-
NimrimaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
NIMRIMA
(Nimrìma) [mety hidika hoe Leopara].
Ny “ranon’i Nimrima”, dia voaresaka ao amin’ny faminanian’i Isaia sy Jeremia momba ny loza hanjo an’i Moaba. (Is 15:5-9; Je 48:34, 35) Namokatra ny faritra nolalovan’ny ranon’i Nimrima, ka misy mihevitra azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka Nimrin, izay mivarina ao Jordana eo avaratry ny Ranomasina Maty. (Jereo BETI-NIMRA.) Toa tany atsimon’i Moaba anefa no nisy azy io, rehefa jerena ny filaharan’ireo toerana ao amin’ireo faminaniana ireo. Maro àry no milaza ny ranon’i Nimrima ho ny Lohasaha Falehan-driaka en-Nomeirah, izay mivarina eo amin’ny tendrony atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty, tokotokony ho 17 km any andrefana atsimoandrefan’i Karak. Nilaza mialoha ireo faminaniana fa “ho ritra tanteraka” ny ranon’i Nimrima. Angamba notampenan’ny fahavalo ilay rano ka ritra tanteraka, na mety ho teny an’ohatra ilay izy mba hilazana hoe ho lao ilay tany.
-
-
ZoaraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
2. [Hakelezana]. Tanàna tao amin’ny “Faritr’i Jordana.” Toa teo amin’ny sisin’ny lemaka lonaka iray izy io taloha. (Ge 13:10-12; jereo FARITR’I JORDANA.) Toa Bela no anaran’i Zoara, taloha. Tamin’ny andron’i Abrahama, dia niara-nikomy tamin’ny mpanjaka efatra tao amin’ny Faritr’i Jordana ny mpanjakan’i Zoara, taorian’ny 12 taona nifehezan’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama azy ireo. Resin’i Kedorlaomera sy ny mpanjaka telo niray dina taminy anefa izy ireo. (Ge 14:1-11) Taloha kelin’ny handravan’i Jehovah an’i Sodoma, dia nangataka i Lota mba ho afaka handositra tao Zoara. Nekena izany ka tsy noravana i Zoara. (Ge 19:18-25) Niala tao anefa i Lota sy ny zanany roa vavy tatỳ aoriana, satria natahotra. Nipetraka tao anaty lava-bato teny amin’ny faritra be tendrombohitra tsy lavitra teo àry izy ireo.—Ge 19:30.
-