Jehovah: ilay Andriamanitra mametra ny fotoana sy ny andro
“Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy.” — MPITORITENY 3:1.
1, 2. a) Inona no manome ho an’ny olombelona fiheverana ny amin’ny fotoana? b) Amin’izao androntsika izao, inona no hitranga raha tsy nanana fahafahana hamantatra ny ora isika?
NY fahafantarana ny fotoana dia tsy misaraka amin’ny fiainantsika isan’andro. Rehefa mampiomana antsika ny amin’ny fahatongavan’ny hariva ny famantaranandro iray ka milentika ny masoandro ary mihamaizina ny lanitra, dia fantatsika fa akaiky ny alina. Toy izany koa, any amin’ny faritra sasany, rehefa manondro ny fanisanandro fa madiva hifarana ny fararano ka mihintsana ny ravinkazo ary mihamangatsiaka isan-kerinandro isan-kerinandro ny andro, dia miharihary fa mby am-baravarana ny ririnina. Araka izany, ireo famantarana ny ora na ny vanin-taona dia manamarina izay ampahafantarin’ny famantaranandro sy ny fanisanandro antsika ny amin’izany.
2 Raha tsy mahafantatra intsony mihitsy ny fotoana sy ny andro isika, dia hanjary hikorontana ny tapany lehibe amin’ny fiainantsika. Ohatra, ahoana no hatao mba hampidinana fiaramanidina an-jatony maro eo amin’ireo lalana ao amin’ny seranam-piaramanidin’ny tanàn-dehibe iray raha tsy azo natao ny nandahatra izany araka ny ora hentitra? Na ahoana no mety hahatongavan’ny olona an-tapitrisany maro amin’ny fotoana mety any amin’ny asany raha tsy afaka mamantatra ny ora izy ireo?
3. Iza no niandohan’ny fotoana sy ny vanin-taona?
3 Iza no niandohan’ny fotoana sy ny vanin-taona? Jehovah, Mpamorona izao rehetra izao. Izao no ambaran’ny Baiboly ao amin’ny Genesisy 1:14: “Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana [na ‘ho an’ireo vanin-taona] ary ho andro sy taona ireo.”
Fotoana sy andro lehibe kokoa
4-6. a) Inona no raharaha lehibe kokoa noho ny fahalalana ny andro sy ny fotoana ilaina amin’ny asan’olombelona? Nahoana? b) Inona avy no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?
4 Na dia ilaina amin’ny asan’olombelona aza ny fahalalana ny fotoana sy ny andro, dia misy raharaha hafa iray mbola zava-dehibe kokoa ihany. Izao izany: Araka ny fiheveran’Andriamanitra, aiza ho aiza isika izao amin’ny fotoana sy ny andro? Izao no vakintsika ao amin’ny Mpitoriteny 3:1: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra.” Raha voamarina eo amin’ny ambaratongan’ny olombelona io foto-kevitra raisina ho fitsipika io, dia mbola mihatra tsaratsara kokoa ihany amin’ny hevitry ny Mpamorona izy io. Ny Mpamorona tokoa dia zatra ny mametra fotoana sy andro hentitra mba hanatanterahana ny fikasany. Raha tsy mampifanaraka ny fiainantsika amin’ireny fotoana sy andro ireny isika, izay rehetra mety hataontsika mba hampifanarahana izany amin’ny famantaranandrontsika na ny fanisanandrontsika dia hiharihary fa tsy hisy ilàna azy tanteraka.
5 Nahoana no azo atao ny manantitrantitra izany? Satria Jehovah namorona fikasana ny amin’ny tany sy ny olombelona monina eo aminy, raha tsy izany dia tsy ho namorona azy ireo izy. Raha tsy miaina mifanaraka amin’io fikasana io isika dia tsy hanana anjara amin’izany mihitsy. Tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fotoana voatendry anefa izany fikasana izany, satria ny tenan’i Jehovah mihitsy no manambara hoe: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:11.
6 Zava-dehibe àry ny hanontaniantsika tena hoe: Araka ny fiheveran’i Jehovah, amin’ny firy izao? Fotoana manao ahoana izao iainantsika izao? Ahoana ny toeran’ireo firenena sy vahoaka amin’ny tany raha oharina amin’ny fanisanandron’Andriamanitra? Ary ianao, aiza ho aiza ny tenanao manokana? Moa ve ianao niezaka mba handamina ny fiainanao hifanaraka amin’ny fikasana sy ny fanisanandron’Andriamanitra?
Moa ve izao tontolo izao ankehitriny mihevitra ny fikasan’Andriamanitra?
7. Inona no inoan’ny olona mpino maro be, nefa nahoana izany no tsy marim-pototra?
7 Be dia be no mihevitra fa hanana ny toerany ao anatin’ny fikasan’Andriamanitra izy ireo satria milaza tena fa mino azy. Kanefa, raha mangataka azy ireo ianao mba hampiseho anao ao amin’ny Teniny ny hoe inona izany fikasana izany, dia tsy afaka manao izany izy. Mitondra ny fiainany araka izay tiany izy ireo, sady mieritreritra fa amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, dia haneho fankasitrahana azy ireo Andriamanitra. Tao anatin’ny taonjato maro, dia matetika ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao no naneho fihetsika sahala amin’izany. Nihevitra izy fa nanatanteraka ny fikasany tamin’ny alalan’izy ireo Andriamanitra, ary izany dia na toy inona na toy inona fitsipi-pitondrantena narahin’izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo koa ny fikasan’Andriamanitra.
8. Nahoana no tsy mety ny hieritreretana fa manohana ireo mpitondra sy ireo entina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ny Mpamorona?
8 Moa ve mampianatra ny Baiboly fa manohana an’izao tontolo izao Andriamanitra, ary indrindra manohana ireo mpitondra eo aminy sy ireo olona manana fivavahana? Mieritrereta kely ange. Tsy hay tombanana ny herin’Andriamanitra. Namorona izao rehetra izao izy, ka izany dia misy vahindanitra an-davitrisany maro ary ny tsirairay avy aminy dia voaforon’ny kintana an-davitrisany maro dia maro (Salamo 147:4). Ankoatra ny heriny, dia manana fahendrena tsy hita lany izy. Raha nanohana ireo firenena tamin’ny fahendrena rehetra sy ny hery mampiavaka azy Andriamanitra, moa ve izy hahita herisetra, ady, tsy rariny sy fahoriana be dia be toy izao hatramin’ny taonjato maro? Moa ve Andriamanitra hanosika ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao sy ireo olona an-tapitrisany maro eo ambany fifehezany, handeha hiady mba hamono filoha hafa sy olon-kafa an-tapitrisany maro izay mihambo koa fa tarihin’Andriamanitra? Mety ve izany?
9. Araka ny Baiboly, tokony hanao ahoana ny toe-piainana ara-panahin’ny tena mpanompon’Andriamanitra?
9 Ao amin’ny I Korintiana 14:33 ny Baiboly dia manazava fa “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. Etsy andaniny koa, Jehovah dia mananatra ireo tena mpanompony ‘hiray teny ka tsy hisy fisarahana eo aminy, fa mba ho tafakambana tsara hiray saina sy hevitra’. (I Korintiana 1:10.) Ary raha toa eo amin’ireo mpanompony ka tsy mety manaraka izany torohevitra izany ny sasany, inona no tokony hatao? Ao amin’ny Romana 16:17, dia mahita izao torohevitra hafa izao isika: ‘Mitandrema ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.’ Araka izany àry, ireo ady ara-politika sy ara-pivavahana dia manaporofo miharihary fa tsy manohana ireo firenena sy ireo filoha ara-pivavahana ary ny ondriny Andriamanitra.
10, 11. Inona avy ny teny ao amin’ny Soratra Masina mampahafantatra hoe iza no mitarika ireo mpitondra sy ireo entina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
10 Raha izany no izy, iza no mitarika azy ireo? Manambara toy izao ny taratasy voalohany nosoratan’i Jaona, ao amin’ny toko faha-3, andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-12: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.” Ao amin’io taratasin’i Jaona io ihany, ao amin’ny toko faha-4, andininy faha-20, dia izao koa no vakintsika: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany.” Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanonona izao fitsipika izao izay hitantsika ao amin’ny Jaona 13:35: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”
11 Moa ve misy fitoviana na dia kely monja aza amin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina izay tokony hanjaka eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra sy ny fitsipi-pitondrantena arahin’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao sy ny vahoakany? Tamin’ny taonjato faha-20 fotsiny dia mpino am-polony tapitrisa maro no novonoin’ny mpino hafa. Matetika tokoa, ireo izay mifamono amin’izany fomba izany dia iray finoana. Porofo miharihary izany fa tsy tohanan’Andriamanitra izy ireo. Raha ny marina, araka ny ahariharin’ny Tenin’Andriamanitra amintsika, ny mitarika izany dia tsy iza fa Satana Devoly. Noho izany antony izany, dia afaka nilaza toy izao ny apostoly Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19). Eny, Satana no “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”. (II Korintiana 4:4, MN). Ao amin’ny maizimaizina, dia ampiasainy ireo lehibe eo amin’izao tontolo izao sy ny vahoakany izay mampiseho amin’ny ataon’izy ireo fa tsy mety ho avy amin’Andriamanitra izy.
Ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ireo manetry tena
12, 13. Inona moa no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany sy ny olombelona?
12 Na dia ao aza izany rehetra izany, rehefa namorona ny olombelona Jehovah, dia naniry izy fa rehefa mandeha ny fotoana, ny planetantsika manontolo dia ho tonga paradisa tahaka ny saha Edena ka honenan’ny olombelona tanteraka, miray saina sy sambatra (Genesisy 1:26-28; 2:15; Isaia 45:18). Tsy nisy mihitsy mpikomy, na olona na fanahy, afaka nanakantsakana izany fikasana izany. Ambonin’izany, koa satria Jehovah dia Andriamanitra izay mametra ny andro sy fotoana, dia ho tanteraka amin’ny fotoana voatendriny ny fikasany. Tsy havelany hanohitra ny fikasany ela kokoa noho ny efa tapany ireo fitondram-panjakan’olombelona izay manao zavatra tsy miankina aminy.
13 Natoky tanteraka ny fikasana noforonin’Andriamanitra ho an’ny tany i Jesosy. Porofon’izany ny teniny tamin’ilay jiolahy somary nampiseho finoana azy: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43, MN). Teo i Jesosy dia niresaka ny amin’ny Paradisa an-tany ho avy izay efa nampahatsiahiviny tamin’izao teny izao: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5). Tamin’ny filazana izany, dia tsy isalasalana fa noeritreretin’i Jesosy ny Salamo 37, izay manambara toy izao ao amin’ny andininy faha-11: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”
14. Karazan’olona manao ahoana no handova ny tany?
14 Iza moa izany manetry tena izany izay hanana ny tany? Manambara toy izao ny Salamo 37:34: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” Manampy teny toy izao ny Sl 37 andininy faha-37 sy 38: “Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa misy farany ho an’ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra.” Hita àry fa ireo lehilahy sy ireo vehivavy hanana ny tany dia tokony hianatra hahafantatra an’i Jehovah, hanantena mafy ny fampanantenany ka hiseho ho tsy manan-tsiny sy mahitsy eo imason’i Jehovah amin’ny fanarahana ireo lalàny. Manamarina izany amin’izao teny izao ny I Jaona 2:17: “Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”
15. Fisehoan-javatra tena lehibe inona no tokony hitranga mba hisian’ny fiovana tsara amin’ny ambaratonga maneran-tany?
15 Kanefa mba hitrangan’ny fiovana toy izany, dia hilaina ny fitsimbadihan’ny tarehin-javatra tanteraka. Tokony ho efa foana ny fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, satria tsy mbola nanorina toe-piainana tsara teto an-tany mihitsy ny fitondram-panjakan’olombelona iray. Tsy zava-manahirana amin’Andriamanitra anefa izany. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Izy no mandahatra [manova, MN] ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka.” — Daniela 2:21.
Manaisotra ireo fahavalony i Jehovah
16, 17. a) Ahoana no nataon’i Jehovah tamin’ilay farao izay nanohitra ny fahatanterahan’ny fikasany? b) Ahoana no nahatanterahan’ny teny ara-paminanian’i Jehovah?
16 Jereo izay nataon’i Jehovah fahiny tamin’ireo taranak’andriana sy mpanjaka nahery, indrindra fa ireo izay nanandrana nanohitra ny fahatanterahan’ny fikasany. Ireny olona ireny sy ny empirany dia notorotoroina sy naely tany amin’ny vazan-tany efatra toy ny vovoka. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny faraon’i Egypta izay nanandevo ny olon’i Jehovah. Tamin’izany fotoana izany i Jehovah dia namorona fikasana ny amin’ireo mpanompony. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nangataka an’i Farao izy mba hanafaka azy ireo. Tsy nanaiky io mpanjaka niavonavona io fa nihiaka hoe: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny?” Ary dia nampiany koa hoe: “Tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.” — Eksodosy 5:2.
17 Imbetsaka Jehovah no nanome ho an’i Farao fahafahana hiova fihetsika, nefa hatrany hatrany io dia ‘nanamafy ny fony’, araka ny tantarain’ny andinin-teny ao amin’ny Eksodosy 11:10. Manana hery tsy hay tohaina anefa Jehovah. Rehefa tonga ny fotoana voatendry, dia nesoriny Farao sy ny tafiny, tao amin’ny ranomasina Mena. Manao izao famoaboasan-kevitra izao ny Eksodosy 14:28: “Tsy nisy niangana na dia iray akory aza.” Niaro sy nanafaka an’ireo mpanompony kosa anefa Andriamanitra. Ary izany dia nitranga tamin’ny fotoana hentitra nambarany tamin’ny alalan’ny teniny ara-paminaniana, teo am-pifaranan’ny vanim-potoana nisy 400 taona noresahiny tamin’i Abrahama nahatoky, taonjato maro talohan’izay.
18. Inona no sazy nampiharin’i Jehovah tamin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona? Nahoana?
18 Aoka hojerentsika izao izay hita tamin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Indray andro izy dia nirehareha ny amin’ny heriny sy ny zava-bitany, toy ny hoe andriamanitra izy. Izao anefa no vakintsika ao amin’ny Daniela 4:28: “Raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, hianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.” Nohazavain’i Jehovah taminy fa haetry hitovy laharana amin’ny biby any an-tsaha izy, ary izany, araka ny Da 4 andininy faha-29, dia ambara-pahafantany “fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. Izany indrindra no nitranga tamin’ny fotoana hentitra voatendrin’i Jehovah.
19. Nahoana moa Babylona sy Belsazara mpanjakany no niharan’ny fitsarana manameloka avy amin’i Jehovah?
19 Mety koa ny hanononana izay hita tamin’i Belsazara, mpanjaka farany nanapaka tany Babylona. Tonga nandritra ny andro nanjakany ny ora noferan’i Jehovah mba hirodanan’io empira feno habibiana io. Nahoana? Satria tamin’izany fotoana izany ny Babyloniana dia nitana ny olon’Andriamanitra ho babo, ary niteny ratsy an’i Jehovah. Araka izany, ao amin’ny toko faha-5 amin’ny bokiny i Daniela dia mitantara fa nandamina fanasana lehibe ho an’ny mpanolo-tsainy arivo lahy i Belsazara. Tamin’izay dia “nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnezara rainy avy tao amin’ny tempoly [tempolin’i Jehovah] tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ny vadintsindranony nisotro taminy”. (Daniela 5:2, 3.) Mariho izay nataon’izy ireo nanaraka izany: “Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.” (Daniela 5:4). Nanao an’i Jehovah ho fihomehezana izy ireo sady niteny ratsy azy tamin’ny fisotroana tao amin’ireo fanaka masina nampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana taminy. Tetsy andaniny koa, tamin’ny fivavahana tamin’ireo andriamaniny sandoka, raha ny marina dia Satana no nivavahan’izy ireo.
20, 21. Inona moa no hafatra nampitain’i Daniela tamin’i Belsazara, ary ahoana no nahatanterahan’izany?
20 Tamin’izay no nisy fisehoan-javatra nahavàka nitranga. Tsitapitapitr’izay ireo nasaina dia nahita tanana iray nanoratra hafatra teo amin’ny rindrin’ny lapa. Natahotra aoka izany ny mpanjaka ka ‘nivaloarika ny tarehiny, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny’. (Daniela 5:6.) Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo mpanolo-tsaina ara-pivavahan’i Belsazara afaka nahazo ny hevitry ny soratra. Koa nantsoina Daniela, mpanompon’i Jehovah, mba hilaza ny heviny. Nohazavain’io tamin’ny mpanjaka fa avy tamin’i Jehovah ny hafatra, ary naharihariny tamin’izao teny izao ny voalazany: “Voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao; (...) efa voalanja tamin’ny mizana hianao ka, indro, latsa-danja; zaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ny Mediana sy ny Persiana.” — Daniela 5:26-28.
21 Tamin’ny alina nanononan’i Daniela ireo teny ireo, dia nanafika ny tanàna izay navela hivoha ny vavahadiny noho ny fanaovana tsirambina, ny tafika mediana sy persiana. Mamarana toy izao manaraka izao ny Daniela 5:30: “Ary tamin’io alina io ihany dia novonoina Belsazara”. Ny fianjeran’i Babylona dia tokony hamela ny olon’i Jehovah hiverina any amin’ny taniny, 70 taona katroka taorian’ny nanombohan’ny fahababoany. Nifanaraka tanteraka tamin’ny fanisanandron’Andriamanitra izany, araka ny porofoin’ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Jeremia 29:10.
22, 23. Tamin’ny taonjato voalohany, inona no nataon’i Jehovah tamin’i Heroda Agripa I mpanjaka izay nanohitra ny kristiana?
22 Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia Heroda Agripa I no mpanjaka farany tany Palestina tonga provansa romana. Izy no nampiditra an-tranomaizina ny apostoly Petera, ary nanenjika ny kristiana hafa. Nandidy ny hamonoana ny apostoly Jakoba aza izy (Asan’ny apostoly 12:1, 2). Tetsy andaniny koa, dia nandamina adin’olona mpikarama feno fahasiahana mbamin’ny fampisehoana fanaon’ny mpanompo sampy hafa koa izy. Izany rehetra izany dia nampiseho tsara fa na dia tao aza ireo fihamboany, dia tsy anisan’ny mpivavaka marina tamin’Andriamanitra izy.
23 Tonga anefa ny fotoana handringanan’i Jehovah an’io fahavalo io. Izao no voalaza ao amin’ny Asan’ny apostoly 12:21-23: “Ary tamin’ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ny vahoaka. Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!” Inona no nitranga nanaraka izany? Manohy ny teniny toy izao ny Baiboly: “Ary niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ny kankana izy ka maty.” Teo indray koa Jehovah dia ‘nanaisotra mpanjaka’, raha raisina ny fitenenana ao amin’ny Daniela 2:21.
24. Manamarina inona ireo zava-nitranga ara-tantara nampahatsiarovintsika tao anatin’ity fianarana ity?
24 Izany fisehoan-javatra ara-tantara izany dia manamarina fa feran’i Jehovah ny andro sy ny fotoana anatanterahany ireo fikasany. Asehon’izany koa fa tsy azo lavina fa manana fahaizana sy fahefana hanatanteraka ny fikasany ny amin’ny tany izy, dia ny hanova azy ho paradisa ‘hitoeran’ny fahamarinana’. — II Petera 3:13.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny hahalalana ny fotoana sy ny andro noferan’i Jehovah?
◻ Nahoana moa Andriamanitra no tsy manohana ireo mpitondra sy entina eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
◻ Karazan’olona manao ahoana no handova ny Paradisa an-tany ho avy?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa hainy ny manaisotra ireo mpitondra izay manohitra azy?