ZENEVRIE
(zenevriè).
1. [Heb.: berôhsh]. Nadika hoe “hazo kesika”, “siprey”, na teny hafa ny hoe berôhsh (heb.), nefa zenevrie no dikan-teny mitombina kokoa, hoy ny mpanao diksionera sasany. (Jereo ny Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 148; Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-2, p. 293.) Nohafaran’i Solomona Mpanjaka avy any Libanona izy io (1Mp 5:8-10; 9:11; 2Ta 2:8), ka mety ho ny Juniperus excelsa, izay hazo maitsoririnina sy mafy ary avo be (mety hahatratra 20 m). Misandrahaka ny sampany, marokoroko toy ny kira ny raviny madinika, ary mainty boribory kely ny voany. Mamerovero ilay hazo sady mateza ka be mpitia.
Avy any Libanona ny Juniperus excelsa, ka miara-voaresaka foana izy io sy ilay faritra. Anisan’ny hazo “voninahitr’i Libanona” izy io. (2Mp 19:23; Is 14:8; 37:24; 60:13) Manao ‘trano’ na akany eny amin’ny hazo zenevrie ny vanobe. (Sl 104:17) Nampiasaina be ny zenevrie tao amin’ny tempolin’i Solomona. (2Ta 3:5) Io hazo io no nanaovana ny lelavaravarana tamin’ny varavarana fidirana (1Mp 6:34) sy ny gorodona. (1Mp 6:15) Natao hazo mitondra ny tafo koa izy io (To 1:17), nofisahina handrafetana sambo (Ezk 27:5), ary natao tahon-defona (Na 2:3) sy zavamaneno (2Sa 6:5). Midoroboka ny zenevrie, ka ilazan’ny faminaniana ny hakanto sy ny fahavokaran’ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa mody izy ireo.—Is 41:19; 55:13; 60:13.
2. [Heb.: ʽarôhʽer na ʽarʽar]. Mety ho ny Juniperus phoenicia io hazo io, raha ilay antsoin’ny Arabo hoe ʽarʽar. Hazo madinika any amin’ny faritr’i Sinay sy ny Tany Efitr’i Edoma izy io. “Mitanjaka” na “tsy manana na inona na inona” (ampit. Sl 102:17) no dikan’ilay fototeny hebreo niavian’ny anaran’ilay hazo. Mampalahelohelo ny fahitana an’ilay zenevrie botry kely any an-tany efitra be vato na eny amin’ny harambato. Noharina tamin’ny “hazo tokana [ʽarʽar] any amin’ny lemaka karakaina” àry izay olona miala amin’i Jehovah ny fony. Lasa “toy ny hazo zenevrie [kaʽarôhʽer] any an-tany efitra” koa ny Moabita nasaina nandositra.—Je 17:5, 6; 48:1, 6 (jereo anefa ny DIEM).