Fanontanian’ny Mpamaky
Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah mikely aina mba hanao sy hilaza ny marina, sady mifampatoky, nahoana izy ireo no mihevitra fa zava-dehibe ny hanaovana fifanekena an-tsoratra, rehefa misy fifampiraharahana ara-barotra eo amin’izy samy izy?
Ny fanaovan’izy ireo izany dia araka ny Soratra Masina sy mahasoa ary mampiseho fitiavana. Ahoana izany? Andeha isika handinika ireo lafiny amin’ny fifanekena ara-barotra ireo.
Ny Baiboly dia mampiseho firaketana an-tsoratra ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ilay vahoakany nanaovany fifanekena, izany hoe ny Isiraelita. Tafiditra tamin’izany ireo fifampiraharahana ara-barotra nahakasika mpivavaka marina. Misy iray azontsika dinihina, voarakitra ao amin’ny Genesisy toko faha-23. Rehefa maty i Saraha, vady malalany, dia naniry hahazo tany fandevenana i Abrahama. Nanomboka nifampiraharaha tamin’ireo Kananita nonina teo akaikin’i Hebrona izy. Ny andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-9 dia mampiseho fa nanolotra vidiny mazava tsara ho an’ilay sombin-tany niriny izy. Ny andininy faha-10 dia manaporofo fa natao ampahibemaso ilay fanolorana, teo anatrehan’ny hafa teo am-bavahadin’ny tanàna. Asehon’ny andininy faha-13 fa ilay tompon-tany dia nanambara ny fahavononany hanome ilay tany an’i Abrahama, kanefa dia namaly io fa tsy haka ilay tany izy raha tsy novidiny. Ny andininy faha-17 sy faha-18 ary faha-20 dia manazava fa izany tokoa no natao, ary nohamafisina “teo imason’ny taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany”.
Ho hafa noho izany ve anefa no izy, rehefa samy mpivavaka marina ny andaniny roa manao fifampiraharahana ara-barotra toy izany? Manome ny valiny ny toko faha-32 amin’ny Jeremia. Manomboka eo amin’ny andininy faha-6, isika dia mahita fa tokony hividy tany tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy i Jeremia. Ny andininy faha-9 dia mampiseho fa vidiny ara-drariny no nifanekena. Izao dia vakio ny andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-12 manao hoe: “Ary nosoratako [Jeremia] tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ny taratasy mivelatra koa; dia natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ny trano fiambenana.”
Eny, na dia nifampiraharaha tamin’ny mpiara-nivavaka taminy, izay sady havany koa, aza i Jeremia, dia nanaraka fomba fanaovan-javatra ara-dalàna sasany izay araka ny antonona, izy. Firaketana an-tsoratra roa no natao — ny iray dia navela hivelatra mba ho mora jerena, ilay faharoa nasiana tombo-kase mba ho porofo fanohanana, raha sendra nisy fisalasalana momba ny fahamarinan’ilay navelatra. Izany rehetra izany dia nifanaovana “teo anatrehan’ireo”, araka ny lazain’ny andininy faha-13. Koa fifampiraharahana ara-barotra ampahibemaso sy ara-dalàna ary nisy vavolombelona àry ilay izy. Mazava àry fa araka ny modely ao amin’ny Soratra Masina no itondran’ny mpivavaka marina raharaha amin’ny fomba misy fanamafisana sy taratasy porofo toy izany.
Mahasoa koa ilay izy. Fantatsika ny maha-marina ilay fitenenana hoe “ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra”. (Mpitoriteny 9:11). Tafiditra amin’izany ireo Kristiana be fandavan-tena sy mahatoky. Milaza izany toy izao ny Jakoba 4:13, 14: “He! hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo.” Araka izany, dia mety hanomboka hanao tetik’asa iray isika, toy ny fividianan-javatra, ny fanatanterahana asa na fanampiana iray nifanekena, na ny famokarana zavatra iray ho an’olon-kafa iray. Inona anefa no havoakan’ny ampitso — na ny volana manaraka na ny taona manaraka? Ahoana raha sanatria ka hiharan-doza isika na ilay ankilany? Mety ho toa hahatonga ny fanajana ilay fifanekena ho tsy azo atao izany. Ahoana raha tsy afaka manatontosa na mahavita ilay asa isika, na raha hitan’ilay olona fa mila tsy ho vitany ny handoa ilay vola na hanao ny anjarany tao amin’ilay fifanarahana? Raha tsy misy fifanarahana an-tsoratra, dia mety hipoitra ny tena zava-manahirana, izay ho azo nalamina na nosorohina tamin’ny fananana fifanekena an-tsoratra tsotra.
Ankoatra izany, dia tsy tokony hohadinointsika fa tena tsy azo antoka ny lafiny maro amin’ny fiainana. Mety hidika mihitsy aza izany hoe hisy olon-kafa ho voatery handray an-tanana na hamita ny fandraharahantsika (na ny an’ilay ankilany). Hoy ny teny nanampin’i Jakoba eo amin’ny andininy faha-14: “Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona.” Raha jerena ny zava-misy, dia mety ho faty amin’ny fomba tsy ampoizina isika. Ny fifanekena an-tsoratra iray na fifanekena iray, dia tena ho afaka hamela ny hafa hanohy hikarakara ilay raharaha, raha sanatria misy zavatra tsy ampoizina mitranga na amin’ny andaniny, na amin’ny ankilany.
Amin’ny heviny iray, izany dia mitarika antsika koa ho amin’ilay lafiny fahatelo — fanehoam-pitiavana ny fanaovana ireo fifanekena an-tsoratra. Azo antoka fa raha toa ka maty, na voan’ny loza mampitondra takaitra ny andaniny na ny ankilany, dia ho nampiseho fitiavana ny Kristiana iray, raha nanao firaketana an-tsoratra an’ireo adidiny na ny vola nantenainy. Ary tsy manome taratry ny tsy fitokiana fa maneho fitiavana kosa an’ilay rahalahy izay ifampiraharahantsika, ny fanaovantsika fanekena an-tsoratra izay hanambara mazava sy araka ny marina hoe inona ilay adidy tsy maintsy efainy na izay zavatra tokony ho azony. Io dingana mampiseho fitiavana io dia hampihena ho faran’izay kely izay mety ho antony hiteraka fahatezerana na tsy fahafaliana, raha sendra manadino tsipirian-javatra na andraikitra sasany ny iray amin’ireo andaniny tsy lavorary. Ary iza amintsika moa no tsy olona tsy lavorary, mora manadino, na mora tsy mahazo ny hevitr’ireo tsipirian-javatra na zava-nokasaina? — Matio 16:5.
Misy fomba hafa mampiseho fa ny fanaovana an-tsoratra fifanekena ara-barotra dia manome taratry ny fitiavantsika ny rahalahintsika sy ny fianakaviantsika ary ny kongregasiona amin’ny ankapobeny. Kanefa tokony hazava fa ankoatra ny hoe mampiseho fitiavana, ny firaketana an-tsoratra misy tsipirian-javatra ampy toy izany dia mahasoa sady araka ny Soratra Masina.