Tafaray ao amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana
“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — JAONA 17:3.
1. a) Oviana moa i Jesosy no niresaka voalohany ny amin’ny “fiainana mandrakizay”? b) Atolotra an’iza moa ny fahafahana hahazo ny fiainana?
TONGA mangingina tao anatin’ny alina izy. Nikodemosy no anarany. Nisy heriny lehibe teo aminy ireo famantarana nataon’i Jesosy tany Jerosalema tamin’ny Paska taona 30. Tao amin’ny fitantarana araka ny Baiboly, dia nandritra ny fifanakalozany hevitra tamin’io Fariseo io ny Zanak’Andriamanitra no niresaka voalohany ny amin’ny “fiainana mandrakizay” ka nanampy izao teny mampahery izao: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:15, 16). Misy fahafahana mahatalanjona hatramin’izao atolotra ny olombelona azo avotana. Ary eritrereto fa na dia ny Fariseo miavonavona iray aza dia afaka ny hanetry tena mba hahazo izany.
2. a) Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no niresahan’i Jesosy indray ny amin’ny “fiainana mandrakizay”? b) Natao ho azon’iza ampiasaina moa ny rano manome ny fiainana?
2 Taty aoriana kely i Jesosy dia nandao an’i Jerosalema sy nankany Galilia. Nijanona tany Samaria izy, teo akaikin’ny fantsakana iray, ary lasa nividy sakafo ireo mpianany. Indro anefa fa tonga mba hanovo rano ny vehivavy iray. Hoy Jesosy taminy: “Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:14). Nahoana i Jesosy no nanolotra izany fanantenana sarobidy izany ho an’io vehivavy io kanefa ny Samaritana nohamavoin’ny Jiosy? Ambonin’izany, araka ny nasain’i Jesosy nomarihina, io vehivavy io dia efa nanambady indimy ary ankehitriny izy dia manana fifandraisana maloto amin’ny lehilahy iray tsy vadiny. Raha ny marina dia nasehon’i Jesosy tamin’io toe-javatra io fa na dia ireo hamavoina eo amin’ny olombelona aza dia ho afaka hahazo ny rano mamelombelon’ny fahamarinana raha mibebaka sy manadio ny fiainan’izy ireo. — Kolosiana 3:5-7.
3. a) “Sakafo” karazany manao ahoana no nampahafantarin’i Jesosy? b) Ahoana no nampiharana ny teny voarakitra ao amin’ny Jaona 4:34-36?
3 Ny “fiainana mandrakizay”! Novelabelarin’i Jesosy lavitra kokoa io foto-kevitra io rehefa nandodona azy mba hihinana ireo mpianany. Hoy izy tamin’ireo: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Asa inona no nasiany fitenenana? Hoy ny teny nanampiny: “Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.” Mbola vao ho avy izany fijinjana izany, na dia ny amin’ireo Samaritana nohamavoina aza, ary asehon’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa tonga zavatra tena nisy nahafaly izany (Jaona 4:34-36; Asan’ny apostoly 8:1, 14-17). Nitohy mandraka ankehitriny ny fijinjana ho amin’ny fiainana mandrakizay; ankehitriny anefa, ny saha dia izao tontolo izao. Manan-javatra be dia be hatao foana àry ireo mpianatr’i Jesosy amin’ny asan’ny Tompo. — Matio 13:37, 38; I Korintiana 15:58.
“Ny fiainana izay fanomezana”
4. Ahoana no namalian’i Jesosy ny Jiosy ny amin’ny fitandremana ny sabata?
4 Lasa ny taona iray. Manodidina ny Paska taona 31 isika izao. Araka ny fanaony, Jesosy dia tonga tany Jerosalema ho amin’ny andro firavoravoana. Tonga hatramin’ny fanenjehana azy anefa ireo Jiosy noho izy nanao zavatra tamim-pamindrampo tamin’ny fanasitranana lehilahy iray tamin’ny andro sabata. Ahoana no navaliny azy ireo? Izao: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” Dia nitady ny hamono azy ireo. — Jaona 5:17, 18.
5, 6. a) Fifandraisana sarobidy inona no nolazalazain’i Jesosy izao? b) Tamin’ny heviny ahoana moa Jesosy no hoe ‘nanana fiainana ho Azy’?
5 Notohizan’i Jesosy anefa tamin’ny filazalazana ny sarobidy indrindra tamin’ny fifandraisana: ny fifamatorana nisy teo amin’izy sy ny Rainy. Hoy izy tamin’ny Jiosy: “Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga hianareo.” Nolazainy mazava tamin’izay fa nanankina fahefana nahatalanjona taminy ny Ray, avy eo, dia izao no nambarany: “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy.” — Jaona 5:20, 24.
6 Eny, na dia ireo izay “maty” eo imason’Andriamanitra noho ny fahotana nolovana aza dia afaka ‘mandre ny feon’ny Zanak’Andriamanitra’ ka ho velona. Ahoana izany? Nanazava toy izao i Jesosy: “Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy.” Ny fitenenana hoe “fiainana ho Azy” dia azo adika koa amin’ny hoe “ao aminy ny fiainana izay fanomezana”. (Jaona 5:25, 26, NW misy fanamarihana, filazana eo ambany amin’ny pejy.) Araka izany, Jesosy dia afaka manome fahafahana ho an’ny olona hanana laharana tsara eo anatrehan’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, dia afaka manangana ireo izay matory ao amin’ny fahafatesana izy ka mampita ny fiainana amin’izy ireo. — Jaona 11:25; Apokalypsy 1:18.
7. a) Inona no ampahafantarin’ny Salamo 36:5, 9 antsika ny amin’Andriamanitra? b) Ahoana no namalian’i Jehovah soa ny tsy fivadihan’ny Zanany?
7 Nitana ny fiainana tao aminy foana Jehovah. Izao no nosoratana ny aminy: “Ao aminao no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:5, 9). Rehefa nanome porofon’ny tsy fivadihany anefa izao ny Zanany, dia natsangan’ny Ray tamin’ny maty izy “ho santatr’izay efa nodi-mandry”. Noho izy manana “ao aminy ny fiainana izay fanomezana”, Jesosy dia nahazo fahefana hamela heloka, hitsara sy hanangana ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay. — I Korintiana 15:20-22; Jaona 5:27-29; Asan’ny apostoly 17:31.
Fifandraisana mahafaly
8, 9. a) Ahoana no azontsika ampifantohana ny masontsika ho amin’ny fiainana mandrakizay? b) Inona no omanin’i Jehovah mifandray amin’ny fiainana mandrakizay? d) Iza no handray izany fitahiana izany, ary amin’ny fomba ahoana?
8 Noho izany, Joda mpianatra dia manome antsika izao fampitandremana izao: “Ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 21). Ny zava-kendrena toy izany, ny an’ny fiainana mandrakizay, dia tsy hay tombanana. Vao mainka marina izany rehefa hoe hiaina ao anatin’ny fahatanterahana, mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Mpamorona antsika tanteraka sy araka ireo fandaharana ataony amin’ny alalan’ny Zanany. Tsy hisy intsony ireo asa manorisory izay matetika tokoa no mampiavaka ny ady atao mba hahavelomana ihany ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao ho avy dia ho efa nanjavona ny ranomaso, ny aretina, ny tsy firaharahana lalàna, ny fandraisana kolikoly ary na dia ny fahafatesana koa aza. — Mika 4:3, 4; I Korintiana 15:26.
9 Iza no tokony handray soa amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo, ary aiza? Ireo izay maneho finoana ny soron’i Jesosy ka manampy asam-pitiavam-pivavahana amin’ny finoany. Izy ireny dia mampifamatotra fifandraisam-pifanarahana amin’ireo namany kristiana maneran-tany ao anatin’ny firaisan’ny finoana. — Jakoba 2:24; Efesiana 4:16.
10. a) Ao anatin’ny ‘fitondran’Andriamanitra’, inona no hita voalohany? b) Inona no ataon’io “fitondrana” io manaraka izany?
10 Araka ny safidiny, Andriamanitra dia nanomana “fitondrana (...) hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany”. (Efesiana 1:8-10.) Ny fandaminana toy izany ny tranon’Andriamanitra dia manomboka amin’ny fanangonana ireo 144 000 mpiray lova amin’i Kristy. Ireo dia “navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy]”. Izy ireny dia manana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany”, na fitsanganana ho any an-danitra, izay hahatonga azy ireo ho afaka hanompo amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy mandritra ny arivo taona. Aorian’izany, ny fitondran’Andriamanitra dia manangona ny zavatra “etỳ an-tany”, manomboka amin’ny ‘olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’. Ireny mpanompon’Andriamanitra ireny dia ho avy amin’ny “fahoriana lehibe” ka hotolorana fahafahana hiaina mandrakizay ao amin’ny “tany vaovao”. — Apokalypsy 14:1, 4; 20:4, 6; 7:4, 9-17; 21:1, 4.
11. a) “Fifandraisana” sarobidy inona no resahina ao amin’ny Efesiana 1:11? b) Ahoana no iharan’ny teny ao amin’ny Jaona 15:4, 5 amin’ireo izay voafaoka ao anatin’izany “fifandraisana” izany?
11 Ireo zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy, raha lazaina amin’ny teny hafa ‘ireo zavatra any an-danitra’, dia manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’i Jesosy sy amin’ny Ray. ‘Notendrena ho mpandova’ ilay Fanjakana miaraka amin’i Kristy izy ireny (Efesiana 1:11, MN). Asain’i Kristy ho tafaray aminy hatrany izy ireo, tahaka ny sampana miraikitra amin’ny foto-boaloboka, mba hamoa be dia be. Raha tsy mitana izany fifamatorana sarobidy amin’i Kristy Jesosy izany ireny sampana ireny ‘dia tsy afaka manao na inona na inona mihitsy’ — Jaona 14:10, 11, 20; 15:4, 5; I Jaona 2:27.
Tafaray amin’ny Ray sy ny Zanaka ny “ondry hafa”
12. a) Inona no fifandraisana misy amin’ny “ondry hafa” sy ny “ondry vitsy”? b) Ahoana no iharan’ny teny ao amin’ny I Jaona 2:1-6 amin’ny tsirairay avy amin’ireo antokony ireo?
12 Manao ahoana anefa ny toeran’ny olon-kafa an-tapitrisany maro azo ampitahaina amin’ny ondry izay nosarahina tamin’ny “osy” eo amin’izao tontolo izao tao anatin’ireo 50 taona lasa (Matio 25:31-40)? Izy ireny dia tsy anisan’ny “ondry vitsy” an’i Jesosy izay omena ny Fanjakana, fa mikambana amin’izany “ondry vitsy” izany amin’ny maha-“ondry hafa” mba hahaforona andiany maro kokoa miara-miasa tafaray amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka (Lioka 12:32; Jaona 10:16). Manome antoka antsika ny apostoly Jaona fa Jesosy Kristy dia “avotra noho ny fahotantsika [ny an’ny “ondry vitsy”], ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa”. Noho izany, ireny “ondry hafa” ireny izay nalaina avy amin’izao tontolo izaon’ny olombelona dia afaka ny ho tonga koa amin’ny fifandraisana sarobidy, na fifanarahana, amin’Andriamanitra sy Kristy. Izany dia mifanaraka amin’izay nambaran’i Jaona manaraka izany, manao hoe: “Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao [tafaray, MN] aminy isika.” Ny “ondry vitsy” aloha, avy eo dia ny “ondry hafa”, dia manana adidy handeha tahaka ny nandehanan’i Jesosy. — I Jaona 2:1-6.
13. a) Ao amin’ny Jaona 17:20, 21, ny amin’ny inona no nivavahan’i Jesosy? b) Inona no manaporofo fa io hataka io dia tsy mahakasika ireo mpiray lova amin’i Kristy fotsiny?
13 Araka izany, amin’izao andro izao, ireo antokony roa ireo, ny kilasin’ny ho any an-danitra sy ny kilasin’ny ho eto an-tany, dia ‘tafaray amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka’; mifanaraka tanteraka amin’ireo izy raha mbola manatontosa ny asan’Andriamanitra. Nivavaka i Jesosy mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao [tafaray, MN] amintsika koa izy”. Ny maha-tafaray resahina eo dia tokony horaisina amin’ny heviny malalaka kokoa noho “ny maha-mpandova ny”, satria miharihary tokoa fa ireo mpianatr’i Jesosy dia tsy tonga anisan’ny ‘tenan’i Jehovah’ toy ny tsy ‘maha-mpiray lova amin’i Jehovah’ azy ireo. “Tafaray” amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka izy ireo amin’ny heviny hoe miara-miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina izy ireo, satria iray fo sy iray saina amin’i Jehovah sy Jesosy raha mbola manao fanambarana amin’izao tontolo izaon’ny olombelona. — Jaona 17:20, 21.
14. Amin’ny fomba manokana ahoana moa ireo anisan’ny kilasy any an-danitra no tafaray amin’i Kristy, ary inona no mahatonga azy ireo ho afaka hahafantatra izany?
14 Ny kristiana voahosotra anefa, izany hoe ny kilasin’ny ho any an-danitra, dia mandray soa dieny izao amin’izany maha-tafaray amin’ny fomba manokana izany noho izy ireo nambara fa marina mba handray ny fiainana noho ny fampiharana ho azy ireo ny vidin’ny soron’i Kristy. Mety hateraky ny fanahy àry izy ireo ka hamelona fanantenana ny ho tonga mpiray lova amin’i Kristy Jesosy. Manaiky izy ireny fa natsangana ho zanaka ary milaza hoe: “Ny Fanahy [ny hery miasa izay amin’ny alalany no iterahan’Andriamanitra azy ireo] dia miara-milaza amin’ny fanahintsika [na toe-tsaina manapaka] fa zanak’Andriamanitra isika.” — Romana 3:23, 24; 5:1; 8:15-18.
15. Ao anatin’ny toerana manao ahoana moa ireo kristiana manantena ny hiaina eto an-tany, amin’izao fotoana izao, ary inona no tehirizin’ny ho avy ho azy ireo?
15 Fa raha ny amin’ireo kristiana izay manantena ny hiaina eto an-tany, ankehitriny izy ireny dia ambara fa marina mba ho sakaizan’Andriamanitra, sahala amin’ny naha-izany an’i Abrahama, Rahaba mbamin’ny olon-kafa fahiny. Mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, izy ireny dia hotarihina miandalana ho amin’ny fahatanterahan’olombelona, mba hahatonga ny hoe, aorian’ny fitsapana farany, ‘ny zavatra ary koa dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra’. (Romana 8:19-21; Jakoba 2:21-26.) Amin’izany fomba izany ireo olona mankatò dia hambara fa marina ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany. — Jereo Jaona 10:10; Isaia 9:7; 11:1-9; 35:1-6; 65:17-25.
16. a) Amin’ny lafiny inona avy moa ireo anisan’ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa” no tafaray? Nahoana moa ny teny ao amin’ny Jaona 3:3-5 no tsy mahakasika afa-tsy ny “ondry vitsy”?
16 Eo amin’ny lafin’ny isam-batan’olona, ireo anisan’ny “ondry vitsy” sy an’ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa” dia maneho zotom-po amim-pifaliana toy izany eo amin’ny asan’Andriamanitra (Lioka 12:32; Jaona 10:16; Titosy 2:13, 14, MN). Na dia mety ho tsapa aza fa ny ankamaroan’ny kristiana voahosotra mbola eto an-tany dia be taona kokoa sy efa nanana fanandraman-javatra mitatra kokoa teo amin’ny kristianisma, ireo anisan’ny antokony tsirairay avy dia nitafy ny toetra vaovao sy mamoa ny vokatry ny fanahy (Efesiana 4:24; Galatiana 5:22, 23). Misy tsy fitoviana anefa eo amin’ireo antokony roa ireo, araka ny miharihary amin’ny teny nataon’i Jesosy tamin’i Nikodemosy talohan’ny niresahana ny amin’ny fiainana mandrakizay. Izao no nambarany: “Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.” (Jaona 3:3-5). Noho izany, ireo kristiana vita batisa nantsoin’Andriamanitra mba ho tonga mpiara-mandova ny Fanjakana amin’i Jesosy dia mandalo amin’ny fahaterahana indray ara-panahy (I Korintiana 1:9, 26-30). Tsy mila izany fahaterahana indray izany ny “ondry hafa”, satria manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa tafaorina indray, amin’ny maha-vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany. — Matio 25:34, 46b; Lioka 23:42, 43, MN.
Ny fahatsiarovana sy ny fanekena vaovao
17. a) Nahoana moa izay rehetra manantena ny hahazo ny fiainana no tokony hiara-mivory amin’ny olon’Andriamanitra amin’ny Fahatsiarovana? b) Inona no voamarika ny amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1985?
17 Ny 24 martsa 1986, taorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Ny eritreritr’izy ireo dia nifantoka tamin’ny tena sy ny ra tanteraka natolotr’i Jesosy ho sorona, sady ho fanamarinana ny anarana sy ny fikasan’ny Rainy no mba hanavotana ny olombelona mpanota (I Korintiana 11:23-26). Araka izany, izay rehetra manantena ny hahazo ny fiainana (na ho any an-danitra na ho eto an-tany) dia haniry ny hiara-hivory amin’ny olon’Andriamanitra maneran-tany amin’io fotoana mahafaly io amin’ny manaraka. Tamin’ny 1985, tamin’ny fitambarany dia olona 7 792 109 no nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Kristiana 9 051 monja anefa no nandray ny mofo sy ny divay, izay mampiseho ny tena sy ny ran’olombelona nalatsak’i Jesosy. Nahoana izy ireo no vitsy dia vitsy toy izany?
18, 19. a) Ny amin’ny fanekena inona avy moa no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Lioka toko faha-22? b) Inona no zava-kendren’ny tsirairay avy amin’ireo fanekena ireo? d) Sahala amin’i Mosesy, ahoana no anaovan’i Jesosy ny asan’ny “mpanalalana”?
18 Inona no nambaran’i Jesosy tamin’ilay alina nanorenany ny Fahatsiarovana ny nahafatesany? Rehefa avy nampandalo ny mofo teo amin’ireo mpianany izy, dia natolony azy toy izany koa ny divay tamin’ny filazana hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” Taty aoriana, dia novelabelariny tamin’ny antsipiriany kokoa ny antony nampidirany azy ireo tao anatin’ny fanekena vaovao: “Ary hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako hianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” — Lioka 22:19, 20, 28-30.
19 Nambaran’i Jeremia mpaminany fa hanao fanekena vaovao Jehovah. Noho izy io, hoy ny fanazavany, dia havelan’Andriamanitra ny fahadisoana sy ny fahotan’ireo mpanompony mba hahafahan’izy ireo ‘hahalala an’i Jehovah’ ao anatin’ny faritry ny fifandraisana akaiky indrindra (Jeremia 31:31, 34). Toy ny naha-“mpanalalana” an’i Mosesy tamin’ny faneken’ny Lalàna nifanaovana tamin’ny Isiraely araka ny nofo, dia toy izany koa fa Jesosy dia tonga “mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra” nataon’Andriamanitra tamin’ny ‘Isiraely ara-panahy’, ka nanavotra tamin’izany fomba izany ireo izay antsoina ho tonga mpandova ny Fanjakana miaraka aminy. Ireo voalaza farany ireo dia mandray amin’izany “ny fampanantenana ny lova mandrakizay”. (Galatiana 3:19, 20; 6:16; Hebreo 8:6; 9:15, MN; 12:24.) Amin’izany heviny araka ny Baiboly izany ihany no iasan’i Kristy Jesosy amin’ny maha-‘hany Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona’. — I Timoty 2:5, 6.
20. a) Iza moa no manana zo handray ny marika amin’ny Fahatsiarovana? b) Nahoana no toy izany no izy?
20 Amin’izany, iza no manana zo hihinana ny mofo sy hisotro ny divay amin’ny Fahatsiarovana? Izany tombontsoa izany dia atokana ho an’ny antokon’olona kristiana nampidirin’Andriamanitra ao anatin’ny fanekena vaovao mifototra amin’ny soron’i Jesosy (Salamo 50:5). Io fanekena io dia nokendrena mba hamelana ireo mpiray lova amin’i Jesosy 144 000 hambara fa marina sy mendrika ny hiaina eto an-tany aloha, mba hahafahany manao sorona izany zo hanana fiainana eto an-tany izany ka hampidirina ao amin’ny Fanjakana any an-danitra (Romana 4:25; II Timoty 2:10, 12). Fa ahoana ny amin’ny “ondry hafa”?
21. a) Inona avy no soa raisin’ny “ondry hafa” amin’ny fanatrehana ny Fahatsiarovana? b) Manintona ny saina ho amin’ny inona moa ny fankalazana ny Fahatsiarovana, ary mametraka fanontaniana hoe ahoana izany?
21 Ireo anisan’ny kilasin’ny “ondry hafa” dia tsy voaray ao anatin’ny fanekena vaovao; tsy mandray ny marika àry izy ireo. Izy rehetra anefa dia mandray soa amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana izay atrehin’izy ireo amin’ny maha-mpijery manaja. Mihamaranitra amin’izany ny fahalianan’izy ireo amin’ny raharaha ara-panahy, araka izao teny nataon’i Jesosy tamin’ny Rainy izao: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Tadidio fa ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia manintona ny sain’ny olon’Andriamanitra ho amin’ny nofo sy ny ran’i Jesosy. Ny nofo sy ny ra natolotr’i Kristy ho sorona dia zava-dehibe tokoa ho an’izay rehetra miezaka hanatratra ny zava-kendrena, dia ny fiainana mandrakizay. Amin’ny ahoana izany no marina amin’ny “ondry hafa”, kanefa izy ireo tsy voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ary tsy mandray ny marika amin’ny Fahatsiarovana? Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy miandalana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay?
◻ Ahoana no nataon’Andriamanitra mifandray amin’ny ‘fitondrany’?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa ny “ondry hafa” dia ‘tafaray’ amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ireo rahalahin’i Kristy?
◻ Nahoana moa no ireo kristiana voahosotra ihany no mandray ny marika amin’ny Fahatsiarovana?
[Sary, pejy 13]
Tafaray ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa”: manatanteraka ny asan’i Jehovah, tahaka ny nataon’i Jesosy, izy ireo.