TSIKOROVANA
[Heb.: ʽagor].
Vorona salasalany na kely mitovy habe amin’ny fody, fahita any Afrika sy any amin’ny faritra atsimon’i Azia, anisan’izany i Palestina. Fohy ny tendany sy elany, ary lava ny rambony. Adikan’ny Baiboly maro hoe “vano misy sangany” ny hoe ʽagor. Toy ny feona trompetra anefa ny an’io vorona lehibe io, fa tsy “mitaraindraina” toy ny an’ilay resahin’i Hezekia. (Is 38:14) Tsikorovana kosa ilay ʽagor, hoy ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros (nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 679). Nohazavain’i Ludwig Koehler fa vorona ‘mahay mampitsangana ny volony’ ny ʽagor (heb.). ‘Atsangan’ny tsikorovana’ koa, hoy izy, ‘indraindray ny volo eo an-tampon-dohany ka lasa toy ny sanga, rehefa miato kely tsy mihira izy.’ (Kleine Lichter [alemà], Zurich, 1945, p. 38, 39) Migoboka sy mafy ny feon’ny vano misy sangany. Toy ny an’ny sodina kosa ny feon’ny tsikorovana, izay mitaraindraina sady miovaova mahafinaritra.
Ny fiavian’ny vorona mpifindra monina isan-taona no noresahin’i Jeremia (8:7), tamin’izy niteny mafy an’ireo Israelita tsy nahalala ny fotoana nitsaran’Andriamanitra azy.