-
BabylonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Matetika no niady sy nikomy tamin’i Asyria i Babylona, rehefa teo ambany fifehezan’io firenena natanjaka indrindra faharoa eran-tany io. Rehefa nihena ny herin’i Asyria, dia lasa mpanjaka ilay Kaldeanina atao hoe Nabopolasara, tamin’ny 645 T.K. tany ho any. Nanomboka teo aminy ny tarana-mpanjaka hafa tao Babylona. I Nebokadnezara II zanany no nandimby azy. Nohavaozin’izy io ilay tanàna, ka lasa nalaza be. Nirehareha àry izy hoe: “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, izay naoriko?” (Da 4:30) Mbola renivohitr’ilay firenena natanjaka indrindra fahatelo i Babylona hatramin’ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. (kalandrie gregorianina). Tamin’izay izy io no resin’ny tafika medianina-persianina notarihin’i Kyrosy Lehibe.
Nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany arivo i Belsazara, tamin’io alina io. Tsy tao an-tanàna i Nabonida, ka tsy nahita an’ilay soratra nanambara loza teo amin’ny rindrina hoe: “MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA.” (Da 5:5-28) Resin’ny Persianina mantsy i Nabonida, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tanànan’i Borsippa tany atsimoandrefana. Tao Babylona kosa i Daniela mpaminanin’i Jehovah tamin’io alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. io, ka nohazavainy ny hevitr’ilay soratra. Tao ivelan’ireo mandan’i Babylona ny miaramilan’i Kyrosy no nitoby, ary tsy natoritory mihitsy izy ireo. Navilin’ireo injenieran’ny tafik’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata nandalo an’ilay tanàna. Niroboka teo amin’ilay rano efa marivorivo ireo Persianina avy eo, ary niditra teo amin’ireo vavahady teo akaikin’ny fiantsonan-tsambo. Tampoka ilay fanafihana! Namakivaky haingana an’ilay tanàna izy ireo ka namono an’izay nanohitra azy. Niditra tao an-dapa izy ireo avy eo, ary novonoiny i Belsazara. Resy tao anatin’ny indray alina monja i Babylona! Nifarana hatreo ny fitondran’ny taranak’i Sema, ka ny taranak’i Jafeta (Aryanina) indray no nitondra an’i Babylona. Tanteraka tokoa ny faminanian’i Jehovah!—Is 44:27; 45:1, 2; Je 50:38; 51:30-32; jereo SARY, Boky Faha-2, p. 325; KYROSY.
-
-
KyrosyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ahoana no nampivilian’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata?
Voalazan’ny faminanian’ny Baiboly fa ho ritra ny reniranon’i Babylona ary tsy hikatona ny vavahadiny, rehefa manafika i Kyrosy. Ho tampoka ilay fanafihana ary tsy hanohitra ireo miaramilan’i Babylona. (Is 44:27; 45:1, 2; Je 50:35-38; 51:30-32) Nilaza i Hérodote fa nisy hadivory lalina nanodidina an’i Babylona, ary nisy vavahady halimo (na varahina) maromaro teo amin’ireo manda anatiny nanamorona ny Reniranon’i Eofrata, izay nandalo teo afovoan’ilay tanàna. Nanao fahirano an’ilay tanàna i Kyrosy, hoy i Hérodote (I, 191, 192), ka “nanao lakandrano mba hamiliana an’ilay renirano ho ao amin’ny farihy iray [nataon’i Nitokrisy vadin’ny mpanjakan’i Babylona, hono], izay honahona tamin’izay. Lasa marivo azo niampitana àry ilay renirano. Niroboka avy hatrany teo amin’i Eofrata izay efa nihena hatreny antsasa-pe ireo Persianina ..., ka niditra tao Babylona. Raha fantatry ny Babylonianina mialoha ny tetik’i Kyrosy, dia ho navelany hiditra tao an-tanàna ny Persianina ka nataony nahita faisana. Ho nohidiany daholo mantsy ny vavahady rehetra nanamorona an’ilay renirano, ary ho niakatra teny ambonin’ireo manda izy ireo ka nataony tsy afa-nandositra ireo fahavalony. Tsy nampoizin’izy ireo anefa ny nidiran’ny Persianina. Rehefa resy ireo nonina teny an-tsisin’ilay tanàna, dia tsy fantatr’ireo tany afovoan-tanàna akory izany, satria tena lehibe ilay tanàna, araka ny filazan’ireo mponina tao. Nandihy sy nanao fety izy ireo tamin’izay ... mandra-pahafantany hoe tafiditra ny fahavalo. [Ampit. Da 5:1-4, 30; Je 50:24; 51:31, 32.] Sambany àry i Babylona vao resy.”
Mitovitovy amin’ny an’i Hérodote ihany ny fitantaran’i Xénophon, afa-tsy ny tsipiriany sasany. Araka ny filazan’i Xénophon, dia nihevitra i Kyrosy fa ho sarotra be ny hananika an’ireo manda goavan’i Babylona. Nataony fahirano àry ilay tanàna, naviliny nankao amin’ny lakandrano ny ranon’i Eofrata, ary nasainy niroboka tao anaty rano sy niditra tamin’ny vavahady teo amin’ny manda ny miaramilany, raha mbola nifety ilay tanàna. Tratran’ny tsy nampoizina ireo mpiambina rehefa notafihin’ny miaramila notarihin’i Gobriasy sy Gadatasy, izay tafiditra tamin’ny vavahadin’ny lapa. “Azo ilay tanàna ary novonoina ny mpanjaka”, tao anatin’ny indray alina monja. Nitolo-batana ny miaramila babylonianina tao amin’ireo toerana voaro mafy, ny ampitso maraina.—Cyropaedia, VII, v, 33; ampit. Je 51:30.
-