TOKO FAHA-5
Iza no Namana Fidinao?
1, 2. a) Inona no olana mety hatrehin’ny Kristianina? b) Nahoana isika no tokony handinika ny karaza-namana nofidin’i Jeremia?
AHOANA raha manasa anao hankalaza Krismasy ny mpiara-miasa, na ny mpiray tanàna, na ny mpiara-mianatra aminao? Na asain’ny mpampiasa handainga ianao, na hanao zavatra tsy ara-dalàna? Na manery anao hanao zavatra mifandray amin’ny politika ny fanjakana? Azo antoka fa tsy hamela anao hanao izany ny feon’ny fieritreretanao, na dia mety haneso anao aza ny olona, na hampijaly anao mihitsy aza.
2 Niatrika toe-javatra toy izany i Jeremia matetika. Nifanerasera tamin’ny olona isan-karazany izy. Nanandrana nanakivy azy ny sasany mba tsy hanohizany ny asany. Voatery nifanerasera akaiky tamin’izy ireny i Jeremia, nefa tsy nataony namana mihitsy izy ireny. Nisy kosa anefa nanampy azy sy nampirisika azy tsy hivadika, ary ireny no nataony namana. Handray soa ianao raha mandinika ny karaza-namana nofidin’i Jeremia.
IZA NO NAMANAO?
3. Inona no tian’i Zedekia hataon’i Jeremia, nefa inona no nataony?
3 Naka hevitra matetika tamin’i Jeremia i Zedekia Mpanjaka talohan’ny naharavan’i Jerosalema. Nanantena mantsy izy fa hilaza zavatra tsara momba ny hoavin’ny fanjakany i Jeremia. Tiany hilaza i Jeremia hoe hamonjy an’i Joda amin’ny fahavalony Andriamanitra. Nandefa iraka tany amin’i Jeremia izy mba hilaza hoe: “Mba anontanio an’i Jehovah ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona. Angamba hanao zava-mahagaga ho antsika indray i Jehovah, mba hialan’i Nebokadrezara eto amintsika.” (Jer. 21:2) Tsy nanaiky anefa i Zedekia, rehefa nasain’i Jehovah hitolo-batana amin’ny Babylonianina. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa “toy ny marary miverimberina any amin’ny dokotera i Zedekia mba hahazo toky hoe ho sitrana, nefa rehefa omena fanafody dia tsy mety mihinana.” Ahoana kosa ny amin’i Jeremia? Mety ho nahazo sitraka tamin’i Zedekia izy, raha izay zavatra tian’i Zedekia ho re no nolazainy taminy. Raha novan’i Jeremia fotsiny ilay hafatra, dia mety ho tsy nijaly izy. Tsy nanao izany anefa izy. Nahoana? Satria nankatò an’i Jehovah. Izay nasain’i Jehovah nambarany no nambarany dia ny hoe ho rava i Jerosalema.—Vakio ny Jeremia 32:1-5.
4. Inona no fanapahan-kevitra tsy maintsy raisintsika momba ireo olona ifaneraserantsika, anisan’izany ny any am-piasana?
4 Mifanerasera amin’ny olona maro koa ianao. Mety ho mpiray tanàna, na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra izany. Hataonao namana anefa ve izy ireny, na dia efa hita aza fa tsy te hahafantatra ny toro lalan’Andriamanitra, na tsy te hanaraka izany? Diniho izay nataon’i Jeremia. Tsy afaka ny hoe tsy hifanerasera tamin’i Zedekia izy, satria mbola mpanjaka izy io, na dia tsy nankatò ny torohevitr’Andriamanitra aza. Tsy voatery nanaraka ny hevi-dison’io mpanjaka io anefa izy, na hoe nila sitraka taminy. Mety ho nahazo fanomezana be dia be na tombontsoa hafa izy, raha nanao izay tian’i Zedekia. Tsy ninamana tamin’i Zedekia anefa izy, na dia niharan’izany fanerena rehetra izany aza. Nahoana? Satria tsy te handika ny tenin’i Jehovah izy. Tokony hahatonga antsika hieritreritra izany hoe mampirisika antsika hivadika amin’Andriamanitra ve ny namantsika sa tsia. Marina fa tsy afaka ny tsy hifanerasera amin’ny olona tsy manompo an’Andriamanitra isika, na any am-piasana izany, na any am-pianarana, na eo an-tanàna. (1 Kor. 5:9, 10) Fantatrao anefa fa raha minamana amin’izy ireny ianao, dia mety ho simba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.
METY VE NY MINAMANA AMIN’NY OLONA TSY MINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA?
5, 6. Inona no nataon’ny olona sasany mba hampangina an’i Jeremia?
5 Tsy i Zedekia ihany no nanao zavatra mety hahatonga an’i Jeremia hivadika. Teo koa i Pasora mpisorona, izay “nikapoka” azy, angamba in-39. (Jer. 20:2; Deot. 25:3) Nikapoka azy koa ny andriana sasany tao Joda tatỳ aoriana, ary nanagadra azy tao amin’ny lakalin’ny “trano figadrana.” Tena ratsy be tao, ka natahotra ny ho faty i Jeremia, rehefa nijanona tao andro maromaro. (Vakio ny Jeremia 37:3, 15, 16.) Vao nafahana kelikely izy, dia nisy nanendrikendrika indray. Nisy andriana nilaza tamin’i Zedekia hoe manakivy ny tafik’i Joda i Jeremia ka tokony hovonoina. Natsipy tao amin’ny lavaka fanangonan-drano feno fotaka àry izy mba ho faty. (Jer. 38:1-4) Fantatsika fa nisy nanavotra izy ka tsy maty. Hitantsika amin’izany anefa fa lasa tsy nino ny tenin’ilay mpaminanin’Andriamanitra ireo olona ireo, ka nanisy ratsy azy, na dia fantatr’izy ireo aza fa tsy mety ny nataony.
6 Tsy ny mpitondra ihany no nankahala an’i Jeremia. Tsy tia ny zavatra nolazainy koa ny lehilahy sasany mpiray tanàna taminy tao Anatota, tanàna niaviany. Nandrahona ny hamono azy izy ireo, raha mbola maminany izy. (Jer. 11:21) Na teo aza izany, dia tsy niezaka ninamana tamin’izy ireo i Jeremia. I Jehovah no nataony namana. Tsy nandrahona azy fotsiny anefa ny olona sasany, ohatra hoe i Hanania. Rehefa niambozona zioga, ohatra, i Jeremia mba hampisehoana tamin’ny Jiosy hoe ho velona izy ireo raha manaiky ny fahefan’ny Babylonianina, dia nalain’i Hanania ilay zioga ary notapahiny. Niteny io mpaminany sandoka io fa nilaza taminy i Jehovah hoe ‘hotapahiny ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona.’ Maty tamin’iny taona iny ihany i Hanania, ka hitantsika hoe iza tamin’ireo mpaminany ireo no nilaza ny marina. (Jer. 28:1-11, 17) Tatỳ aoriana indray, rehefa rava araka ny faminanian’i Jeremia i Jerosalema, dia nandidy an’ireo Jiosy i Jehovah mba hijanona tao Joda. Tsy nety nankatò anefa i Johanana lehiben’ny tafika sy ny namany. Hoy izy ireo tamin’i Jeremia: ‘Mandainga ianao, fa tsy naniraka anao hilaza aminay i Jehovah Andriamanitsika hoe: “Aza mandeha any Ejipta.”’ Mbola nanohitra an’i Jehovah ihany izy ireo taorian’izay, ka nitondra an’i Jeremia sy Baroka nanaraka azy tany Ejipta.—Jer. 42:1–43:7.
Iza avy no karazan’olona tsy maintsy nifaneraseran’i Jeremia, ary inona no ianaranao amin’ny ohatra navelany?
7. Inona no zava-tsarotra atrehinao ka mitsapa ny tsy fivadihanao amin’i Jehovah?
7 Feno mpanohitra sy olona tsy nino ny Tenin’Andriamanitra nanodidina an’i Jeremia nandritra ny taona maro. Ho mora tamin’i Jeremia ny hieritreritra hoe tsy misy azony atao, ka ireo olona tsy manaja an’Andriamanitra sy ny Teniny ireo no hataony namana. Tsy izany anefa no nataony. Ahoana kosa ny aminao? Angamba mitovy amin’ireo olona nanodidina an’i Jeremia ny olona tsy maintsy ifaneraseranao. Manohitra mafy anao angamba izy ireo, ary tena tsy tia an’i Jehovah. Ny hafa indray mety ho toa olona mahafinaritra ihany. Hataonao namana ve anefa izy ireny? Fahendrena ve ny mifanerasera amin’ny olona tsy miraharaha ny faminaniana avy amin’Andriamanitra? Raha i Jeremia no teo amin’ny toeranao, ho ninamana tamin’ny olona toy izany ve izy, nefa efa hita amin’ny fomba fiainan’izy ireo hoe tsy mino ny Tenin’Andriamanitra izy, na olombelona no atokisany? (2 Tan. 19:2) Nolazain’Andriamanitra mazava tsara tamin’i Jeremia hoe inona no vokany raha olona no atokisana fa tsy Andriamanitra. (Vakio ny Jeremia 17:5, 6.) Ahoana ny hevitrao momba izany?
8. Inona no zava-tsarotra mety hatrehin’ny Kristianina eo amin’ny faritra misy anao?
8 Mety hieritreritra ny Kristianina sasany manana orinasa na miasa amin’ny orinasa hoe mila miara-mikorana amin’ny mpanjifa na ny mpividy entana ao aminy izy, mba hampandrosoana ny asany, na hahazoana toerana ambony kokoa. Tokony hisaintsaina anefa izy hoe: Sao dia hisy vokany ratsy na hampidi-doza ny fiarahana amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao? Mety hiteny ratsy mantsy izy ireo, na hanao resaka vetaveta, na hisotro tafahoatra. Izany no mahatonga ny Kristianina maro hanapa-kevitra tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy toy ireny, na dia hisy tombontsoa tsy ho azony aza vokatr’izany. Tsy izay ihany, fa misy koa mpampiasa na mpiara-miasa mamitaka na mandainga amin’ny mpividy entana. Raha tena Kristianina anefa isika, dia tsy hanaraka ny ataon’ny manodidina. Tsy mora ny manapa-kevitra amin’ny zavatra toy izany indraindray. Faly anefa isika fa manana modely hotahafina toa an’i Jeremia. Nanao ny tsara izy, ka nanana feon’ny fieritreretana madio, ary ambonin’izany dia nifandray tsara tamin’Andriamanitra foana.
9. Inona no mety ho voka-dratsiny, raha te ho tian’ny besinimaro isika?
9 Nanao tsinontsinona an’i Jeremia ny olona sasany tao Joda, noho ny asa nataony sy ny zavatra ninoany. (Jer. 18:18) Na izany aza, dia vonona hiavaka izy, fa tsy hanao “ny fanaon’ny besinimaro” toy ny nataon’ny mpiara-belona taminy. (Jer. 8:5, 6) Naleony mihitsy aza indraindray ‘nipetraka irery’, toy izay hinamana amin’ny olona mety hitaona azy hanao ratsy. (Vakio ny Jeremia 9:4, 5; 15:17.) Ary ianao? Ahoana no ataonao? Efa lasa fanaon’ny besinimaro koa mantsy ankehitriny ny mivadika amin’Andriamanitra. Toy ireo mpanompon’Andriamanitra hatramin’izay, dia tsy maintsy mitandrina tsara isika rehefa mifidy namana. Nanao toy izany koa i Jeremia. Tsy midika anefa izany hoe tsy nana-namana izy. Nisy niaro sy nanampy izy. Iza izany? Tena hahasoa anao ny hahafantatra azy ireo.
NY NAMANA NOFIDIN’I JEREMIA
10, 11. a) Inona no toro lalana nanampy an’i Jeremia hifidy namana? b) Iza ny sasany amin’ireo naman’i Jeremia, ary inona no fanontaniana mipetraka momba azy ireo?
10 Fantatsika fa nirahin’i Jehovah i Jeremia mba hanameloka an’ireo Jiosy ratsy fanahy, namitaka, nanao ny tsy rariny, nahery setra, tsy niraharaha ny hafa, ary naloto fitondran-tena. Niala tamin’ny fivavahana madio izy ireo, ary nanompo sampy ka toy ny hoe nivaro-tena ara-panahy. Nampirisika azy ireo i Jeremia hoe: “Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, ka ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.” (Jer. 18:11) Na dia efa rava aza i Jerosalema tatỳ aoriana, dia nasongadin’i Jeremia tamin’ireo Jiosy ireo fa maneho “hatsaram-panahy feno fitiavana” i Jehovah ary ‘mamindra fo’ sy “mendri-pitokisana.” (Fitom. 3:22-24) Iza anefa no nataon’i Jeremia namana? Olona tsy nivadika tamin’i Jehovah ihany no nataony namany.—Vakio ny Jeremia 17:7.
11 Fantatsika ny sasany tamin’ireo namana nofidin’i Jeremia. Tena nanampy azy izy ireny, anisan’izany i Ebeda-meleka, Baroka, Seraia, ary ny zanak’i Safana. Olona nanao ahoana ireo naman’i Jeremia ireo? Ahoana no nahatonga azy ireo hifandray tamin’i Jeremia? Nahoana izy ireo no lazaina hoe tena namana? Ahoana no nanampiany an’i Jeremia tsy hivadika? Eo am-pandinihantsika ny valin’ireo, dia eritrereto ny olona ataonao namana.
12. a) Inona no nampitovy an’i Jeremia sy Baroka, izay aseho an-tsary eo amin’ny pejy faha-58? b) Iza i Seraia, ary inona no fantatsika momba azy?
12 I Baroka, zanak’i Neria, angamba no naman’i Jeremia akaiky indrindra. Natoky azy i Jeremia, ka nanankina andraikitra lehibe taminy: Notononin’i Jeremia taminy ireo fanambaran’i Jehovah, ka nosoratany tamin’ny horonam-boky. Nasain’i Jeremia novakiny tamin’ny vahoaka sy ny andriana tao Joda koa ilay izy. (Jer. 36:4-8, 14, 15) Natoky toa an’i Jeremia i Baroka hoe ho tanteraka izay nolazain’Andriamanitra. Nitovy ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ireo 18 taona nisian’ny korontana tao Joda. Niara-niasa nandritra ny fotoana naharitra izy ireo. Samy nandia zava-tsarotra sy voatery niafina fahavalo, ary samy nampaherezin’i Jehovah. Toa avy amin’ny fianakaviana mpitan-tsoratra nitana toerana ambony tao Joda, i Baroka. Antsoin’ny Baiboly hoe “mpitan-tsoratra” izy, ary nanana rahalahy mpiasam-panjakana ambony atao hoe Seraia. Niara-niasa tamin’i Jeremia nampita ny faminanian’i Jehovah koa io Seraia io tatỳ aoriana, toa an’i Baroka ihany. (Jer. 36:32; 51:59-64) Azo inoana fa nampahery an’ilay mpaminany ireo zanak’i Neria roa lahy ireo, izay vonona hiara-miasa taminy tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Afaka mampahery anao koa ireo olona tsy mivadika, manompo an’i Jehovah eo anilanao.
Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nifidianan’i Jeremia namana?
13. Araka ny asehon’ny sary eo amin’ny pejy faha-63, ahoana no nampisehoan’i Ebeda-meleka fa tena namana izy?
13 Nanana namana hafa tena nanampy azy koa i Jeremia. Rehefa tezitra mafy ireo andriana, ka nanipy an’i Jeremia tao anaty lavaka fanangonan-drano mba ho faty, dia nisy lehilahy iray sahy nanavotra azy. Tsy Jiosy izy io fa Etiopianina atao hoe Ebeda-meleka. Tandapa tao Joda izy io. Nanatona an’i Zedekia Mpanjaka teny ampahibemaso izy, teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina, ary nisikina herim-po mba hangataka alalana hanavotra an’i Jeremia. Nitondra lehilahy 30 izy avy eo hanampy azy, satria angamba nampoiziny hoe hisy fahavalon’i Jeremia hanakantsakana azy. (Jer. 38:7-13) Tsy fantatsika raha nifanerasera matetika i Ebeda-meleka sy Jeremia. Azo inoana anefa fa mpinamana izy ireo, satria samy naman’i Jehovah. Fantatr’i Ebeda-meleka fa mpaminanin’i Jehovah i Jeremia. Nilaza izy hoe “ratsy” ny nataon’ireo andriana, ka tsy natahotra izy hamoy ny toerana notanany mba hanaovana ny tsara. Olona tsara tokoa i Ebeda-meleka, ka nanome toky azy i Jehovah hoe: “Hanafaka anao aho [amin’ny andro hahatongavan’ny loza ao Jerosalema] ... satria natoky ahy ianao.” (Vakio ny Jeremia 39:15-18.) Teny fiderana re izany! Tsy tianao ve ny hana-namana toy izany?
14. Inona no fantatsika momba ny fianakavian’i Safana, ary nanao ahoana ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jeremia?
14 Naman’i Jeremia koa ny zanak’i Safana telo lahy sy ny zafikeliny anankiray. Olona ambony ny fianakavian’izy ireo, satria mpitan-tsoratr’i Josia Mpanjaka i Safana teo aloha. ‘I Ahikama zanak’i Safana no niaro an’i Jeremia mba tsy hatolotra hovonoin’ny vahoaka.’ (Jer. 26:24) Tamin’io izy no nisy nitady hamono voalohany. Nanampy azy koa i Mikaia, zanak’i Gemaria rahalahin’i Ahikama. Rehefa ren’i Mikaia ny didim-pitsarana novakin’i Baroka tamin’ny vahoaka, dia lasa izy nitantara izany tamin’ny rainy sy ny andriana hafa. Natahotra ny mety ho fihetsik’i Joiakima Mpanjaka izy ireo, ka nampirisika an’i Jeremia sy Baroka hiafina. Rehefa tsy nanaiky an’ilay hafatr’Andriamanitra i Joiakima, dia teo koa i Gemaria. Anisan’ireo niangavy ny Mpanjaka izy mba tsy handoro an’ilay horonam-boky. (Jer. 36:9-25) I Elasa, izay zanak’i Safana koa, no nasain’i Jeremia hanatitra taratasy mirakitra faminaniana, tany amin’ireo Jiosy babo tany Babylona. (Jer. 29:1-3) Nanohana an’ilay mpaminanin’Andriamanitra ireo zanak’i Safana sy zafikeliny ireo. Azo antoka fa tena nankasitraka azy ireo i Jeremia! Mpinamana tokoa izy ireo, tsy hoe noho izy ireo nankafy sakafo na zava-pisotro na fialam-boly mitovy, fa noho ny antony hafa mihitsy, izay mbola lehibe noho izany.
FIDIO TSARA NY NAMANAO
15. Inona no ohatra navelan’i Jeremia teo amin’ny fifidianana namana?
15 Misy lesona azontsika ianarana avy amin’ny fifandraisan’i Jeremia tamin’ireo mpiara-belona taminy, na ny olona tsara izany, na ny ratsy. Teo, ohatra, ny mpanjaka, andriana, mpaminany sandoka, ary ny lehiben’ny tafika. Tian’izy ireo hanova ny hafatra nentiny i Jeremia, nefa tsy nilefitra mihitsy. Lasa tsy tian’izy ireo i Jeremia noho izany. Tsy nitady ho naman’izy ireo koa anefa i Jeremia. I Jehovah foana no namany akaiky indrindra. Tsy nampaninona azy raha hankahalain’ny olona izy, noho izy tsy mivadika amin’ilay Andriamaniny. (Vakio ny Fitomaniana 3:52-59.) Hitantsika anefa fa tsy irery i Jeremia, fa nisy olon-kafa koa tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah toa azy.
16, 17. a) Inona no fanampiana mety ho azontsika avy amin’ny namana tsara? b) Na aiza na aiza firenentsika, aiza no ahitantsika ny namana tsara indrindra?
16 Namana tsara i Ebeda-meleka, noho izy nanam-pinoana sy natoky an’i Jehovah. Be herim-po izy ka nanao zavatra avy hatrany hamonjena an’i Jeremia. I Baroka indray nanokana fotoana betsaka hiarahana tamin’i Jeremia, ary nanampy azy hampita ny hafatr’i Jehovah. Sarobidy koa ireo namana tsara eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Mana-namana mpisava lalana atao hoe Kara, ohatra, i Cameron, anabavy 20 taona, izay mpisava lalana koa. Nisy vokany tsara tamin’i Cameron ny fifandraisan’izy ireo. Hoy izy: “Nampirisika ahy izy mba hanao an’i Jehovah ho loha laharana teo amin’ny fiainako, sady nanome modely ahy.” Nifanalavitra ny toerana nisy azy ireo, nefa nitelefaonina na nanoratra matetika tamin’i Cameron i Kara, mba hahafantarana raha mandeha tsara ny fiainany sy mba hahafahan’izy ireo mifampahery. Hoy i Cameron: “Fantany ny mombamomba ny fianakavianay. Fantany fa tena mafy tamiko ny nataon’ny zokiko vavy, rehefa nikomy sy niala tamin’ny fahamarinana. Nanohana ahy foana i Kara tamin’izany. Asa izay nanjo ahy raha tsy teo izy nampirisika ahy hanao ny tsara. Tena nanampy be dia be ahy izy!”
17 Afaka mahita namana tsara ianao eo anivon’ny fiangonana. Mety hitovy taona aminao izy ireo na tsia. Tia an’i Jehovah toa anao ireo rahalahy sy anabavinao. Mitovy ny zavatra inoanareo, ny fitsipika arahinareo, ny fanantenanareo, ary angamba ny fitsapana atrehinareo. Afaka miara-miasa ianareo eny amin’ny fanompoana. Afaka mifampahery ianareo rehefa miatrika olana. Hiara-paly aminao izy ireo rehefa misy zavatra tsara mitranga eo amin’ny fanompoanao an’i Jehovah. Ary ambonin’izany, dia haharitra mandrakizay ny fifandraisanareo.—Ohab. 17:17; 18:24; 27:9.
18. Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nifidianan’i Jeremia ny namany?
18 Tokony hazava tsara ny lesona raisintsika avy amin’ny fomba nifidianan’i Jeremia ny namany. Tadidio fa marina foana izao: Tsy ho vitanao ny hoe sady hinamana amin’ny olona tsy manaraka ny fampianaran’ny Baiboly, no hitana ny zavatra inoanao. Tena nilaina ny nitadidy an’izany tamin’ny andron’i Jeremia, ary toy izany koa ankehitriny. Vonona hiavaka tamin’ny mpiara-belona taminy izy, mba hahafahany hanao tsara ny asan’Andriamanitra sy hahazo ny fitahiany. Vonona hanao toy izany koa ve ianao? Olona nanompo an’i Jehovah sy nanampy azy hanao ny asan’Andriamanitra no nataon’i Jeremia namana. Afaka manahaka azy koa ny Kristianina tsy mivadika rehetra mba hahay hifidy namana.—Ohab. 13:20; 22:17.
Ahoana no hanahafanao an’i Jeremia, rehefa hifidy ianao hoe iza no hataonao namana ary iza no tsy hataonao namana?