TOKO FAHA-9
Aza “Mikatsaka Zavatra Lehibe ho Anao”
1, 2. a) Inona no nanjo an’i Baroka, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah azy?
RERA-TSAINA i Baroka mpitan-tsoratr’i Jeremia. Taona fahefatra nanjakan’i Joiakima mpanjaka ratsy fanahy tamin’izay, izany hoe taona 625 T.K. tany ho any. Nasain’i Jeremia nosoratany tamin’ny horonam-boky ny teny rehetra nolazain’i Jehovah taminy momba an’i Jerosalema sy Joda, izany hoe ny tenin’i Jehovah tao anatin’ny 23 taona naha mpaminany azy. (Jer. 25:1-3; 36:1, 2) Tsy tonga dia novakina tamin’ny Jiosy anefa izy io. Ny taona nanaraka i Baroka vao nasaina nanao izany. (Jer. 36:9, 10) Inona anefa no nahakivy an’i Baroka?
2 Nitaraina izy hoe: “Idiran-doza aho ity, fa nampian’i Jehovah alahelo ny fijaliako! Sasatry ny misento aho.” Efa sasatra na kivy koa angamba ianao, ka nitaraina. Mety ho re ny feonao rehefa nitaraina na mety ho niteny anakampo fotsiny ianao. Tsy fantatsika raha niteny i Baroka teo na tsia. Na ahoana na ahoana anefa dia nihaino azy i Jehovah, ilay Mpandinika ny fo. Fantany hoe inona no nahakivy an’i Baroka, ary nampiasa an’i Jeremia izy ka nanitsy an’i Baroka tamin-katsaram-panahy. (Vakio ny Jeremia 45:1-5.) Fa inona àry no nahakivy an’i Baroka? Ilay asa nampanaovina azy ve? Sa ny zava-nisy tamin’izay fotoana izay? Tsia. Ny faniriana tao am-pony no olana. ‘Nikatsaka zavatra lehibe’ ho azy izy. Inona izany zavatra lehibe izany? Inona no nampanantenain’i Jehovah, raha manaraka ny toroheviny i Baroka? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny nanjo azy?
IREO “ZAVATRA LEHIBE” NOKATSAHIN’I BAROKA
3. Inona no tena nahatonga an’ilay olana nanjo an’i Baroka?
3 Fantatr’i Baroka hoe inona ireo “zavatra lehibe” ireo. Fantany koa fa “mijery ny ataon’ny olona” Andriamanitra, ka “mahita ny diany rehetra.” (Joba 34:21) ‘Tsy nahita fiadanam-po’ izy tamin’ny fotoana nanoratany an’ireo faminaniana nolazain’i Jeremia. Tsy ny asa nasaina nataony no nahatonga izany fa ny tao am-pony: Ny zavatra noheveriny ho lehibe. Revo nikatsaka “zavatra lehibe” ho azy izy, ka hadinony hoe ny zavatra mifandray amin’ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe kokoa. (Fil. 1:10) Tsy eritreritra nandalo tao amin’i Baroka fotsiny ilay izy. Manamarina izany ilay teny ao amin’ny Jeremia 45:5 hoe “mbola mikatsaka.” Efa teo am-pikatsahana “zavatra lehibe” izy no nilazan’i Jehovah hoe tsy tokony hikatsaka an’izany intsony. Sady nanao ny sitrapon’Andriamanitra àry ilay mpitan-tsoratr’i Jeremia, no naniry mafy hahazo “zavatra lehibe” ho azy.
4, 5. Nahoana no lazaina fa mety ho anisan’ny “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka ny laza sy voninahitra, ary nahoana no mety tsara raha nampitandrina azy i Jehovah?
4 Mety ho anisan’ny “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka ny laza sy voninahitra. Na dia mpitan-tsoratr’i Jeremia aza mantsy izy, dia mety ho tsy mpitan-tsorany irery. Antsoina hoe “Baroka mpitan-tsoratra” izy ao amin’ny Jeremia 36:32. Anaram-boninahitra io, toy ilay hoe “Elisama mpitan-tsoratra”, izay niantsoana ny andriana iray tao Joda. Midika izany fa mety ho afaka niditra tao amin’ny “efitra fisakafoan’ny mpitan-tsoratra” tao “an-tranon’ny mpanjaka” i Baroka, toa an’i Elisama mpiara-miasa taminy. (Jer. 36:11, 12, 14) Mety ho olona ambony tao an-dapa tokoa izy, araka ny zavatra hitan’ny mpikaroka. Midika izany fa nahita fianarana koa izy. Ankoatra izany, dia nitana toerana ambony i Seraia rahalahiny. Mpiandraikitra ny sakafon’ny miaramilan’i Zedekia Mpanjaka izy io. Nanaraka ny mpanjaka tany Babylona izy indray mandeha, rehefa nanao asa lehibe tany ny mpanjaka. (Vakio ny Jeremia 51:59.) Azo inoana fa izy io no nikarakara ny sakafon’ny mpanjaka sy ny toerana nipetrahany rehefa nanao dia.
5 Anisan’ny olona ambony i Baroka sy ny fianakaviany, ka azontsika tsara hoe nahoana izy no kivy rehefa nasaina nanoratra hafatra fanamelohana maromaro mahakasika ny Joda. Nanampy ny mpaminanin’Andriamanitra koa izy tamin’izay, ka mety hamoy ny toerany. Eritrereto anefa izay mety ho nitranga rehefa tanteraka ilay Jeremia 45:4 hoe ‘handrava izay naoriny’ i Jehovah. Tsy hisy dikany ireo “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka, na harena ilay nokatsahiny, na voninahitra tao an-dapa. Nety tsara ny nampitandreman’Andriamanitra an’i Baroka, raha toerana azo antoka tokoa no nokatsahiny. Efa ho rava mantsy ny tontolo jiosy tamin’izay.
6, 7. Nitovy tamin’ny toe-tsain’iza ny toe-tsain’i Baroka, raha harena no “zavatra lehibe” nokatsahiny?
6 Hitantsika teo fa mety ho anisan’ny “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka ny harena. Nikatsaka harena ny firenena nanodidina an’i Joda. Niantehitra be tamin’ny fananany izy ireo. Natoky ‘ny zava-bitany sy ny harenany’ i Moaba. Toy izany koa i Amona. ‘Nanankarem-be’ koa i Babylona. (Jer. 48:1, 7; 49:1, 4; 51:1, 13) Nomelohin’Andriamanitra daholo anefa ireo firenena ireo.
7 Raha harena àry no nokatsahin’i Baroka, dia azonao tsara hoe nahoana i Jehovah no nananatra azy. Ho lasan’ny fahavalo mantsy ny trano sy ny sahan’ny Jiosy, rehefa ‘haninjitra ny tanany hamely’ azy ireo Andriamanitra. (Jer. 6:12; 20:5) Eritrereto hoe niara-belona tamin’i Baroka ianao. Mieritreritra ny ankamaroan’ny mpiray tanindrazana aminao hoe tokony hiady amin’ireo Babylonianina manafika an’i Jerosalema izy ireo. Mihevitra an’izany na ny andriana, na ny mpisorona, ary na ny mpanjaka koa aza. Fantatrao anefa fa nilaza i Jeremia hoe: “Manompoa ny mpanjakan’i Babylona mba ho velona ianareo.” (Jer. 27:12, 17) Ho mora aminao ve ny hankatò an’izany didin’Andriamanitra izany, raha betsaka ny fanananao? Hanao ahoana ny fihetseham-ponao mahita an’ireo fanananao? Handrisika anao hankatò ny tenin’i Jeremia ve sa hahatonga anao hanaraka ny besinimaro? Tadidio fa nentin’ireo fahavalo nankany Babylona daholo ny zava-tsarobidy tao Joda sy Jerosalema, anisan’izany ny tao amin’ny tempoly. Very maina fotsiny ny fananana nangonin’ny olona. (Jer. 27:21, 22) Inona no ianarantsika amin’izany?
Ahoana no nanitsian’i Jehovah an’i Baroka, rehefa nikatsaka “zavatra lehibe” ho azy izy? Nahoana no fahendrena ny manaiky hahitsin’i Jehovah, araka ny hevitrao?
‘HOMEKO HO BABONAO NY AINAO’
8, 9. Tena zava-dehibe ve ny hoe ny ainy no azon’i Baroka ho babo? Nahoana?
8 Diniho izao: Inona no nolazain’Andriamanitra hoe ho azon’i Baroka raha manaraka ny toroheviny izy? Ny ainy! Izay no azo antoka fa ho azony ho ‘babo.’ (Vakio ny Jeremia 45:5.) Vitsy ny olona tsy maty tamin’ny fandravana an’i Jerosalema. Iza avy izany? Izay nankatò ny toromarik’Andriamanitra, ka nitolo-batana tamin’ny Kaldeanina. (Jer. 21:9; 38:2) Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Dia izay fotsiny ve no valisoan’izy ireo?’
9 Eritrereto izay nitranga rehefa nataon’ny Babylonianina fahirano i Jerosalema. Naharitra ela ilay fahirano ka nijaly be ny olona, fa tsy mba toy ny tao Sodoma, izay azo lazaina hoe rava tao anatin’ny indray mipy maso. (Fitom. 4:6) Araka ny faminaniana nasaina nosoratan’i Baroka, dia ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ny mponin’i Jerosalema. Nahita ny fahatanterahan’izany izy. Lany tanteraka ny sakafo tao Jerosalema. Nahatsiravina ny zava-nitranga: Ireo reny natao ‘hangoraka’ indray no nahandro sy nihinana ny zanany naterany! (Fitom. 2:20; 4:10; Jer. 19:9) Tafavoaka velona tamin’ilay fahirano anefa i Baroka. Korontam-be tamin’izay ka raha tsy maty tamin’izany, dia tena fandresena lehibe tokoa. Ny ainy no azony ho babo. Azo antoka fa narahin’i Baroka ny torohevitr’Andriamanitra hoe ‘aza mikatsaka zavatra lehibe ho anao’, ka nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy. Izany no nahatonga azy tsy ho faty.—Jer. 43:5-7.
HIKATSAKA “ZAVATRA LEHIBE” HO ANAO VE IANAO?
10, 11. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Baroka?
10 Naniry hahazo “zavatra lehibe” i Baroka, na dia nazoto nanao ny sitrapon’Andriamanitra aza. Nampitandrina azy i Jehovah ka nankatò izy. Tsy simba àry ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ary tsy maty izy. Mety hanjo antsika ve ny nanjo an’i Baroka? Misy zavatra irintsika mafy ve ao am-pontsika ao, ka angamba lasa mibahana be ao an-tsaintsika, na dia hoe mazoto amin’ny fanompoana an’i Jehovah aza isika?
11 Mety ho naniry mafy halaza i Baroka. Mety ho nieritreritra toy izao izy: ‘Ho voatazoko ve ny toerana ambony ananako amin’ny maha “mpitan-tsoratra” ahy? Mety hahazo toerana ambony kokoa ve aho?’ Mila mandini-tena koa isika hoe: ‘Manana faniriana mitovitovy amin’ny an’i Baroka ve aho miafina ao am-poko ao? Te hahazo toerana ambony kokoa ve aho amin’ny asako?’ Ilain’ny tanora kristianina koa ny misaintsaina toy izao: ‘Mieritreritra ve aho hoe hahazo voninahitra sy vola be raha manao fianarana ambony? Tsy hahatonga ahy hikatsaka “zavatra lehibe” ho ahy ve izany?’
12. Ahoana no nataon’ny rahalahy iray mba hitadiavana zavatra lehibe hanomezana voninahitra an’i Jehovah? Ary ahoana no fahitanao ny safidy nataony?
12 Nahazo vatsim-pianarana ho eny amin’ny oniversite ny rahalahy iray miasa ao amin’ny Betelan’i Etazonia, tamin’izy 15 taona. Gaga ny mpampianatra fa tsy nekeny ilay izy. Naleony nirotsaka ho mpisava lalana. Mbola tia nianatra foana anefa izy. Lasa misionera tany amin’ny nosy mitokana iray izy tatỳ aoriana. Voatery nianatra ny fitenin’ny olona tany izy. Olona 10 000 eo ho eo monja no nampiasa an’ilay fiteny, ary tsy nisy diksionera tamin’io fiteny io. Nataony lisitra àry ny tenin’izy ireo sy ny dikany. Hainy tsara ilay fiteny tatỳ aoriana ka nasaina nadikany ho amin’io fiteny io ny bokintsika sasany. Nampiasaina ilay lisitra nataony, tatỳ aoriana, mba hanaovana ny diksionera voalohany amin’io fiteny io. Hoy izy rehefa nadinadinina tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray: “Raha nianatra teny amin’ny oniversite aho, dia izaho no mety ho noderain’ny olona tamin’ny zavatra vitako rehetra. Fa satria aho tsy nahazo diplaoma teny, dia i Jehovah no tena omena voninahitra.” (Ohab. 25:27) Ahoana no fahitanao ny safidy nataon’io rahalahy io tamin’izy 15 taona? Nandray soa tokoa izy satria nahazo andraikitra maro teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Eritrereto àry izao: Ahoana no tianao hampiasana ny fahaizanao? Tapa-kevitra ny hampiasa an’izany mba hiderana an’i Jehovah ve ianao, fa tsy hitadiavana voninahitra ho an’ny tenanao?
13. Nahoana ny ray aman-dreny sasany no tokony handinika ny zava-manahirana natrehin’i Baroka?
13 Mety hikatsaka “zavatra lehibe” ho an’ny mpianakavintsika na ny olona azontsika taomina isika, na koa hampiasa azy ireo mba hahazoana “zavatra lehibe” ho an’ny tenantsika. Angamba ianao efa nahita ray aman-dreny nanao toy izany eto amin’ity tontolo ity. Ataony izay hahatonga ny zanany ho ambony kokoa noho izy, na izay hisondrotan’ny zanany mba ho lasa reharehany. Efa nahare olona nilaza an’izao angamba ianao: “Tsy tiako raha voatery miasa mafy hoatr’ahy ny zanako”, na koa hoe: “Tiako hianatra eny amin’ny oniversite ny zanako, mba hiadana kokoa rehefa lehibe.” Mety hieritreritra toy izany koa ny Kristianina. Mety hilaza aloha izy hoe: ‘Izaho ange tsy mikatsaka zavatra lehibe ho an’ny tenako e!’ Kanefa sao dia mikatsaka an’izany ihany izy, fa ny zanany no ampiasainy? Mety ho nitady hampiasa ny asany sy ny toerana notanany i Baroka mba hahazoana voninahitra. Mety hataon’ny ray aman-dreny koa izay hahatafita ny zanany, satria maniry hahazo voninahitra izy any am-pony any. Tsy ho fantatr’ilay “mpandinika ny fo” ve anefa izany, toy ny nahitany ny tao am-pon’i Baroka? (Ohab. 17:3) Moa ve isika tsy tokony hangataka amin’Andriamanitra mba handinika ny eritreritsika lalina indrindra, toy ny nataon’i Davida? (Vakio ny Salamo 26:2; Jeremia 17:9, 10.) Mampiasa fomba maro i Jehovah mba hampitandremana antsika hoe manimba ny fikatsahana “zavatra lehibe”, ka iray amin’izany ny nanomezany an’ity lahatsoratra ity.
Mety ho inona ny “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka? Inona no ianaranao avy amin’izany?
FANDRIKY NY ‘HARENA’
14, 15. Ahoana no mety hahatonga ny harena ho lasa “zavatra lehibe” amintsika?
14 Ahoana raha harena no nokatsahin’i Baroka ka lasa nanana harena tao Joda izy? Mety tsy ho foiny ny fananany, ka ho sarotra taminy ny hankatò an’ilay didin’Andriamanitra hoe mila mitolo-batana amin’ny Kaldeanina izy. Efa voamarikao angamba fa matetika ny mpanankarena no miantehitra amin’ny “harenany.” Heveriny ho fiarovana ny harena. Asehon’ny Baiboly anefa fa “hevitry” ny olona fotsiny izany fa tsy tena marina. (Ohab. 18:11) Mahasoa ny mpanompon’i Jehovah rehetra ny mitadidy fa ilaina ny mandanjalanja amin’ny resaka harena, araka ny torohevitry ny Baiboly. (Vakio ny Ohabolana 11:4.) Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Maninona moa raha manararaotra kely ny zavatra atolotr’ity tontolo ity?’
15 Raha tia loatra zavatra ara-nofo ny Kristianina iray, dia tia zavatra mandalo fotsiny, satria tsy haharitra ity tontolo ity. Tsy mba nanao toy izany i Jeremia sy Baroka. Izao no fampitandremana nomen’i Jesosy an’ireo olona hiaina mandritra ny fotoana “hampiharihariana ny Zanak’olona”: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” Azo atao koa ny mampitandrina antsika Kristianina hoe: ‘Tsarovy i Jeremia sy Baroka.’ (Lioka 17:30-33) Raha tia loatra zavatra ara-nofo isika, dia ho sarotra amintsika ny hanaraka ny torohevitr’i Jesosy. Tadidio fa nanaraka ny fampitandreman’Andriamanitra i Baroka, ka tsy maty.
16. Ahoana no ahitana fa nahay nandanjalanja ny mpanompon’i Jehovah sasany?
16 Diniho ny nanjo an’ireo rahalahy tany Romania, teo ambany fitondrana kominista. Naka an-keriny ny fananan’izy ireo ny iraky ny fitondrana indraindray, rehefa nanao bemidina tao an-tranon’izy ireo. Izay zavatra azony namidy no tena nalainy. (Fitom. 5:2) Maro ny rahalahy sy anabavy vonona hamoy ny fananany. Voatery namela ny fananany sy nandao ny tranony ny sasany, satria nafindra toerana. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ireo. Ahoana raha ianao no tratran’izany? Havelanao hampivadika anao ve ny fitiavanao ny fanananao?—2 Tim. 3:11.
17. Nahoana isika no milaza fa mety ho nanampy an’i Jeremia sy Baroka ny sasany tamin’ny mpiara-belona taminy?
17 Tsara homarihina fa nanampy an’i Jeremia sy Baroka ny sasany tamin’ny mpiara-belona taminy. Anisan’izany i Zefania. Samy naminany tao anatin’ny fotoana nanjakan’i Josia i Zefania sy Jeremia, ary azo inoana fa nosaintsainin’i Jeremia izay voalazan’ny Zefania 1:18. (Vakio.) Azo antoka fa nampita izany tamin’i Baroka izy avy eo. Niara-belona tamin’i Jeremia koa i Ezekiela, izay lasa babo tany Babylona tamin’ny 617 T.K. Nahakasika an’ireo Jiosy tany an-tanindrazany ny zavatra nataon’i Ezekiela sy ny hafatra nampitainy. Azo inoana àry fa fantatr’i Jeremia izay nataon’i Ezekiela, ary fantatr’i Ezekiela koa izay nataon’i Jeremia. Fantatr’i Jeremia koa ilay teny ao amin’ny Ezekiela 7:19. (Vakio.) Nandray soa tamin’ireo teny nampanoratin’Andriamanitra ireo i Jeremia sy Baroka, ary afaka mandray soa avy amin’izany koa isika. Rehefa tonga ny andron’i Jehovah, dia hiantso ny andriamaniny ny olona mba hamonjy azy. Tsy hahavonjy azy anefa na ny andriamaniny, na ny harenany.—Jer. 2:28.
HO AZONAO ‘HO BABO’ VE NY “AINAO”?
18. Inona no irinao ho azo ho babo, ary inona no tokony hataontsika mba ho voavonjy?
18 Mila tadidintsika fa ny ‘aintsika’ no nampanantenain’i Jehovah ho azontsika ho babo. Marina fa hisy mpanompon’i Jehovah vitsivitsy hamoy ny ainy amin’ny “fahoriana lehibe.” Mety hisy fanenjehana mantsy amin’izay, rehefa hanafika ny fivavahana ireo fitondrana politika, izay oharina amin’ireo tandroky ny bibidia. Tsy ho matiantoka anefa ireny olona tsy mivadika ireny. Azo antoka fa mbola ho velona indray izy ireo, ka hankafy ny “tena fiainana” ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 7:14, 15; 1 Tim. 6:19) Afaka matoky koa anefa isika fa ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Matokia fa tsy hisy olona tsy mivadika mihitsy amin’ireo ho “voavonon’i Jehovah”, rehefa horinganiny ireo firenena.—Jer. 25:32, 33.
19. Nahoana no manampy anao tsy hikatsaka “zavatra lehibe” ho anao, ny ohatra navelan’i Jeremia sy Baroka?
19 Mety hampieritreritra ny hoe ny ‘aintsika’ ihany no ho azontsika ho babo. Tsy tokony hahakivy anefa izany. Tadidio fa matin’ny mosary ny olona tao Jerosalema, fa i Jeremia kosa notsimbinin’i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Nogadrain’i Zedekia tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina izy, ary nasainy ‘nomena mofo iray isan’andro, avy tany amin’ny Lalan’ny mpanao mofo, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna.’ (Jer. 37:21) Tsy maty àry i Jeremia! Afaka mampiasa izay fomba rehetra tiany i Jehovah mba hiarovana ny vahoakany. Ny azo antoka anefa dia hoe hiaro ny vahoakany izy, satria efa nanome toky hoe hiaina mandrakizay izy ireo. Tsy maty tamin’ny fandravana an’i Jerosalema i Baroka, satria tsy ‘nikatsaka zavatra lehibe’ ho azy. Afaka manantena koa isika hoe ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona, ka hidera an’i Jehovah. Ho azontsika ho babo ny ‘aintsika’ amin’izay, ka hiaina mandrakizay isika.
Nahoana no hendry isika raha tsy mikatsaka “zavatra lehibe”, fa miezaka hahazo ny ‘aintsika’ ho babo?