-
KarkemisyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Resy i Ninive, renivohitr’i Asyria, tatỳ aoriana. Nitarika ny tafiny nianavaratra àry i Farao Neko mba hanampy ny Asyrianina. Nitady hisakana an’ilay tafika tao Megido i Josia mpanjakan’ny Joda. Tamin’izay anefa no nahafaty azy (t. 629 T.K.). (2Ta 35:20-24) Niady tao Karkemisy ny tafik’i Ejipta sy Babylona tamin’ny 625 T.K. Nahazo fandresena lehibe ny tafik’i Nebokadnezara, ary avy eo nanafika an’i Syria sy Kanana. Nifarana hatreo àry ny fitondran’i Ejipta tany amin’ireo faritra ireo. Samy mitantara ny faharesen’ilay tafika ejipsianina ny Jeremia 46:2 sy ny Tantaran’i Babylona (T.B. 21 946).
-
-
JoiakimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Notafihin’i Nebokadnezara i Joiakima, ka ‘lasa mpanompony [na teo ambany fahefany] nandritra ny telo taona. Nikomy taminy anefa izy.’ (2Mp 24:1) Azo inoana fa io taona fahatelo nifehezan’i Babylona an’i Joiakima io no resahin’ny Daniela 1:1, fa tsy ny taona fahatelo tamin’ireo 11 taona nanjakany tao Joda. Mbola i Neko mpanjakan’i Ejipta mantsy no nifehy azy tamin’izay, fa tsy ny Babylonianina. Tamin’ny taona fahefatra nanjakany vao resin’i Nebokadnezara tao Karkemisy (625 T.K. [toa taorian’ny Nisana]) ny Ejipsianina nifehy an’i Syria-Palestina. (Je 46:2) Noho i Joiakima nikomy tamin’i Babylona no naharava ny fanjakany, rehefa avy nitondra 11 taona teo ho eo izy. Tamin’ny faramparan’ny taona fahavalo nanjakany, teo am-piandohan’ny 620 T.K., àry no nanomboka ny taona fahatelo nifehezan’i Babylona azy.
-