TOKO FAHA-11
“Mpiandry Sitraky ny Foko”
1, 2. a) Inona no mety hitranga raha tsy misy miaro ny andian’ondry? b) Inona avy no ataon’ny mpiandry ondry?
NIVIDY ondrilahy sy ondrivavy ny renin’i Hiroyasu any Japon, tamin’i Hiroyasu mbola kely. Izy no niandry azy ireo. Niteraka 2 isan-taona ilay ondrivavy, ka lasa 12 na 13 ny ondriny tamin’izy 12 taona. Hoy izy tatỳ aoriana: “Henoko nitabataba izy ireo indray maraina be, raha mbola teo am-pandriana aho. Tsy tonga aho dia nivoaka. Nivoaka ihany anefa aho tamin’ny farany, ary nahita andian’alikadia nandositra. Nojereko ireo ondry ka efa goaka daholo ny kibony. Nikoropaka nitady an’ilay ondrivavy aho, ka hitako izy mbola niaina kely sady efa nihosin-dra. Ilay ondrilahy ihany sisa no velona. Tena nalahelo aho. Tahaka izay aho tonga dia nivoaka raha vao nandre azy ireo. Tsy afaka niaro tena izy ireo.”
2 Nahafantatra tsara ny asan’ny mpiandry ondry ny ankamaroan’ny Israelita. Mitondra ny ondriny hiraoka ahitra ny mpiandry ondry, ary ataony voky tsara izy ireo. Miaro azy ireo amin’ny biby mpiremby koa izy ary mitady izay very. (1 Sam. 17:34-36) Entiny any amin’ny toerana milamina ny ondriny rehefa hiala sasatra. Mampiteraka ny ondriny koa izy, ary mikarakara an’ireo ondrikely vao teraka. Maro ny mpanoratra Baiboly toa an’i Jeremia no mampiasa ny teny hoe mpiandry ondry, mba hilazana olona miandraikitra antokon’olona. Ampiasain’izy ireo, ohatra, izany mba hilazana ny mpitondra na ny olona mikarakara ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-panahy.
3. Inona no tian’i Jeremia holazaina rehefa nampiasa ny teny hoe “mpiandry” sy “miandry”?
3 Mety hisy hieritreritra hoe antony iray monja no ilazana ny anti-panahy hoe mpiandry, dia noho izy ireo mitsidika ny mpiara-manompo mba hanampy sy hampahery azy ireny. Nampiasa ny teny hoe “mpiandry” sy “miandry” anefa i Jeremia mba hilazana ny zavatra rehetra nataon’ny mpiandraikitra tao Joda mba hikarakarana ny mponina tao. Matetika ireo andriana sy mpaminany ary mpisorona tao Joda no nomelohin’Andriamanitra ho mpiandry tsy nandray ny andraikiny, satria tsy nitady izay hahasoa ny vahoaka. (Jer. 2:8) Nampijaly sy namitaka ary tsy niraharaha ny ‘ondriny’ izy ireo, ary nitady izay hahasoa ny tenany fotsiny. Nanimba ny vahoakan’Andriamanitra teo amin’ny lafiny ara-panahy izany. Nilaza àry i Jehovah hoe hisy ‘loza’ hanjo an’ireo mpiandry sandoka ireo. Nanome toky ny vahoakany koa izy hoe hanome mpiandry be fiahiana, tena hiaro azy ireo.—Vakio ny Jeremia 3:15; 23:1-4.
4. Iza no mikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra ankehitriny, ary inona no toe-tsaina tokony hananan’izy ireo?
4 I Jesosy, Lehiben’ny Mpiandry, no tena nanatanteraka an’io fampanantenan’i Jehovah io. Lasa Lohan’ny fiangonana kristianina izy. Nilaza i Jesosy fa izy no “mpiandry tena tsara” tena mangoraka ny ondriny. (Jaona 10:11-15) Mampiasa mpiandry lefitra i Jehovah ankehitriny mba hikarakara ny ondriny eto an-tany. Voahosotra ny sasany, izany hoe anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Anisan’ny “vahoaka be” kosa ny sasany, ary tena manao tsara ny asany amin’ny maha anti-panahy azy. (Apok. 7:9) Miezaka izy ireo mba hahafoy tena, ary ho tia sy hamahana ny fiangonana toy ny nataon’i Jesosy. Hisy loza hanjo azy ireo raha tsy miraharaha na manambany ny rahalahiny izy ireo, na manjakazaka na masiaka aminy! (Mat. 20:25-27; 1 Pet. 5:2, 3) Inona àry no takin’i Jehovah amin’ny mpiandry ankehitriny? Inona no toe-tsaina sy antony manosika tokony hananan’izy ireo, rehefa jerena ny boky nosoratan’i Jeremia? Hahita ny valin’izany isika, rehefa handinika ny anjara asan’ny anti-panahy, dia ny hoe manampy sy miaro izy ireo, mampianatra ny fiangonana sy ny any ivelan’ny fiangonana, ary mitsara.
MIARO NY ONDRY
5-7. a) Ahoana no fomba tian’i Jehovah hikarakarana ny ondriny, ary nahoana? b) Ahoana no azon’ny anti-panahy ampisehoana fa tena tia an’ireo mpiara-manompo izy, anisan’izany ireo tafasaraka amin’ny fiangonana?
5 Nilaza ny apostoly Petera fa “mpiandry sy mpiandraikitra” antsika i Jehovah. (1 Pet. 2:25) Nanakiana an’ireo mpiandry nanaparitaka sy tsy niraharaha ny andian’ondriny i Jehovah, tamin’ny andron’i Jeremia. Nilaza izy avy eo hoe ‘hangoniny’ ny ondriny, ary haveriny eo amin’ny kijana nisy azy. Nampanantena izy hoe hanendry mpiandry tsara “tena hiandry azy ireo”, ary hataony izay hiarovana ny vahoakany amin’ny fahavalo te handrapaka azy. (Jer. 23:3, 4) Sarobidy tamin’i Jehovah tokoa ny ondriny, ary toy izany koa ankehitriny. Nahafoy zava-tsarobidy izy mba hahasoa azy ireo mandrakizay.—1 Pet. 1:18, 19.
6 Toy ny mpiandry ondry ireo mpiandraikitra, ka tsy tokony hanao tsirambina ny fikarakarana ny fiangonana. Raha anti-panahy ianao, mailo ve ianao ka mamantatra izay fahoriana manjo ny mpiara-manompo? Vonona hanampy avy hatrany koa ve ianao? Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Fantaro tsara ny toetoetry ny andian’ondrinao. Karakarao amin’ny fo manontolo ny andiam-bibinao.” (Ohab. 27:23) Mampirisika ny mpiandry ondry hazoto hanao ny asany io teny io, nefa azo ampiharina amin’ny fikarakarana ny ondry eo anivon’ny fiangonana koa. Ary miezaka mafy koa ve ianao tsy hanjakazaka amin’ny hafa? Tena mety hanao izany ny anti-panahy, matoa i Petera nanoro hevitra hoe tsy tokony ‘hanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra.’ Ankoatra izany, milaza ny Jeremia 33:12 fa ‘mampandry ny andian’ondriny ny mpiandry ondry.’ (Vakio.) Ahoana koa no azonao ampiharana izany? Tokony hijery ianao raha misy mila fanampiana na fiahiana manokana ny ray na reny tokan-tena, ny maty vady, ny fianakaviana misy raikely na renikely, ny zokiolona, ary ny tanora.
7 Mitady izay ondry very ny mpiandry ondry, ary toy izany koa no tsy maintsy ataon’ireo mpiandraikitra. Mety ho tafasaraka amin’ny fiangonana ny ondry noho ny antony samihafa. Miezaka mitady sy manampy azy ireny anefa ny mpiandry ondry. Mila mahafoy tena sy manetry tena izy ireo rehefa manao izany. Manam-paharetana koa izy ireo ka manokana fotoana hikarakarana ny ondry. Tokony hieritreritra àry ny anti-panahy hoe: ‘Moa ve aho miezaka hampahery ny hafa, fa tsy manameloka na manakiana azy ireo? Tena te hihatsara ve aho amin’io lafiny io?’ Mety hila hampiana imbetsaka ny olona iray mba hanana ny fomba fisainan’Andriamanitra. Mety ho tsy tonga dia hanaiky, ohatra, ny Kristianina iray, rehefa omena torohevitra. Torohevitra ara-baiboly anefa ilay izy fa tsy hoe hevitry ny anti-panahy. Raha izany no mitranga, dia tsarovy i Jehovah, ilay Mpiandraikitra sy Mpiandry Fara Tampony. Nanam-paharetana izy ka ‘niteny foana’ an’ilay vahoakany tsy nankatò sady niezaka nanampy azy ireo. (Jer. 25:3-6) Marina fa tsy zatra manao ratsy ny ankamaroan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Tsy maintsy manome torohevitra anefa ny anti-panahy rehefa ilaina izany, ary tokony hanahaka an’i Jehovah izy ireo rehefa manao izany.
8. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Jeremia?
8 Nivavaka ho an’ireo Jiosy i Jeremia, tamin’ny mbola hitany hoe azo nantenaina hiverina amin’i Jehovah izy ireo. Hoy izy tamin’Andriamanitra: “Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao hilaza zavatra tsara momba azy ireo, mba hampisinda ny fahatezeranao taminy.” (Jer. 18:20) Hita amin’izany fa nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ireo Jiosy izy fa tsy tamin’ny fahadisoany. Tokony hanao toy izany koa ny anti-panahy, raha tsy rehefa hitany hoe tsy mety mibebaka ilay olona fa mikiry manao ratsy. Tena tsara àry ny midera ny hafa noho ny zavatra tsara vitany. Ilaina koa ny mivavaka ho azy ireo sy miara-mivavaka aminy.—Mat. 25:21.
Inona no nampanantenain’Andriamanitra momba an’ireo olona asainy miandry ny vahoakany? Inona no azon’ny mpiandraikitra atao mba hiarovana ny ondry?
‘HOFAHANANY IANAREO’
9, 10. Nahoana no tokony ho mpampianatra ny anti-panahy raha te ho mpiandry tsara?
9 Araka ny Jeremia 3:15, dia tokony ‘hamahana fahalalana sy fahaiza-manavaka’ an’ireo ondriny ny mpiandry kristianina, izany hoe tokony ho mpampianatra. (1 Tim. 3:2; 5:17) Nolazain’i Jehovah tamin’ny vahoakany fahiny izany zavatra hataon’ny mpiandry tsara izany, ka nampirisika azy ireo izy mba handray ny fampianaran’i Jeremia mpaminany, izay natao hanitsiana azy ireo. (Vakio ny Jeremia 6:8.) Mila sakafo ny ondry mba ho salama tsara. Mila sakafo ara-panahy sy tari-dalan’ny Soratra Masina koa ny vahoakan’Andriamanitra, mba ho salama ara-panahy foana.
10 Mizara roa ny andraikitry ny anti-panahy amin’ny maha mpampianatra azy: Manampy an’ireo efa anisan’ny fiangonana sy manampy an’ireo mbola tsy anisany. Tadidio fa anisan’ny antony lehibe hisian’ny fiangonana ny hoe hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tokony hazoto hitory àry ny anti-panahy. (Jer. 1:7-10) Sady hahavita ny adidiny eo anatrehan’Andriamanitra izy raha be zotom-po, no ho ohatra tsara ho an’ireo mpiara-manompo. Raha anti-panahy ianao, moa ve ianao miara-mitory tsy tapaka amin’ny mpiara-manompo isan-karazany? Tsy hitanao hoe manampy azy ireo hanatsara ny fahaizany mampianatra ve izany, sady ahafahanao manatsara ny fahaizanao koa? Tena hampahery ny hafa ianao ka hampandroso ny fiangonana, raha be zotom-po sy loha laharana amin’ny fanompoana.
11, 12. Inona no ezaka tokony hataon’ny anti-panahy te ho mpiandry tsara?
11 Tokony hifototra amin’ny Baiboly ny sakafo ara-panahy omen’ny anti-panahy ny fiangonana, mba hahatonga izany hahasalama tsara. Tsy maintsy mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra àry ny anti-panahy raha tiany handaitra ny fampianarany. Tsy mba toy izany ireo mpitarika tamin’ny andron’i Jeremia. Nahoana? Hoy i Jeremia: “Tsy misaina ireo mpiandry ondry, ary tsy mitady an’i Jehovah. Izany no antony tsy ananany fahaiza-manavaka, ka niparitaka daholo ny andiam-bibiny tao an-kijana.” (Jer. 10:21) Tsy nanaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina sady tsy nitady an’Andriamanitra ireo olona tokony hampianatra ireo, ka tsy nanao zavatra tamim-pahendrena. Izany no nanamelohan’i Jeremia azy ireo, ary mbola mafy kokoa noho ny azy ireo aza ny fanamelohana azon’ireo mpaminany sandoka.—Vakio ny Jeremia 14:14, 15.
12 Tsy toa an’ireo mpiandry sandoka ireo ny mpiandraikitra kristianina fa mianatra sy mandinika ny ohatra navelan’i Jesosy ary manahaka azy. Manana fahendrena izy ireo vokatr’izany. Na izany aza, dia mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny mandamina fotoana mba hianarana tsy tapaka, satria betsaka ny zavatra mila karakarainy sy maka ny fotoanany. Raha anti-panahy àry ianao, miaiky ve ianao hoe rehefa mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny tari-dalan’ny mpanompo mendri-pitokisana ihany ny fampianaranao vao hahasoa sy ho marina, sady hahitana taratra hoe manana fahalalana sy fahaiza-manavaka ianao? Raha tsapanao fa tsy dia nazoto nianatra samirery ianao tato ho ato, inona no tokony hataonao mba tsy hitovizanao amin’ireo mpiandry tamin’ny andron’i Jeremia?
13. Inona no nahatonga an’i Jeremia ho mpampianatra mahay, ary ahoana no azon’ny mpiandry kristianina anahafana azy?
13 Mpampianatra tena mahay i Jeremia noho izy nampiasa fanoharana. Nampianarin’i Jehovah izy. Azo antoka fa tsy hadinon’ny olona mihitsy ilay izy nanakapoka vilany tanimanga tamin’ny tany sy nanambara hoe hopotipotehina toy izany i Jerosalema sy ny mponina ao aminy. (Jer. 19:1, 10, 11) Nanamboatra zioga koa izy ary niambozona izany. Midika izy io fa hijaly eo ambany ziogan’i Babylona ny Jiosy. (Jeremia toko faha-27 sy faha-28) Marina fa tsy asain’Andriamanitra manao zavatra miavaka toy izany ny anti-panahy ao aminareo mba hanazavana hevitra. Azo antoka anefa fa faly ianao mahita azy ireo mampiasa fanoharana sy fitantarana mety tsara rehefa mampianatra. Misy heriny lehibe sady mandrisika ny olona hanao zavatra ny ohatra voaomana tsara sy mifanentana amin’ny zavatra resahina.
14. a) Nahoana i Jeremia no nampiasa an’ilay teny hoe ‘balsama any Gileada’? b) Inona no azon’ny anti-panahy atao mba ho salama ara-panahy ny mpiray finoana aminy?
14 Hitan’i Jeremia fa nila fanasitranana ara-panahy ny mpiara-belona taminy. Nanontany àry izy hoe: “Tsy misy balsama angaha any Gileada? Ary tsy misy dokotera angaha any?” (Jer. 8:22) Nisy balsama ara-bakiteny tany Gileada, faritra atsinanan’i Jordana any Israely. Menaka manitra azo avy amin’ny zavamaniry izy io, ary nalaza ho mahasitrana. Matetika izy io no ampiasaina mba hampitonena fanaintainana sy hanasitranana fery. Tsy nisy balsama ara-panahy na fanasitranana ara-panahy anefa tamin’izany. Nahoana? Hoy i Jeremia: “Maminany lainga ny mpaminany, ary manampatra ny fahefany ny mpisorona. Dia tian’ny oloko erỳ izany!” (Jer. 5:31) Ary ahoana amin’izao andro izao? Manaiky ve ianao hoe tena misy ‘balsama ao Gileada’, izany hoe eo anivon’ny fiangonana misy anao? Azo oharina amin’ny menaka balsama mampitony ny fampaherezana omen’ny mpiandry be fiahiana. Manao izany izy ireo, rehefa mampahery ny mpiray finoana aminy, mivavaka ho azy ireo sy miara-mivavaka aminy, ary manoro am-pitiavana azy ireo hoe inona no toro lalan’ny Baiboly.—Jak. 5:14, 15.
Inona no tianao indrindra amin’ny fomba fampianatry ny anti-panahinareo? Inona no mahatonga ny fampianaran’izy ireo handaitra?
“IZAO NO NOLAZAIN’I JEHOVAH”
15, 16. Nahoana no mila fikarakarana na ny ondry ara-bakiteny na ny ondry eo anivon’ny fiangonana?
15 Alao sary an-tsaina ny hafalian’ny mpiandry ondry rehefa teraka soa aman-tsara ny ondriny. Novalian-tsoa mantsy ny asa mafy nataony. Fantany anefa fa mila karakaraina ireo ondry vao teraka mba hatanjaka tsara. Hataony izay hahazoan’izy ireo sakafo ara-dalàna. Lava rambo ny ondrikely rehefa teraka, ka mety hikirazorazo amin’ny zezika sy ny loto ny rambony. Tian’ilay mpiandry ondry hadio sy ho salama tsara izy ireo ka mety hanafohezany ilay rambo. Mitandrina tsara anefa izy mba tsy hanaintaina ilay ondry. Mikarakara amim-pitiavana ny ondriny toy izany ireo mpiandraikitra, ary tena faly rehefa misy olona miezaka handroso. (Jaona 21:16, 17) Tiany ho salama sy hahazo sakafo ara-dalàna anefa ny ondry rehetra na antitra na tanora, ka tsy mitsahatra mikarakara azy ireo izy sady vonona hanampy rehefa ilaina izany. Anisan’ny asa ataon’ny anti-panahy amin’izany ny fampahatsiahivana izay “nolazain’i Jehovah”, izany hoe izay lazain’ny Soratra Masina.—Jer. 2:2, 5; 7:5-7; 10:2; Tit. 1:9.
16 Nila fahasahiana i Jeremia mba hanambarana ny hafatr’Andriamanitra. Toy izany koa ireo mpiandraikitra, indrindra fa rehefa misy mpiara-manompo tsy maintsy tenenina satria mila harovana. Mety ho hitany, ohatra, hoe misy ondry mitady ho voaloton’ny tontolon’i Satana. Mety ho olona vaovao io, nefa mety ho efa elaela koa. Mety tsy hangataka torohevitra ilay olona, na dia tandindomin-doza aza. Na izany aza, hitaza-potsiny ve ny mpiandry manao tsara ny asany? Tsy tokony hohamaivaniny ny zavatra toy izany. Tsy hilaza izy hoe mandeha tsara ny zava-drehetra, nefa efa hita hoe tsy marina izany ary mety ho simba ny fihavanan’ilay olona amin’i Jehovah.—Jer. 8:11.
17. Iza no ondry mila ahina manokana, ary ahoana no fomba anaovana izany?
17 Raha miala tsikelikely amin’ny andian’ondry ny ondry iray tsy mitandrina, dia manao zavatra haingana ny mpiandry mailo mba hitondrana azy amin’ny toerana azo antoka. (Vakio ny Jeremia 50:6, 7.) Toy izany koa no ataon’ny mpiandraikitra. Tsy maintsy mampisaintsaina ny ondry tandindomin-doza izy. Tokony ho hentitra izy rehefa manao izany nefa koa be fitiavana. Mety hahamarika izy, ohatra, hoe misy mpifamofo mandeha irery any amin’ny toerana mety hahavoan’ny fakam-panahy. Afaka manampy azy roa amin-katsaram-panahy izy mba tsy hanao zavatra mety hampidi-doza toy izany intsony. Azony resahina amin’izy ireo hoe inona avy no toe-javatra mety hahatonga azy ireo hanao zavatra halan’i Jehovah. Mila mitandrina anefa izy mba tsy hiampanga azy ireo ho nanao ratsy. Manameloka ny zavatra melohin’Andriamanitra ny anti-panahy, toy ny nataon’i Jeremia. Manahaka an’i Jehovah anefa izy ireo rehefa manao izany. Tsy nasiaka i Jehovah fa niangavy ny vahoakany hoe: “Aza dia manao an’izao zava-maharikoriko halako izao re ianareo e!” (Jer. 5:7; 25:4, 5; 35:15; 44:4) Tena ankasitrahanao àry ve ny fiahian’ireo mpiandry be fitiavana?
18. Inona no mety ho vokatry ny ezaka ataon’ny mpiandry?
18 Tsy ny olona rehetra nomen’i Jeremia torohevitra no nihaino azy. Nisy ihany anefa ny nihaino, anisan’izany i Baroka namany sady mpitan-tsorany. Tsy nisalasala niteny azy i Jeremia rehefa nila nomena torohevitra hentitra izy. (Jer. 45:5) Inona no vokatr’izany? Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra i Baroka ary tsy maty tamin’ny fandravana an’i Jerosalema. Mampahery ny anti-panahy koa ny vokatra tsara toy izany. Mandrisika azy ireo izany mba ‘hiezaka mafy hananatra sy hampianatra’ satria mamonjy aina izany.—1 Tim. 4:13, 16.
MANAFAY “ARAKA NY ANTONONY”
19, 20. Inona no ataon’ny anti-panahy rehefa misy manao ratsy?
19 Anisan’ny anjara asan’ny mpiandraikitra koa ny hoe mitsara. Mila manampy an’ireo olona minia manota izy ireo indraindray, mba hahatonga azy ireny hibebaka. Tsara fanahy i Jehovah nefa koa tsy niolakolaka rehefa nampirisika ny mpanota hiova. (Jer. 4:14) Raha tsy miova anefa ny olona iray nanao ratsy, dia tsy maintsy manao zavatra ny mpiandraikitra mba hiarovana ny andian’ondry amin’ny fitaoman-dratsy. Mety ho voatery handroaka an’ilay olona izy ireo, araka ny lazain’ny Soratra Masina. Tian’i Jehovah hanao ny rariny toa azy anefa ny anti-panahy. Ohatra tsara tamin’izany i Josia Mpanjaka. Tia rariny toa an’Andriamanitra izy, ka “niaro ny zon’ny ory sy ny mahantra” teny amin’ny fitsarana. Hoy àry Andriamanitra: “Tsy izany ve no atao hoe mahalala ahy?” ‘Nahita soa’ i Josia noho izy nanao ny rariny sy ny hitsiny. Tsy mahatsiaro ho voaro kokoa àry ve ianao rehefa miezaka manahaka an’i Josia ny anti-panahy?—Jer. 22:11, 15, 16.
20 Matokia fa manafay “araka ny antonony” i Jehovah. (Jer. 46:28) Noho izany, dia miankina amin’ny zava-mitranga sy ny toe-tsain’ny olona iray no ahitana raha mila omena torohevitra izy, na tena tokony hanarina, na mila tenenina mafimafy mihitsy. Mety horoahina mihitsy ilay olona raha tsy mety mibebaka. Tsy tokony hivavaka ampahibemaso ho an’ny olona voaroaka sy manohy manao ratsy anefa ny anti-panahy. Tsy hisy dikany mantsy izany.a (Jer. 7:9, 16) Hanahaka an’i Jehovah anefa izy ireo ka hatorony an’ilay voaroaka izay tokony hataony mba hahazoany sitraka amin’Andriamanitra indray. (Vakio ny Jeremia 33:6-8.) Mety ho mafy izany hoe voaroaka, kanefa afaka matoky isika fa ara-drariny sady mahasoa ny rehetra ny fitsipik’Andriamanitra.—Fitom. 1:18.
21. Tokony hanao ahoana ny andian’ondrin’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-panahy, ary ahoana no azonao andraisana anjara amin’izany?
21 Ho ampy sakafo sy ho salama ary ho voaro tsara ny andian’ondry, raha mamantatra ny fitsipik’Andriamanitra ny mpiandry ary mampihatra izany. (Sal. 23:1-6) Noresahin’i Jeremia antsika ny toe-tsaina sy ny antony manosika tsara tokony hananan’ny mpiandry rehefa mikarakara ny ondry. Noresahiny koa anefa ny antony manosika ratsy. ‘Tena miandry’ ny andian’ondry amin’ny “fahalalana sy fahaiza-manavaka” ny anti-panahy, ka tokony hanontany tena isika tsirairay hoe: ‘Moa ve aho mankasitraka foana ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hampianarana sy hitarihana ary hiarovana ny vahoakany? Manohana foana an’ireo mpiandry ve aho noho izany?’—Jer. 3:15; 23:4.
Amin’ny toe-javatra inona avy ny mpiandraikitra no mila manana fahasahiana? Inona no takin’i Jehovah amin’ny anti-panahy rehefa mitsara?