ZAVATRA FANATSARANA TAREHY SY BIKA
Zavatra ahosotra amin’ny tarehy na hoditra na hoho na volo mba hanovana endrika, hanatsaram-bika, na hanintonana kokoa ny maso.
Mpanamboatra menaka fanosorana ny Israelita sasany. (Ek 30:25; 1Sa 8:13; Ne 3:8) Ny menaka fanosorana (manitra matetika) angamba tamin’ny zavatra fanatsarana tarehy sy bika no be mpampiasa indrindra. Nohosorana azy io ny hoditra sy volo ka tsy maina, rehefa nafana sy maina ny toetany. Fampiasa ny menaka manitra, toy ilay nanosoran’ny vehivavy iray mpanota ny tongotr’i Jesosy Kristy. (Lk 7:37, 38) “Nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra lafo vidy be, izay narda tena izy” koa i Maria, anabavin’i Lazarosy. Nohosorany tamin’iny i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany.—Mr 14:3; Jn 12:3; Mt 26:6, 7; jereo MENAKA FANOSORANA SY ZAVA-MANITRA.
Namboamboatra volo na nandravaka ny lohany sy “nanao manjamaso mainty” i Jezebela, rehefa tonga tao Jezirela i Jeho. (2Mp 9:30) Nanao manjamaso ny vehivavy sasany tany Israely, toy ny tany amin’ireo firenen-kafa tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. (Ezk 23:40) Natao mainty matetika ny manjamaso mba tsy hitovy loko amin’ny tapotsi-maso, ka toy ny hoe lehibe kokoa ny maso. (Je 4:30) Tsy mpanao manjamaso ny vehivavy tsy nivadika tany Israely, raha araka ny Baiboly. Nisy tamin’ny zanakavavin’i Joba anefa natao hoe Kerena-hapoka, izay mety hidika hoe “Tandroka Misy Loko Mainty (Fandokoana Maso) [izany hoe fitoerana manjamaso].”—Jb 42:14.
Tsy raran’ny Baiboly ny fampiasana zavatra fanatsarana tarehy sy bika ary firavaka, raha maotina sy voafidy tsara. Tokony hihaingo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” anefa ny vehivavy kristianina, ary tokony “hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra” izany, hoy i Paoly. (1Ti 2:9, 10) Tokony “ho ilay toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra” ny haingon’izy ireo, hoy i Petera. (1Pe 3:3, 4) Hoy àry ny Ohabolana 31:30 momba ny vady tsara: “Mamitaka ny hatsaram-bika, ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hahazo dera.”