananan’ireo izay tonga mivavaka amin’i Jehovah anjara ankehitriny, dia tena mahafinaritra, fanasana lehibe iray. Hatanjahina ny fontsika eo anoloan’ireo fitsapana ary be dia be ny fifaliantsika satria isika manompo an’i Jehovah amin-jotom-po eo am-piandrasana ny fanavaozana sy ny fanasana amin’ny zavatra tsara nampanantenain’i Jehovah ho an’ny tany vaovao. — Salamo 104:1, 14, 15; Matio 19:28, Osty.
17. “Zava-mahagaga” inona moa no hotanterahin’i Jehovah, ka izany dia hitondra fifaliana inona?
17 Tsy ho ela Jah Jehovah dia hanatanteraka “zava-mahagaga” amin’ny fanafoanana, tsy “Babylona Lehibe” ihany, fa ny “rakotra” fanamelohana manarona ny olombelona noho ny fahotan’i Adama koa (Isaia 25:7). Noho ny soron’i Jesosy tokoa, dia hotanterahin’ny Andriamanitsika ity faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 25:8 ity: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.” Ho toy inona moa ny fifaliana rehefa ho nanjavona ny fahotana sy ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama! Ho toy inona moa ny fifaliana handray ireo izay tiantsika rehefa hafahana amin’ny fangejan’ny fahafatesana izy ireny! Ho toy inona moa ny fahafaham-po handre fa ireo Vavolombelon’i Jehovah mahatoky dia ho nanome valiny feno an’ilay Mpihantsy lehibe, dia Satana Devoly (Ohabolana 27:11)! Tsy hisy olona hanala baraka azy ireny intsony, satria amin’ny tsy fivadihana hatrany, dia ho nandresy izy ireny. “Sady mahatoky no marina indrindra”, Jehovah dia ho nahatanteraka ireo zavatra nolazainy tamin’ny faminaniana, “zavatra efa voakasa hatramin’ny ela”. Ho tonga paradisam-pahamarinana ny tany manontolo, ho feno olo-marina izy. Tena fahatsinjovan-javatra mahatalanjona tokoa izany!
18. Na dia ao aza ny fitsapana, tapa-kevitra ny hanao inona moa isika, mifanaraka amin’ny Isaia 25:9?
18 Ao anatin’ny fotoam-pahamaizinana iainantsika, dia azo antoka fa hovalian-tsoa isika raha matoky an’i Jehovah hatrany. Na inona na inona fitsapana hitantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro — na famelomana ny ankohonantsika izany, na fifikirana hatrany amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly any an-tsekoly na fanaovana fanambarana any amin’ny faritany sarotra iray —, dia aoka isika hatoky an’Andriamanitsika foana. Raha mitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, “Mpihaino vavaka”, isika, dia hahazo ny famonjena (Salamo 65:2). Noho izany, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hitoetra eo amin’ireo izay milaza toy izao, araka ny tenin’Isaia 25:9: “Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.”
Famerenana
◻ Amin’ny heviny ahoana moa Jah Jehovah no hery sy tanjaka ho antsika?
◻ Inona moa no atao hoe “tanànan’ny firenena lozabe”?
◻ Ahoana moa no nahatonga ‘ny tanànan’ny firenena lozabe” ho voatery hanome voninahitra an’i Jehovah, ary nahoana no matahotra azy izy?
◻ Inona moa no mampiseho fa tsy misy hira falifaly mihitsy ao amin’i “Babylona lehibe”?
◻ “Zava-mahagaga” inona avy moa no mbola hotanterahin’i Jehovah ho an’ny vahoakany?